Inona marina moa no mahatonga ireo riba( fomba) malagasy hanjavona ?

1. 201007jacky ( 03/07/2012 13:24)
Araka ny hevitrareo , inona moa no mety mahatonga ny riba malagasy hanjavozavo sy hanjavona na maty tanteraka.

Fa izaho kosa mino fa :
noho ny :
• fidiran’ny riba vahiny
• tsy fikolokoloana azy
• tsy fahampian’ny hoenti-manana amin’izany
• faharavan’ny fefy iray lehibe ka manjary fefy samy manana ny azy = faharavan’ny soatoavina malagasy (fihavanana sy firaisa-monina ary firaisan-kina)
Ireo no azoko iheverana ny mahatonga izany.


2. hery ( 04/07/2012 06:32)
Tsy ny riba malagasy irery no manjavozavo na maty tanteraka. Ny an'ny gasy aza mbola misy velona tsara ihany. Betsaka no tsy hita intsony fa lasa fahatsiarovana sisa, ny an'ny grika, romana, ejipsiana sns... dia tantara sisa.

Angamba tsy voatery hotehirizina mbola iainana tanteraka izy ireny satria efa tsy mifanaraka amin'ny toetr'andro sy ny toe-tany intsony fa kosa raketina an-tsoratra ho tantara mba ho fantatry ny ankizy any aoriana.

Tokony asiana musées maromaro mba hahafahana mitahiry ireo riba malagasy fahiny.
3. njaraiharana ( 22/01/2013 00:39)
Marina fa tsy atsika malagasy irery no manjavozavo sy maty tanteraka, fa betsaka no tahaka izany. fa oe nahoana no fohy kely lotra no niainan'ireo riba atsika malagasy, vetivety lotra dia very sy nanjavona izy ireny. Ary na ny tantarany aza efa misy ny tsy hay intsony.

Hery>>>> amiko indray tokony ho tehirizina mafy izy irery, ampitaina amin'ny zanaka amampara, ary kolokoloina tsy ho very sy ho faty. Satria ireny no isan'ny mahaizy atsika. Ireny no isan'ny identite atsika.
Ary fahaizana riba sy ny soatoavina no isan'ny mitaiza, mamolavola toetra sy fisainana, ary tadidio fa izany no isan'ny nampahendry ny Ray amandreitsika teo aloha. ka nahoana mitsy kosa moa no oe tsy voatery ho tehirizina???????????????
4. njaraiharana ( 22/01/2013 01:14)
Ny hevitro nahatonga ny riba malagasy ho very sy maty dia ny fanjanahantany.
Nozanahina i Mcar ary tsy vita an izay fa nopotehina tanteraka mba tsy hanana ny maha izy azy intsony, ary ny ancien coloni an frantsa dia tapitra tsy manana ny maha izy azy intsony, ary tsy tafarina mitsy, vao maika ary mikoroso fahana.
Refa voazanaka isika dia izay zavatra ninohana sy notompoina dia tapitra naratsiana sy nopotehina. Ohatra ny nanaratsiana ny zanaharisme ary nampidirana ny christianisme, ny nanalana an'Andrianampoinimerina tao Ambohimanga ho eny Anatirova, ny nandefasana ho sesitany andRanavalona, nefa efa tsy nitondra intsony Izy; ary na maty tany algerie ary izy dia tsy voaverina antanindrazana. Ny sisa kely tavela tao Anativora nodorana t@ 1996, ary ny courrone very t@ heritaona. Ny fanafohanana hay ady malagasy nentimpaharazna rehetra(diamanga, sabaka, fitondrana lefona ....) ary ireo tsy voatanisako rehetra.
Ny tetika nataon'ny vazaha izany dia nozanahina isika, ary potehina, ary potehina hatr@ farany, mba tsy ho tafarina intsony. Ary ny fombafomba, ny riba, ny soatoavina, ny naha izy atsika mihitsy no tena anisan'ny nosombain'izy ireo, ka izay no nolovaitsika, ka tsy ometsiny lotra ny taranaka aty aoriana raha toa ka tsy mahalala ny tena maha izy azy intsony, ary misy ny minia tsy hitia ny maha izy azy intsony ary ao ihany koa ny manova ny maha izy azy mba hitovitovy amin'ny vazaha mpanjanaka.
5. Nehemiah ( 22/01/2013 05:47)

njaraiharana:

Ohatra ny nanaratsiana ny zanaharisme ary nampidirana ny christianisme

Inona no tena tianao ahatongavana ? Hiverina @ fanompoana an-dRakelimalaza sy ny Ranakandriana ? Tsy tafasaraka @ "zanaharisme" anie izay ! Hovokisana tangena indray ve izay rehetra heverina ho mpamosavy ? Vonona indray ve ny terak'Alakaosy mbola zazakely, atao @ varavaran'ny valan'omby dia avoaka teo ny omby ? Hiverina @ hoe "Ny tonon'andro tsy mahalehilahy" ?

Fa matimaty foana ve i Rasalama sy Rafaralahy Andriamazoto ary ny martiora malagasy maro hafa koa ? Tsy mandà aho fa ny fanjanahan-tany sy ny fanatolontoloana tsy voafetra no mahatonga ny soatoavina Malagasy ho simba @'izao fotoana izao. Fa tokony tsy adinontsika fa ny nahatonga ny gasy malaky handray ny finoana kristiana dia ilay izy mifanaraka tsara @ soatoavina malagasy nentin-drazana fa saingy mahafaka @ finoanoam-poana tahak'ireny efa nolazaiko tetsy ambony ! Fa ny mahatonga antsika hivarina an-kady anie dia ny fanariana an'Andriamanitra e ! Heverinareo fa hirongatra tahak'izao ve ny heloka bevava isan-karazany sy ny homosexualité ary ny IST (raha tsy hilaza afa-tsy izay) raha hajaintsika ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra ?

Mitovy @'izay ihany anie ny firenena mandroso : firenena izay mahafinaritra ny mivelona any sy mandry fahalemana dia lasa misy fanavakavahana isan-karazany sy heloka bevava tsy tambo isaina ary famonoana zaza an-kibon-dreny mirongatra. Noho ny fanariantsika ny finoana kristiana izay simenitry ny fiarahamonintsika no mahatonga an'izao fa tsy zavatra hafa akory.
6. njaraiharana ( 24/01/2013 15:50)
Mafinaritra ny resaka.
Tsy tanjoko velively; ary tsy izao intsony ny vanimpotoana hamerenana na hiainana @ zanaharisme.
Nipetraka mantsy le fanontanina tery aloa oe inona no nahasimba ny RIBA gasy, dia mialatsiny indrindra raha toa ka voalazako ho antony iray ny christianisme.
Tsy manaratsy ny christianisme velively aho, na koa hoe manahindrahindra ny zanaharisme.
Fa samy misy mahatsara ary samy misy maharatsy azy daholo ny finoana rehetra na christianisme na zanaharisme, na islamisme, na boudisme na indouism, na izay tsy voatanisa rehetra.
7. Nehemiah ( 25/01/2013 14:35)
Ay kosa ; fa raha mandala finoana iray ny olona, dia tsy maintsy heverina ho tsy misy ratsy mihitsy ny finoany.

Izaho izao @ maha-kristiana ahy dia heveriko fa tsy misy afa-tsy zavatra tsara ny fampianaran'ny Baiboly.
8. njaraiharana ( 27/01/2013 21:30)
Izay mitsy no tena tranganjavatra.
Ary tsy sahy nilaza izay aho, fa isaorako enao nilaza azy. Fa ny lafiny tsara ihany mitsy no voatanisa, fa ny lafiratsiny tsy voalaza mihitsy.
Nefa anie rehefa tena dinihina tsara ny finoana rehetra, dia iray ihany no tanjona itambarany e!
Dia ny oe mba hampilamina tsara ny fiainana, hfankatiavana, hifanampiana; manodididina an'ireo daholo.
9. Nehemiah ( 28/01/2013 13:17)
Ie, ary izay mihitsy no mampiavaka ny finoana kristiana !

Ny fivavahan'izao tontolo izao dia zavatra ataon'ny olombelona mba ankasitrahan'Andriamanitra, ny finoana kristiana dia i Andriamanitra nanao an'izay rehetra tokony atao mbo ho sitrany antsika. Ny mpitondra fivavahan'izao tontolo izao (Mahomet, Buddha, Confucius, etc) dia nampianatra fomba hanatsarana ny fiainana sy ny fiaraha-monina, i Jesoa avy any Nazareta dia nilaza ny tenany ho Andriamanitra ary nanaporofo izany t@ nitsanganany t@ maty, ka nanome fomba hahalasantsika ho zanak'Andriamanitra, ary miova ny fiainantsika, miova antsika rehefa mino Azy. Ary izay no antony nifidianako ny finoana kristiana ;).
10. njaraiharana ( 28/01/2013 17:15)
Oretsy a! lasa mivily lala mitsy anie izany resatsika izany e! lol
Resaka Riba malagasy dia toa lasa fivavahana no mibahana kokoa, mdr
Sa tsy maninona mikambana ato daholo ny theme.
11. Nehemiah ( 29/01/2013 05:12)
Raha ny fahalalako azy, tsy misy fitsipika mandrara ny resaka mivaona @'ity serasera ity ;). Sady tsy maintsy tahak'izay foana ny dinidinika ambany tafontrano ;).

Amiko aloha dia heveriko fa tsy HS mihitsy raha miresaka finoana kristiana kely antsika satria tsy tafasaraka ny fomba malagasy sy ny finoana kristiana, na inona na inona mety tenenin'ny vazaha mpandà an'Andriamanitra ^_^.
12. 201007jacky ( 31/03/2017 08:58)
Mankasitraka ary manamafy ny fisaorana antsika izay naneho sy nampiady hevitra tamin'ity serasera ity.

Raha akapoka iray ireo zava-boalazantsika ireo dia azo ambara fa:
- tsy azo lavina ny fahaverezan-kasin'ny riba malagasy na dia mbola misy ihany aza mbola toavina sy lalaina hatramin'izao, ny sasany efa saozanina na marefo;
- maro ireo antony nahatonga/mahatonga azy ho very, dia ny tsy fananana lovan-tsofina na ny tsy fitahirizana azy ireo, ny fidirean'ny riba vahiny izay nazanaka ao an-tsaintsika ka mahatonga ny antsika tsy ho lohalaharana, ny tsy fikolokoloana ny an'ny tena noho ny fitomaniana randrana tsy manendrika ary eo ihany koa ary manan-danja dia ny tsy fampitana ny riba malagasy amin'ny taranaka.
- azo ambara ihany koa araka ny hevitry ny sasany fa misy ireo riba, fomba izay efa lany andro, hany ka tsy mifanaraka intsony amin'ny toe-piainana ankehitriny.

KOA, anjarantsika no mifampizara ny kely haintsika, mandala sy mikolo izay tapa-porohana sisa tavela, manova endrika izay hita fa lany andro. Diniho tsara fa ny an'ny hafa tsy homeny antsika, isaika ihany no tokony handala sy hitia ny antsika, izay tsy midika velively hoe hanadino: ataovy tohatra fiakarana, ataovy fitaovana hanatsarana ny antsika e!
"ANDRIANO NY ANTSIKA,RAISO IZAY TSARA AVY ANY AN-KAFA NEFA NY AN'NY OLONA TSY HOMENY"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6684