fa ahoana marina e!
1. manoasoa
(
15/10/2012 07:35)
Asio presentation kely aloha ny finoanao sy fivavahanao e!
novalian'i moustaraf ny 11/11/2012 12:02
2. Miharena
(
15/10/2012 07:55)
Efa natao io teto fa ianao angamba no tara. Azonao jerena sy savaina avokoa ny lohahevitra rehetra nosokafan'ny tsirairay.
3. asimbo
(
15/10/2012 10:00)
ny finoako dia kristianina iringiriny, fady manao ny ratsy rehetra (rehefa mety ratsy). manao ny mety, tsara, marina, rariny, hintsiny. afapo ve ianao amin ny valiteniko?
4. manoasoa
(
15/10/2012 13:12)
Misy vaovao be dia be ihany koa anie ato e!otrany asimbo zao afaka mamaly soamatsara izy.Aleo ary averiko kely ny fanontaniana raha ohatra ka manafitohina ny efa taloha.ISIKA VAOVAO TONGA FARANY TSY AFAKA NANOKATRA NY TALOHA NOHO NY FAHABETSAHANY PEJY ATO, INONA KAY NY FINOANAO SY NY FIVAVAHANAO?
5. Miharena
(
15/10/2012 14:22)
Inona moa no tian'i Manoasoa ahatongavana amin'ny finoan'ny tsirairay? Ny hahafantaranao ve hoe inona no biriky handrafetany ny finoany sa ny ahafantarana iray ihany ny finoana na inona na inona endrika isehoany?
6. leva2
(
15/10/2012 16:58)
Velona Jesosy!
Azokazoko ny tianao hahatongavana namana manoasoa.
Azo resahina saingy tsy zava-dehibe ny fahalalana ny fiangonana niaviana, na antokom-pivavahana nipoirana na misy ny tena ankehitriny.
Ny fanontaniana hipetraka mantsy amin'ny fiavian'ny Tompo tsy hoe : Mivavaka aiza ianao? na hoe antokom-pivavahana inona no niavianao? Tsy misy resaka toeram-panompoana koa io, ka hoe : izaho mpitandrina atsy, na hoe izaho diakona aroa, na hoe mpandray fanasan'ny Tompo sns ...
Isika rahateo mahita fa maro ny mpitandrina no milomano ao anatin'ny ara-nofo, diakona maro miazakazaka mankany amin'ny fahaverezana fa mifampitaona hisotro toaka, mpandray fanasan'ny Tompo mpiteny ratsy sy mpandainga, sns.
Fa ny fanontaniana dia hoe : MANANA AN'I KRISTY VE IANAO? Dia io araka ilay tenin'i Jesosy hoe :"Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho" Jao 10/14.
Izy ity dia araka ilay tenin'i asimbo etsy ambony hoe : Izaho dia Kristiana.
Ny olana koa nefa dia samy manana ny famaritany ity atao hoe Kristiana isika indraindray.
Ny mba toro-hevitro dia izao : aza mba miorina na manorina ny finoantsika amin'ny antokom-pivavahana, na fikambanana, fa miorena amin'ny Tenin'Andriamanitra, miorena amin'i Jesosy ilay vato fehizoro sy fanorenana tsara indrindra.

7. moustaraf
(
16/10/2012 04:49)
SALAMA NAMANA ISANY,
Amiko manokana aloha dia izao e, eo @ fanehoana hevitra no ahalalana ny olona iray raha tsy hoe miteniteny foana angah ?
-iLAY TENY hoe :"Aza manorina ny finoana @ antokom-pivavahana n antokom-pinoana " kosa aloha dia tenA ANTIBIBLIQIE mihitsy satria na ny Apostoly aza dia nananany fiangonana antSoina hoe NAZARENA (fa tsy Krsitiana),
-avy aiza moa ny finoana? Avy @ toriteny ! ary ny toriteny? avy @ fiangonana izay misy anao!
Zavatra roa no hitako mampiroaroa saina ny maro ankehitriny:
1.Mbola misy ve ilay fivavahana marina, izay naorin'i Mpamonjy? IZAY LAZAINY HOE TOKANA NY LALANA mankany@ fiainana mandrakizay! >> ENY
2.Ny fivavahana rehetra (maro be) ve mahavonjy daholo? >>TSIA
Mila mikatsaka isika"KATSAHO ALOHA NY FANJAKANY SY NY FAHAMARINANY"
Dikany: TSY CADEAU ny fanjakan'ny lanitra,fa KATSAHINA sy ALAINA AN-KERINY no sady TERY ka VITSY NO MAHITA AZY.
Amin'ny lafiny iray dia ekeko ilay hoe "Tsy miorina @ foto-pinoana" satria raha mikatsaka ianao dia MIVEZIVEZY, MITETY fiangonana maro, TSY MENATRA NY HO LATSAIN'NY OLONA hoe miovaova finoana, mandra*pahitanao ILAY MARINA= ILAY TOKANA AN-TANY.

8. manoasoa
(
16/10/2012 11:16)
Ny tiako ahatongavana ve?tsotra fotsiny na inona na inona finoanao na fivavahanao dia[size=18] "Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy".Jaona 3/36[/size]
9. moustaraf
(
16/10/2012 12:56)
Salama namana,
"Izay MINO ny zanaka no manana fiainana mandrakizay"
Ahoana moa ilay hoe MINO? mikipy mafy be, sy ontsa fo ,de migogogog rehefa mivavaka ve?
iZA moa ilay zanaka tokony INOANA? araka ny Baiboly.
Fanamarihana: Raha handeha Tanà-Toamasina isika dia manaraka ny RN2, ary MINO fa ho tonga soa amantsara. Raha manaraka RN1 isika, na dia misy FINOANA tahaka ny Tanety aza tsy ho tonga velively.
Alohan'ny MINO dia fantaro izay inoanao, fantaro ny lalana arahinao; araka izay voasoratra ve sa Théolojia natao tefy am-patana, sa fanjanahan-tsaina sy fanahy?
Ity misy fanamarihana kely momba ny hoe MINO: io teny io dia mitovy dika @ teny Hebreo Mino (samy renintsoratra M/N) , ary midika avokoa hoe : Mihinana (na misotro)
-hoy ny Malagasy: Mino rano (atsimo), minon-drano (atsinanana) =misotro rano
Fehiny: Mino= mihinana sy misotro
(VAKIO JAONA 6/ 32-64 Manazava io teny io ary averim-berina mihitsy)
Io dikan-teny io dia tsy misy manazava MIHITSY nefa iorenan'ny fampianaran'i Mesia:
1."Izay Mino sy atao batisa no vonjena"= Mino=mihinana sy misotro= mandray ny fanasana, vao atao batisa;
-Izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany= mandray azy =MIARA MATY AMINY
-Izay miara-maty aminy no miara alevina aminy sy miara atsangana aminy @ BATISA
FAMONJENA = MIHINANA SY MISOTRO + BATISA
Tandindon'izany ny Nivoahan'ny Israely avy tao Egypta: Nihinana ny Paska= fandraisana, vao natao batisa t@ Ranomasina mena
Ny Romana dia nampiditra fomba mifamadika amin'izany (inona ny tanjony?)
Raha olona tsy maty araka ny fampianaran'i Mesia no alevina, dia mandevim-belona izany!!!
Izay mandevim-belona dia voasazin'ny lalàna satria famonoana olona!
FANTARO IZAY INOANAO RY NAMANA ISANY IZAY IANAO VAO MINO.

10. leva2
(
17/10/2012 03:14)
moustaraf:
SALAMA NAMANA ISANY,
Amiko manokana aloha dia izao e, eo @ fanehoana hevitra no ahalalana ny olona iray raha tsy hoe miteniteny foana angah ?
-iLAY TENY hoe :"Aza manorina ny finoana @ antokom-pivavahana n antokom-pinoana " kosa aloha dia tenA ANTIBIBLIQIE mihitsy satria na ny Apostoly aza dia nananany fiangonana antSoina hoe NAZARENA (fa tsy Krsitiana),
-avy aiza moa ny finoana? Avy @ toriteny ! ary ny toriteny? avy @ fiangonana izay misy anao!
Velona Jesosy!
Miala tsiny namana Moustaraf, tsy ANTIBIBLIQUE mihitsy fa ireto no tenin'Andriamanitra nanantsoahana izany :
1- Mat 04/24 : "Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy".
Maro ny mpivavaka no manorina ny finoany amin'ny firehan-kevitra sy fombafombam-piangonana (Izay tsy voatery ho araka ny Tenin'Andriamanitra), fa tsy amin'ny Tenin'Andriamanitra.
Ohatra : Efa fantatra izao fa Sabotsy = Sabata dia mbola mihizingizina ihany fa ny anay (na ny fiangonanay) alahady ihany no izy.
Ny olana mantsy anie namana dia matetika rehefa pasitera, na olom-piangonana no miteny, na manoro hevitra, dia toy ny hoe Andriamanitra izany no miteny : TANDREMO! Anisan'ny nampiditra ny firenena malagasy tamin'ny kizo ny fihainoan'ny mpitondra ireto mpitarika FFKM ireto fa lazaiko anao.
2- Efe 02/20-22 : "... ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy".
Raha ny marina, tsy mifanipaka amin'ny fampianaram-piangonana anie izany ry namako isany e. Samy mitaona ny olona handray an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy daholo anie e.
Samy mitaona ny olona hihaino sy hankato ny Tenin'Andriamanitra avokoa anie e, fa raha tsy izany koa dia efa tsy izy.
Tsy mba manakana ny olona hivavaka atsy sy aroa mihitsy anie aho namana, satria toerana mety hanovozana sakafom-panahy ireny, ka mampitombo ny finoana. Saingy mamporisika antsika kosa hamaky ny Tenin'Andriamanitra, fa ny Soratra Masina no tena azo antoka fa MARINA ka ahafahantsika mandiso sy manitsy na mameno izay tsy ampy amin'ny fampianaran'ireny fiangonana, na fikambanana ireny.
11. leva2
(
17/10/2012 03:41)
moustaraf:
Ahoana moa ilay hoe MINO? mikipy mafy be, sy ontsa fo ,de migogogog rehefa mivavaka ve?
iZA moa ilay zanaka tokony INOANA? araka ny Baiboly.
Fanamarihana: Raha handeha Tanà-Toamasina isika dia manaraka ny RN2, ary MINO fa ho tonga soa amantsara. Raha manaraka RN1 isika, na dia misy FINOANA tahaka ny Tanety aza tsy ho tonga velively.
Alohan'ny MINO dia fantaro izay inoanao, fantaro ny lalana arahinao; araka izay voasoratra ve sa Théolojia natao tefy am-patana, sa fanjanahan-tsaina sy fanahy?
FANTARO IZAY INOANAO RY NAMANA ISANY IZAY IANAO VAO MINO.
Velona Jesosy!
Marina ny famaritanao ny teny hoe MINO araka ny fototeny malagasy, izay tsy voafaritry ny teny frantsay mihitsy amin'ny hoe CROIRE.
Anjaranao kosa ny mandinika raha mety na tsia ity ohatra noraisinao momba ny RN2 ity, araka ny famaritana omen'ny baiboly hoe : "ARY ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita" Heb 11/01.. Amin'ny teny frantsay hoe : "avoir la foi, c'est étre sûr de ce que l'on espère, c'est étre convaincu de la réalité de ce que l'on ne voit pas"..
Ilay RN1 sy RN2 mantsy anie ka efa hitan'ny masonao sy itsahin'ny tongotrao.
Ao amin'io Heb 11 io dia misy ohatra marobe momba ny finoana, fa misy vitsivitsy ireto :
3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4 Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony: ary amin’izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5 Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7 Finoana no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8 Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
12. manoasoa
(
17/10/2012 05:16)
1Jaona5/4 [size=16]Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? [/size]
2 Timoty1/12 [size=16]Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.[/size]

13. didi10
(
17/10/2012 08:01)
manoasoa:
Asio presentation kely aloha ny finoanao sy fivavahanao e!
Aleo valiako ianao fa manjary mivoana be ny lohahevitra
Hery; Noue, Pissoua: Katolika
Miharena: Protestanta + 3e Testament (Tsy mino ny helo sy ny demonia, Paradisa anaty...)
Mirananirina: Katolika fa manambady Musulman
Naritsimba, Tefigasy : Protestant
Jajajaly; Jojo3T: Temoin de Jehovah
RBNIR: Ao amin'ny fiangonan'i Pasteur Fitiavana Herinirina (ilay nisehoan'i Jesosy) Mivavaka Sabotsy, tsy mihinan-kisoa
Didi10: : Mivavaka Sabotsy fa tsy misy hanina fady
Sitlo: Ndraindray katolika, ndraindray protestanta
Moustaraf: judaisme Messiannique
Maranatha: kristiana tsy mihinan-kena
Andrywui: Tgv lool
Izay aloha no fantatro fa hiteny ny azy ny hafa raha mazoto.
Ka inona amin'izay ary no tian'ny namana hahatongavana?
14. leva2
(
17/10/2012 08:03)
http://www.youtube.com/watch?v=uaVVA8UZxEQ&list=UU5UWYiEaG8pEnOe3SlLGoKQ&index=6&feature=plcp
15. Miharena
(
17/10/2012 15:06)
Misaotra an'i Didi10 amin'ny famintinana.
Ka raha ireo rehetra ireo àry no misera ato, aoka isika hijery hoe iza no mahita tsara hoe mifandray amin'ny Tompo kokoa? Ny olana manko dia samy milaza tokoa izay fantany ary tsara izany fa mila avahana ihany hoe aiza ho aiza no tena fahamarinana azo itombenana mba tsy hiroaroa saina sy fanahy.