Fampianarana Baiboly : Teny tsy misy kilema Fiz 05: Ny Kristiana sy ny didin'Andriamanitra

1. didi10 ( 24/09/2012 13:38)
novalian'i leva2 ny 30/09/2012 09:23
2. leva2 ( 30/09/2012 09:23)
Velona Jesosy!

Mba alefaso tsikelikely eto le Fiz 04 - 03 - 02 - 01 e!

Misy zavatra roa mba tiako ho marihina :
1) Ny olana anie, mahatonga ny olona handray anle fampianarana hoe efa rava ny lalàna dia ny tsy fahatakarana ny hevitr'ity tenin'Andriamanitra ity hoe : "Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo, fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana." Rom 06/14.
Mila azavaina io teny io.
2) "Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko." Jer 30/33. Jereo tsara fa Jehovah Andriamanitra no hanao ao an-tsaintsika sy hanoratra ao am-pontsika ny lalàny, fa tsy isika sady tsy haintsika rahateo izany, no tsy vitantsika na hiezaka mafy aza.

Fehiny : Raiso hitoetra ao am-ponao Jesosy Kristy, dia ho tanteraka aminao ny lalàna.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0885