MIla mitandrina isika fa misy misoloky eto

1. niryna ( 13/09/2012 04:10)
Rehefa dinihina ny serasera mikasika ny finoana dia lasa tena mivoana tanteraka ilay izy.
Tano ny finoantsika.Averiko indray,averiko indray fa tsy ny fiangonana no mahavonjy fa kristy.
Ny famonjena dia avy amiNy "Jesosy kristy Tompontsika.",tsy misy anaran-kafa mahavonjy na nahavonjy na mbola ahavonjy,tsia ,tsy misy.

Tsy ny fandalinana ny boky izay noratovin'ny olona no zaraina ka hitsipahana ny baiboly.Misy maromaro mihitsy izy ato.Mampalahelo kanefa efa nambarana izany fa ho avy ny olona ka hilaza sy ampianatra fampianarana hafa ary dia hiroboka izay tsy mahalala ary betsaka ny ho voafitaka satria toa marina tokoa izay lazainy.Indrisy anefa raha tsy manana fotoana kely handalinana ny baiboly isika dia ho tafitohina tokoa ary toa lasa marina tokoa izay lazainy satria toa mahaliana izany ny fitantarany,indrindra moa rehefa somary asiana saosy kely izay ilay izy( karazanteny hafa )
Ny fiangonany no heveriny fa mahavonjy,ny pasiterany mampianatra izay fisainan'ny olona no heveriny fa mahavonjy,izao indray tonga amin'ny fampianarana hafahafa isika ka lazaina fa tsy izy avokoa izay voalaza ao anaty baiboly.Miambena,miambena fa misy ambodia mitafy hodi-janakondry ato.Mivavaha ho azy ireo fa heveriny fa ny fahalalany angamba no ahatongavana amin'ny fizarana ny tenin'Atra?
Hafa ny fahalalana noratovina tetsy sy teroa,hafa ny fanahin'Atra miasa ao amin'ny olona iray mizara ny tenin'Atra.Nomena maimaimpoana io ho an'izay mino Azy,fa ny fahaizana kosa dia noratovina ka avy amin'izany no izarana izay fahaizana kely noratovina. ka dia manao an'Atra tsy misy ka lasa mitsambiky mikimpy ooops
Misaotra tompoko
novalian'i bichette ny 10/10/2012 11:19
2. moustaraf ( 13/09/2012 05:45)
Salama namana!

-Isika ve manaiky raha i DESIRE no antsoina hoe NANTENAINA, na dia mitovy dika aza ireo?
Ny zavatra misy anie ka YESHO'A no lasa JESOSY, ary HAMASHYRAH lasa KRISTY= niniana novana mihitsy nie izany fa tsy hoe Fanononana isam-pirenena e!
Ary, en plus, i JESUS, sy i KRISTOS anie ka olona tena ni-existe ara-batana be izao tany Roma e!
Ny fanambarana izay entinay dia misy soritra mazava izay azo arahina, sy porofoina ary vakiana ara-baiboly, fa tsy ilay hoe "Nisehoan'izatsy, na izaroa"
Raha milaza izahay hoe;
-aty @ nosy lavitra dia misy ISRAELY IZAY NAELY , ARY TSY MAINTSY ITORIANA NY FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA, dia porofoina ao à BAIBOLY.
-hODIOVINA NY MOLOTRY NY FIRENENA HAMERENANA ILAY ANARANA, dia porofoina ao @ baiboly
-Miantso anarana FATY ny Malagasy (Porofo ara-baiboly)
-.....
Tsy omena tsiny isika miezaka ny hitazona mafy "Ilay finoana", satria efa ho an-drivony taona maro no namafazana izany ,ka sarotra ny hieritreritra zavatra hafa ankoatra izany.

Fa ny Boky masina anefa dia manambara amintsika, fa tapitra hatreo ireo arivo taona nanafenana ny Marina.
3. didi10 ( 13/09/2012 06:29)
Aza mitompo teny fatratra ry Moustaraf a!
Iza no niteny taminao fa YESHO'A io koa no tena anarana ORIGINAL?
Disoanao ny an'ny hafa nefa mitovy ihany ny anao sy ny an'ny hafa satria samy anarana dérivé avy amin'ny prononciation ireo.

Anarana ORIGINAL YHSHWH (ilay SH: mpamonjy nitsofoka tao amin'ilay YHWH: Anaran'i Avo indrindra midka rehefa atambatra : Andriamanitra mpamonjy)
tsy misy zana-tsoratra io fa mba hivavahana amin'ny alalan'ilay anarana dia nipoitra ireto anarana dérivé ireto
YaHoSHoWaH
YHeSHoWAH, zay tonga amin'ny ny anao YESHOA, JESOA, JESOSY
4. hery ( 13/09/2012 06:46)
Tsy hitako hoe inona no fototry ny adihevitra.

- Josoa koa izao dia mitovy tanteraka amin'ny hoe Jesoa
- Nisy Jesoa be dia be tamin'ny andron'i Jesoa (ohatra ny hoe Rakotoa amin'izao ihany) ary izay no namaritana kokoa an'i Jesoa hoe Jesoa avy any Nazareta (nisy Jesoa Barabasy, Jesoa zanak'i Jaona sns...)

- I Jesoa mbola tsy taty Roma :-)
5. mirananirina ( 13/09/2012 07:42)
Mahaliana tokoa izy izany!Izay ilay anarana adika @ tenin'ny tsirairay avy(firenena) dia avy eo lasa mivadika hoe iza no iza ?Fa rehefa zanak'Atra sy Andriamanitra dia mitovy izany!Ary samihafa daholo ny fanoratana io Jesoa io @ fitenin'ny tsirairay!
Aleo samy hitory izay tiany ny ts11 avy fa anjaratsika no mandray na tsia izay lazainy!!samia mitazona ny finoany avy satria tsy nisy nahalala na nahita izay tena niseho tany aloha tany isika fa honohono sy soratra nosoratan'olombelona toa atsika daholo no arahina sy inoana.Ka na iza hiteny amiko hoe izao sy izao no izy dia izay ato antsaiko ihany no arahiko
6. arist ( 13/09/2012 08:13)

niryna - 13/09/2012 06:10
Rehefa dinihina ny serasera mikasika ny finoana dia lasa tena mivoana tanteraka ilay izy.
Tano ny finoantsika.Averiko indray,averiko indray fa tsy ny fiangonana no mahavonjy fa kristy.
Ny famonjena dia avy amiNy "Jesosy kristy Tompontsika.",tsy misy anaran-kafa mahavonjy na nahavonjy na mbola ahavonjy,tsia ,tsy misy.


Miala tsiny fa tena tsy azoko mihitsy ny tianao ambara ry namana niryma. Tsy misy resaka mivoana tanteraka izany eto raha ny fahitako azy.

Ny antony ilazako izany dia izao:
- Resaka forum ny eto, malalaka ny fanehoan-kevitra.
- Ekena fa resaka fivavahana sy finoana no eto, saingy ny tokony ho fantatrao dia tsy natokana ho an'ny finoana kristianina irery ihany ity forum ity ary tsy ny kristianisma irery ihany koa tompoko no finoana tokana eto an-tany, ao ny silamo, ny boudhiste, ny bahai, sns... fivavahana sy finoana avokoa ireny ka maninona raha ny hafa no mba miteny dia lazainareo fa mivoana tanteraka ny zavatra lazainy? Fa rehefa ianareo no miteny dia mety foana na dia ...

Kristianina aho no miresaka eto, ary anisan'ny lohahevitra nahaliana ahy ilay lohahevitra andrana (essai) namakafakana ny malagasy fahiny sy ankehitriny sy Andriamanitra. Dia gaga sy talanjona aho fa niditra tao ireo namana mpitory fa hoe tsy tokony ho ato amin'ny fivavahana sy finoana no hisy io lohahevitra io, nisy mihitsy aza moa... Dia tena tsy afaka maneho hevitra mihitsy ve izany e? Dia tena manozongonzona ny finoanareo tokoa ve ny fanehoan-kevitry ny hafa e? Sa kosa fanananareo manokana ity forum ity ka tsy azon'ny hafa idirana?

Mila mitandrina ihany isika kristianina fa tena manaratsy ny fijerin'ny olona antsika ny fisainana toy izany, satria ny tena mpianatr'i kristy dia TIA ny fahavalony, manana FANDEFERANA, SNS...
7. sitlo ( 13/09/2012 21:59)
[CENTER][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/zinzin.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/je-vole.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/fou.gif[/IMG][/CENTER]
8. moustaraf ( 15/09/2012 04:22)
Salama namana!
Tena miombona @ io voalazan'ilay namana iray etsy ambony ahoa, ary efa nilaza an'izany teto @ ity forum fa fanehoan-kevitra ny eto ary malalaka ho an'ny daholo be; sa hoy aho t@ izay hoe"ovana mihitsy ilay rubrique ka ataoa hoe : FIVAVAHANA KRISTIANA"?

Manontany an'iDIDI 10 aho hoe; mba avoahy ny Porofonao fa izany YEHOSHOWA izany no voasoratra ao @ SEFER KADOS (boky masina = Torah sy Mpaminany);
Izany filazana Anarana HAFA vokatry ny fandinihan'olombelona izany dia mbola asan'ilay dragona , te hamafy voan-tsiparifary eo anilan'ny vary. Izany fomba izany no lazain'ny Baiboly hoe" Filozofiam-pampianarana",an'i Romana sy ny Grika.

Izahy raha milaza fa YESHO'A no anarana dia , azonay omena ny Porofo ara-baiboly (version originale) ao @ bokin'i Mosesy sy ny Mpaminany, fa tsy mba fandinihana arahana fampitambatambarana anarana (YHWH + Adonay = Jehaovah , na Yehoshoa, na Yahveh,...)

Fehiny: Kely sisa ry namana dia ho rava ireo anarana petatoko namitahana an'izao tontolo izao izay an-drivony taona maro izay, fa tsy MAINTSY AVERINA ilay ANARANA FOTOTRA nomeny, IZY nahary izao rehetra izao. Io no porofo fa manomboka avelany ilay ANARANA TENA DISO fa miha manakaiky an'ilay anarana tena izy indray ankehitriny ny Ady, mba hampidirana fihazohazoana @ maro.
9. niryna ( 15/09/2012 20:23)

moustaraf:

Salama namana!
Tena miombona @ io voalazan'ilay namana iray etsy ambony ahoa, ary efa nilaza an'izany teto @ ity forum fa fanehoan-kevitra ny eto ary malalaka ho an'ny daholo be; sa hoy aho t@ izay hoe"ovana mihitsy ilay rubrique ka ataoa hoe : FIVAVAHANA KRISTIANA"?

Manontany an'iDIDI 10 aho hoe; mba avoahy ny Porofonao fa izany YEHOSHOWA izany no voasoratra ao @ SEFER KADOS (boky masina = Torah sy Mpaminany);
Izany filazana Anarana HAFA vokatry ny fandinihan'olombelona izany dia mbola asan'ilay dragona , te hamafy voan-tsiparifary eo anilan'ny vary. Izany fomba izany no lazain'ny Baiboly hoe" Filozofiam-pampianarana",an'i Romana sy ny Grika.

Izahy raha milaza fa YESHO'A no anarana dia , azonay omena ny Porofo ara-baiboly (version originale) ao @ bokin'i Mosesy sy ny Mpaminany, fa tsy mba fandinihana arahana fampitambatambarana anarana (YHWH + Adonay = Jehaovah , na Yehoshoa, na Yahveh,...)

Fehiny: Kely sisa ry namana dia ho rava ireo anarana petatoko namitahana an'izao tontolo izao izay an-drivony taona maro izay, fa tsy MAINTSY AVERINA ilay ANARANA FOTOTRA nomeny, IZY nahary izao rehetra izao. Io no porofo fa manomboka avelany ilay ANARANA TENA DISO fa miha manakaiky an'ilay anarana tena izy indray ankehitriny ny Ady, mba hampidirana fihazohazoana @ maro.

hi,hi Tena lasa nivoana be ilay sujet-ko.Tsy niteny mihitsy aho hoe aza mitory ny tsy kristiana an,diso tanteraka izany.Tsy miteny mihitsy aho hoe aleo ho an'ny kristiana irery ity,mbola diso tanteraka koa izany.Afaka mizara ny finoany daholo io na inona finoany na inona.Ny zavatra noteneniko dia hoe misy mamorona sy milaza tsaho eto ooops ka mamadika ny tenin'Atra ok misaotra e
10. moustaraf ( 16/09/2012 04:41)
SALAMA NAMANA A
MISY MISOLOKY ETO, tena marina io an!
Na ny Artiste aza miantsoantso fanafoanana ny PIRATE= COPIE ILLEGALE / NON CONFORME A L'ORIGINAL
Ka maika fa isika mpamaky baiboly, dia tokony ho sarotiny @ fandikana gaboraraka


-Averiko indray ilay fanontaniana hoe: Ny satana ve miasa maina tsy misy tanjona? na RAHA NANOVA ilay anarana i Satana inona no Tanjony?

-Ny zavatra hiitako eto dia fitazonana foto-pinoana sisa no ataon'ny maro, fa ilay fototra tena ipetrahana tsy voaporofo mihitsy. Raha miaro ny hevitro aho, dia asiako porofo sy fanamarinana ara-baiboly foana, fa ny hafa toa....

-Manampy trotraka koa ny tsy famakiana sy fandinihana intsony ny Bokin'ny Mpaminany, izay manambara ny ho avy, ka very fotoana @ fanaovana ara-keviny ny Boky vaovao (Epistily).

-Izahay dia tsy manome tsiny na iza na iza fa miezaka manambara zavatra tsy mbola fantatra hatramin'izay "Nafenina ny manantsaina, fa naseho t@ zaza madinika"

Io baiboly eo am-pelatanantsika io dia ahitana fahadisoana be dia de @ fandikana" HOSOKA VE SA SOLOKY??? , tsy izaho no voalohany milaza an'izany fa efa betsaka ihany koa, ..hany ka maro ireo teny sy hevi-teny mifangaroharo sy tsy mazava intsony ka ilàna ny fampiasana ny Version ORIGINALE. Izahay manokana dia misafidy ny hampiasa ny fandikana avy @ teny FOTOTRA HEBREO izay niaviany;IRETO MISY POROFO VITSIVITSY:
-Ilay teny hoe TOMPO ao @ baiboly, iza marina no tondroiny? niniana natao ve io?
DEOT 32: 17 demonia= tompo
HOSEA 2: 18 bala= tompo
1 KOR 10:9 Kristy= tompo

-Ilay teny "JENTILISA" miverimberina aty @ dikan-teny dia tsy hita ao @ baiboly fototra Hebreo ,Goym = firenena no ilazany azy, ary matetika aza dia "ny firenen'ny Israely no voadika hoe Jentilisa @ baiboly gasy.

-Ny bokin'ny mpaminany (version hebreo) raha milaza ny fihavian'ny Mesia dia milaza ANARANA mazava, nahoana ny dikan-teny (rehetra) no tsy ahitana na dia in-1 mandeha monja aza?
SNS......

Anontanio ny mpitarika anareo mba hamaly ireo fanontaniana ireo, satria "Araka ny loha-hevitra hoe: "Misy misoloky eto", dia mila fantatra tsara izay IVAVAHANA satria izay ivavahana no mandatsaka ny FANAHINY.

11. ledala ( 16/09/2012 20:29)
Toa tsy tena mazava marina aloha hoe inona ny fototry ny adihevitra eto? mila mitandrina fa misy misoloky...avy eo lasa resaka baiboly , ary lasa dika-teny, fiangonana, serasera....sns
Ny tiako hisarihana ny sainstika, izay misy iombonako amin'ny namana teo aloha, dia ireto:
- tsy ny kristianina ihany tokoa no natao haneho hevitra na eto na any amin'ny toerana hafa
- baiboly: maro samihafa ny fototra nandikana ny baiboly arakaraky ny fiangonana, oh ireo antsoina hoe "sekta"(miala tsiny) dia misy avy amin'ilay fiangonana nialany no nangalana izay mety aminy... ho an'ny kristianina izany fa eo koa ny an'ny silamo, ny boudhiste, sns....baiboly ve ny azy ireny sa misy anarany hafa
- mazava ho azy amin'izany ny dika-teny fa misy tsy hitovizana, inona moa no tena olana amin'izany ra zavatra na olona iray ihany no tiana ambara (ra tsy tsy hoe tia hanangana sekta vaovao araky ny fitenin'ny tanora amin'izao ndray nga ).
Na izany aza misy azoko kely ihany ny tian'i Niryna hanmbara: misy tokoa ny olona mampiasa ny baiboly sy ny fivavahana fotsiny entiny manamafy na manaporofo ny heviny fotsiny eny na sty dia mitovy tanteraka aza ny hevitra entina.
12. bichette ( 10/10/2012 11:19)
Ny olona miditra amin'ity dinika ity anie dia tena misy karazany e, ao ny tena marina, ao ny te hanakorontana fotsiny, ao ny tena te hitory ny filazantsara, ao ny te hampiditra filazantsara diso, ao ny mpiandry, ao ny mpanompon'i satana, ao ny framasao, ao ny avy amin'ny fivavahana samihafa toy ny silamo, bouodhiste, hindou, ao ny mpanao yoga, ao ny mpamosavy ao ny rehetra e ! ka na inona na inona dia mila mitandrina hatrany hatrany ary tsy tonga dia raisina be fahatany daholo fa mivavaka manontany an'Andriamanitra Jehovah ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.051