Ianao ihany no fanafody tsara indrindra?

1. voromailala ( 19/06/2013 10:34)
Hoy ilay Dokotera Kardiôlôgy Frantsay iray hoe ianao ihany no fanafody tsara indrindra amin'ny aretina mahazo anao.
Ahoana ny hevitrao?

Inty ny rohy manazava ilay boky nosoratany momba izany: Le meilleur médic ament, c'est vous!
2. voromailala ( 19/06/2013 10:37)
Inty ilay rohy fa nisy diso Le meilleur medicament c est vous.
3. 5laody ( 19/06/2013 13:06)

Misaotra amin'ny rohy, henoko tamin'ny radio io rangahy io, Misy zavatra maro azo raisina ny lazainy raha mana-mpiniavana?.
4. voromailala ( 19/06/2013 14:32)

5laody:


Misaotra amin'ny rohy, henoko tamin'ny radio io rangahy io, Misy zavatra maro azo raisina ny lazainy raha mana-mpiniavana?.


Tsisy fisaorana e.
Resaka sakafo sy fomba fisakafoanana ary tsy filamiantsaina matetika no mankarary ny olona.
Hoy Hippocrate ([i]père de la médecine[/i]) zay hoe 'Que ton alimentation soit ton médicament'.





5. voromailala ( 22/06/2013 19:51)
Inty misy sombiny momba ilay boky nivaoka tamin'ny vaovao niresahan'ilay Dokotera.
Le meilleur médicament c'est vous.
6. booboo ( 01/07/2013 09:32)
Nividy ilay boky aho ny farany :-D. Mora vakiana, feno astuces tsotra kely marobe mahaliana hitandrovana ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina.
Ilay resaka perte de poids no tena nahaliana ahy :-D :-D :-D, raha² manga ilay mitady chocolat noir zato isan-jato :-D :-D :-D :-D, soa fa misy dipoavatra, ny sakay tsy lasa klé :-D

Voromailala > merci nizara ô
7. endriny ( 09/07/2013 05:49)
Misoroa ianao rano roa vera alohan'ny hisakafo dia feno rano ny kibonao, ary hihena tsy o ela ny lanjanao...

Fa ny sakafo no fanafody voalohany ...
8. 5laody ( 11/07/2013 21:31)

booboo:

Nividy ilay boky aho ny farany

Voromailala>>> Tsara maka commission ianao.
booboo>>> chocolat de cuisine matetika zato isann-jato ary i Robert dia mivarotra any am grandes surfaces.
zarazarao ny fika madinika,, hanome iray henoko t@ vata fandraisam-peo aho

Tsara hono ny kabone 101 satria ny paozinao mietraka iny dia mety kokoa ho an'ny transit noho ilay mipetrakav ambony seza fiandrianana. mihena adiny iray hoy izy ny fotoana laninao ao amin'ny trano fisainana (raha tsy ilaozanao mamaky ilay boky). : Ny azo atao dia maka seza kely avoavo asiana tongotra rehefa manary ventiny mba hanovana position ho toy ny amin'ny 101.

9. voromailala ( 12/07/2013 08:41)
booboo>:-D,fa ny mpivarotra rehetra na Relay aza feno ilay boky io daholo.Tsisy merci fa zaraina izay nahasoa e.
endriny> izay indrindra, sakafo no tena fototra.
5loady> Ny soa azon'izay nandray ny vaovao zaraina dia efa commission :-)

Amin'io resaka sakafo io dia ny Naturopathie no tena manoro azy io indrindra,misoroka sy mitsabo amin'ny alalan'ny sakafo sy zavatra natioraly.

Raha misy vonona ny andalina ianareo dia misy boky "Alimentation vivante pour une santé optimale" ary misy Institut any Florida (institut Hippocrate) mitsabo amin'ny alalan'ny Sakafo sy Jeun.

Alimentation Vivante: ny tombony, ny fitandremana,.....
10. booboo ( 12/07/2013 22:54)
Isan'ny hitako tao @ ilay boky koa ho antsika vhv, mampihena 30 isan-jato ny risque ahazoana diabète ny fanaovana allaitement long 2 taona, raha 1 taona na latsaka dia mihena 15 isan-jato ny risque.
Mampihena ny risque ahazoana cancer des ovaires, tranon-jaza ary nono ihany koa ny fampinonoana. Miaro @ ostéoporose ihany koa.
Malaky mihena ny lanja 6 volana afaran'ny accouchement rehefa mampinono. (ny ahy ny mifanohitra t@ io no nitranga :°) )
Mihiba 2 heny koa ny risque -na fracture du col de fémur ho an'ny vehivavy nampinono mitaha @ tsy nampinono.

Dia koa " le lait d'une femme qui allaite un nourrisson de 18 mois est tout aussi riche que celui d'une femme qui allaite un bébé de 3 mois ".
Mihena 64 isan-jato ny risque allergique ho an'ny zaza minono mihoatra ny 1 taona, mihena 29 isan-jato raha minono 6 hatr@ 1 taona.

Mahasalama antsika reny koa ny fampinonoana fa tsy ny kilonga ihany :-). Plus lava ny fotoana hampinonoana ny kilonga, plus be dia be ny tombo-tsoa azo na ho antsika reny na ho an'ny kilonga. Vive l'allaitement long (ié, pro-allaitement long vachement long ny aty :-P)
11. voromailala ( 15/07/2013 14:56)
booboo> hahahah no comment :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6825