Tena vendrana kay ny mpanao politika gasy.

1. nilex ( 18/01/2013 07:25)
Raha manara-baovao amin'ny fahita lavitra aho dia mahatsapa fa tena vendrana mihintsy ny mpanao politika sasany.
Raha namoaka ny tetiandrompifidianana ny CENIT sy ny ONU ka nilaza fa fifidiana filoha no atao aloha dia nankasitraka daholo ry vendrana isany ary tsy nisy nanohitra na naneho hevitra hafa .Kanjo taty aoriana vao nilaza Rajoelina hoe tiany raha ny fifidianana ny ao @ parlemantera no tiany hatao aloha dia nanao fanambarana daholo indray ry vendrana fa izay no tokony ho izy .Mampalahelo sady mahamenatra.
Teo aloha indray dia nanao fanambarana fa tsy maintsy milatsaka ny filoha Rajoelina fa tsy misy mahasakana azy amin'izany.Sao very anjavona ny tolona e,...sns.
Nony nilaza indray izy fa tsy hilatsaka dia nilaza indray ireo olona ireo fa mety izany ary feno fahendrena.Ka naninona moa raha nambaran'ny mpanohana azy mialohan'ny hanaovany fanambarna izany ,izany hoe notoroina hevitra izy hoe ianao aza milatsaka mba ho tombotsohan'ny malagasy.
Tsy misy hazondamosina izany ireto mpanao politika gasy ireto fa dia manara-drenirano fotsiny izay mitranga rehetra ary dia miteniteny foana mahamenatra .
Tsy manana foto-kevitra mazava mihintsy ny antoko eto fa dia manaonao foana fotsiny.Izany ve no hitondra firenena.
2. mirananirina ( 18/01/2013 09:23)
Tena isika gasy mihitsy no vendrana ka!!Izay manampahefana ihany no tsy vendrana :)
3. andrywui ( 18/01/2013 21:45)

mirananirina:

Tena isika gasy mihitsy no vendrana ka!!Izay manampahefana ihany no tsy vendrana :)

huh slt mirana ! vaovao
tena vendrana tokoa isika mianakavy ! zao ny entana ty tsy nilatsaka , ny pataloako rovitra fotsiny teto amin hery teto .....

gaigy ty sannn'a !!
4. ravatorano ( 19/01/2013 10:46)
nilex < zao va zany vao fantatrareo kle ! io ilay resaka manara drenirano eh sao d mbamisy pitiny kely reefa tsy tafa atsy amin'ny niandohana hihihihihih
mirananirina < ny fanabeazana no mbola tsy ampy amitsika malagasy ary izany no maha "vendrana" antsika.jereo fa ingahy ratsiraka efa namono olona teny Iavoloha dia naverina teo amin'ny fitondrana indray ary saika tsy nety niala teo (aza adino ireny saika hanaovana fahirana an'antananarivo ireny).Izao indray dia miorina etsy sy eroa izao antoko politika be polifika sandoka entina hanjonoana vahoaka hambaboana ny harenam bahoaka fotsiny izao dia mbola isika vahoaka ihany no hifidy sy hametraka an ireny eo !
andrywui < hahahah very tokoa lesy elah baina an ! izy midedaka amin'ny fiandrianam-pirenena indray ty no tena voatery mafy ka tsy afaka nilatsaka izany hoe mbola baikon'dry vazaha fotsy sy vazaha mainty ihany izany isika e ! aza gaga lesy fa zany ny polifika tsika eto antanana an hihihihih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695