Raha izaho no lasa mpitondra firenana

1. didi10 ( 01/01/2013 18:07)
Tsara ny Tompo

Dia mirary soa ho anareo manaraka ny calendrier grégorien mankalaza ny taona vaovao anio fa ny taom-baovao nataon'I Jehovah mbola amin'ny 11 Mars. :-)

Miomana amin'ny mety hisian'ny fiovana eo amin'ny fitondrana isika amin'ity taona ity, samy mba afaka mandrevirevy milaza izay zavatra mety ho ataony ny olona tsirairay raha tonga (apetraka na fidiana) eo amin'ny fitondrana ny firenena.

Raha izaho no lasa mpitondra firenena dia:

1. Ho averiko ny hasin'ny fanisana andro nataon'i Jehovah ka:

- Ny alahady no andro voalohany ary ny sabotsy no andro fahafito noho izany ny week end dia zoma sy sabotsy ka andro fiasana ny alahady hatramin'ny alakamisy.
- Ny fanisana ny volana sy ny taona dia averina amin'ny fanisana andro malagasy (alimanaka)
- Ireto avy ny andro tsy fiasana:
§ Ny Voaloham-bolana (maizim-bolana = nouvelle lune)
§ Ny andro voalohan'ny taona (maizim-bolana volana mars grégorien)
§ Ny andro faha 14 amin'ny volana voalohany (Paska)
§ Ny andro faha 15 amin'ny volana voalohany (fidirana andro firavoravoana = miditra herinandro masina)
§ ny andro faha 21 amin'ny volana voalohany (fiafarana andro firavoravoana = mifarana herinandro masina)
§ Ny Pentekosta (Alahady aorian'ny Paska + 50)
§ Ny alatsinain'ny Paska (tsy ara-baiboly fa mba fampirevena ny mpitsangatsangana)
§ Ny 26 Juin sy ny 29 Mars

2. Matière obligatoire any ampianarana ny réligion (fampianarana baiboly)
3. Tsy azo atao batisa ny zaza tsy vory saina :-)
4. Ny Batisa dia uniforme ka olon-dehibe efa nampianarina no atao, asitrika amin'ny rano mandeha, atao amin'ny anaran'i Jesosy
5. Foanana ny Democratie fa ny Théocratie no hampiharina.
6. Tsy azo asiana lakroa sy sary vongana any am-piangonana :-)
7. Tsy azo ampidirana faty any am-piangonana
8. Voafetra ny fitovian-jo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy

...

Izay ilay revirevy e! mety ho tezitra ny sasany fa afaka mamoaka ny revirevinao koa ianao raha mazoto.
novalian'i Nehemiah ny 08/01/2013 08:24
2. Nehemiah ( 02/01/2013 06:19)
Fa raha Kristy kosa no mpitondra firenena dia mino aho fa tsy hametraka programa jadona tahaky ny anao Izy
3. Tefigasy ( 02/01/2013 06:41)
Nehemiah:

Fa raha Kristy kosa no mpitondra firenena dia mino aho fa tsy hametraka programa jadona tahaky ny anao Izy

Marina izany, i Adama aza moa raha napetrany tao amin'ny saha Edena mbola navelany hisafidy hatrany manoloana ny fiainana sy ny fahafatesana !
4. Nehemiah ( 02/01/2013 06:52)

Tefigasy:

i Adama aza moa raha napetrany tao amin'ny saha Edena mbola navelany hisafidy hatrany manoloana ny fiainana sy ny fahafatesana !

Izay mihitsy no tiako ahatongavana : raha manaraka ny fampianaran'i Kristy ny olona dia tsy manery ny finoana @ olona fa manolotra. Ny fanjakana izay nanaraka ny fampianarana kristianina dia nanao an'izay ka nahomby. Ny demokrasia anie dia manaraka ny fampianaran'i Kristy anie : manana fahalalahana haneho hevitra ny olona. Ny Silamo ihany no mitady an'izany "théocratie" izany.
5. takona ( 02/01/2013 08:43)
aiza ho aiza ao amin'ny baiboly kay ny misy hoe ny 11 mrs no taombaovaon'ny jehovah?
6. didi10 ( 02/01/2013 10:48)
takona:

aiza ho aiza ao amin'ny baiboly kay ny misy hoe ny 11 mrs no taombaovaon'ny jehovah?

Ilay hoe 11 mars aloha tsy voasoratra ao e! na ny 01 janvier koa aza.

Diniho tsara anie e ! coincidence ve ity aminao ?
Septembre = avy amin’ny 7 = 7e mois
Octobre = avy amin’ny 8 = 8e mois
Novembre = avy amin’ny 9 = 9e mois
Decembre = avy amin’ny 10 = 10e mois
Tohizo, janvier = 11
Fevrier = 12
Tapitra ny cycle de 12 mois dia mazava ho azy fa Mars = 1er mois.

Tsy mbola fanazavana ara-baiboly io an! fahalalana tsotsotra fotsiny, rehefa nanome ny anarana volana ny Romana dia nomeny ny anaran'ireo andriamaniny (Janus, mars, ...) ka rehefa lany ireo dia nataony isa (septembre avy amin'ny 7 sns)
http://users.skynet.be/ekurea/temps/jourmois.html

Mialoha ny fankalazana ny andro Paska no nanomezan'i Jehovah ny andro sy volana voalohany amin'ny taona.

Eks 12 : 1 - 11
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
3 ...Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, ...
5 Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy; 6 ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 ...; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.

Efa mba nandinika ve ianao hoe ahoana ny fanaovana ny calcul an'io Paska tsy maintsy alahady isantaona io?

En 2012, Pâques a eu lieu le dimanche 08 AVRIL 2012.
En 2013 la date de Pâques : dimanche 31 mars
En 2014 la date de Pâques : dimanche 20 avril

Mody manaraka ny calendrien'i Jehovah io fa raha tokony ho andavanandro ny Paska tena izy dia izay alahady aorian'io 14e jour io no ataony Paska.
Araho tsara ity calendrier lunaire ity

pour 2012

Nouvelle lune tam Mars 2012 = 22 mars = taom-baovaon'i Jehovah sady taombaovao malagasy
Famonoana ny zanakondry = 22 mars + 14j = 5 avril 2012= paska tena izy
Paska alahady = alahady aorian'ny 5 avril = 8 avril 2012 = paska namboarina

pour 2013

Nouvelle lune am Mars 2013 = 11 mars = taom-baovaon'i Jehovah sady taombaovao malagasy
Famonoana ny zanakondry = 11 mars + 14j = 25 mars 2013 = paska tena izy
Paska alahady = alahady aorian'ny 25 mars = 31 mars 2012 = paska namboarina

Jao 8;32
Ka ho fantatrareo ny marina, ka ny marina hanafaka anareo tsy ho andevo.

7. didi10 ( 02/01/2013 11:11)

Nehemiah:

Fa raha Kristy kosa no mpitondra firenena dia mino aho fa tsy hametraka programa jadona tahaky ny anao Izy

Aza manao an'izany fa raha tena hametraka ny OloNy eo amin'ny fitondrana Jesosy dia tsy maintsy hisy fiovana lehibe eo fa tsy ho gaboraraka tahaka izao foana!!! Dia efa miomana.
8. Nehemiah ( 02/01/2013 12:17)

didi10:

Aza manao an'izany fa raha tena hametraka ny OloNy eo amin'ny fitondrana Jesosy dia tsy maintsy hisy fiovana lehibe eo fa tsy ho gaboraraka tahaka izao foana!!! Dia efa miomana.

Fiovàna mankaiza ? I Rajoelina azy mba azo heverina fa nitondra "fiovàna".

Aiza ho aiza @ programanao no misy ny fampiharana ny hoe "tiavo ny namanao tahaky ny tenanao" ?
9. didi10 ( 02/01/2013 14:33)

Raha tsy tia anao aho namana dia tsy mitory ny famonjena sy ny fahafantarana an'Andriamanitra ary izay rehetra didiNY taminao aho.
Tiako ianao namana, tiako ho voavonjy ianao, tiako ianao hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema, manao azafady raha masiatsiaka aminao ny fomba firesako fa tsy ho ahy izany fa ho anao.

Ity ny iraka nampanaovina ahy namana
Tim II 4 : 2 - 7
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao

10. leva2 ( 03/01/2013 04:30)
Velona Jesosy!

Ny endri-pitondrana misy eto amin'ity izao tontolo izao ity (demokrasia, jadona, sns), araka ny baiboly, dia fitondran'olombelona daholo ihany (Jereo Daniela 07-12) : tsy misy azo antenaina ary hisy farany avokoa, fa ny fanjakan'i Kristy ihany no maharitra mandrakizay.

Ny ahy ny fantatro dia ity : " ny fanjakako dia tsy AVY AMIN'izao tontolo izao " Jao 18/36. Ny hevitra azo tsoahana amin'io tenin'i Jesosy io dia tsy hisy izany amin'izao fitondran'olombelona izao azo antenaina fa hampanjaka an'i Kristy.

Ny atao hoe "Miditra ny fanjakan'Andriamanitra" (Jesosy Kristy no mpanjaka ao) namana, tsy hoe miditra birao politikan'izay antoko milaza fa kristiana, na heverina fa kristiana ny mpitarika izany antoko izany. Eny fa na dia manao fotoam-bavaka aza io antoko io isak'izay mivory, eny fa na dia mamaky baiboly sy mampiasa tenin'Andriamanitra aza.

Izany no mahatonga ahy hamerina foana eto hoe : Izay hidiranao ao amin'ny fanjakan'ny lanitra imasoana namana isany, fa mandalo sy zava-poana ary ho levona avokoa izay hita maso sy eto amin'ity izao tontolo izao ity.
1- Nanomboka oviana ny fikatsahana izany fanjakan'Andriamanitra izany?
Luc 16/16 : "le temps de la loi de Moïse et des livres des prophètes a duré jusqu’à l’époque de Jean-Baptiste. Depuis cette époque, la Bonne Nouvelle du Royaume de Dieu est annoncée et chacun use de force pour entrer dans le Royaume".
2- Amin'ny fomba ahoana no hidirana ao?
Jao 03/03 : "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra".
3- "Ateraka indray" na koa hoe "tonga zanak'Andriamanitra"?
Gal 03/26-27 : "Car vous étes tous fils de Dieu par la foi en Jésus-Christ; vous tous, qui avez été baptisés en Christ, vous avez revétu Christ".
Rom 08/09 : "Si quelqu’un n’a pas l’Esprit de Christ, il ne lui appartient pas."
4- Aiza ny fanjakan'Andriamanitra?
Luc 17/21 "On ne dira point: Il est ici, ou: Il est là. Car voici, le royaume de Dieu est au milieu de vous".

Mahereza mikatsaka ny fanjakaNY namako isany!
11. Nehemiah ( 03/01/2013 05:29)
didi10:

Raha tsy tia anao aho namana dia tsy mitory ny famonjena sy ny fahafantarana an'Andriamanitra ary izay rehetra didiNY taminao aho.
Tiako ianao namana, tiako ho voavonjy ianao, tiako ianao hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema, manao azafady raha masiatsiaka aminao ny fomba firesako fa tsy ho ahy izany fa ho anao.

Tsy any ny olana. Ny olana dia raha manana fitiavana ianao, tsy asehonao mihitsy izany. Ny olana dia totofanao @ lohan'olona ny théologie-nao. Ny olana dia heverinao fa tsy voavonjy ny olona miasa Sabotsy, mankalaza Krismasy, manaraka calendrier grégorien, mitazona lakroa, ets. Ary ny tena mahavariana dia ohatran'ny tsy taitra indray ianao rehefa misy resaka fanompoana ny Sacré-CÅ“ur izay mazava fa tsy ara-tSoratra Masina.

Mbola tsy voavalinao ny fanontaniako : aiza ny fitiava-namana @ programa jadonao ? Ny andininy lazainao anie manao hoe "mandrese lahatra" fa tsy hoe "totofy @ ato-dohan'olona ny fiheveranao ho mety aminy
Izaho no voalohany miaiky fa mila fiovàna goavana be ny firenena hiverina @'Andriamanitra sy ny fampianarany tsy misy kilema, ary izay no hany fanalahidin'ny fiverenan'ny firenena @ laoniny. Fa ny didy 2 lehibe indrindra dia "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra," "Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Mt. 22:37, 39). Nefa tsy am-pitiavana ianao no mitory ny Tenin'Andriamanitra fa tarihin'ny eboebo ianao, hany ka tsy mahavita maneho fitiavana @'olona ianao. "Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso." (1 Kor. 8:1). Raha hitarika olona @ Kristy antsika dia am-pitiavana fa tsy @ tsindrihazolena.

Ny fitiavana (fitiavana miseho @ endrika ivelany fa tsy vitan'ny balabala) no antom-piainantsika ary ny fitiavana no vontoatin'izay rehetra ataontsika ho an'Andriamanitra. Vakio anie ny 1 Kor 13 dia ho azonao ny tiako tenenina. Raha manao zavatra goavana nefa tsy manana fitiavana antsika dia tsy misy dikany ny ikelezantsika aina. Raha azonao izany dia mino aho fa hahavita zavatra be ianao, fa mandrapahatonga an'izay dia tsy mba ny asan'Andriamanitra no ho ataonao fa ny asanao manokana, ary tsy hivoatra mihitsy @ fiombonanao @ Kristy. Izaho koa masiatsiaka aminao fa tsy ho ahy izany fa ho anao.

Fanamarihana hafa : tsy hoe tsy mitovy hevitra aminao anie ny olona dia midika fa mahay Baiboly noho izy ianao. Ohatra : hainao ve ny manaporofo fa ny Baiboly dia mampianatra mazava tsara fa boribory ny tany ?
12. niryna ( 07/01/2013 03:49)

Nehemiah:

Fa raha Kristy kosa no mpitondra firenena dia mino aho fa tsy hametraka programa jadona tahaky ny anao Izy
Misaotra Nehemiahfa marina izany.
Tsy fombafomba tokoa mantsy no tadiavina amintsika fa ny fahafantarantsika fa misy Kristy,Mpamonjy antsika Izy.fifandraisana aminy no tadiavina fa tsy fombafomba aram-piangonana.
13. didi10 ( 08/01/2013 06:19)

Nehemiah:

didi10:

Raha tsy tia anao aho namana dia tsy mitory ny famonjena sy ny fahafantarana an'Andriamanitra ary izay rehetra didiNY taminao aho.
Tiako ianao namana, tiako ho voavonjy ianao, tiako ianao hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema, manao azafady raha masiatsiaka aminao ny fomba firesako fa tsy ho ahy izany fa ho anao.

Tsy any ny olana. Ny olana dia raha manana fitiavana ianao, tsy asehonao mihitsy izany. Ny olana dia totofanao @ lohan'olona ny théologie-nao. Ny olana dia heverinao fa tsy voavonjy ny olona miasa Sabotsy, mankalaza Krismasy, manaraka calendrier grégorien, mitazona lakroa, ets. Ary ny tena mahavariana dia ohatran'ny tsy taitra indray ianao rehefa misy resaka fanompoana ny Sacré-CÅ“ur izay mazava fa tsy ara-tSoratra Masina.

Mbola tsy voavalinao ny fanontaniako : aiza ny fitiava-namana @ programa jadonao ? Ny andininy lazainao anie manao hoe "mandrese lahatra" fa tsy hoe "totofy @ ato-dohan'olona ny fiheveranao ho mety aminy
Izaho no voalohany miaiky fa mila fiovàna goavana be ny firenena hiverina @'Andriamanitra sy ny fampianarany tsy misy kilema, ary izay no hany fanalahidin'ny fiverenan'ny firenena @ laoniny. Fa ny didy 2 lehibe indrindra dia "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra," "Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Mt. 22:37, 39). Nefa tsy am-pitiavana ianao no mitory ny Tenin'Andriamanitra fa tarihin'ny eboebo ianao, hany ka tsy mahavita maneho fitiavana @'olona ianao. "Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso." (1 Kor. 8:1). Raha hitarika olona @ Kristy antsika dia am-pitiavana fa tsy @ tsindrihazolena.

Ny fitiavana (fitiavana miseho @ endrika ivelany fa tsy vitan'ny balabala) no antom-piainantsika ary ny fitiavana no vontoatin'izay rehetra ataontsika ho an'Andriamanitra. Vakio anie ny 1 Kor 13 dia ho azonao ny tiako tenenina. Raha manao zavatra goavana nefa tsy manana fitiavana antsika dia tsy misy dikany ny ikelezantsika aina. Raha azonao izany dia mino aho fa hahavita zavatra be ianao, fa mandrapahatonga an'izay dia tsy mba ny asan'Andriamanitra no ho ataonao fa ny asanao manokana, ary tsy hivoatra mihitsy @ fiombonanao @ Kristy. Izaho koa masiatsiaka aminao fa tsy ho ahy izany fa ho anao.

Fanamarihana hafa : tsy hoe tsy mitovy hevitra aminao anie ny olona dia midika fa mahay Baiboly noho izy ianao. Ohatra : hainao ve ny manaporofo fa ny Baiboly dia mampianatra mazava tsara fa boribory ny tany ?

Tsara ny Tompo

Miala tsiny fa hors réseau kely teo aloha teo dia tsy afaka niserasera tamin'ny namana.

Mahatsiaro an'ilay tantaran'i Jesosy aho mahita ity valin-tenin'ny namana ity.
Rehefa avy nofahanan'i Jesosy hanina ireo olona marobe efa ho dimy arivo tamin'ny fahagagana avy amin'ny mofo dimy sy hazandrano roa dia tamàna ka mihevitra fa isaky ny avy mampianatra ny Tompo dia hamahana azy ireo foana kanjo novakian'i Jesosy teo imasony ny marina ka tsy zakan'ireto vahoaka, olona tsy manam-pitiavana no nandraisan'ireto olona an'i Jesosy satria Izy sahy nanapotsitra ny marina.

Jao 6
26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. 27
---
66 Hatramin'izany [Na: Noho izany] dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?

Amiko dia efa tafita any aminao sahady ny teny notoriana teto, fitanisana ny tsy mety, fanavahana ny lainga amin'ny marina no natao teto fa eo moa ilay hoe "voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretana" ka normal ny "réaction" antsika, toa izany ihany anie no nataon'dry Petera sy ry Paoly fa rehefa tsy nahita nokianina tao amin'ny teny nolazainy ireo jiosy sy mpanora-dalana dia tsy maintsy ny tenany no novonoiny e!
14. Tefigasy ( 08/01/2013 06:58)

Lasa ndray ny HS an'i didi10 rehefa tsy mahita ambara amin'ilay tenin'Andriamanitra izy. Fombanareo mihitsy io miteniteny foana io rehefa tsy mety forcenareo araka izay tianareo ny tenin'Andriamanitra. Tsy sarotra akory ny manetry tena r'ise a! Ny zavatra mba atoroko anao aloha dia ezaho fantarina ny toetran'io Andriamanitra io, araka ny baiboly manontolo, fa tsy izay metimety amin'ilay doctrine an'ilay fingonana misy anao fotsiny ihany e !
15. Nehemiah ( 08/01/2013 08:24)

didi10:

Amiko dia efa tafita any aminao sahady ny teny notoriana teto, fitanisana ny tsy mety, fanavahana ny lainga amin'ny marina no natao teto fa eo moa ilay hoe "voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretana" ka normal ny "réaction" antsika, toa izany ihany anie no nataon'dry Petera sy ry Paoly fa rehefa tsy nahita nokianina tao amin'ny teny nolazainy ireo jiosy sy mpanora-dalana dia tsy maintsy ny tenany no novonoiny e!

lol. Izaho ve dia hamaly fanendrikendrena ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4552