Noa sy ny Sambofiaran'ny Safo-drano, fizaràna fahafito

1. Nehemiah ( 12/06/2013 07:37)
Miroso @ tapany farany @'ity lohahevitra ity isika, dia ny momba ny Sambofiaran'i Noa, isika. Arabiana matetika dia matetika izy io.



Dia mba miezaka ny mamantatra ny zavatra tena lazain'ny Baiboly ihany ve ny mpanao sary tahakan'ireny e ??? Tsy mba izay no tantarain'ny Baiboly. Toy izao ny haben'ny Sambofiara araky ny refy nomen'ny Baiboly :


Mainka hitovy hangeza @ Titanic ilay izy.

Ka mety milaza ny sasany izay mahay ingénierie navale hoe : "Na dia @ teknôlôjia ananantsika ankehitriny dia tsy hay atao ny manamboatra sambo fisa-body goavana be tahak'izao ka entina hamakivakiana ny ranomasina maria miaraka @ entana sy zavamananaina maro be ao anatiny !"
Endrika snobisme mahatsikaiky ny mieritreritra fa isika mivelona @'izao fotoana môderina ankehitriny izao ihany no lalin-tsaina fa ny razantsika fahagola dia donto saina, fa izany hoe resaka hafa izany. Ny mandiso an'izay hevitra izay dia ity :



Nisy dia malaza nataon'ny tafiky ny jeneraly sinoa Jiang He hitady trésor any Mozambique. Jereo tsara ny refiny : 122 m ny halavany, 52 m ny sakany. Na dia ny Sao Gabriel, ilay sambon'i Vasco de Gama, dia omby malalaka eo ambonin'ny anank1 @'ireny Baochuan ireny. Kanefa 40 @'ireny no nentin'i Jiang He ! Ka tsy olantsika izany raha tsy mahavita manao an'izay ny mpahay fanamboarantsambo ankehitriny. Nahavita an'izay ny sinoa ka tsy hahavita an'izay ve i Noa :) ?

Hitanareo mantsy, mino aho fa nikarama olona i Noa hanamboarana ny Sambofiarany. Kanefa rehefa tonga ny fotoana dia tsy nisy nety niakatra anatin'ny Sambofiara namboariny mandritry ny 100 taona izy ireo. Satria maninona ? Tsy nino izy ireo fa nisy ilàna azy ilay izy. "Ny anay raha voa mahazo ny karamanay dia efa ampy izay. Izahay kosa ve dia handray anjara @'ity revin'adala ity ? Ho rava izao tontolo izao e, io ihany no mahavonjy anareo e... Mitapy mihitsy ho'aho ity rangahy ity !" Kanefa fantatsika ny nanjo an'izay rehetra tany ivelan'ny Sambofiara rehefa nakaton'i Jehovah ny varavarana... Ankehitriny dia zary souvenirs efa mila ho voafafa @ sain'olona izy ireo...

Torak'izay koa, mba firifiry ny olona mandeha miangona ka manana an'izay fomba fisainana izay ankehitriny ? "Miangona aho satria izay no lamaody, fa kosa tsy mba mino an'izany resaka Famonjena izany aho. Tsy aleo ve samy miaina ny fiainany ka tsy asiana gidragidra ? Izaho tsy mila ampitahorina @ resaka helo mba hiaina fiainana mendrika : tsy mamono olona aho, tsy mangalatra aho, tsy mifoka rongony aho..."

Ny olona misaina tahakan'izao dia tsy mahazo an-tsaina ny tena dikan'ny fahamasinan'Andriamanitra. Araky ny filazako matetika, hafa ho an'ny Amerikana ny mandaka alika mirenireny sy ny mandaka an'i Barack Obama (lol). Mampigadra ny faha2. Satria maninona ? Manana ny fahamasinany sy ny maha-izy azy, @ maha-Filohan'ny Etazonia azy, i Obama ! Fa i Andriamanitra kosa dia masina lavitra dia lavitra noho i Obama @ maha-Mpahary an'izao tontolo izao Azy.

Tokana ny Varavarana fidirana, ary i Jesoa Kristy izay (Jn. 10:9). Anjarantsika kristiana ny manondro ny olona rehetra ny Varavarana. Fa izay tsy te-hiditra kosa dia hizaka ny vokatry ny safidiny. Tsy azontsika atao ny manery azy ireo hiditra ao. Fa azontsika atao kosa ny manome valiny ho an'ny olona misalasala (1 Pet. 3:15). Samia ho tahian'Andriamanitra avokoa.
novalian'i Nehemiah ny 12/06/2013 07:52
2. Nehemiah ( 12/06/2013 07:38)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51b5ec3bdf35c
3. Nehemiah ( 12/06/2013 07:44)
Ity rohy ity dia mankany @ lohahevitra momba ny mpandrafitra nanamboatra Sambofiara, mba porofo hafa koa fa azo atao ny manamboatra sambo fisa-body ngeza tahaky ny Sambofiara :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51b826788bdfc
4. Nehemiah ( 12/06/2013 07:52)
Ity rohy ity indray dia mankany @ lohahevitra manazava @ antsipiriany ny @ toerana nobahanan'ny biby sy ny sakafo ary ny rano fisotro @ Sambofiara :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51b8273eba6ba
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0477