FFKM, RATSIRAKA tsy mahavita azy

1. pulm ( 30/04/2013 10:44)
Amiko efa tara loatra ny zavatra tokony ataon'ny FFKM, efa andrasana ho ambavahaonan'ny fahafatesana ve zay vao mirotoroto mafy ery( indramiko ny hiran'i MAHALEO "efa tara loatra...") ny vahoaka efa hinan'ny fatiny, hatramin'izay taiza foana? sa mbola napiady kary? raha i RAsendrahasina manokana aloha dia tsy tokony ho ao anatin'io FFKM io mitsy, mahita foana izahay @gazety sy ny vaovao hoe mikorotana ny FJKM ary? efa impiry? tsy hita izay ataon'ny FJKM? sa ireny zavatra tsimisy dikany? ny dikany ny ao anatiny aza tsy voavahy maika fa ny firenena? de gaga ela, Razanakolona indray voavidy vola dia tsy sahy mihetsika satry bedin'ny dada ko(la frantsa) dia eto isika no minan'ny fatiny eto e!

Oavy ity ny fifidianana,za mino raha izao ny fandehany tsimisy fifidianana zany eo e! mody apidirina i Ratsiraka ilatsaka dia anakorotana, moa ve tsy io rangahy be antitra io no nahatonga izao krizy lavareny izao(2008 VIVA)? dia mbola io indray lery fa hanakorotana ny fifidianana satria efa voabaikon'ny LAFRANTSA, lazaina fa tia tanindrazana io antitra be io nefa ny toetra ratsiny ange no nolovain'ireo panao politika ireo e! miara mahita eto isika ko!milaza amin'ny anaran'ny vahoaka foana! fa iza lay vaoake? sa rajako daholo ny vahoaka?omena akondro dia mangina? anjaratsika no mandinika!
novalian'i rebiryx ny 01/05/2013 16:53
2. misratana ( 01/05/2013 08:10)
Ra8 no nahatonga ny krizy 2008 fa tsy radidy, rehefa noetraketrahana i Andry tamin'ny panneau publicitaire 3D teo antanimena dia nitohy tamin'ny fanalana ankitsirano ny panneau eran'antananarivo, ny antony dia tsotra, tsy nanaiky ny hiarahiasa amin'ingahy Josoa Ra8 satria Injet irery no mba nanana impression grand format tamin'izany, io ilay toetra mahazatra ka rehefa misy créneau mande dia hidirana dia faizina avy eo zay concurrent amin'ny alalan'ny pouvoir public, ireo no nanosika an'i Andry hanao politika na dia tsy niomana ny amin'izany aza. I Ra8 ihany ny nanamboatra ny basy hitifirana azy (@ fomba fiteny io). Raha tsy nisy an'io zavatra io dia tsy nisy krizy zany teto Mada. Lainga daholo zany resaka hoe olana teo amin'i Sarah Ra8 sy Andry TGV zany, tsaho aely zany fa na ny tavan'i Sarah aza mety mbola tsy nifanatrika tamin'i Andry hatramin'ny naha-olona azy (efa novalin'i ra8 io resaka io tany Afrika atsimo). Resaka radidy 2009 zany tsy misy idirany fa natao fitaovana fotsiny izy
3. rebiryx ( 01/05/2013 16:53)
sady fandaniana andro sy fandrebirebena saina koa anie ity ataon'ny FFKM ty e ! Izy koa anie no tena isan'ny fototr'izao krizy izao e. Ataoko fa raha tsy nisy ireny FITONGILANANA nataony tany amin'ny EPISCOPA ireny dia tsy ho NIJALY toa izao isika mianakavy. Rehefa sempotra zany izy vao hiazakazaka handamina indray ? Main'ny AFO NATSANGANY izy io ka dia avelao ho sahirana eo. Kely anefa ny finoako ry nama raha io FFKM "niray tsikombakomba" tamin'ny MPANONGANA io indray no hilaza fa afaka mamaha izao KRIZY izao ??? Ilay filohany tamin'ny 2009 ihany anie no niverina ho filohany amin'izao e ! Misy zava-miafina ao ambadika...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.283