Marina hoe?

1. gasyjean ( 25/02/2013 15:03)
Akory jiaby!
Araka ny vaovao hitako androany dia toa hoe nangataka fifonana mafy tamin'ny hirakin'ny SADC hono ing Rajoelina mba hamelana azy sy ireo namany 109 noho ilay fanonganana tamin'ny 2009?
Dia ahoana izany?
Dia mety ho afaka fotsiny ve?
novalian'i andrywui ny 06/03/2013 16:24
2. amig0 ( 25/02/2013 19:30)
Ka ledala io anie kanosa kely eh!
3. gasyjean ( 27/02/2013 15:12)
Mety ho marina izany lesy ,nefa raha kanosa kosa tsy nahavita ny vitany,izany manongam-panjakana izany tsy ho an'ny olon-drehetra.
4. andrywui ( 28/02/2013 00:04)
aza manao resa-jaza eto lesy ry lerony fa tsisy anzany a ! fa le kozy nlah io ary mbola toa oe ,, sy hono sy angambany ,, sy otran'ny oe no firesaka azy koa !!
5. gasyjean ( 28/02/2013 20:57)
Resa-jaza aaa?? misy resaka hafa mahaliana kokoa nohon'ny resa.jaza ve lety?
Nampiasa "hono" aloha teto satria mbola vaovao hita tany hoany ilay izy,mety ho marina ary mety tsy ho marina ihany koa,nefa ny ahy ny iankinako bebe-kokoa dia ilay hoe mety ho marina ilay izy,nahoana? satria na ialahy koa aza tsy afaka manam-porofo ny mifanohitra aminy.



6. andrywui ( 28/02/2013 22:22)
Ity no mitovy aminy :
Nisy hono rankizy à tamzany andro zany à biby rakakabe be de pihinana oul sady naman'i darafify de niady tamin'itrimobe hono de vaky ny kibobeany oe avy.

Arira arira
Sonia bebe Razanany
7. amig0 ( 04/03/2013 19:09)
I andrywui, elah tsy mahay politika. ndana mianatra alou fa tssssss!
8. andrywui ( 04/03/2013 23:22)

amig0:

I andrywui, elah tsy mahay politika. ndana mianatra alou fa tssssss!

Amigo ,mahay ah letsy à ,
Elah aza mahay mitatara angano ary kou politika ndray ve tsy ho aiko

Mba asio faramalemy sy kotobekibo iny ndray oe lesy amigo fa efa adinoko iny tatara angano iny ..
Sa le zatovo niompy biby be ary ze mahatadidy e
Na Rapatsalahy Paul Idealy soa ireny ary e
Zany mou lesy amigo à merci e
9. nilex ( 06/03/2013 13:30)
Misy bandy izany hono ry zalahy any lavitra any,izany andrywui izany hono no anarany.Mazoto miresaka ao amin'izany serasera izany hono nedala io ary ny ataony ao dia mampiady angely fotsiny.Toheriny daholo izay hevitry ny olona rehetra ao ary dia faly ery izy amin'izany.Nefa rehefa tena dinihina dia olona mampihomehy izy izay.Midona amin'ny poto foana izy ao satria tsy mba ampy fandalinana loatra fa faly hifamaly aman'olona fotsiny.
10. andrywui ( 06/03/2013 16:24)
o ra nilex a ,diso ny anganonlah fa tsy mbola nidona tam poto mintsy za !!! ok tohizana ny angano naforonon'i amigo ary !!

Nisy anzany dada zany hono a ,mpamono olona be hono izy zany sady mpitsetsitra ny mpiray tanindrazana sy tia tena be fa ni monopolizeny daholo hono ny affaire rehetra ,, deefa fantatry ry zalah mpiondana reo tsara ony zany dada tia tena be zany nefa de mbola betsaka ihany reo mitapimaso otrin'ny soavaly manarabody azy na defa oany ankady azy ,fa ireo mba mihiratriratra saina kosa hono de tsy manaiky mintsy ny hiverenany fanindroa hamono malagasy indray fa toherin'ny valalabemandry ny hidirany ny tanana ,, de ireo mpiray tendro sy nahita mamy taminy hono no mbola mamono tena hatramzao oe hamerina anzany dada zany !!! i NILEX no filohany hono ary raha tsy mahay izy de ho goagoaka fahatany !!

angano angano arira arira

bebe razanany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2852