VENDRANA BE KOA NY GASY

1. nilex ( 21/01/2013 05:40)
Jereo tsara fetsy be Rajoelina ary nambakainy daholo ny gasy fa tsy ireo mpomba azy ihany,indrindra fa i Andrywui.
1-Nokorontaniny ny firenena efa mba nilamina teo.
2-Nalainy ny fitondrana.
3-Nangoniny ny harena be ka lasa miliardera izy izao.
4-Nanaovany zavatra daholo ireo nanohana azy rehetra teo.
-Ny miraramila,polisy,zandary.
-Ny teny ambany tanàna nanaovana kianja.
-Dia mody nanaovana zavatra kely teo ireo tsy dia mahatakatra lavitra dia faly.
5-Tsy hilatsaka izy ka ho avelany eo indray ny firenena.
6-Lasa mpanefohefo tampoka izy nefa tsy azo henjehina.
7-Ny tsy fantatry ny olona dia nangataka amnistie tokoa izy mba tsy ahazoana manenjika azy tamin'izay rehetra nataony teo.Dia miverina ho olona tsotra fotsiny izy avy eo sady efa voky be.
Mila mandinika tsara hoy aho isika vahoaka vao manao zavatra fa aton'ny olona làlana fotsiny e.
novalian'i nilex ny 22/01/2013 12:24
2. Nehemiah ( 21/01/2013 06:16)
Mandeha ny resaka fa mety hanao fika à la Poutin/Medvedev lery
3. milamm ( 21/01/2013 10:07)
ekena 100% nilex, ny lalana ao amintsika no fototra nosimbainy ANR voalohany very ny fahaleovantenany Fitsarana HCC manoloana ireo lalampanorenana voahitsakitsaka io ihany koa izao no mbola ampiasainy (tamby notakiany @ sadeky valiny tsy filatsahany nefa iza mo no hino ny teniny tsony efa notsimbadihany ny sonia nataony tany aloha tsy ho fatiantoka mampanantena izany izy eo ampiandrasana) ho afa-maina tanteraka toa ny mpivahiny nandalo fa tsy nandroba fitondrampanjakana nefa Ravalomanana hazainy tiany gradraina mafy tena miseho fetsy lery .Lafiny iray ko ratsy iraka nahafaty olompirenena Malagasy be indrindra taorinany fahaleovantena aza tsy misy rohirohy Ny hijanona ela eo no tanjony efa dila ny fotoana nalatsaky ireo mpisandoka ny fitokisany rehetra,
ny hevitro manokana satria tsisy samy ilatsaka izy mianaka @ may 2013 zao dia samy mihataka sy miala @ fitondrana tetezamita mivantana aorinany 1 volana andraisany ireo tena ikarakara fifidianana marina tst voatery mpanao politika
4. andrywui ( 21/01/2013 12:31)
nahazo rirany kely ndray ry zalah mpiterikiho fotsiny ato ireto de misawawawawa makarenitsofina daholo
5. nilex ( 22/01/2013 05:26)
Vaovao farany sady mahafinaritra ry Andrywui a.Nanambara ny SADC omaly tany frantsa mihintsy fa MODY ra8 ary tsy maintsy hafainganina ny amnistie ho azy roalahy.Za izao tena faly mihintsy ry Andrywui ny hilaharan'izy roalahy amin'ny 2018.Tena milay izany an.Nefa izaho mino fa fialana pa eo amin'ireo namany fotsiny ny an'i lava nify fa tsy sahy izany eo.Sa andeha hianatra aloha mba ahafahana mitovy amin'olona.
6. andrywui ( 22/01/2013 09:50)
Oui ,mody Ravalo ok fa ny fitsarana mbola io miandry azy io
1/le affaire n'a des milliards nentiny nitsoaka tam 2009 (iny tsy de olana loatra)
2/adinonao angah fa mpitory civil ry zareo G7 ?? Mety ahantona otran i saddam Hussein mihitsy i dada tamn génocide nataony .
7. nilex ( 22/01/2013 12:24)
Ka izy ho tsaraina aza sahy hody eto ko fa ilay fanjakana hitsara tsy sahy mampody azy tsy adala ve izany e.Izany no atao hoe fitsarana adala.Misy antony ao.
Ny G7 indray dia vendrana mihintsy ataon'ny olona fitaovana politika fotsiny,jereo izao ireo lohandohany lasa CST sy CT daholo ary ireo majinika ,miandry vasoka eo.Ary ny tena mampalahelo dia mbola ho fantany ao aoriana kely fa ry lavasanga ihany kay no nitifitra azy teny ,matimaty foana e.
Mangataka ho amnistiavana koa rajoelina ankehitriny fa matahotra ny hifoteran'ny rambony ao ariana kely ao.
Ny mpiraiminisitra Beriziky izao dia mitaky ny mangarahara momba ny vola rehetra hanaovana ireny hopitaly ,kianja ,...sns ireny.Tsy manan-kavaly ny hat.Hay izany ireny tsy fantatry ny governemanta akory.Mino aho fa mbola ho avy ny fanadihadiana momba an'io.Izy hono no manome ny vola hanaovana ny totohobato eny antaninarenina;vola avy aiza?Mampihomehy sady mampalahelo e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2885