Tompo ô tsy handroba Anao intsony

1. didi10 ( 13/02/2013 12:22)
Malakia 3;8-10
8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra] 9 Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.



Misaotra rahalahy Heritiana fa afaka toriana an-kira ihany koa ny Teny tsy misy kilema
novalian'i niryna ny 14/02/2013 06:49
2. leva2 ( 13/02/2013 17:55)
Velona Jesosy!

Nisy fijoroana vavolombelona tahaka izao :
Tsy niteraka izy mivady, ary rehefa nanolo-rena ho an'ny Tompo izy ireo dia nananganany toby fitaizana zaza kamboty goavana be ny 90% n'ny fananany sy izay azony rehetra. Noho ny halehiben'ny Voninahitr'Andriamanitra, ilay 10% ambiny aza tsy lanin'izy ireo ankehitriny.

Izaho mihevitra fa lehibe lavitra noho ny fahafolon-karena sy ny fanatitra hafa ity namana :
"KOA amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany". Rom 12/01

Mahereza namana!
3. RBNIR ( 14/02/2013 05:38)
Faly miarahaba namana isany,

Ny fahafolokarena dia efa notandremana talohan'ny nanorantana ireo didy,

Araho ny rohy, http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2#m5022388d4b644

Samia ho tahin'ny Tompo
4. niryna ( 14/02/2013 06:49)

RBNIR:

Faly miarahaba namana isany,

Ny fahafolokarena dia efa notandremana talohan'ny nanorantana ireo didy,

Araho ny rohy, http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2#m5022388d4b644

Samia ho tahin'ny Tompo
ny fo manolotra no tadiavin'Andriamanitra amintsika ka afaka manome mihoatra noho ny fahafolon-karenanareo ny hafa raha misy ny fo manolotra tsy arahan-datsa.Raha tsy manana izy dia izay kely eo no atolony. Tsy ny fanatitra no sitrak'Andriamanitra fa ny fo mibebaka,miaika fa diso ary mamela ny hafa.Ny fo feno fitiavana izay toy ny nitiavany antsika rehetra no tokony ho tiavantsika indrindra ireo izay tsy mitovy finoana,-fivavahana-fombafomba ka manao ny an'ny hafa ho tsy izy foana.Tsy vola izany no tadiaviny amintsika fa ny fo mitia ny fahavalo sy ny tsy mitovy firafitra ara-pinoana amintsika.Raha vitantsika izany dia efa nanome mihoatra ny 90% mihitsy aza isika satria nahavita nitsinjo na ireo mahantra tsy misy mpiahy sy tsy misy mpanome hanina ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2973