Tsy misy intsony na ......
1. Miharena
(
14/12/2012 16:42)
Mandeha hatrany moa ny adihevitra momba ny fivavahana syfinoana eto.
Inona no fandraisantsika ny hoe tsy misy intsony Jiosy na Grika ... fa iray ihany ao amin'i Krsity? Tokony hiady hevitra finoana tokoa ve isika?

novalian'i Miharena ny 22/12/2012 04:37
2. Nehemiah
(
15/12/2012 08:39)
Hiady hevitra finoana ? Ny tian'ity andininy ity ambara dia manome ny fahasoavany an'ny olona rehetra i Andriamanitra, na mpandova ny fampanantenana nomena ny Josy na tsia, na mendrika na tsia, sns. fa samy zanak'Andriamanitra daholo satria mino an'i Kristy. Raha te-hahafantatra bebe kokoa ny momba an'izay dia vakio ka fakafakao ny Gal. 3.
3. didi10
(
19/12/2012 07:12)
Gal 3;28[/b
27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
]
Tsy resaka ara-nofo (firazanana) na ara-nofo (lahy sy vavy) na ara ara-nofo (saranga), fa resaka fanahy, raha ao amin'i Kristy isika dia i Kristy koa velona ao amintsika, tsy ianao intsony no velona fa i Kristy no velona ao aminao (Gal 2;20). Tsy manan-kery amintsika intsony ny nofo sy ny filan'ny nofo fa Jesosy no mitondra ny fiainantsika isanandro.
[b]Rom 8;9-10
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana

4. Miharena
(
19/12/2012 14:19)
Marina daholo ireo resaka ireo namana Didi10.
Fa mahagaga ihany ny fahitana fa misy olona tsy natao batisa ary tsy nahafantatra izay fivavahana na dia kely aza nefa isehoan'i Kristy. Ahoana indray ny amin'io eo anatrehan'ny filazana ilay hoe tsy misy intsony...?
Sao dia ho an'ny olombelona rehetra àry io teny io fa tsy misy conditions? Sao dia ho an'ny olombelona rehetra ts y ankanavaka àry i Krsity fa tsy mizaha toetra?

5. Nehemiah
(
19/12/2012 14:36)
Miharena:
Sao dia ho an'ny olombelona rehetra àry io teny io fa tsy misy conditions? Sao dia ho an'ny olombelona rehetra ts y ankanavaka àry i Krsity fa tsy mizaha toetra?
Tokana ny fepetra takiana : finoana.
8. didi10
(
20/12/2012 08:08)
Nehemiah:
Miharena:
Sao dia ho an'ny olombelona rehetra àry io teny io fa tsy misy conditions? Sao dia ho an'ny olombelona rehetra ts y ankanavaka àry i Krsity fa tsy mizaha toetra?
Tokana ny fepetra takiana : finoana.
Afaka demontreko aminao fa ilaina ny finoana fa tsy ampy hamonjena ny fanahy.
9. didi10
(
20/12/2012 08:17)

10. Nehemiah
(
20/12/2012 12:35)
didi10:
Afaka demontreko aminao fa ilaina ny finoana fa tsy ampy hamonjena ny fanahy.
Ampy izay ny fampianaran-diso !
11. Miharena
(
20/12/2012 13:43)
Io tokoa ilay izy fa mipoitra eto amin'ity lohahevitra ity sahady ilay démonstration omen'ny namana DIdi10.
Misy tambiny daholo ny azy fa tsy misy izany fitiavana AGAPE izany.
Hitantsika fa tsy manam-pahatsorana isika rehafa tonga amin'ny sehatra démonstration, raha tsy hoe angaha ny démonstration dia mikasika ny fahalavoana noho ny fironantsaina fa tsy noho finoana!!!
Ny fampianaran-diso dia izay be conditions. Ka aoka angamba hisaina kely isika hoe sao dia nisy nanisika teny andalana àry ireo conditions be dia be manototra ny saina ireo mba hamehezana ny mpino ao amin'ny antoko izatsy na izaroa?

12. Nehemiah
(
21/12/2012 08:08)
Bravo, Miharena (y) ! Azonao tsara ny fandehany : AGAPE, charité, charity ! Nikiry t@'izany i Paoly fa "tsy izany no ilaina fa fifankatiavana".
13. Miharena
(
21/12/2012 13:35)
RAha ny marina dia mila déconditionnement mihitsy namana Nehemia isika olombelona. ENy na dia ny fomba fitondrantsika ny fanompoana an'Andriamanitra ankehitriny aza dia mila déconditionéna tanteraja satria manomboka tototry ny herin'ny vola sy ny harena ary indrindra fa ireo firehan-keira misafotofoto isan-karazany.
Mampahatsiahy ny fisian'ny ady teo amin'ny Kapitalista sy ny sosialista ny fivavahana amin'izao fotoana izao. Rehefa zohina dia mandentika hatrany hatrany ny marina arakaraka ny hanaovana adihevitra ao.
Ny olana dia tsy ny vontoatiny no mipoitra fa ny firehana tsimponina ao anaty Baiboly ao ary anaovana interprétation araka ny maha-olombelona.
Raha mahay mitana ny ara-panahy ka mahiratra tsara mahay manavaka dia tsy ho voahozongozina amin'ny firehana na io adika avy amin'ny Baiboly na io noho ny vaninandro iainana.
Mety gaga ny olona maro manao hoe maninona no tsy mety manaiky ny finoana toriany ny olona maro amin'izao fotoana izao. Mety azo lazaina fa efa misy fanahy mazava ao anatin'ny olona itorianao matoa tsy tafiditra ao ny fampianarana entinao. Izay no azo ilazàna ny fiasan'ny Fanahy Masina manazava ny zava-drehetra ka tsy azo amin'izay fampianarana miompana amin'y ara-nofo sy ara-materialy mety arosontsika karazana Kristianina izy.

14. didi10
(
21/12/2012 18:04)
Nehemiah:
didi10:
Afaka demontreko aminao fa ilaina ny finoana fa tsy ampy hamonjena ny fanahy.
Ampy izay ny fampianaran-diso !
Eny ary! ny anao ao anaty rakibolana no mitady ny momba ny finoana fa ny ahy dia ny Baiboly ihany ka tsy maintsy hitsingevana eto foana izay manao fampianaran-diso. :-)
15. didi10
(
21/12/2012 18:08)
Miharena:
Io tokoa ilay izy fa mipoitra eto amin'ity lohahevitra ity sahady ilay démonstration omen'ny namana DIdi10.
Misy tambiny daholo ny azy fa tsy misy izany fitiavana AGAPE izany.
Hitantsika fa tsy manam-pahatsorana isika rehafa tonga amin'ny sehatra démonstration, raha tsy hoe angaha ny démonstration dia mikasika ny fahalavoana noho ny fironantsaina fa tsy noho finoana!!!
Ny fampianaran-diso dia izay be conditions. Ka aoka angamba hisaina kely isika hoe sao dia nisy nanisika teny andalana àry ireo conditions be dia be manototra ny saina ireo mba hamehezana ny mpino ao amin'ny antoko izatsy na izaroa?
vao tsy nandeha akory ny démonstration dia efa wawawawa blabla, fa condition inona koa moa no napetrako teo? fahalalam-pomba ny manontany raha "intéressé" amin'ny fampianarana izy na tsia
16. Miharena
(
22/12/2012 04:37)
Misaotra ny namana Didi10 mampahatsiahy. Marina fa blabla ireo fa betsaka koa ny blabla rehefa manao interprétation ny Baiboly isika. Isika hoy aho fa tsy hoe ianao irery araka ny resaky ny namana eo ambony.
Raha ampanginina ireo feontsika ary tsy mijery fotsiny izay voasoratra dia ho avy ny fampianarana tena izy.
Hoy ny Silamo izay amin'ny Krsitianina hoe olon'ny boky isika fa ny Silamo no olon'ny finoana.
Rehefa mandinika aho dia marina ny azy. Mahay mitanisa isika dia manantena fa izay no izy. Mahay manao démonstration. Fa ilay mahatsapa AZY dia mizara izay tsapa no tsy ao. Izany hoe ilay miaina ara-bakiteny.
Raha tsy teraka indray tsy mahatsapa io fiainana ara-bakiteny io. Fa io koa moa arakaraka ny sehatra misy ny olombelona. Satria na dia farany aza dia ho voalohany ary ny voalohany no ho farany. Izany hoe samy ho ao daholo ihany fa ny filaharany no mifamototra.
Ny lohahevitra rahateo milaza hoe tokony hiady hevitra finoana tokoa ve isika? Tsy tsotra isika no mahatogna ilay fanontaniana.
Ny maha-olombelona be siasia no tiana ahitsy matoa koa nosokafana ilay lohahevitra.
Ny fanontaniana tokony hovaliana eto dia hoe : inona ary no maha-be siasia? Die rehefa voavaloy io dai alevina impito mandifotra olona araka ny fitenenana. Rehefa efa izay dia mandeha amin'ny mazava daholo.
Ka arosoy àry izay namana Didi10 raha hitanao ny valiny!
Dia misaotra sahady anao namana.