Izay manambady ny teolojiany amin'ny siansan'ny androany dia hitondra tena rahampitso

1. Nehemiah ( 30/03/2013 07:45)
novalian'i Miharena ny 09/04/2013 10:40
2. mizara ( 31/03/2013 13:57)
Ary rahoviana ny siansa va hiteny hoe misy Andriamanitra Andriananahary ka hiala amin'ny téorian'ny evolution?
3. Nehemiah ( 02/04/2013 06:34)
Ka i Isaac Newton, Louis Pasteur, Maxwell, Faraday, Euler sns dia nino an'Andriamanitra Andriananahary ary mbola misy manam-pahaizana betsaka mino Azy ary mino ny fitantaran'ny Baiboly momba ny niaviantsika e ;). Raha mahatsikaritra ianao dia taorian'ny namoahan'i Darwin ny "Origin of Species" no nanaovan'i Pasteur an'ireny fahitàna ara-tsiansa goavana be izay nanova an'izao tontolo izao.

Ilay fika izany dia tsy mba siansa vs finoana fa fomba fijery an'izao tontolo izao vs fomba fijery an'izao tontolo izao.
Ny zava-misy ara-tsiansa dia manambara miharihary fa misy i Andriamanitra Andriananahary. Milaza ny Rom 1 fa tsy manan-kalahatra ny olona tsy mety miaiky an'izay.
4. Miharena ( 03/04/2013 01:45)
Inona moa izany no tian'ny namana lazaina amin'ny hoe hitondra tena rahampitso?
5. Nehemiah ( 03/04/2013 05:32)
Maty vady rahampitso ka hitondra tena re.
6. Miharena ( 03/04/2013 16:28)
Fa iza moa no vady nalainy ka ho faty?

ny manarak'izany dia raha jerena ireo resaka lazaonao eo ambony dia toa manamarina izay siansan'ny ankehitriny ny ao anaty Baiboly. Dia izay no mampanontany hoe inona no mahafaty vady izay mampanambady ireo roa ireo?
7. Nehemiah ( 04/04/2013 06:12)
Ahiako mody fanina ianao ry Miharena.

Ny tena tiako iaviana dia raha tena mino ny Baiboly antsika dia io no ataontsika fahefàna faratampony toy izay ny siansa ankehitriny, ary ireo ohatra efa nomeko tetsy ambony dia manaporofo fa efa betsaka ny tranga nahitàna fa ny Baiboly no marina toy izay ny siansa t@'izany fotoana izany, ka angamba mbola ho hitantsika fa ny Baiboly no marina toy izay ny siansa ankehitriny @ ho avy, ka aleo mitandrina.

Ny siansa anie dia fandinihana fotsiny e. Fa ny Baiboly dia fanambaran'ny Andriamanitra velona izay mahafantatra ny zava-drehetra.
8. Miharena ( 05/04/2013 11:54)
Izay indrindra anie no mampanontany tena amin'ilay lohahevitra miendrika fanambarana foto-kevitra tiana hamarinina e!

Ny siansa dia mazava fa famakiana izay voary misy ary raha toa ka ny Baiboly no jeren'ny mpandalina siansa dia jereny taratra ao amin'ny voary sy ny zavamisy mitranga rehetra izany.

Ary tsy misy olombelona tsy manao siansa na dia iray aza. Satria siansa avokoa ny fandinihana sy fandalinana mivoitra eo aminn'y androm-piainan'ny tsirairay. Raha tsy izay no izy dia tsy nisy afaka nivoatra amin'ny sehatra iainany ankehitriny avy ny tsirairay.
9. Nehemiah ( 05/04/2013 15:02)
Hoatran'ny hoe heverinao ho boky faha-67n'ny Baiboly ny zavaboary...

Raha mba manaraka ny voalazan'ny Baiboly ianao dia tokony mahafantatra fa efa tratran'ny fahalovàna avy @ ota izao tontolo izao ka tsy manambara tsara ny momba an'Andriamanitra.
10. Miharena ( 06/04/2013 03:24)
Ny Baiboly anie misy tantara sy endri-pitondran-tena avoitra ao anatiny ary tsy hita taratra raha tsy mandinika ny zava-boary mivoatra manaraka ny voalaza ao e! Ny siansan'ny toe-tsaina sy toe-po no hahafahanao manamarina ohatra fa misy fahalovana.

Ny siansa momba ny fandinihantena no hahafahana mandrefy fa miray amin'Andriamanitra Fototr'izao rehetra izao isika na tsia. Eto ohatra dia ny foto-piheverana (mizahozaho) no mamefy ny fifandraisana ary ny foto-piheverna manafoana ny tena no mampihanoka tsara ny fifandraisana AMINY. Rehefa fandinihana dia siansa satria olona no manao azy, nefa tsy manana izany fahefana izany ny olona raha tsy nomena azy izany fahafahana izany.
11. Nehemiah ( 06/04/2013 07:15)
Ka ny maha-olombelona mpanota mety diso anie no ilàna fitandremana. Na dia efa nametraka ny tetika ara-tsiansa i Francis Bacon, ao foana ny tenin'i Pasteur hoe : "Un peu de science nous éloigne de Dieu, beaucoup nous en rapproche".

Fa ny siansa tsy mahasolo ny Baiboly, ary tsy manana fahefàna ambony nohon'ny tenin'Andriamanitra ny fandinihan'olombelona.
12. Miharena ( 06/04/2013 18:47)
Eny mitandrina tokoa amin'ny maha-mety diso ny tena. Io indrindra no atao hoe foanana ilay tena fantatra fa mety diso dia mamerina mikolokolo izay maha-fanahy iraisana amin'ny RAY.

Ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafetra ary isanandro dia miteny amintsika IZY fa tsy izay voalaza ao anaty boky ihany akory. Raha tsy izay manko dia mino tantara fotsiny isika fa tsy IZY velona ankehitriny mandrakizay.
13. Nehemiah ( 08/04/2013 05:22)
Raha tsy mino ny Baiboly izay fanambaran'ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianao dia tsy afaka miteny fa mino ny Fanahy Masina.
14. Miharena ( 09/04/2013 10:40)
Ny Fanahy Masina dia tsy inoana amiko fa miaina ao anaty. Ary singa iraisana amin'ny RAY ao amin'ny rehetra. Ny mifoha no feno ny Fanahy Masina ary manana fomba fihevitra mazava sy tostra izay mifoha.

Aoka koa faritana tsara hoe mifoha fa tsy hoe ilatsahan'ny fanahy masina. Dia fohazina ny olona rehefa tezaina ara-panahy fa tsy andefasana hery ivelany tsy takatry ny sainy sy ny vatany akory. Izay manao ity fomba miantso ity dia tsy mampitombo ara-panahy ny olona ao aminy fa mangeja aza, maneho izay tsy hahafahn'io olona io hifoha mihitsy af manjary toy ny manoma azy itony atao hoe drogy (ialàna tsiny amin'ny fitenenana) itony ny olona mampihevitra azy fangatahana ivelany izay. Fampianarana no ilaina rehefa hampifoha olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0746