Resaky ny tanora: Sarimihetsika tsy azo jerena

1. niryna ( 23/12/2012 03:17)

Tsy mety mahatoky ahy mihitsy ny rar hoy izy ary misy sarimihetsika izay tiako jerena ilay izy kanefa tsy avelany aho.Inona re no fomba asehoko azy ireo anehoako azy ny fahatokisany ahy e
Ratsy ilay sarimihetsika hoy izy ireo,izaho anefa miteny hoe tsia, asaiko mijery io sarimihetsika io ve izy dia mba misaina kely hoe tsy maninona fa afaka mijery ihany koa aho.Lazainy fa manova ny toetrako hoy izy ny fahitako io sarimihetsika io ary manimba ny fitaizana tsy araka ny finoana izay nanalehibiazany ahy. Dia hisy fiantraikany amin'ny fiainako tokoa ve izany ny fijereko azy io e
novalian'i didi10 ny 24/12/2012 06:24
2. didi10 ( 24/12/2012 06:24)

niryna:


Tsy mety mahatoky ahy mihitsy ny rar hoy izy ary misy sarimihetsika izay tiako jerena ilay izy kanefa tsy avelany aho.Inona re no fomba asehoko azy ireo anehoako azy ny fahatokisany ahy e
Ratsy ilay sarimihetsika hoy izy ireo,izaho anefa miteny hoe tsia, asaiko mijery io sarimihetsika io ve izy dia mba misaina kely hoe tsy maninona fa afaka mijery ihany koa aho.Lazainy fa manova ny toetrako hoy izy ny fahitako io sarimihetsika io ary manimba ny fitaizana tsy araka ny finoana izay nanalehibiazany ahy. Dia hisy fiantraikany amin'ny fiainako tokoa ve izany ny fijereko azy io e


Tes I 5,21
Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.

Izaho namana dia mamporisika anao hoe jereo ilay izy, kanefa alohan'ny hijery azy dia tokony vonona ianao ao aoriana hanao fanadihadiana ny amin'ny fahamarinana na tsia ny amin'ny voalaza ao, tsy ny fampianaram-piangonana (finoana nanabeazana) no ataonao référence fa ny Baiboly irery ihany.

Matoa anie ireo Rar nao mandrara anao dia mahalala izy ireo fa misy zavatra "contradictoire" amin'ny finoany ao na dia fantany azy fa ara-tsoratra masina e! saingy efa nisafidy ny hitazona ny finoanan'ny fiangonany izy fa nandà ilay finoana ampianarin'ny Baiboly. Tsy misy mifampibaby ary tsy manaranaka ny fanjakan'ny lanitra fa miankina amin'ny safidin'ny tsirairay.

Marka 10;28

Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, 30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao- dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0425