Ary hono hoy aho ry zareo! Ahoana tokoa re izany e !

1. niryna ( 02/02/2013 20:33)
Nanome tsodrano an'ny taranaka rehetra nifandimby Andriamanitra an.Ny tso drano koa moa mahery rahateo ary niafara ny hoe mitera-fito lahy sy fito-vavy ny antsika malagasy.Mino tanteraka aho fa tsy manao io tso-drano intsony e,sa mbola misy ihany.

Mitombo andro aman'alina tokoa ny vahoaka,ny firenena rehetra mihitsy fa tsy ny antsika irery .Tonga tamin'ilay tso-drano izany ny firenena rehetra ,mamenoa ny tany.Ka raha feno olona ny tany,zaraina ny tenin'Andriamanitra,mandeha na aiza na aiza ary mihoatra noho ny tamin'ny andron'ny mpianatr'i Jesosy Kristy taloha izany.izao fizarana ataontsika rehetra izao dia efa manambara izany.Nitombo izany ny olona nanatona an'Andriamanitra ,nifona,
nibebaka,nandray Azy tokoa ? sa ?
Dia ahoana amin'izay ary any amin'ny farany? Maro no antsoina fa vitsy no ho vonjena? dia ho vitsy tokoa ve ? mahatonga saina ahy mantsy ilay hafatra tao aloha tao hoe vitsy no ho vonjena,raha mbola nomen'Andriamanitra fotoana hibebahana ve ny olona dia lasa vao maika hanamafy ny fony daholo? Tsy efa nitombo kosa ve izay ny % ?
novalian'i Nehemiah ny 12/02/2013 06:05
2. nounourse ( 03/02/2013 13:35)

1-Raha jerena en Globale lony tena mitombo ny olona e, fa raha jerevana isaky ny firenena kosa, ny firenena mandroso (indrindra européen) mihena ny vahoaka, tanisako amin'izany ohatra Allemagne raha 82 217 800 izy 2007, izao lasa 82 002 400; ankoatr'izay iaraha mahalala koa fa matoa mitombo ny ponina toy ny ao France ohatra dia noho ny fisian'ny étrangers maro dia maro. Fa ny mponina Europeen efa malaza tantara mihintsy ary izao hoe population vieille. Donc tsy ny firenena rehetra izany.
2- Raha hoe nitombo ndray ve ny olona nibebaka, sy tena nandray azy tokoa...sarotra be ny tena ilaza izay satria ilay olona sy Andriamanitra ihany no mafantatra an'io. Marina fa mitombo be ny isan'ny mpivavaka, ny kristianina, sy ny olona mankany am-piangonana, indrindra fa any amin'ny tany andalam-pandrosoana. Nefa, iaraha mahalala fa tsy ny ety ivelany no ijerevana ny hatsaran'ny olona fa ny fony ao anatiny. Mety hoe mivavaka izy ohatra fa mety fiatsaram-belatsihy. Ka io...ilay olona sy Andrimanitra no tena mahafantatra an'io satria tsy misy mahafantatra an'izay any am pony any hoe tena mibebaka sy mivavaka ve izy sa tsia.
3- Ilay tiny ho tenenina hoe vitsy kosa ngamba tsy any amin'ilay hoe fihenana na fitomboan'ny pourcentage lotra....fa hoe any amin'ny farany raha jerevana ny isan'ny olona rht, dia vitsy amin'ireo ihany no voavonjy. Ka ilay hoe nitombo na nihena ny pourcentage...lany andro itady ny valin'izay satria na mitombo ary ny kristianina...tsy misy mahafantatra izay marina any am-pon'ny olona afa tsy Andrimanitra.
4- Ny zavatra iray inoako dia ny Baiboly tsy mandainga, satria Andriamanitra tsy mandainga. Ary anisan'ny maha Kristianina dia ny finoana. Matoa izany mbola mipetraka ilay fanontanianao io hoe : " Dia tena ho vitsy tokoa ve?" mbola misy fisalasalana ao ny amin'ny tenin' Andriamanitra. Marina tokoa fa zavatra ho avy ilay izy, mbola tsy fantatra satria isika tsy mahafantatra ny ho avy, nefa Andriamanitra tsy mandainga fa izay lazainy dia tsy maintsy tanteraka avokoa.

Ny hany afaka ataon-tsika Kristianina , satria isika efa nampahafantarana mialoha amin'io teny io, dia ny mifikitra mafy amin'Andriamanitra ka angatahina mandrakariva amin'ny mba ho isan'ireo olom-bitsy ho voavonjy any amin'ny farany any, ka amin'ilay fotoana ialana eto dia anisan'ny olom-bitsy izay voavela heloka, dieny mbola omeny fotoana ibebahana.

3. Miharena ( 11/02/2013 02:20)
Hoatry y mahakivy tokoa ilay famakiana ilay resaka olom-bitsy ary mahatafalatsaka amin'ny fitiavan-tena raha ny hevitry ny namana nounonurse hoe mifikitra mafy amin'Andriamanitra ka angatahina mandrakariva amin'ny mba ho isan'ireo olom-bitsy ho voavonjy any amin'ny farany any, ka amin'ilay fotoana ialana eto dia anisan'ny olom-bitsy izay voavela heloka, dieny mbola omeny fotoana ibebahana

Toa midika manko iohoe izaho ihany ampidirina ao amin'ilay olom-blitsy fa ny sisa avelao any.

Mba ialàna amin'izany mihitsy anefa no tena tokony ho maha-Kristianina. Dia ny mivavaka mandrakariva hoe mamindrà fo amin'ny olombelona rehetra ho voavonjy avokoa izy araka ny Tenin'i Kristy hoe ho IRAY ihany izy rehetra.
Matetika moa io fomba fiheverana aseho momba ny tsy fisian'ny fahaverezana dia tsipahin'ny ankamaroan'ny Kristianina fa tena azony antoka ve fa raha Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra no miteny momba ny famindram-po mandrakizay, tsy azony antoka ve hoe ho an'ny olombelona rehetra izany fa tsy ho an'ny Kristianina ihany?
4. Nehemiah ( 11/02/2013 08:44)
Ka ny Tenin'Andriamanitra mihitsy no manao hoe ho vitsy ny ho vonjena e. Raha ny sitrapoko aloha dia mba tiako ho voavonjy daholo ny rehetra. Nefa be ny mitsipaka ny famonjena omen'Andriamanitra maimaim-poana. Ka atao ahoana moa fa izay no iriny.
5. nounourse ( 11/02/2013 17:10)
Izaho kory raha miteny an'io tsy milaza hoe aza mivavaka hoan'ny hafa raha miteny an'io. Na hoe ny tenanao ihany no ivavahana fa ny hafa tsia. Marina fa isika mila mivavaka ho an'ny rehetra. Nefa io ny tenin'Andrimanitra, ary mino aho fa Andrimanitra tsy mandainga fa efa ho vitsy izany. Dia manoloana an'io satria efa io izany no iseho na tiana na tsy tiana dia ilaina koa ny "mifikitra mafy amin'Andriamanitra ka angatahina mandrakariva amin'ny mba ho isan'ireo olom-bitsy ho voavonjy any amin'ny farany any, ka amin'ilay fotoana ialana eto dia anisan'ny olom-bitsy izay voavela heloka, dieny mbola omeny fotoana ibebahana." fa izany kory tsy midika oe mivavaha ho an'ny tenanao ihany fa ny hafa tsia.
Fa manoloana io tenin'Andriamanitra izay tsy mandainga io, dia ilaina koa ny mivavaka ho
an'ny fanahinao isan'andro. fa io efa izay no tenenin'ny baiboly dia tsy afaka ovana.
6. Miharena ( 12/02/2013 04:12)
Raha teny iray toa io fahavitsiana io no hamintinana ny Baiboly ka raisina ho fahamarinana tanteraka dia manafoana ny Baiboly izany. Na koa manafoana ny fikasan'Andriamanitra.

Ny Fikasan'Andriamanitra dia LEHIBE fa ny fikasan'olombelona dia bitika ka na hirona any amin'ny fahaverezana aza ny olombelona dia Andriamanitra no manana ny Teny farany dia ny famonjena sy famindram-po. Betsaka ny fitaovana azoNY hampiasaina amin'izany. Ka raha matoky AZY ny mpino na dia vitsy aza dia hotanterahaNY faingana ny fangatahantsika. Ka hoy aho hoe ttsy aleo ve ny fangatahantsika no atao betsaka hamonjena ny olombelona rehetra toy izay ny hamonjy ny tenantsika ihany?
7. Nehemiah ( 12/02/2013 06:05)
Marina aloha fa ny maha-izy azy ny finoana kristiana dia ny hafa no atao aloha izay voa antsika. Tsy anjarantsika ny miasa saina @ hoe iza no voavonjy, iza no tsy voavonjy, sady tsy manana fahefana antsika hitsara hoe : "itony efa voalahatra ho voavonjy, itony tsy voalahatra ho voavonjy". Ny anjarantsika dia ny manaraka ny baiko @ Mt. 28:19 :"mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" dia tapitra hatreo ny resaka.

Aoka koa antsika hitadidy ny Gen. 18:25b : "tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?". Marina aloha fa fanontaniana retorika ihany ity an'i Abrahama ity, nefa tsy marina ihany ve ny teniny ;) ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1858