Litorjiam-piangonana

1. didi10 ( 04/09/2012 15:03)
Miangavy antsika aho mba samy hanokatra ny fomba fijery eto amin'ity lohahevitra ity. Aza raisina ho fanenjehana re!!! lazaiko amim-panajana ny zava-misy hampitana ny hevitra.

Ireo fiangonan-dehibe rehetra dia manana litorjiam-piangonana avokoa.
Raha azavaina tsotsotra dia efa voasoratra iray taona mialoha farafahakeliny ny "programme" rehetra atao ao am-piangonana mandritra ny fivoriam-bavaka ao anatin'ny taona.
Voakasik'izany ny vakiteny (perikopa) sy ny vavaka rehetra ho an'ny EKAR ohatra. Ny zavatra mety hisy fiovana dia ny hira sy ny tori-teny.

Inona no mety mandeha amin'ny litorjia sa amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina?
Aiza ny olana mahatonga ny olona tsy andriny izay hiravana kanefa 1h30mn monja ny fidirana iray ary indray mandeha isan-kerinandro?
Mahare ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny asan'ny Fanahy Masina ve ny olona rehefa miangona?



novalian'i Miharena ny 07/09/2012 03:34
2. hery ( 05/09/2012 08:38)
Tsy azoko ilay hoe inona no mety mandeha amin'ny litorjia sa amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina. Fa angaha dia samihafa ireo no tsy maintsy hanao safidy?
Izany hoe rehefa manaraka litorjia dia tsy mahazo Fanahy Masina ary rehefa mivavaka amin'ny Fanahy Masina dia tsy tokony hanaraka litorjia ve?

Amiko dia mifameno ireo. Hatramin'izay na ny Testamenta taloha na Testamenta vaovao dia misy fomba arahan'ny olona (rites na litorjia) matetika rehefa mivavaka. Manampy azy ireo io hifantoka betsaka kokoa amin'ny vavaka ary indrindra indrindra mba tsy ho monotone ny fivavahana ka lasa tora-po be tsy miova. Ny fanarahana fombam-pivavahana anefa tsy misakana mihitsy ny sentosento sy ny vavaka manokana. Ka tsy azoko aloha izany ny fifandraisany eto.

Momba ny hoe aiza ny olana mahatonga ny olona tsy mahandry firavàna, dia tsy misy ao amin'ny fiangonanay io ka tsy dia idirako loatra. Ny anay ara, rehefa andro fety, maharitra 4 ora ny lamesa... fa maharitra ny olona.

Ny hoe mahare ny fanatrehan'Andriamanitra sy asan'ny Fanahy Masina dia miankina amin'ny tsirairay. Raha hoe izay mitsipatsipaka na latsa-dranomaso na miteny amin'ny teny tsy fantatra ihany no atao hoe mahare ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny asan'ny Fanahy Masina dia angamba izany tsy mba mandalo any am-piangonanay mihitsy ny Fanahy Masina.





3. Miharena ( 06/09/2012 05:01)
Inona no mety mandeha amin'ny litorjia sa amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina?

Rehefa mametraka ny programa dia efa eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina ary ny fanantanterahana azy mandritra ny taona dia tsy efa raha tsy sitrapon'Andriamanitra.

Aiza ny olana mahatonga ny olona tsy andriny izay hiravana kanefa 1h30mn monja ny fidirana iray ary indray mandeha isan-kerinandro?

Ny olana dia efa voalazan'i Kristy ihany momba ny voantsinapy. Na iray fiangonana aza dia misy ireo sokajin'olona voambara ao amin'io ohatra io.

Mahare ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny asan'ny Fanahy Masina ve ny olona rehefa miangona?
Eny sy tsia no valiny. Ny olona mahalala izay ahatongavany ao am-piangonana dia mahatsiaro voadio sy mahazo hery. Izay mitady sy mangetaheta marina dia mahazo feno. Izay tonga ao hitazatazana fombafomba fanao kosa ia tsy mahatsapa na inona na inona.
4. IAVO ( 06/09/2012 07:46)
itako misy marina olo le izy satry ra ny ao @fiangonanay zao de vao2-piangonana indray no lava nony toriteny. zara fa misy 10mn sisa no enone toriteny nefa ange ao anaty toriteny no tena azahona aimpanahy

5. didi10 ( 06/09/2012 08:45)
Nandeha mariazy tany Antsirabe ny fianakavianay izay Katolika avokoa indray andro izay, ireny fiangonana zandriny ireny no nidiran'ilay mariazy, toy izao ny zavatra nisy tao.
- Ny fiderana dia amin'ny tehaka sy ny dihy miaraka amin'ny mozika sy ny aponga tapaka.
- Ny vavaka dia samy manao ny azy fa mitarika fotsiny ny mpitandrina (ohatra: Vavaka ho an'ny fanatrehan'Andriamanitra)
- Ny toriteny fotsiny dia naharitra 1h30mn.
Niditra tamin'ny 09 ora maraina ny Mariazy ary tamin'ny 2 ora vao nirava kanefa tena nahatsapa ireto havanay ireto fa iny andro iny izy ireo vao tena nahatsapa izany fahafenoana amin'ny fiderana an'Andriamanitra izany, izany fanatrehan'Andriamnitra izany, tena nahatsapa izy ireo hoe: izany tokoa ka tena mivavaka fa na ny toriteny aza dia ahazoana hery sy fankaherezana fa tsy nisy torimaso na hanohanana heno.

Ka misy fanontaniana tiako apetraka aminao!
Inona no mahatonga ny fiangonana maro tsy mba manandran-tanana na mitehaka na mandihy rehefa manao hira fiderana?
Inona no mahatonga ny fiangonana maro tsy mbola nahitana olona niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra mihitsy tao na iray aza?
6. Miharena ( 06/09/2012 08:55)
Inona no mahatonga ny fiangonana maro tsy mba manandran-tanana na mitehaka na mandihy rehefa manao hira fiderana?

Ny mihira amin'ny fanahy tsy mila dihy na tehaka fa fifantohana.

Inona no mahatonga ny fiangonana maro tsy mbola nahitana olona niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra mihitsy tao na iray aza?

Miteny amin'ny fiteny fantatra no mahasoa kokoa raha hizara.

Fanontaniana ho an'i Didi10: Iza no iresahan'ny olona ao aminareo amin'ny teny tsy fantatra?
7. didi10 ( 06/09/2012 09:35)
Miharena:

Ny mihira amin'ny fanahy tsy mila dihy na tehaka fa fifantohana.

Asa na avy aiza indray no nivoaka izany fampianaran'i Miharena izany, ny fantatro aloha dia ity ny Tenin'Andriamanitra.

Sal 150 : 1 - 6
Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina.
Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.
2 Midera Azy noho ny asany lehibe;
Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
3 Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara;
Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy;
Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno;
Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia.



Fanontaniana ho an'i Didi10: Iza no iresahan'ny olona ao aminareo amin'ny teny tsy fantatra?

Misy karazany roa:
Voalohany
Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
Faharoa
Izay maminany ( mitondra hafatra avy amin'Andriamanitra) amin'olona dia ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.

Samy miteny amin'ny teny tsy fantatra ireo karazany roa ireo fa ilay voalohany mety ho olona maromaro ary tsy misy mahafantatra ny teniny fa ilay faharoa kosa dia olona iray ihany na roa no mitondra ny faminaniana ka misy fandikana ny teny faminaniana amin'ny fiteny mahazatra.
8. Miharena ( 07/09/2012 03:34)

Miharena
Ny mihira amin'ny fanahy tsy mila dihy na tehaka fa fifantohana.

Asa na avy aiza indray no nivoaka izany fampianaran'i Miharena izany, ny fantatro aloha dia ity ny Tenin'Andriamanitra.

Avy aiza ilay fampianarana hoy ianao?
Tsy fampianarana no asehoko eto fa évidence. Mahita olona marobe ianao tsy manao ireo dihy sy tehaka rehefa midera an'Andriamanitra fa mihira sy mamelona mozika fotsiny ka asa hoe inona marina no tena tianao ahatongavana raha tsotra sy milamina ny fiombonam-bavaka ataon'ny maro fa tsy mitovy ny ataonareo ohatra?

Ilay resaka teny tsy fantatra misy karazany roa lazainao

Raha vao milaza ianao fa misy karazany dia tsy fahamarinana tanteraka izay. Ny olona miresaka zava-miafina ao amin'ny tenany na heverina fa ifandraisany amin'Andriamanitra aza izany dia tsy manome mihitsy fampiraisana raha tsy zarainy ho tsapan'ny mpiara-miombom-bavaka.

Ny faminaniana mipoitra amin'ny fiainana andavanandron'ny olona dia izay ampahany hitranga ihany fa ny Fahamarinana Fototra dia efa mipetraka tsy azo hozongozonina satria ivelan'ny tantara omaly sy anio ary ho avy, na ny marina kokoa SEHATRA iveloman'ny tsirairay na inona na inona tantarany ao amin'izay manam-petra dia ireo fiainana ara-nofo sy ara-piheverana. Ka ny teny tsy fantatra dia ao anatin'ny hevitra ihany koa ka mandalo izany fa tsy mitoetra mandrakizay.
Izahao toetra ny fanahy hoy ny Baiboly. Marina io fitenenana io ka ny tokony ataon'ny mpino dia manadihady tsara hoe izay miteny aminy ve dia izay efa nahatratra fahatanterahana sa tsia? Andriamanitra marina sa tsia? Raha anjely na i Jesosy mihitsy no miresaka aminy mivantana dia tsapa tsara ve hoe be Fitiavana fa tsy mampandroso anao ho amin'ny fisalasalàna? mampahafantatra anao izany atao hoe fiaviaNY izany ve na koa ny fihavian'ny Fiainana mandrakizay sa tsua? Milaza loza hatrany ve sa tsia? Dia eo ianao no mamantatra hoe tena fanahy fahamainana no miteny na fanahy vokatr'izao zavatra voafetra izao.

Raha ny marina dia mampianatra antsika ho tanteraka ny fanahy manana fahatanterahana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0641