Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ? Fizaràna fahatelo : Nandainga ve i Jesoa ?
1. Nehemiah
(
06/04/2013 08:51)
Nandainga ve i Jesoa ?
Vitsy dia vitsy ny olona mba niseho nanendrikendrika an'i Jesoa ho mpandainga, na dia eo anivon'ny mpankahala Azy aza. Kanefa, raha diso ny filazany momba ny tenany, dia tsy maintsy asiantsika fiheverana ny fanontaniana etsy ambony.
Anisan'ny asa soratra ara-pôlitika tena fanta-daza eran'izao tontolo izao ny "The Prince", nosoratan'i Niccolò Machiavelli t@ 1532, izay manambony sy manome dera ny fahefàna sy ny fahombiazana ary ny laza toy izay ny fahamarinana sy ny finoana ary ny fahavanonana. Ny hevitra voizin'i Machiavelli dia mety ny mandainga raha ahazoana tombony ara-pôlitika izany ("La fin justifie les moyens", izay firehan-kevitra izay no nanome ny voambolana frantsay "machiavélique" rahateo).
Naorin'i Jesoa Kristy ambony lainga ve ny ministerany iray manontolo mba ahazoany hery na laza na fahombiazana ? Raha ny marina dia niezaka ery ny fahavalon'i Jesoa mba hanaporofo Azy ho mpandainga sy mpamitaka. Nametrahany fanontaniana vary raraka Izy mba hamandrika Azy ka hahatonga Azy hifanipaka. Kanefa, marim-pototra daholo ny valiny rehetra.
Izao no fanontaniana mipetraka : Inona angaha no mety nahatonga an'i Jesoa hivelona ny fiainany iray manontolo ao anatin'ny lainga ? Nampianatra Izy fa tsy tian'Andriamanitra ny lainga sy ny fihatsarambelatsihy ka tsy mba ny ho ankasitrahan'ny Rainy no nanaovany izany raha nandainga tokoa Izy. Azo antoka koa fa tsy ny hahasoa ny mpanaraka Azy no nanaovany izany satria natao martiora izy rehetra afa-tsy 1 nohon'ny finiavany tsy hivadika @ fanekeny fa Tompon'ny Tompo i Jesoa. Anankiroa sisa ny azo anazavàna an'izany ary samy feno olona ireo hevitra 2 ireo.
Ny tombontsoa
Betsaka dia betsaka ny olona efa nandainga mba hahazo tombontsoa ho an'ny tenany. Raha ny tena marina dia ny mba ahazoana izay heverina ho tombontsoa ho an'ny tena no anton'ny ankabetsahan'ny lainga. Inona no mba mety ho tombontsoa nantenain'i Jesoa raha nandainga momba ny tenany Izy ?
Ny valiny voalohany izay tonga @ eritrerintsika dia ny fahefàna. Raha nieritreritra Azy ho Andriamanitra ny vahoaka dia nanjary nanana hery goavana be Izy. Izay koa no nahatonga ny mpitondra firenena maro taloha hilaza ny tenany ho zanak'andriamanitra, tahaky ny Farao (zanak'i Ra) sy ny amperora rômana (taranak'i Zeus).
Kanefa moa ny mahavoa an'ity fanazavàna ity dia iaraha-mahafantatra fa notsipahin'i Jesoa ny fanandramana rehetra nataon'ny olona mba hitondra azy any @ fahefàna sy ny lazan'izao tontolo izao, ary tena nanarany mihitsy ireo izay nanararaotra ny fahefany ary niaina ny fiainany @ fitadiavana fahefàna. Olana iray hafa koa ny niarahany @ olona izay ahiliky ny fiaraha-monina (mpivaro-tena, boka, mpamory hetra,...), ireo izay tsy nanana fahefàna na kely variraiventy aza, ka ny fikambanana niorina manodidina Azy dia fikambanana olana izay manana fahefàna mitontaly ho haotra. Hafahafa amintsika olombelona be mihitsy ny fomba nisintahan'i Jesoa t@ fahefan'izao tontolo izao t@ zavatra nolazainy sy noteneniny.
Sady raha fahefàna no notadiavin'i Jesoa dia tokony nataony izay rehetra hialàna @ fiombohana @ hazofijalina. Kanefa naverimberiny t@ mpianany fa ny hazofijaliana no vintany ary ny hazofijaliana no nanirahana azy. @ fomba ahoana ary no ahafahan'ny olona 1 mahazo fahefàna raha maty eo ambony hazofijalina rômana izy ?
Mazava loatra moa fa lasa mahita ny tena lanjan'ny zavatra tsirairay ny olona rehefa antomotra ny fahafatesana. Maro ny olona izay namoy ny aina nohon'ny antony neveriny ho mety (na dia tsy mety aza, zahao ny trangan'ny 11/9), fa kosa mbola tsy nahitàna olona na dia 1 aza te ho-faty ho an'ny zavatra efa fantany fa lainga. Raha nanantena hahazo tombontsoa meterialy ho an'ny tenany i Jesoa dia tapitra tany @ hazofijalina izay fanantenana izay. Kanefa tsy mba nanipaka ny filazany hoe Zanakalahy Tokan'Andriamanitra Izy hatr@ nahafatesany. Nanamafy i J. I. Packer, izay manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao, fa manondro antsika ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa izao anaram-boninahitra izao.
Lova
Ka raha tsy azo heverina ho nandainga hahazo tombontsoa ho an'ny tenany i Jesoa dia mety azo heverina ho nisy nanova ve ny filazany mba hamelàna lova ?
Kanefa moa tsy maintsy heverina fa mahaketraka ny ankabetsahan'ny olona izay te-hiseho ho kalaza ny fiheverana fa ho lakoana hatr@ ivadihan'ny vatany ho tahaky ny hena manta ary ho fantsihana @ hazofijaliana izy.
Ny zavatra anankiray hafa mahavariana dia izao : raha navelany any fotsiny ny filazany hoe Zanak'Andriamanitra Izy dia tsy mba nohelohina ! Ny filazany ny tenany ho Zanak'Andriamanitra ary ny finiavany tsy hiverina @'izany filazàna izany no nahatonga Azy ho voahombo @ hazofijaliana !
Raha ny hampisondrotra ny lazany ara-tantara no nanainga an'i Jesoa handainga dia izao koa no fanontaniana mipetraka : @ fomba ahoana no nahafahan'ny zanaka mpandrafitra avy t@ tanàna Jiosy mahantra velona hanampo ny tranga izay hahatonga ny anarany ho fanta-daza indrindra eran'izao tontolo izao mandritry ny 2 000 taona ? Ahoana no nahafantarany mialoha fa ho tafita ny taon'arivo 2 ny fampianarany ? Nandositra ny mpianany ary nandà Azy in-3 i Petera. Izany ve no ahafahana amelàna lova ara-pivavahana ?
Resy lahatra fa nandainga i Jesoa ve ny mpahay tantara ? Nokororohin'ny manam-pahaizana ny fianana sy ny filazan'i Jesoa soa dia ahitàna porofon'ny tsy fahatanterahany @ toetrany ara-pitondran-tena. Kanefa, na dia ny tsy mpino mahery fo indrindra dia tolagaga @ fahadiovana ara-pitondran-tenan'i Jesoa
Milaza ny mpahay tantara Philip Schaff fa tsy misy porofo, na @ tantaran'ny fiangonana na @ tantara laika, fa nandainga t@ zavatra 1 i Jesoa.
Ka angamba ny mihevitra an'i Jesoa ho mpandainga dia mifanohitra @'izay rehetra nampianarany, niainany ary nahafatesany.
Ka raha tsy marina ny filazan'i Jesoa momba ny tenany kanefa tsy nandainga izy, tokana sisa ny safidy : nisy fahavoazana goavana be ny sainy. Marim-pototra ve izao fiheverana izao ? Izay no ho fakafakaintsika @ fizaràna manaraka.

Philip Schaff, The Person of Christ: The Miracle of History(1913), 94, 95.:.
How, in the name of logic, common sense, and experience, could a deceitful, selfish, depraved man have invented, and consistently maintained from the beginning to end, the purest and noblest character known in history with the most perfect air of truth and reality?”
Ka angamba ny mihevitra an'i Jesoa ho mpandainga dia mifanohitra @'izay rehetra nampianarany, niainany ary nahafatesany.
Ka raha tsy marina ny filazan'i Jesoa momba ny tenany kanefa tsy nandainga izy, tokana sisa ny safidy : nisy fahavoazana goavana be ny sainy. Marim-pototra ve izao fiheverana izao ? Izay no ho fakafakaintsika @ fizaràna manaraka.
novalian'i Nehemiah ny 26/04/2013 14:41
2. Nehemiah
(
06/04/2013 08:54)
Raha misy liana @ fizaràna talohan'io dia ity ny rohy :
http://forum.serasera.org/forum/message/m515c2a80b823d

3. Nehemiah
(
26/04/2013 14:41)
Ity koa ny rohy mankany @ fizaràna farany :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5168f7f2d39c7