Amin'ny 27 mai 2012 indray hono ny fara andro e! mpaminany etsy, mpaminany eroa

1. didi10 ( 25/05/2012 08:38)
Asa na iza amin'ireto milaza azy ho mpaminany samy irak'i Kristy nefa milaza daty samihafa ireto no tena avy amin'Andriamanitra.

Ity rangahy ity izao dia nanoratra boky fa amin'ny 27 mai 2012 (dans 2 jours) hono ny fara andro.

http://www.the-end.com/francais/2008LeT%C3%A9moignageFinalDeDieu/2008_Le_T%C3%A9moignage_Final_De_Dieu.pdf
novalian'i majesty ny 09/07/2012 06:54
2. Miharena ( 26/05/2012 06:56)
Raha novakiana ilay boky dia tsy mahita resaka hoe 27 mai 2012 izany ny farandro ao amin'io boky io aho.

Mba hazavao kely ny hevitrao Didi10.

Ary rahamamaky ny tena vontoatin'ny boky koa ianao dia anisan'ny mino izay voalaza ao ve raha toa ka esorina ilay resaka daty voambara ho farandro?
3. leva2 ( 26/05/2012 23:05)
Velona Jesosy!

Dia mahagaga ahy ihany raha ianao ry didi10 no hino itony resaka itony.
Ianao izay heveriko fa manan-karem-pahalalana ny tenin'Andriamanitra.
Angamba mety hoe mba tsetsatsetsa tsy aritra fotsny ihany ve?

Mahereza eee
4. didi10 ( 27/05/2012 14:14)

leva2:

Velona Jesosy!

Dia mahagaga ahy ihany raha ianao ry didi10 no hino itony resaka itony.
Ianao izay heveriko fa manan-karem-pahalalana ny tenin'Andriamanitra.
Angamba mety hoe mba tsetsatsetsa tsy aritra fotsny ihany ve?

Mahereza eee


Tsara ny Tompo

Mba manisy sira kely fotsiny aho namana fa nangatsiatsiaka ny forum tato ho ato.
Mahereza e!
Fantantsika tsara fa na i Jesosy aza tsy mahafantatra izany andro izany.

Tahian'ny Tompo
5. Miharena ( 27/05/2012 14:47)
Ny ahy indray tsy ilay hoe masaka ara-poto-kevitra na tsia fa ny resaka ataon'ilay olona ao anaty boky izay nilazany fa izy no iray amin'ireo vavolombelona voalaza ao anaty Baiboly hitondra ny teny fitoriana ny fahamarinana mandritra ilay 1260 andro farany alohan'ny fahatanterahan'ny fanjakan'Andriamanitra no mba tiana hodinidinihintsika eto. Ary izy aza dia sahy miteny mihitsy hoe hisy hamono izany ao Jerosalema ka hitsangana avy eo sady ho hita amin'y televiziona mihitsy izany faminaniana izany.

Araka ny faharenesako ny toriteny izay nataon'ny namana iray mpitarika ny Vitao ny Asan'ny Fahamarinana, dia hisy koa io resaka io.

Ka asa hoe avy amin'iza marina izany fifanojoan-dresaka izany izay teo amin'ny olona roa samy hafa toerana. Ny iray any Etazonia, ny iray aty Madagasikara.
6. majesty ( 09/07/2012 06:54)
Mpaminany = mandray hafatra avy @ Andriamanitra ary mampita izany ho an'ny vahoaka !
ny faminaniana ao @ soratra masina saika efa fantatra avokoa fa miandry ny fahantanterahana sisa koa tsy hitako izay mbola ilàna mpaminany amin'izao andron-tsika izao raha ny hevitro manokana, mba tsy hilazako hoe sandoka ireny na tsia!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1076