Famotsoran-keloka, famelan-keloka / Amnistie

1. maresaka.com ( 30/03/2012 01:22)

Resaka mameno ny haino aman-jery tato ho ato ny famotsoran-keloka/famelan-keloka na "amnistie". Hita tamin'izany ireo karazan'olona mpanameloka sy milaza fa ny toy izao sy toy izao dia tsy mendrika omena famotsoran-keloka. Etsy an-daniny koa dia misy ireo manambara fa tsy meloka ka tsy mitady izany famotsoran-keloka izany.

Ny marina anefa dia samy meloka teo anatrehan'Andriamanitra avokoa isika rehetra tsy an-kanavaka. Meloka daholo na ireo lazaina fa olo-kendry aza, na jiolahy, na mpamono olona na iza na iza. Noho izany dia mila famotsoran-keloka isika tsirairay avy, ary i Jesosy Kristy irery ihany no marina afaka manome izany famotsora-keloka izany. Izy no nanefa ny sazy sy nandoa ny onitra teo amin'ny hazo fijaliana ho an'ireo mino sy mandray Azy.

Efa nanapa-kevitra mikasika izany va ianao? Handray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ianao androany sa hiziriziry sy hijanona ho voaheloka mandrakizay?
novalian'i niryna ny 31/03/2012 22:04
2. Miharena ( 30/03/2012 04:51)
Raha tsy manaiky ny Christocratie ny rehetra tsy ho tody amin'ny fifamelan-keloka marina.

Fa eo ihany tokoa isika, ny Democratie ve idealy sa ahoana fa toa misy mifampitady foana rehefa io no ampiharina?

Fa raha milaza ho olon'ny finoana daholo ny rehetra, hay ve ny mampihatra ilay finoana eo amin'ilay democratie?
3. hery ( 30/03/2012 07:18)
Ny heloka natao dia matetika sady nataonao tamin'ny olona no nataonao tamin'Andriamanitra. Ny didy tokana mantsy dia ilay hoe "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao, ary ny didy faharoa izay mitovy amin'ilay voalohany dia hoe Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao". Ny tsy fitiavana ny namana (fahotana) izany dia sady mahameloka eo anatrehan'ny namana no mahameloka eo anatrehan'Andriamanitra.

Koa ny famotsoran-keloka dia tokony ho toa izany koa. Tsy ampy ny mibebaka sy mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra fotsiny satria hamela anao Andriamanitra, fa ilaina koa ny famitranana ilay fihavanana rava tamin'ilay olona nanaovanao heloka. Eo indrindra no ilàna ny resaka famontsoran-keloka avy amin'ny fiaraha-monina raha nisy ny heloka natao.
4. niryna ( 31/03/2012 22:04)

maresaka.com:


Resaka mameno ny haino aman-jery tato ho ato ny famotsoran-keloka/famelan-keloka na "amnistie". Hita tamin'izany ireo karazan'olona mpanameloka sy milaza fa ny toy izao sy toy izao dia tsy mendrika omena famotsoran-keloka. Etsy an-daniny koa dia misy ireo manambara fa tsy meloka ka tsy mitady izany famotsoran-keloka izany.

Ny marina anefa dia samy meloka teo anatrehan'Andriamanitra avokoa isika rehetra tsy an-kanavaka. Meloka daholo na ireo lazaina fa olo-kendry aza, na jiolahy, na mpamono olona na iza na iza. Noho izany dia mila famotsoran-keloka isika tsirairay avy, ary i Jesosy Kristy irery ihany no marina afaka manome izany famotsora-keloka izany. Izy no nanefa ny sazy sy nandoa ny onitra teo amin'ny hazo fijaliana ho an'ireo mino sy mandray Azy.

Efa nanapa-kevitra mikasika izany va ianao? Handray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ianao androany sa hiziriziry sy hijanona ho voaheloka mandrakizay?


ka samy milaza azy ho marina avokoa anie e.
Raha tena andeha amin'ny fahamarinana ny fanomezana an'io dia tsy misy mahazo famotsorankeloka na iray aza satria ny tsy mety amin'ny iray dia toa mety amin'iray.
Fa hoy ny Tompo raha miaiky ny fahotantsika dia marina Andriamanitra ary mamela ny helontsika Izy. ka moa ve tena hifamela heloka tokoa sa mody saritsariny fotsiny ihany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007