Genesisy, Evanjely sy ny resaka evôlisiona vs famoronana, fizaràna voalohany

1. Nehemiah ( 15/04/2013 15:06)
@'izao vanim-potoana post-moderne izao, misy fiteny manao hoe : "Un pessimiste est un optimiste bien informé". Azo heverina fa marina izany. Samy efa nahatsikaritra angamba isika fa efa tsy mazoto mandeha miangona intsony ny tanora @'izao fotoan'andro izao. Mbola tsy miendrika fandavàna mibaribary an'Andriamanitra aloha izao raha ny aty Madagasikara, fa kosa nahita ny mpanao sondazy kristiana George Barna fa mainka ho 66%-n'ny ankizy kristiana any Etazonia izay nobeazina t@ fianakaviana kristiana ary niangona isak'alahady no manary ny finoany rehefa ampy taona ! Eritrereto anie : ny 2/3 ! Hoy izy ireo hoe : "Tsy misy ilàna azy ny fivavahana kristiana, mahakamo ilay izy ary zavatra mandalo fotsiny."
Mahavariana tokoa izany satria firenena miorina @ finoana kristiana ny Etazonia ary 70%-n'ny mponiny no mbola milaza ny tenany ho kristiana (45% fotsiny aty Madagasikara). Ka rehefa zohina ny hafaingan'ny fanatontoloana tsy voafehy dia tsy misy antony tokony tsy iheverantsika fa tsy hitranga aty Madagasikara koa izany toe-javatra mahonena izany, na dia miezaka toy inona ny hitazona ny tanorany aza ny fiangonana, sady efa hitantsika ny famantarana vitsivitsy fa efa manomboka mipoitra izany, na dia @'ity serasera ity aza.

Ka inona izany no mahatonga an'izao ?
Izao no lazain'i Dr. E.O. Wilson, mpampianatra sociobiologie any Harvard sady anisan'ny tompon-dakan'ny evôlisionisma, @ gazety "The Humanist" (Septambra 1982, p. 40) :
"Tahaky ny olona maro tany Alabama dia kristiana teraka indray aho taloha. Niditra t@ Fiangonana Batista Atsimo aho ary nafana fo sy liana t@ finoana fondamentaliste. Kanefa niala aho t@ 17 taona, rehefa niditra oniversite ka nianatra ny momba ny fotopisainan'ny evôlisiona aho."
Eo indrindra isika. Ny fotopisainan'ny evôlisiona dia miezaka ny manazava an'izao tontolo izao ka tsy omena toerana na kely aza Andriamanitra. Raha fehezina izany dia very toky momba ny fahefan'ny Baiboly ny prôfesora Wilson, ary tsy azo omena tsiny izy fa angamba nampianarina azy fa fotopisainana ara-tsiansa marim-pototra sady mifanaraka @ zava-misy izy.

Marina aloha fa tsy zava-baovao ny fanamavoana ny fahefan'ny tenin'Andriamanitra. Jereo izao ity filazan'i Alfonso X (1221-1284), antsoina hoe El Sabio (ilay hendry), mpanjakan'i Castilla y Leon (ampovoan'ny Espagne) sady mpikambana @ skôlastika, ity : "Raha mba teo izao aho t@ Famoronana dia mba nanome hevitra marim-pototra vitsivitsy mba ho voarafitra tsara kokoa izao tontolo izao." Inty misy mpanjaka katôlika mahatoky izay miseho ny tenany ho mahavita manome hevitra an'Andriamanitra. Inty misy mpanjaka katôlika mahatoky izay tsy mahalala ny voalazan'ny Soratra Masina satria mazava dia mazava dia mazava ny Baiboly : tsy ny tontolo noforonin'Andriamanitra no isiantsika ankehitriny : tanteraka ny tontolo noforonin'Andriamanitra t@ fiandohana, fa saingy rava izay fahatanterahana izay nohon'ny nataon'ny olombelona, fa tsy nohon'ny nataon'Andriamanitra.

Hitanareo mantsy, mainka ho isaky ny misy zava-dozabe mitranga (izany hoe matetika dia matetika) dia asaina @ TV ny mpitondra fivavahana ary anontanina izy ireo hoe : "Maninona no avelan'ilay Andriamanitra fitiavana tompoinareo hitranga ny zava-doza toy ireny ?" Ary ny tena mahonena dia matetika tsy mahavita manome valiny hentitra izy ireo (asa raha tena tsy hainy ny valiny sa mataho-mena-mason'ny manohitra ny fotopisainana "ara-tsiansa" efa mipetraka sady eken'ny daholobe), kanefa mazava loatra ny valiny : misy ratsy izao tontolo izao nohon'ny ataontsika olombelona, nanilika Azy tsy ho ao @ toeram-pampianarana, ny fiaraha-monina, ny toerana rehetra, dia avy eo mitaraina isika kanefa mandrora mitsilany !. Fombantsika olombelona rahateo moa izay hadalàna izay : manendrikendrika olon-kafa @ voka-dratsin'ny nataontsika.
Izay mantsy no tena fomba fijery kristiana an'izao tontolo izao : tanteraka izao tontolo izao t@ fotoanan'ny FAMORONANA, fa saingy rava izao fahatanterahana izao t@ fotoanan'ny FAHALAVOANA, rehefa nanota ny olombelona, ka izay no ilantsika ny FAMONJENA. Kanefa, raha mahatsikaritra ianareo, ny resaka FAMONJENA ihany no tena ifantohan'ny ankabetsahan'ny fiangonana @'izao. Ka vonjena @'inona kay ny olombelona ? @ fahalovana sy ny ota. Inona no fotoana nipoiran'ny fahalovana sy ny ota ? Ny FAHALAVOANA.

Hitantsika @'izay ny fifandraisan'ny Genesisy sy ny Evanjely. Raha tsy miainga avy any ifotony isika (izany hoe ny Genesisy) dia manjary tsy azon'ny olona ny antony ilàny ny famonjena satria tsy azo ihodivirana ny fifandraisan'ny FAMORONANA sy ny FAMONJENA.

Efa tsy miraharaha an'ity resaka momba ny nipoiran'izao tontolo izao intsony ny ankamaroan'ny teôlôjiana sy ny fiangonana fa navelany an'ny manam-pahaizana izay matetika mpandà an'Andriamanitra itony taranja itony. Ka tokony tsy mahagaga raha tsy mino ny Genesisy intsony ny ankabeazan'ny mpitondra fiangonana.
Izao no lazain'ny prôfesora Dr. David Tracy, mpampianatra any @ oniversiten'i Melbourne sady manam-pahaizana momba ny fivavahana :
"Ao anatin'ny 10-20 taona ho avy dia handohalika hivavaka mba tsy hanjavona ny ankamaroan'ny fiangonanana lehibe... Efa lany daty ny fomba fanaon'ny fiangonana... ny ankevikevin'ny faharetany dia mitovy @ ny an'ny Titanic. Tsy hitan'ny olona intsony izay fifandraisan'ny zavatra ivelomany sy ny dôgma sy fampianaran'ny fiangonana. Krizy goavana be izao. Manana fironana voajanahary hamakafaka ny zava-panahy ny olona, fa saingy mila finoana marim-pototra izy ireo. Mitady antony marim-pototra hino izy ireo. Tsy mila finoana anjambany izany izy ireo." Tsy tokony hahagaga koa raha izao no fijerin'ny mpandà an'Andriamanitra antsika raha izao no fomba fanaontsika.

Raha tsorina izany, ny tena tadiavin'ny olona ankehitriny dia finoana rationnelle ahafahana manao hoe "abracadabra, voavonjy aho". Tsy te-hivaky loha @'izao teôlôjia lalina be izao izy ireo. Kanefa, inona no notenenin'Andriamanitra ? Hosoratany @ fontsika ny lalàny sa @ saintsika ? Ny aiza no taomin'ny Fanahy Masina voalohany ? Ny fo sa ny saina ? Tsy ny fo torotoro miantsoantso vonjy ve ? Dia rehefa taomin'ny Fanahy Masina izy dia izay voa mibebaka ny saina. Rationnel tanteraka izany.

Raha ny antsika kristiana aloha dia mazava ny teôlôjia : ny Baiboly no fahefàna faratampony ho an'ny resaka finoana sy fiainana rehetra, sa tsy izay ve ? Fa kosa eritrereto tsara izay : Andriamanitra Andriananahary Mpamorona an'izao rehetra izao, mahay sy mahafantatra ny zava-drehetra no miteny eto. Nomeny aingam-panahy ireo mpanoratra ny boky maro samihafa @ Baiboly mba ho soratany ara-bakiteny izay tiany ho soratany indrindra. Milaza azy ho tenin'Andriamanitra ny Baiboly. Inona no fehezanteny hita matetika dia matetika ao anatiny ? "Izao no lazain'ny TOMPO..." Midika izany fa fahefàna faratampony ny Baiboly, tsy @ resaka ara-panahy ihany fa @ taranja rehetra resahiny.
novalian'i Nehemiah ny 02/05/2013 15:08
2. Miharena ( 16/04/2013 03:15)
Nehemiah:

misy ratsy izao tontolo izao nohon'ny ataontsika olombelona, nanilika Azy tsy ho ao @ toeram-pampianarana, ny fiaraha-monina, ny toerana rehetra, dia avy eo mitaraina isika kanefa mandrora mitsilany !. Fombantsika olombelona rahateo moa izay hadalàna izay : manendrikendrika olon-kafa @ voka-dratsin'ny nataontsika.


Lava be ilay fanazavana fa tsimponina tsikelikely ilay fanehoan-kevitra mety mivilana ihany raha tsy feno ny fanontaniana mipongatra manitikitika isan'andininy.
Fanontaniana : iza ilay olombelona? Ahoana ny firafiny? Nahoana izy no mandeha anjambany? tokony hitsara azy ve ny olombelona namany?



Izao no lazain'i Dr. E.O. Wilson, mpampianatra sociobiologie any Harvard sady anisan'ny tompon-dakan'ny evôlisionisma, @ gazety "The Humanist" (Septambra 1982, p. 40) :
"Tahaky ny olona maro tany Alabama dia kristiana teraka indray aho taloha. Niditra t@ Fiangonana Batista Atsimo aho ary nafana fo sy liana t@ finoana fondamentaliste. Kanefa niala aho t@ 17 taona, rehefa niditra oniversite ka nianatra ny momba ny fotopisainan'ny evôlisiona aho."


Ny evolisiona dia azo kirakiraina ny fanehoana azy (materialisma). Ny fondamentalisma dia mazava fa fiheverana (idealisma). NIrona tamin'ny materialisma ilay ranamana rehefa avy nilomano tamin'ny tsy hita maso no sady tsy azo tsapain-tanana. Tsy rationelle ilay teraka indray matoa niala izy.Izany hoe tsy azony an-tsaina mihitsy izany teraka indray izany. Io no tokony hazavainao namana Nehemiah.
3. Nehemiah ( 16/04/2013 06:37)

Miharena:

Fanontaniana : iza ilay olombelona? Ahoana ny firafiny? Nahoana izy no mandeha anjambany? tokony hitsara azy ve ny olombelona namany?

Ny olombelona lazaiko eto dia isika rehetra, ary ianao koa tafiditra ao anatin'izay, ka rehefa manao an'izay heverinao ho "fitsaràna" aho, dia fitsaràna tena izay. Ary izay koa no anisan'ny tiako iaviana : tsy Andriamanitra no tokony endrikendrena nohon'ny ratsy misy @'izao tontolo izao fa isika olombelona no tokony hihevi-tena.

[/quote]
Ny evolisiona dia azo kirakiraina ny fanehoana azy (materialisma). Ny fondamentalisma dia mazava fa fiheverana (idealisma). NIrona tamin'ny materialisma ilay ranamana rehefa avy nilomano tamin'ny tsy hita maso no sady tsy azo tsapain-tanana. Tsy rationelle ilay teraka indray matoa niala izy.Izany hoe tsy azony an-tsaina mihitsy izany teraka indray izany. Io no tokony hazavainao namana Nehemiah.
[/quote]
Mbola ho hitantsika @ fizaràna manaraka izay, fa ny finoana kristiana dia mifototra @ tantaran'ny olombelona, fa tsy finoana anjambany fotsiny. Tsy azo sarahina ny lafiny ara-tantaran'ny Baiboly sy ny lafiny ara-panahiny, ary diso dia diso izay miteny zavatra mifanohitra amin'izay. Izay no nahatonga an'i Paoly hanao hoe : "ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany hianareo" (1 Kor. 15:14-17).

Ka azo heverina fa manaraka lôjika ihany ny nataon'i Wilson. Rehefa tsy marina ny Genesisy izay mitantara ny antom-pisian'ny finoana kristiana, tsy ilaina ny finoana kristiana, ary mbola ho hitantsika izay.

Izany hoe marina aloha fa angamba ara-pihetseham-po fotsiny ny fahaterahana faha-2-n'i Wilson fa tsy nifototra t@ saina sy fanahy, ary milaza koa ny 1 Jn. 2:19 fa tsy hoe teraka indray mandeha ny sasany dia hijanona @ finoana.
4. Miharena ( 16/04/2013 13:48)
Ilay isika rehetra mihitsy no mila fantarina hoe iza? ahoana ny firafiny? Ary raha misy hafatra ara-panahy, inona no iantefany? Ilay raftira toy ny inona?

Mety hanampy bebe kokoa ny famaliana ireo fanontaniana ireo eo amin'ny fitondrantena sy ny fitaizam-panahy. Hay ve ny manavaka izay singa iantefan'ny fitaizana avy sa mifampiankina? Ary ny karazana hafatra na teny toy ny inona avy no tena miavaka tsara ho an'y singa azo havoitra momba ny olombelona?
5. Nehemiah ( 16/04/2013 14:01)
Izay zavatra izay kosa mbola hovaliana @ fizaràna manaraka ny hoe ny aiza no taomin'ny Fanahy Masina voalohany.

Fa aza adino kosa fa tsy tafasaraka ny ara-tsaina sy ny ara-panahy @ finoana kristiana, sady izay no maha-finoana maharesy lahatra azy rahateo na dia tsy misarona ny zava-drehetra @ finoana kristiana akory ny saina, ary izay no anton'ny hoe "Finoana no andehanantsika fa tsy fahitàna".
6. Miharena ( 16/04/2013 14:43)

fa kosa nahita ny mpanao sondazy kristiana George Barna fa mainka ho 66%-n'ny ankizy kristiana any Etazonia izay nobeazina t@ fianakaviana kristiana ary niangona isak'alahady no manary ny finoany rehefa ampy taona ! Eritrereto anie : ny 2/3 ! Hoy izy ireo hoe : "Tsy misy ilàna azy ny fivavahana kristiana, mahakamo ilay izy ary zavatra mandalo fotsiny."
Mahavariana tokoa izany satria firenena miorina @ finoana kristiana ny Etazonia ary 70%-n'ny mponiny no mbola milaza ny tenany ho kristiana (45% fotsiny aty Madagasikara). Ka rehefa zohina ny hafaingan'ny fanatontoloana tsy voafehy dia tsy misy antony tokony tsy iheverantsika fa tsy hitranga aty Madagasikara koa izany toe-javatra mahonena izany, na dia miezaka toy inona ny hitazona ny tanorany aza ny fiangonana, sady efa hitantsika ny famantarana vitsivitsy fa efa manomboka mipoitra izany, na dia @'ity serasera ity aza.


Eny àry, dia aleo angamba hadihadiana kely ity fehezanteny misy sehon-kevitra avy aminao ity.
Inona no tena banga raha misy ireo olona izay mandao ny finoana raha vao nahazo resaka momba ny evolisionisma? Ary indrindra hoe mahakamo ny finoana kristianina (nefa avy amin'n yvavan'ny zaza nobeazina ara-Kristianina io feo io????
7. Nehemiah ( 16/04/2013 15:13)
Tsy dia sahiko loatra ny mamaly hoe "misy gaboraraka ny fitaizany", satria ahitàna zaza notaizan'ny raiamandreniny tsara t@ finoana kristiana izay mandao ny finoany nohon'izay.

Mbola ho hitantsika @ fizaràna manaraka izany, fa ny olona @'izao dia mitaky finoana ara-pisainana, kanefa tsy hain'ny fiangonana ny manome azy izay takiany, ka tsy mahagaga raha mora tratran'ny evôlisiona (na fampianaran-diso hafa) izy ireo. Kanefa ara-pisainana tokoa ny finoana kristiana. Izay no namerimberenako hoe tsy ampy ny fampianarana apôlôjetika.

Maniry mafy ny ho Tompon'ny fiainana ka hanilika an'Andriamanitra ny olombelona, satria manana toetra manohitra an'Andriamanitra izay mbola tsy teraka fanindroany, indrindrindrindra @'izao vanim-potoana izao. Masiaka mihitsy ny mpankahala an'Andriamanitra rehefa hampiely ny fomba fijeriny @ ato-dohan'ny rehetra ary tsy misy inona na inona manery azy tsy hampiasa ny fomba rehetra, na ratsy na tsara, ahatratrarany ny tanjony. Anisan'ireny ny nanaovany tery vay manta ny néo-darwinisme ho dôgma @ fampianarana, ary ny nanilihany an'izay resaka rehetra momba an'Andriamanitra (raha tsy hoe @ fomba maniratsira angamba).

Kanefa, ary izay no ho hitantsika @ fizaràna ho avy, raha marina ny darwinisme dia diso tanteraka ny finoana kristiana. Tsy azo tsaraina ny olona izay nandao ny finoana kristiana satria nahafantatra ny momba ny evôlisiona, lôjika ny nataony.
8. bor2lais ( 16/04/2013 15:19)
Ahatsiarovako lohahevitra iray efa nandeha teto ity resaka ity :
Nehemiah:

Samy efa nahatsikaritra angamba isika fa efa tsy mazoto mandeha miangona intsony ny tanora @'izao fotoan'andro izao. Mbola tsy miendrika fandavàna mibaribary an'Andriamanitra aloha izao raha ny aty Madagasikara, fa kosa nahita ny mpanao sondazy kristiana George Barna fa mainka ho 66%-n'ny ankizy kristiana any Etazonia izay nobeazina t@ fianakaviana kristiana ary niangona isak'alahady no manary ny finoany rehefa ampy taona ! Eritrereto anie : ny 2/3 ! Hoy izy ireo hoe : "Tsy misy ilàna azy ny fivavahana kristiana, mahakamo ilay izy ary zavatra mandalo fotsiny."
Mahavariana tokoa izany satria firenena miorina @ finoana kristiana ny Etazonia ary 70%-n'ny mponiny no mbola milaza ny tenany ho kristiana (45% fotsiny aty Madagasikara). Ka rehefa zohina ny hafaingan'ny fanatontoloana tsy voafehy dia tsy misy antony tokony tsy iheverantsika fa tsy hitranga aty Madagasikara koa izany toe-javatra mahonena izany, na dia miezaka toy inona ny hitazona ny tanorany aza ny fiangonana, sady efa hitantsika ny famantarana vitsivitsy fa efa manomboka mipoitra izany, na dia @'ity serasera ity aza.


Ity ny rohy ho an'izay mety ho liana :
tsindrio eto
Miala tsiny indrindra amin'i Nehemiah raha somary nijapy resaka ! :-)
9. Nehemiah ( 16/04/2013 15:27)
Tsy maninona.

Ho azonao ny valinao @ fizaràna ho avy ;)
10. Miharena ( 17/04/2013 03:21)

Kanefa, ary izay no ho hitantsika @ fizaràna ho avy, raha marina ny darwinisme dia diso tanteraka ny finoana kristiana. Tsy azo tsaraina ny olona izay nandao ny finoana kristiana satria nahafantatra ny momba ny evôlisiona, lôjika ny nataony


Raha mijery ilay fitondrana ny firindran-kevitra mampitaha aho dia mahita hoe diso fandinika ny olombelona raha mitsipaka ny Baiboly amin'ny fahalalàna ny Darwinisma. Ilay voalohany dia tantara fa ilay faharoa dia fandinihina. Ny tsara ho fantatra anefa dia efa nisy ireo izay olona nanao izay hampanjakàna tsy am-piheverana ny finoana an'Andriamanitra nifototra tamin'ny Baiboly ka ny foto-piheverany sy fandraisany ilay Baiboly no novoiziny sy nampanarahana ny olona rehetra talohan'ny nisehoan'ny darwinisma (lojikam-pandinihina ny zavamisy) nitsipaka izay voambara tao amin'ny Genesisy izay latsaka am-pon'ny rehetra talohan'ny fandalinana ara-tsiansa rehetra.

Ny tokony ho izy dia rehefa mahafeno ny fepetra fanaporofoana ara-darwinisma ny Baiboly vao afaka miteny hoe mihaona ireo roa ireo. Ankoatr'izay dia fampitoviana zava-droa mifanindran-dalana fa tsy hihaona mihitsy satria ny iray lasa fiheverana fa ny faharoa lasa fandinihana.
11. Nehemiah ( 17/04/2013 06:16)
Manjary mangalatra départ isika raha tohizana aty ny hevitra fa ity no rohy mankany @ fizaràna faha-2 :
http://forum.serasera.org/forum/message/m516e3dabe136d
12. niryna ( 02/05/2013 15:03)
Tsy namaky ny hafatrao hatramin'ny farana aho saingy tonga kosa dia mamaly satria tsy mitombona velively izany hoe ny amerikana hoe toa izao sy toa izao,mba mandehana kely hianao miangona any ahitanao izay 1/3 ny mpiangona dia chorale daholo ary tena sarotiny mihitsy ry zareo kanefa dia ao anatin'izany avokoa ny ankizy tanora manao chorale.Aleo angamba aloha tena mahita mihitsy ny maso vao miteny fa ilay hoy ranona hoe tsy mitombona satria olona tokana no alainao tahaka ok
Na izany kosa anefa aleo misy olona telo ao am-piangonana tena mibebaka sy mitady an'Andriamanitra toa izay feno ny fiangonana kanefa hangalatra akoho amin'ny alatsinainy Fo torotoro no tadiavin'Andriamanitra amintsika,fo mibebaka,fo mahay mamela heloka ary fo mizara fitiavana na dia ny fahavalo aza ka izay taratra eo amintsika izay no mahatonga ny hafa hiverina amin'Andriamanitra
Ho Azy irery anie ny voninahitra
13. Nehemiah ( 02/05/2013 15:08)
Ka ny fiangonana rehetra eran'i Madagasikara tsy voatery toy izay avokoa.

Sady tsy niteny mihitsy aho hoe tsy mazoto manao raharaha any am-piangonana ny tanora mpiangona fa tsy mazoto miangona ny tanora. Aleo ihany mamaky hatr@ farany ianao fa manjary mitsaratsara foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2389