Ho an'i Hery

1. didi10 ( 08/02/2013 14:31)
Tsy tokony handray anjara amin'ny fihaonana mihitsy ve namana izahay manaja ny Sabata fa toa ataonareo Sabotsy foana ilay izy?
2. Nehemiah ( 08/02/2013 14:59)
Angamba ataonao hoe be sermôna aho, fa ahoana hoy ianao raha bouddhiste no lasa Filoham-pirenen'i Madagasikara ka mandrara ny gasy rehetra hihinana hena ? Tsy maintsy hajaina ny finoan'ny hafa, fa tsy terena hampanaraka ny programme-ny @ finoanareo. Tsy izay mihitsy aloha no nataon'i Jesoa sy ny Apôstôly.
3. didi10 ( 08/02/2013 15:40)
Oha 18:13
Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.

Tsy fantatrao akory ny tantara efa nisy tany aloha tany teto amin'ny serasera fa tonga dia mandray tsy raisina ianao!!!
efa nisy ny fangatahana mba atao andro hafa ankoatry ny sabotsy ny fihaonan'ny mpisera, tamin'ny herintaona izao nisy excursion fa sabotsy, talohan'izay ihany koa, sabotsy, eny e! tsy maninona fa mazotoa ianareo amin'ny Sabotsy eny Vontovorona fa mba raiso ihany ny soso-kevitry ny namana hafa e!
4. hery ( 08/02/2013 21:13)
Fa inona avy no tsy azonareo atao Sabata?

Toa tsy miasa rehefa any fa miala sasatra :-)

5. niryna ( 09/02/2013 06:06)

hery:

Fa inona avy no tsy azonareo atao Sabata?

Toa tsy miasa rehefa any fa miala sasatra :-)

hi,hi ahatsiarovako ilay tantara nisy tao anatin'ny fokontany iray ity.tonga tao amin'ilay lehiben'ny fokotany ilay olona efa misy sivy ry zareo.Tsy nety nanao ny fanadiovana ny toerana misy azy ireo izy ary tsy nanakarama olona ihany koa fa miziriziry be fotsiny.Nandainga ilay lehiben'ny fokontany ny iray tamin'ireo ka nolazainy hoe " Tsy voatery anadio izahay ny Sabotsy" Nanantena ny laingany ilay rangahy iray ka nony tonga tao anaty birao izy rehetra dia nolazain'ilay sefom-pokontany hoe tsy niteny anao an'izany aho ,ny raharam-pirena sy ny fanadiovana dia tsy maintsy atao,raha tsy afaka hianareo dia manakarama olona.Sady tezitra daholo izy rehetra no maivana toy ny takotra fa nanantena ny tsy anadio no tsy te hanakarama olona
6. hery ( 09/02/2013 07:07)
Fa rehefa sabata tokoa izany dia tsy manadio? Tsy misolo akanjo, tsy moborosy nify, tsy misasa sns? Dia nefa raha ho any am-piangonana no toa izany? :-)
7. bor2lais ( 09/02/2013 14:55)
hery:

Fa inona avy no tsy azonareo atao Sabata?

Raha ny fahazoako azy dia ny fihaonana amin'ny namana izany no isan'ny tsy azo atao angamba e ! :-)
8. Miharena ( 09/02/2013 17:19)
Raha mbola misy tohana ara-poto-kevitra tsy tiana ravàna dia mbola hifanefitrefitra ihany ny rehetra.
Saingytsy izany angamba aloha no tokony hasiana olana fa efa fihaonana ihany koa ny eto amin'ny serasera e!

Ny ahy ohatra dia mibanala malalaka be ny fotoanako satria hajaiko daholo ny andro rehetra fa tsy ny Alahady na ny Sabata ihany. Satria ampiasaiko arakaraka ny zavatra tokony hataoko ny andro rehetra.
9. mirananirina ( 13/02/2013 11:59)
Inona ilay sabata ry didi10?
10. didi10 ( 13/02/2013 12:25)
Didy faha 4 jereo Eksodosy 20
11. tsitialainga ( 14/02/2013 11:15)

hery:

Fa inona avy no tsy azonareo atao Sabata?

Toa tsy miasa rehefa any fa miala sasatra :-)

Anisan 'ny tena tsy azonay atao rehefa Sabata (izaho koa mitandrina tanteraka io andro io) dia ny manadino sy ny mijanona tsy mitondra am-bavaka anareo mpanitsaka Sabata rehetra mba tsy hiantefan'ny fahatezeran' ILAY TOMPON'NY SABATA ianareo. Fa aza adino fa raha vao mahavita mission ny miaramila dia misondrotra grade ( Matio 5/19) ka sao dia mba fotoana tokony hifohazana @ zay zao ry zareo a! Ny tena mety tsy hotantinareo mantsy sao tratran' ny Mpitoriteny 2/20-26 dia ataon' ny SABATISTA escabot hiakarana any an-danitra fotsiny vao hampalahelo e!
Mbola afaka mandini-tena haingana dia haingana e!!!!!!!!!!!!!
Tandremo sao tezitra eo indray namana Hery!!!
12. Nehemiah ( 14/02/2013 12:48)

tsitialainga:

Ny tena mety tsy hotantinareo mantsy sao tratran' ny Mpitoriteny 2/20-26 dia ataon' ny SABATISTA escabot hiakarana any an-danitra fotsiny vao hampalahelo e!

Izany ve dia mba fitenin'ny mpanara-dia an'i Kristy ?
13. tsitialainga ( 14/02/2013 13:01)

Nehemiah:

tsitialainga:

Ny tena mety tsy hotantinareo mantsy sao tratran' ny Mpitoriteny 2/20-26 dia ataon' ny SABATISTA escabot hiakarana any an-danitra fotsiny vao hampalahelo e!

Izany ve dia mba fitenin'ny mpanara-dia an'i Kristy ?

Ay mbola Nehemiah ndray moa ity?
Fa tahaka an Paoly ngah adinonao ilay ao @ AA 13/10; f'angah nanompa olona ny tenanany namana? Nefa io an' i Paoly io mba hevero anie e!
Sa tsy mpanara-dia an' i Kristy Paoly?
14. Nehemiah ( 14/02/2013 15:02)
Aza mody fanona ianao, fa tsy nilaza mihitsy i Paoly hoe ataony escabeau i Simon le Mage.
15. hery ( 14/02/2013 15:11)
Mba tantarao hoe ny ataon'i tsitialainga rehefa sabata?

16. tsitialainga ( 17/02/2013 08:28)

Nehemiah:

Aza mody fanona ianao, fa tsy nilaza mihitsy i Paoly hoe ataony escabeau i Simon le Mage.

itanao? miteny hoazy ilay pseudonyme hoe Tsitialainga ka mbola tsy nahatsiaro fanona alou za hatr@ nanaovako sera teto fa sao dia ianao no fanona, ary raha tsy fanona ary ianao dia mba hazavao hoe ilay Mpitoriteny 2/20-26 fa otran tsy azonao tsara ve le izy sa mody tsy nahita koa ianao? Avy eo ianao vao afaka miteny na marina na tsy marina ilay escabeau.
17. Nehemiah ( 18/02/2013 07:25)
Ny Mpit. 2:20-26 miresaka momba ny olona izay niasa t@ fahendrana sy fahaizana nefa olon-kafa no mankafy ny zavatra nikelezany aina. Mety raisina koa io ho tandindon'ny zavatra nolazain'ny Tompo hoe "nijinja an'izay tsy nafafinareo ianareo". Fa tsy misy an'izany resaka escabeau izany eo !!! Sa fahafinaretanao ny mampiasa mpino hafa ho escabeau hiakarana any an-danitra !? Hazavao tsara aloha ny tena tianao tenenina e.
18. tsitialainga ( 18/02/2013 09:06)

[quote=Nehemiah]
Ny Mpit. 2:20-26 miresaka momba ny olona izay niasa t@ fahendrana sy fahaizana nefa olon-kafa no mankafy ny zavatra nikelezany aina. Mety raisina koa io ho tandindon'ny zavatra nolazain'ny Tompo hoe "nijinja an'izay tsy nafafinareo ianareo". Fa tsy misy an'izany resaka escabeau izany eo !!! Sa fahafinaretanao ny mampiasa mpino hafa ho escabeau hiakarana any an-danitra !? Hazavao tsara aloha ny tena tianao tenenina e.
[/quote
Izao e: tsy izaho i Mpitoriteny fa izay no voasoratra ao ary matoa voarakitra ao anaty baiboly dia mazava tsara fa na inona na inona lazain-tsika dia mitatatra sy misasatra foana ho an'izay ankasitrahana ilay mpanota satria izay azony sy vitany rehetra dia tsy hoazy fa hoan'ny hafa izay mendrika na miezaka manao ny marina ka asa na tohatra fiakarana no filaza izany na inona?
19. Nehemiah ( 18/02/2013 12:34)
Raha izay indray no tianao lazaina dia misy andininy hafa @ Baiboly milaza an'izay, fa eto ny tian'ny Mpitoriteny lazaina eto dia zava-poana ny fikelezan'aina hanangonana harena ety ambony tany satria olon-kafa no hahazo ka hankafy an'izay ka aleo ankafizina dien'izao ny harena toy izay angonina satria tsy ho entintsika any ankoatra ireny.

Inona no didy nomen'ny Tompo antsika ? Atao "tohatra fiakarana" ve ny olona sa "toriana @ voary rehetra ny Evanjely" ka taomina izy ireo mba handray Azy ho Tompo ?
20. tsitialainga ( 19/02/2013 08:27)

Tsy misy olona tsy mitsemboka sy mitatatra fa hafa ihany ny manana fahatahorana ny Ray ao ambony sy mitandrina ny teniny @ izay zavatra rehetra ataony fa tsy sitrapony no mitady olona hatao escabeau fa efa voalahatra izany fa ny mpanota dia tsy maintsy hiafara @zany raha tsy miova sy mibebaka haingana. Raha tsy izany dia tsy marina ny Malakia 3/16-18.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079