Aiza (na hatraiza) ny faritra hitoriana ??? ka rehefa vita izay dia ho tonga ny Tompo!!

1. Maranatha ( 31/07/2012 11:05)
Misy lohahevitra toy ity ao aloha ao fa toa ohatry ny tsy ahaazoana aina ilay tao satria toa hila hifandramatra ireo namana. Soa ihany fa tsy mifankahita tava fa raha tsy izany dia asa fotsiny....

Aiza ny faritra hitoriana na hatraiza dia tonga ny Tompo???

Matio 28:18-19 Ary Jesosy nanataona dia niteny taminy dia nanao hoe: Efa nomena ahy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany koa madehana hianareo dia ataovy mpianatra ny FIRENENA rehatra, manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy zanaka ary ny Fanahy masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambaram-pahatonga ny fiafaran'izao tontolo izao.

Raha io teny io dia mazava be fa manerana ny FIRENENA rehetra eto ambonin'ny tany. Fa izao tsy voatery ho ny olona rehetra ao amin'ny firenena no mahare vao ho tonga ny Tompo fa na olona iray aza amin'ny Firenena iray no mandre ka nahare daholo ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia tonga Izy . Izay no mila hitandremana fa sao diso hevitra ka manao kajikajy dia mbola ho variana sy ho ratsy fiomanana . Fa raha rahampitso no vita izay asa izay dia tonga ny Tompo.

Ka raha ilay fiangonan'A/tra ilay misy anao dia manaova kajy hoe hatraiza amin'ireo firenena rehetra ireo sisa no mbola tsy vita dia hatao mba hanafainganana ny fiverenan'ny Tompo. Satria isika dia voalaza fa tsy miandry Azy ihany fa sady manafaingana ny fiaviany ihany koa. Mahereza
novalian'i Miharena ny 16/08/2012 21:33
2. RBNIR ( 31/07/2012 12:37)
Maranatha:

Faly miarahaba namana isany,
Izao tontolo izao, fa saingy ny ZAVA-MIAFINA dia izao : Hoy ny teny hoe « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat. 24:14)
Ny tena marina dia efa betsaka ny fitoriana natao ary raha ny marina tsy misy firenena tsy mahafantatra ny baiboly sy ny tantaran'i Jesosy Kristy.
Saingy tokony hametraka fanontaniana isika hoe fa maninona no mbola tsy tonga ny farany?
Mandainga v Andriamanitra?
Tsia tsy mandainga IZY fa hoy izy hoe "ity filazantsaran'ny fanjakana ity". Ilay tena filazan-tsaran'ny famonjena ry namana no mbola tsy voatory amin'izao tontolo izao. Ny fampianarana dia tsy miova fa ilay tahaka ny tamin'ny andron'ny apostoly no tena fampianarana, tsy mitory afatsy ny FAHAMARINANA, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, ary homban'ny herin'Andriamanitra.
Mila mianatra ny Evènement Eschatologique isika dia ho fantantsika ny MARINA rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany

3. jajajaly ( 31/07/2012 13:01)
Misaotra amin'ny mpanao lohahevitra. Misy izao mampaneno lakolosy dia manantona any ny mpiangona dia ao no omena toriteny. Izay ve anefa ilay hoe MANDEHANA? Ataon'ny olona any amin'ny firenena rehetra ahoana ny fandre ny tenin'Andriamanitra raha tsy mankany ampiangonana izy na tsy afaka noho fahasalamana na tsisy fiangonana ao amin'ilay tany?
Ahoana no modely nomen'i Jesosy?

4. ratsirano ( 31/07/2012 21:41)
Miarahaba antsika rehetra !
Mazava ho azy fa araka ny Matio 28:19,20 dia ny olona amin'ny firenena rehetra no hitorina ary Matio 24:14 dia mbola manamafy izany. Hoy izy hoe : " Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran'ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra,vao ho tonga ny farany." Io fahatongavan'io farany io anefa dia tsy miankina amin'ny fahavitan'ilay fitoriana satria io fotoana io dia efa voatondro araka ny voalaza ao amin'ny Marka 13:33 : " Koa mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro."
Milaza koa anefa ny Baiboly fa tsy misy afaka manao kajikajy momban'io andro io satria izao no nolazain'i Jesosy ao amin'ny Matio 24:36 : "Fa tsy misy mahalala ny amin'izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany." Noho izany dia ny Ray ihany izany no mahafantatra io andro io, ary efa hatrany am-piandohana izany no fantany. Jereo ange Isaïa 46:10 : "dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin'ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao....."
Mipetraka izany ny fanontaniana hoe : ahoana no hahafahana mampiely ilay fitoriana an'ilay vaovao tsara eran-tany ? Araka ny voalaza ao amin'ny Matio 19:26 dia hoe : ".....tsy hain'olombelona izany, fa hain'Andriamanitra ny zava-drehetra."
Hain'Andriamanitra tokoa ny zava-drehetra, satria raha mandinika isika dia misy olona tokoa eran'izao tontolo izao, mandeha isan-trano mitory io vaovao tsara io. Afaka mahatoky izany isika fa na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana dia tsy maintsy hahare an'io vaovao tsara io ny olona rehetra.
Mirary soa antsika rehetra.
Maranatha:

Misy lohahevitra toy ity ao aloha ao fa toa ohatry ny tsy ahaazoana aina ilay tao satria toa hila hifandramatra ireo namana. Soa ihany fa tsy mifankahita tava fa raha tsy izany dia asa fotsiny..

Aiza ny faritra hitoriana na hatraiza dia tonga ny Tompo???

Matio 28:18-19 Ary Jesosy nanataona dia niteny taminy dia nanao hoe: Efa nomena ahy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany koa madehana hianareo dia ataovy mpianatra ny FIRENENA rehatra, manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy zanaka ary ny Fanahy masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambaram-pahatonga ny fiafaran'izao tontolo izao.

Raha io teny io dia mazava be fa manerana ny FIRENENA rehetra eto ambonin'ny tany. Fa izao tsy voatery ho ny olona rehetra ao amin'ny firenena no mahare vao ho tonga ny Tompo fa na olona iray aza amin'ny Firenena iray no mandre ka nahare daholo ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia tonga Izy . Izay no mila hitandremana fa sao diso hevitra ka manao kajikajy dia mbola ho variana sy ho ratsy fiomanana . Fa raha rahampitso no vita izay asa izay dia tonga ny Tompo.

Ka raha ilay fiangonan'A/tra ilay misy anao dia manaova kajy hoe hatraiza amin'ireo firenena rehetra ireo sisa no mbola tsy vita dia hatao mba hanafainganana ny fiverenan'ny Tompo. Satria isika dia voalaza fa tsy miandry Azy ihany fa sady manafaingana ny fiaviany ihany koa. Mahereza
5. jojo3t ( 01/08/2012 05:37)
Marina avokoa ny voalazan'ny namana rehetra, efa voalazan'io Matio 24 : 14 io fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsara vao ho tonga ny farany, ary ilaina koa ny miambina.

Nahoana moa no torina maneran-tany ny vaovao tsara vao ho tonga ny farany?

Mamonjy aina ny hafatra torina ka mila mandre ilay hafatra ny olona rehetra mba ahafahany miambina hatrany mba ho afa-mandositra amin'ny andro lehibe an'AndrimanitraZefania 2 : 2,3.

Ahoana indray ny fomba fitory maneran-tany ? Any ampiangonana fotsiny ve na eny an-kalamanjana?

Voalamina tsara izy io ka afaka mandre izany ny olona rehetra, na an-tanan-dehibe, na am-banivohitra sns...

Nanome modely i Jesosy : Nasain'i Jesosy nitsidika ny olona isan-tokantrano ireo mpianany Matio 10 : 7, 11-13.

Hoy koa ny Apostoly Paoly : Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano Asan'ny Apostoly 20 : 20 (dikan-teny katolika.

Ao koa ny Asan'ny apostoly 5 : 42 : Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan'andro tao an-tempoly sy tany an-tranon'olona izy ireo fa Jeso no Kristy (dikan-teny katolika).

Tsy ho tonga mpino anefa ny rehetra na hoe handre isam-baravarana mihitsy vao ho tonga ny farany.

Miezaka mitory ny vaovao tsara maneran-tany ary ve ny fiangonana misy anao?
6. rekinbelo ( 01/08/2012 08:14)
mbola tsy vita ny fitoriana matoa tsy mbola tonga ny farany namana, efa firy taoan moa no nisian'ny Fiangoanana milaza azy fa kristiania? nefa mbola tsy tonga foana, noho izany dia tsotra be no amaliako azy hoe tsy mbola vita io,nefa rehefa tonga ny fotoana hoe vita tokoa ny fitoriana dia iJesosy Tompo no iteny amin'izay hoe efa vita ka hajanona ny fitoriana.
Koa mahaiza manararaotra fa efa kely sisa ny fotoana tavela ka mila miambina sy mibebaka isika rehetra mba tsy ho very maina ny ady nataontsika e
7. jojo3t ( 01/08/2012 09:28)
Marina io voalazanao io hoe mbola tsy vita, mazava ho azy, ka izay no mahatonga ilay fanontaniana araka ny didin'i Kristy hoe, miezaka mitory sy mampianatra ve isika?
8. niryna ( 06/08/2012 21:35)
jajajaly:

Ataon'ny olona any amin'ny firenena rehetra ahoana ny fandre ny tenin'Andriamanitra raha tsy mankany ampiangonana izy na tsy afaka noho fahasalamana na tsisy fiangonana ao amin'ilay tany?
toy ny didy folo ihany io mbola tany ambohoka isika dia efa nahafantatra izany didy folo izany ka na mpino na tsy mpino an'i kristy dia tsy misy izay tsy mahafantatra ny tsara sy ny ratsy.Fa satria ny didy dia natao ho an'izay mahalala izany didy izany saingy izay tsy mahalala izany kosa dia ny asa ataony no hitsarana azy.
Mino aho fa tsy mitovy ny taloha intsony ny fizarana ny tenin'Atra satria efa misy fomba maro nasehon'Atra ho antsika rehetra izany .Ny fanontaniana dia hoe moa naheno ny olona ka nandray satria toy ny rano eo antampon'ny volon-gisa fotsiny ihany izany?
[/quote] ilay sarisary apetrakao dia manambara avy hatrany ny finoanao misy anao ooops
Tsy olana iny fa ny olona dia hoe maninona no tsy mino ilay inoan'ny olona ny finoana sasany? satria raha toa ka mampianatra ny baiboly ny olona iray kanefa dia zavatra iray fotsiny no tsindriany lava eo dia mivoana izay ilay fampianarana satria mifameno ny fampianarana TT sy TV ka raha ny TT manambara fa Tompon'ny tompoko ( Lord of my lord)

Raha milaza fa IZAHO SY NY RAIKO DIA IRAY IHANY kanefa tsy hinoan'ny finoana hafa izany .Mba tsy ilazana hoe tsy resy lahatra fa Kristy dia Atra velona . Ahoana moa no hitoriana ny hafa izay mbola tsy mahalala Azy ?
Eo koa no mbola mipetraka ny olona iray satria misy fampianarandiso ataon'ny hafa kanefa dia dradrainy hatrany ny fitoriana ny filazantsara erak'izao tontolo izao ooops

Amiko izany dia misy olana eto amin'ny forium; ao ny miziriziry ny fampianarany sy ny azy ihany no marina ,eo ny mampianatra fa tsy Atra i kristy kanefa moramora azy ireo ny mitsaratsara ny an'ny hafa ,ny loza dia ny fifamelan-keloka dia ( o ) ao amindry zareo rehefa nivadika ho kristiana ilay olona tao aminy ka tsy mandevina na manatrika mariage mihitsy na mpiray tampo aminy aza ,dia ahoana indray no fipetrak'izay
ny sasany resaka hoe fiangonana Alahady sy sakafo tsy fihinana mbola manginy fotsiny ireo .
Amiko misy kilemany avokoa ny fiangonana fa mivavaha ary araho ny baiboly dia andeha amin'ny fahamarinana ary ny fahitsiana isika
Zarao fotsiny ny famonjena izay nomen'Atra maimaimpoana ho antsika ka mino ilay ATra velona izay nitondra ny helontsika rehetra ary ny diakampony no namonjena antsika .

Mihomana ,mihomana hoy ny Tompo fa toy ny fihavin'ny mpangalatra no fahatongavany

Voninahitra anie ho Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ary ny fiadanana anie ho antsika rehetra izay mandray ny Zanaka ho Tompo sy Mpamonjy ny fanahy.
Tsotra fotsiny e,mivavaha isika rehetra ka aleo ny fanahy masina no hitarika antsika amin'ny fahamarinana ,tsy ny pasitera na ranona na ny fiangonana fa izay ao anaty baiboly arahina.Samy mila manao entimody isika e
9. Miharena ( 08/08/2012 12:09)
Raha ny marina dia efa tokony tsy misy fitoriana intsony fa efa feno ny zava-drehetra. Raha tena mandinika isika dia arakaraka ny fisian'ny mpitory no mahabe adihevitra. sy tsy fahatsiarovan-tena ary ny fisambaravoarana eo amin'ny olombelona.

Ny fahamarinana tokony hozaraina amin'izao fotoana izao anefa dia ny fampahafantarana fa zava-poana ny zava-drehetra. Rehefa samy mahazo io ny tsirairay dia tsy hiady hevitra intsony. Satria izay efa vitany dia zava-poana ihany, ny fotoana dia zava-poana ihany, fa ny Fanahy Mandrakizay no IZY sy lovan'ny rehetra. Io no teboka farany sy voalohany. Ivelan'ny fotoana sy ny zavatra azo tsapaina rehetra.

Asa hoe aiza ho aiza no fahatsapantsika izany?
10. bor2lais ( 08/08/2012 13:30)
miharena:

Raha ny marina dia efa tokony tsy misy fitoriana intsony fa efa feno ny zava-drehetra.

??? :-)
miharena:

Ny fahamarinana tokony hozaraina amin'izao fotoana izao anefa dia ny fampahafantarana fa zava-poana ny zava-drehetra.

Tsy mitory ve Miharena eto ? ;-)
11. Miharena ( 08/08/2012 15:30)
Fitoriana sy fizaràna indray aloha no tokony havahana tsara.

Ny mpitory dia manana mpanaraka izay mandala izay lazainy hatrany fa ny mizara indray dia tsy manana hevitra mihitsy hoe haraho izay lazaiko raha tsy izany very ianareo. Zaraina fotsiny ilay marina dia ampy ary fifampitaizana ny fizaràna.

Misy manko ny mpitory tena manizingizina zavatra iray fa tsy hitan'ny hafa mihitsy izay idirana amin'ny fitoriana ataony. Tsy misy fanazavana azo antoka fa miafinafina, tsy mivantana, lanin'ny tanisa fa tsy hazavaina tanteraka ilay tanisa mba ho azon'ny rehetra izay mihaino sy mamaky.
12. moustaraf ( 13/08/2012 20:00)
amin'ny fomba fijerinay azy indray dia toy izao:
1.Ilay filazantsaran'ny fanjakana anie ka tsy hotoriana any @ 180 pays e! fa ny firenena resahina eto (aza adino fa i Mesia dia tonga ho an'ny Israely) dia ny firenena 12 n'ny Israely.

2.Faran'ny Tany= ilay tany niafan'ny dian'ireo israely niely = ilay nosy lavitra= Madagasikara
Ny tanjon'ilay fanekena vaovao dia hanangona ny"ondry izay tsy mbola ao am-bala", ny jentilisa dia tsy ondry ny filaza azy fa "Amboa kely" , fa ny ondry= zanak'israely.

Zava-dehibe ny fanekenao fa tsy jentilisa ianao , fa ianao indrindra ilay zanak'israely izay niely, ka mila itoriana ilay filazantsaran'ny fanjakana. Tsy io fomba nivavahanao hatrizay io no fomba tokony ivavahanao, fa misy ny fomba izay efa nosoritan'ireo mpaminany taloha sy ny mesia, ary notanterahin'ireo apostoly. Koa aza mety ho adalaina @ fampianarana vita kajikajy nafafy sy nalentika tao amintsika hatrizay ela izay. Ianao no tompon'ilay teny fikasana fa tsy ny Anglisy, Amerikana, Norveziana, frantsay, grika,Romana,.....ka hilaza sy hampianatra anao ny momba ny fanompoana an'ilay nahary avokoa ireo.
13. Miharena ( 16/08/2012 21:33)

Zava-dehibe ny fanekenao fa tsy jentilisa ianao , fa ianao indrindra ilay zanak'israely izay niely, ka mila itoriana ilay filazantsaran'ny fanjakana. Tsy io fomba nivavahanao hatrizay io no fomba tokony ivavahanao, fa misy ny fomba izay efa nosoritan'ireo mpaminany taloha sy ny mesia, ary notanterahin'ireo apostoly. Koa aza mety ho adalaina @ fampianarana vita kajikajy nafafy sy nalentika tao amintsika hatrizay ela izay. Ianao no tompon'ilay teny fikasana fa tsy ny Anglisy, Amerikana, Norveziana, frantsay, grika,Romana,.....ka hilaza sy hampianatra anao ny momba ny fanompoana an'ilay nahary avokoa ireo

Ekena fa marina ny filazanao. Fa ny zavatra tsy azo lavina kosa dia niys ezaka ireo vahiny notanisainao ireo namantaranao fa Jiosy ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4606