Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ? Fizaràna fah-4 : Adala ve i Jesoa ?
1. Nehemiah
(
13/04/2013 06:15)
Adala ve i Jesoa ?
Nanana ny fomba fijery manokany ny amin'i Jesoa i Albert Schweitzer, izay nahazo ny amboara Nobel t@ 1952 nohon'ny asa soany. Nieritreritra izy fa fahavoazana no ambaran'ny filazan'i Jesoa momba ny tenany. Raha tsorina, tsy marina ny filazany fa tsy ninia nandainga Izy. Raha ity fiheverana ity no arahina dia voafitaky ny sainy hieritreritra ny tenany ho Mesia Izy.
Nodinihin'i C. S. Lewis tsara izay fiheverana izay. Izy koa nahita fa raha tsy marina ny filazan'i Jesoa dia adala Izy. Nisaina i Lewis ka hitany fa tsy mba mpampianatra ara-pitondran-tena tsara ny olombelona tsotra izay milaza ny tenany ho Andriamanitra.
Ny ankamaroan'ireo izay nandinika ny fiainana sy ny filazan'i Jesoa dia niaiky Azy ho tena hendry sy rationnel. Ilay filôzôfa frantsay malaza Jean-Jacques Rousseau (1712-1778) izao, na dia feno fitondran-tena ratsy sy tsy finoana ny fiainany, dia niaiky ny hatsaran-toe-tsain'i Jesoa ary nilaza hoe : "Quand Platon décrivait son juste imaginaire... il décrivait exactement le caractère du Christ... si la vie et la mort de Socrate ont été celles d'un philosophe, la vie et la mort du Christ ont été celles d'un Dieu."
I Bono koa dia nahita fa faran'izay tsy mba azo antsoina hoe adala i Jesoa :
Ka iza ihany ary i Jesoa : miparitaka, mpamitaka sa Mpamorona ? Mba azo heverina ho lôjika ihany ve ny fiheveran'i Thomas Jefferson hoe mpampianatra ara-pitondran-tena tsara fotsiny Izy fa tsy mba Andriamanitra izao ? Mahavariana aloha fa ny olona rehetra izay nihaino ny teniny dia niharan'ny fihetseham-po 1 @'ireto 3 ireto : na voarikoriko izy ireo, na raiki-tahotra izy ireo, na talanjona izy ireo.
Manery antsika hisafidy ny filazan'i Jesoa momba ny tenany. Araky ny tenin'i Lewis dia tsy azontsika atao @ fomba lôjika ny manasokajy Azy ho mpitondra fivavahana goavana na mpampianatra ara-pitondran-tena lehibe fotsiny. Manentana antsika hanapa-kevitra ny @ Jesoa ity tsy mpino nanjary mino Azy ity, t@ nilazany hoe :
Namakafaka ny safidy momba ny @ Jesoa i Lewis t@ bokiny Mere Christianity, ary ny notsoahiny dia tena marina tokoa ny filazany momba ny tenany. Ny fikororohany ny teny sy ny fiainan'i Jesoa no nahatonga an'ity kalazan'ny taranja literatiora ity hanipaka ny tsy finoany ary hanjary kristiana mahatoky.
Ka ahoana ny hevitrao izay namaky ny fizarana rehetra t@'ity lohahevitra ity ? Tsy tambo isaina ny olona nahita fa tena nanjary olombelona ka nitsidika antsika i Andriamanitra, anisan'izay i Bono ao @ tarika U2, ao koa i C.S. Lewis mpanoratra an'ireo bokin'i Narnia.
Raha marina izao izay dia tokony mbola velona Izy ankehitriny. Ary izay mihitsy no inoan'ny mpanara-dia Azy. Mirakitra anaty tantara tsara ny nitsanganan'i Jesoa t@ maty. Izay ihany koa no azo anazavàna ny niovan'ny Mpianatra toetra tampotampoka teo : nanjary lehilahy mahery fo sy mahasahy misedra ny fampijaliana sy ny fahafatesana ireo kanosalahy niafina t@ efitra ambony.
Raha mbola tsy niaiky Azy ianao dia araraoty ny fotoana mbola anananao fa tsy fantatra izay hitranga rahampitso.

C. S. Lewis, Mere Christianity (San Francisco: Harper, 2001), 52:
He would either be a lunatic—on a level with the man who says he is a poached egg—or else he would be the Devil of Hell.
Ny ankamaroan'ireo izay nandinika ny fiainana sy ny filazan'i Jesoa dia niaiky Azy ho tena hendry sy rationnel. Ilay filôzôfa frantsay malaza Jean-Jacques Rousseau (1712-1778) izao, na dia feno fitondran-tena ratsy sy tsy finoana ny fiainany, dia niaiky ny hatsaran-toe-tsain'i Jesoa ary nilaza hoe : "Quand Platon décrivait son juste imaginaire... il décrivait exactement le caractère du Christ... si la vie et la mort de Socrate ont été celles d'un philosophe, la vie et la mort du Christ ont été celles d'un Dieu."
I Bono koa dia nahita fa faran'izay tsy mba azo antsoina hoe adala i Jesoa :
Bono:
So what you’re left with is either Christ was who He said He was—or a complete nutcase. I mean, we’re talking nutcase on the level of Charles Manson….I’m not joking here. The idea that the entire course of civilization for over half of the globe could have its fate changed and turned upside down by a nutcase, for me that’s far-fetched…"
Ka iza ihany ary i Jesoa : miparitaka, mpamitaka sa Mpamorona ? Mba azo heverina ho lôjika ihany ve ny fiheveran'i Thomas Jefferson hoe mpampianatra ara-pitondran-tena tsara fotsiny Izy fa tsy mba Andriamanitra izao ? Mahavariana aloha fa ny olona rehetra izay nihaino ny teniny dia niharan'ny fihetseham-po 1 @'ireto 3 ireto : na voarikoriko izy ireo, na raiki-tahotra izy ireo, na talanjona izy ireo.
Manery antsika hisafidy ny filazan'i Jesoa momba ny tenany. Araky ny tenin'i Lewis dia tsy azontsika atao @ fomba lôjika ny manasokajy Azy ho mpitondra fivavahana goavana na mpampianatra ara-pitondran-tena lehibe fotsiny. Manentana antsika hanapa-kevitra ny @ Jesoa ity tsy mpino nanjary mino Azy ity, t@ nilazany hoe :
C. S. Lewis, 52:
You must make your choice. Either this man was, and is, the Son of God: or else a madman or something worse. You can shut Him up for a fool, you can spit at Him and kill him as a demon or you can fall at his feet and call Him Lord and God. But let us not come with any patronizing nonsense about His being a great human teacher. He has not left that open to us. He did not intend to.
Namakafaka ny safidy momba ny @ Jesoa i Lewis t@ bokiny Mere Christianity, ary ny notsoahiny dia tena marina tokoa ny filazany momba ny tenany. Ny fikororohany ny teny sy ny fiainan'i Jesoa no nahatonga an'ity kalazan'ny taranja literatiora ity hanipaka ny tsy finoany ary hanjary kristiana mahatoky.
Ka ahoana ny hevitrao izay namaky ny fizarana rehetra t@'ity lohahevitra ity ? Tsy tambo isaina ny olona nahita fa tena nanjary olombelona ka nitsidika antsika i Andriamanitra, anisan'izay i Bono ao @ tarika U2, ao koa i C.S. Lewis mpanoratra an'ireo bokin'i Narnia.
Raha marina izao izay dia tokony mbola velona Izy ankehitriny. Ary izay mihitsy no inoan'ny mpanara-dia Azy. Mirakitra anaty tantara tsara ny nitsanganan'i Jesoa t@ maty. Izay ihany koa no azo anazavàna ny niovan'ny Mpianatra toetra tampotampoka teo : nanjary lehilahy mahery fo sy mahasahy misedra ny fampijaliana sy ny fahafatesana ireo kanosalahy niafina t@ efitra ambony.
Raha mbola tsy niaiky Azy ianao dia araraoty ny fotoana mbola anananao fa tsy fantatra izay hitranga rahampitso.
novalian'i Nehemiah ny 26/04/2013 13:42
4. Miharena
(
14/04/2013 03:31)
Ny fampianaran'i Kristy dia tsy miresaka afatsy ny fanandratana ny olombelona hitovy toetra Aminy. Koa raha Andriamanitra IZY dia izay koa izany no tanjona tiany hahatongavanao sy izaho. Ahoana tokoa moa no hahafahana miaina miaraka amin'Andriamanitra raha tsy iray IZY sy izay miara-miaina AMINY?
5. Nehemiah
(
15/04/2013 06:04)
Fa tsy resaka fanandratan-tena kosa ny fampianarany fa fahasoavana, satria tsy mendrika an'izany isika.
Sady tsy ho "Andriamanitra" akory isika fa zanak'Andriamanitra.

6. Miharena
(
15/04/2013 06:06)
Dia ahoana indray àry no ilazanao fa Andriamanitra i Jesoa fa tsy zanak'Andriamanitra?
7. Nehemiah
(
15/04/2013 08:21)
Inona no tianao iaviana ? Ho Andriamanitra ve ny olombelona tsirairay ?
8. Miharena
(
15/04/2013 10:34)
Aza valiana fanontaniana fa aleo valiana araka ny fahafantaranao azy.
11. Nehemiah
(
15/04/2013 13:52)
Raha izay izany dia any @ fampianaran'ny Trinite no izohina azy : Andriamanitra Zanaka dia "nateraka fa tsy natao", ary izay ateraka dia mitovy karazana @ mpiteraka. Andriamanitra 100% ny zanaka.
Ny itovizantsika @ Jesoa dia @ lafiny "ara-pitsaràna", izany hoe ny fahitan'ny Ray ny olona izay nandray an'i Jesoa ho Tompo dia tahaky ny fahitany an'i Jesoa indrindra : marina tanteraka, tsy misy tsiny na pentimpentina.

12. Miharena
(
16/04/2013 02:51)
MIsaotra anao amin'ny valim-panontaniana.
Ny manaraka amin'ny fanontaniana dia eo amin'ilay hoe "nateraka fa tsy natao". Azo anaporofoana fa fanahin'Andriamanitra 100% ve no tafita teo amin'ny nofon'i Jesoa?
Ary ahoana indray ny antony nindramana an'i Maria? I Maria ve tsy 100% Andriamanitra matoa afaka miteraka Andriamanitra ?
Hatreo ihany aloha valiana, avy eo isika mijery ny fanontaniana manaraka.

13. Nehemiah
(
16/04/2013 06:11)
Miharena:
MIsaotra anao amin'ny valim-panontaniana.
Ny manaraka amin'ny fanontaniana dia eo amin'ilay hoe "nateraka fa tsy natao". Azo anaporofoana fa fanahin'Andriamanitra 100% ve no tafita teo amin'ny nofon'i Jesoa?
Ny dikan-teny Segond dia mahalaza azy tsara : " Car en lui habite corporellement toute la plénitude de la divinité." (Col. 2:9).
Miharena:
Ary ahoana indray ny antony nindramana an'i Maria? I Maria ve tsy 100% Andriamanitra matoa afaka miteraka Andriamanitra ?
Rariny ny fanontanianao satria izay izao ny hadisoana ataon'ny kristiana marobe. Jn. 1:1 : "Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Nisy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay Andriamanitra Zanaka.
Tadidio fa t@'Izy ety ambonin'ny tany, sady Andriamanitra 100% i Jesoa no olombelona 100 % (izay no atao hoe "firaisana hypôstatika"). Ny Ray no niteraka ny maha-Andriamanitra Azy, fa i Maria kosa tsy niteraka afa-tsy ny maha-olombelona Azy (ary izay foana no nanaovako hoe diso ny filazàna fa "Renin'Andriamanitra" i Maria).
14. Miharena
(
16/04/2013 13:55)
Ary raha izany dia olombelona 100% izany Maria niteraka AZY ho olombelona 100% ? Ka tsy tsapanao ve hoe misy mandringa io famaritanao io raha vao manasaraka na manavaka ny Renin'Andriamanitra amin'Andriamanitra zanaka ianao? Misaotra manazava azy tsara sy mahitsy kokoa e!
15. Nehemiah
(
16/04/2013 14:18)
Tsy hitako izay zavatra tokony ampiana eo, ary tsy hitako izay mampandringa ny fanazavàna. Fi. 2:7 : "fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona"
Izay koa no hita @ fanekem-pinoana : "Il a pris chair de la vierge Marie et s'est fait homme."
Ary mba tadidio kely fa iny no fampianaran'ny Fiangonana mandritry ny 2 000 taona fa tsy mamoromporona aho.

16. Miharena
(
16/04/2013 14:52)
Miovitovy amin'ilay fanamarihan'ny namana Sitlo momba an'i Jodasy ihany ilay izy ka! Raha tsy nisy Maria tsy tanteraka ny maha-nofo an'i Jesoa, raha tsy nisy Jodasy dia tsy tanteraka ny famadihana ny Tompo.
Ka ahoana indray izany ny azo lazaina? Andriamanitra ve Jesoa no lohahevitra, fa iza ireo mpiara-miasa izay nahatanteraka AZY ho nofo?

17. Nehemiah
(
16/04/2013 15:23)
Fahasoavana no natao t@ Maria, izany hoe tsy mendrika @'izany izy fa nomen'ny Tompo ihany. Ka ny mahavariana eto dia ny mahita ny finoan'i Maria. Raha mba tafiditra tao anatin'ny lisitry ny olo-mangan'ny finoana ny olona @ Testamenta Vaovao dia tsy maintsy ao i Maria.
Izany hoe raha ny resaka Jodasy dia efa nasiako valiny eto :
http://forum.serasera.org/forum/message/m484ab7ca8353c/m516d4c4da8b98

18. Miharena
(
17/04/2013 03:36)
Misaotra anao namana Nehemiah nampahatsiahy ireo fa tsy resaka hoe fahaizana tantara na lalan-kevitra mivoitra ao anaty Baiboly manambara fa Andriamanitra i Jesoa no olana fa ny fipakan'izany finoana izany eo amin'ny olombelona tsirairay. Anisan'izany ny nahazo ny Apostoly rehetra, i Maria sy i Paoly.
Ankehitriny dia maro ireo mitonona ho Apostoly ny Malagasy ary mazoto mizara ny fahasoavana hita maso sy tsapa avy amin'i Jesoa ary indrindra indrindra mampita ny jiro ho ao am-pon'ny namana rehetra. Nefa mbola hita hoe mandrindrim-po ny ankamaroany. Hoy i Tsaratsara izay hoe ny sasany mino, ny sasany tsy mino. Na dia efa mibaribary be aza hoe ampianarina amin'ny teny sy soratra tsy fantatra ilay ranamana io ankehitriny.

19. selonlabible
(
25/04/2013 10:49)
Abrahama, Mosesy, Davida ary i Jesosy dia mampiseho fa Andriamanitra dia tokany ihany.
Io Andriamanitra io no nolazain'i Jesosy fa Rainy.
I Jesosy dia Zanak'Andriamanitra fa tsy Andriamanitra Zanaka

20. Nehemiah
(
26/04/2013 13:42)
selonlabible:
Abrahama, Mosesy, Davida ary i Jesosy dia mampiseho fa Andriamanitra dia tokany ihany.
Io Andriamanitra io no nolazain'i Jesosy fa Rainy.
I Jesosy dia Zanak'Andriamanitra fa tsy Andriamanitra Zanaka
http://forum.serasera.org/forum/message/m5130b473df3f8
http://forum.serasera.org/forum/message/m513460bdd9d56
http://forum.serasera.org/forum/message/m513ed05475f68
Any ianao afaka miresaka momba an'izay tsara satria manaporofo ny Trinite ireo rohy ireo.