Fanaganan-tsaina malagasy any amin'ny JO Londres

1. Maholisoa ( 15/07/2012 21:46)
Manao ahoana,

Sao dia mba misy mahafantatra hoe aiza sy amin'ny firy hono ilay fananganan-tsaina malagasy any amin'ny JO LOndres ny 23 juillet ???
Azo atrehan'ny be sy ny maro ve ????
Misaotra
Maholisoa
novalian'i maholisoa ny 30/07/2012 07:46
2. milamm ( 28/07/2012 20:45)
salama e, toa 24 jolay vao niainga ny delegasiona Malagasy ireto ny solotenatsika mandray anjara hiaro ny voninahitry Gasikara 7 mianadahy izy ireo taranja samihafa
http://www.london2012.com/country/madagascar/athletes/index.html


androany moa dia Rtoa kely Rakotondramanana 23 taona no isantatra ny lalao voalohany miangaly fonjamby sokajy 48 kg, tsy iza fa zanak' Atoa Harinelina Randriamanarivo filohany federasiona fibatana fonjamby Malagasy toy zao ny vokatra mankahery azy ireo hatrany itondra medaly mody
http://www.london2012.com/weightlifting/event/women-48kg/index.html
http://www.london2012.com/athlete/rakotondramanana-harinelina-n-1129344/
3. maholisoa ( 30/07/2012 07:46)
Misaotra ry milamm

Faly tokoa zahay fa afaka nanotrona sy nampahery an'i Nathalia.
Afaka nikiakiaka hoe "iny ny anay e", rehefa mba tsy mety moa dia nataonay hoe "tsy maninona fa tianay foane e"
Nahafinaritra ny nahita ny saina malagasy mikopakopaka.
Tsara be ny ambiance olympique, tsy misy an'irony manabatibaty fa dia mitehaka daholo rehefa mety ar miara misento daholo reha fa tsy mety. na avy aiza io na avy aiza. Faiy play e
Mba te hanotrona mafy ireo mpiray tanindrazana hafa zahay fa dia lanonana hafa be ity hoe mitady tapa-kila hidirana ka angamba tsy ho avy fa dia mirary soa ho azy ireo.
Maholisoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5208