MIBEBAHA DAHOLO, MATAHORA AN ANDRIAMANITRA, TANTERAO NY SITRAPONY REHETRA

1. RBNIR ( 23/03/2012 11:14)
« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3)
« Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
novalian'i Miharena ny 26/03/2012 12:48
2. RBNIR ( 23/03/2012 11:34)
TENA TIAN-TSIKA ANDRIAMANITRA RY NAMANA ISANY.
SAINGY AZA METY HO FITAHINA ISIKA.
RAHA TSY MANAO NY SITRAPONY ISIKA TSY HO TAFIDITRA AO MIHITSY.

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Samia mahery, samia ho tahin'i Jesosy Tompo.
3. RBNIR ( 23/03/2012 11:41)
BETSAKA IREO ANTSO METY EFA HO ENONAO NA TAMIN NY TORITENY TANY AM-PIANGONANA IZANY NA TAMIN NY HIRA FIDERANA ISAN-KARAZANY ETY NA TAMIN NY INTERNET NA METY HO FITAOVANA HAFA KOA NENTIN ANDRIAMANITRA HAMPODIANA ANAO.
AZA MANGATAK ANDRO INTSONY RY NAMANA MALALA ISANY.
HOY NY TOMPONTSIKA : « Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. » (Ezekiela 18:21)
« Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony. » (Ezekiela 18:22)
« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

ANDAO HIVERINA AMIN ANDRIAMANITRA DAHOLO! AZA MANGATAKA ANDRO LAVA IZAO !MIANDRY AN-TSIKA IZY ! ANDEHA HANOME VONINAHITRA AZY ISIKA REHETRA KA HANEO FATAHORANA SY FANETRETENA EO ANATREHANY.

SAMIA HO TAHIN NY TOMPO RY NAMANA.

4. RBNIR ( 23/03/2012 11:43)
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x5776t_taona-maro-ny-menafify_music[/dailymotion]
5. didi10 ( 23/03/2012 13:34)
ALELOIA
DERAINA NY TOMPO

Misaotra Namana RBNIR fa ny fitoriana toy izao no tena andrasan'ny Tompo amintsika Kristianina.

Tahian'i Jesosy ianao sy ny ankohonanao.
6. Miharena ( 24/03/2012 04:55)

« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

Miteny ho azy ny Tenin'Andriamanitra Be famindram-po.

Dia mba zarao tsara izay asaNY hatramin'izao ankehitriny izao araka ny filazaNY hoe tsy hiverina Amiko ny teniko mandra-pahavita izay nanirahaKO azy.

Fa mba azonareo adika tsara ve ilay atao hoe mibebaka?
7. rebiryx ( 24/03/2012 05:41)
Salama Namana, "Ahoana moa Namana no hahafahako milaza fa tia an'Andriamanitra aho nefa ny nama miara-monina sy miray firenena amiko aza ampijaliako, ataoko tohatra fiakarana... ?" Ka hoy aho hoe aleo atao mivantana ny fampianarana dia ny hoe : " MANAJA NY NAMANA DAHOLO IANAREO ARY TANTERAHO NY SITRAPO IZAY METY HAHASOA AZY" Raha samy manatanteraka an'io isika Tia Tanindrazana rehetra dia ho tonga eo anivontsika ny Fanjakan'Andriamanitra.

Miharena:

« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

Miteny ho azy ny Tenin'Andriamanitra Be famindram-po.

Dia mba zarao tsara izay asaNY hatramin'izao ankehitriny izao araka ny filazaNY hoe tsy hiverina Amiko ny teniko mandra-pahavita izay nanirahaKO azy.

Fa mba azonareo adika tsara ve ilay atao hoe mibebaka?
8. niryna ( 24/03/2012 18:56)

MIBEBAKA: miaiky ny fahotana,mifona amin'Atra ka tsy anao an'iny intsony.
Tsy misy ny famonjena raha tsy misy ny fibebahana
Tsy misy ny famonjena raha tsy nisy ny ra nalatsaka dia i kristy izany izany nisolo ny fahotantsika ka mino izany ve isika? dia mila mibebaka ary (repent)
na koa hoe mihodina 360 degres :izany hoe miverindalana tanteraka mihitsy
Ny mibebaka koa anefa dia tsy vitan'ny mifona fotsiny ihany koa fa mila mamela ny heloky ny hafa koa isika satria na hibebaka in-jatom-polo eo aza isika kanefa ny fot mbola maloto tsy mety mamela ny heloky ny hafa dia tsy hamela ny heloko koa Atra
Hoy isika mantsy Azy MAMELA NY HELOKAY TAHAKA NY NAMALENAY IZAY MELOKA TAMINAY
9. kiriah ( 24/03/2012 20:14)
Miharena: tena miala tsiny miala fondro aminao aho fa mety hiteraka fahatezerana ho anao angamba ty resaka ho resahako ty saingy tsy maninona fa ho teneniko ihany na dia zany aza

" FA TY MIHARENA TY VE DIA TENA EFA NIDIRAN NY FAHAHY MAMITAKA SA AHOANA E ?????? "

Ny Tinao ho toriana eto ange zany raha azoko tsara dia izao : Tsy misy olona ho very mihitsy fa ho voavonjy daholo satria mpamindra fo Atra , noho izany ry vahoaka dia mahazo manao ny ataonareo ianareo fa tsy maninona , tsy hisy ho very , tsy mila fibebahana.....

Aza mitondra fampianaran-diso toy zany ndrao anadinan ' Andriamnitra anao zany ka tsy ho tantinao.

Ary moa tsy toy izany ihany ve no namitahan ny devoly an i EVA hoe : TSY HO FATY TSY AKORY IANAREO FA HITOVY AMINY.
10. didi10 ( 25/03/2012 12:41)

kiriah:

Efa lalan-kafa r'ise ny lalana nizoran'i Miharena a! mivavaha ho azy fa namana izy na dia manompo filazan-tsara hafa aza.

11. Miharena ( 25/03/2012 15:40)
Misaotra ny rehetra amin'ny fampahatsiahivana. Marina ary tena marina daholo ny famaritana momba ny fibebahana sy ny fifamelan-keloka.

Te-handray ilay fanamarihinareo milaza hoe manana filazan-tsara hafa aho ka lasa mitovy tokoa ami'n'ny asa nataon'ny menarana nampihinana voankazo voarara no fandraisanaoreo azy, ary tena misy sahy milaza aza hoe manaova izay tianareo hatao fa tsy ho very tsy akory ianareo izay teneniko. Tsy izay velively angamba no voalaza fa ny fandraisana ny Tenin'Andriamanitra maharitra sy tiana hamafisina toa an'i Ezekiela « Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

Ny fanatanterahana ny ASA izay mandeha hatramin'izao fotoana hitenenantsika izao no tiana zaraina. Izany hoe ny drafitra mandeha momba ny fanadiovana ny tsy fahatomombanan'ny olombelona hanariany ny efitra mampisaraka izay atsangany ao am-pony ka tsy ahafahan'i Kristy mitoetra sy mampahery azy ary mampionona azy ao amin'ny FiadanaNY. Fijoroana ilay atao hahatanteraka ny hoe:
Matio 5,14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

Fitoriana ny RAY izany no tena hiompanan'ny zavatra atolotra eto sy ny fanantenana maharitra mba ho voaray daholo ny rehetra. Tsy ny asan'ny olombelona ihany fa hatramin'ny asan'ny Anjely maro sy ny olomasina izay efa miara-miasa amin'i Jesoa.

Ka hoy aho hoe, aza dia malaky mitsara raha tsy mahita ny voan'ny hazo ianareo. Na hitsara aza moa ianareo dia fantaro fa mamela izany foana aho satria madio am-po aho mizara ary tsy mbola nahita ahy ianareo hiteny hoe manaova izay tianareo hatao fa voavonjy daholo (baiko fisalovanana tsy anjarako kosa angamba io fa fiheveranareo fotsiny ihany ka aoka re hofoanana satria tsy mitovy ny teny hoe ho voavonjy faholo isika rehetra sy ny teny hoe manaova an'izatsy fa ho voanvonjy daholo ihany. Ny voalohany manome fanantenana handrosoana hizara sy hitantana ho amin'ny fahatsarana, ny anankiray kosa miparitaka.

Ka sao dia lasa io fomba fitory miparitaka io no entintsilka handraisana ny namantsika avy ka izay no ataoko hoe mampibanjina ny olona hanatrika an'Andriamanitra no mety amin'izao fotoana izao fa tsy ny mitsaratsara foana ka manjary mampiseho fiatahana amin'ny lalana mahitsy sy ny fo madio.

Izay ilay izy Kiriah fa aza dia malaky mitsara ianao ka hanao hoe : " FA TY MIHARENA TY VE DIA TENA EFA NIDIRAN NY FAHAHY MAMITAKA SA AHOANA E ?????? "
Tsy izay velively satria ny mitondra hazavana tsy handairan'ny haizina na ny fitaka ary tsy hamitaka anareo mihitsy aho raha mbola manana fahatsoram-po mizara izay azoko.
12. LazaDaddy ( 26/03/2012 02:34)
Miharena,
Raha ny fampianaran'i Kristy dia betsaka ny ho very any amin'ny afobe.
Raha araka ny hevitrao kosa, misy olona ho very any amin'ny afobe ve? Eny sa tsia?
Misaotra.
13. cutie ( 26/03/2012 02:54)
slt niryna o
Efa ela be za tsy niditra tato :-)
niryna:

Miharena:

« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

Miteny ho azy ny Tenin'Andriamanitra Be famindram-po.

Dia mba zarao tsara izay asaNY hatramin'izao ankehitriny izao araka ny filazaNY hoe tsy hiverina Amiko ny teniko mandra-pahavita izay nanirahaKO azy.

Fa mba azonareo adika tsara ve ilay atao hoe mibebaka?
MIBEBAKA: miaiky ny fahotana,mifona amin'Atra ka tsy anao an'iny intsony.
Tsy misy ny famonjena raha tsy misy ny fibebahana
Tsy misy ny famonjena raha tsy nisy ny ra nalatsaka dia i kristy izany izany nisolo ny fahotantsika ka mino izany ve isika? dia mila mibebaka ary (repent)
na koa hoe mihodina 360 degres :izany hoe miverindalana tanteraka mihitsy
Ny mibebaka koa anefa dia tsy vitan'ny mifona fotsiny ihany koa fa mila mamela ny heloky ny hafa koa isika satria na hibebaka in-jatom-polo eo aza isika kanefa ny fot mbola maloto tsy mety mamela ny heloky ny hafa dia tsy hamela ny heloko koa Atra
Hoy isika mantsy Azy MAMELA NY HELOKAY TAHAKA NY NAMALENAY IZAY MELOKA TAMINAY
14. cutie ( 26/03/2012 02:56)
LazaDaddy:

Miharena,
Raha ny fampianaran'i Kristy dia betsaka ny ho very any amin'ny afobe.
Raha araka ny hevitrao kosa, misy olona ho very any amin'ny afobe ve? Eny sa tsia?
Misaotra.

Ny an'i LD de zavatra hafa foana mdr. Tsia ny valiny lol
15. RBNIR ( 26/03/2012 04:42)
Miharena:

Fa mba azonareo adika tsara ve ilay atao hoe mibebaka?

Faly miarahaba anao namana miharena,
Vitsy dia vitsy tokoa namana ny mahafantatra ny tena dikan'ny hoe MIBEBAKA,
Araho ilay fandaharana Vitao ny asan'ny fahamarinana ao amin'ny télé JERY isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6 ora (alatsinainy ka hatramin'ny Sabotsy).
Mahereza fa zava-miafina maro no ampianarina ao ary tokana ny tanjona dia ny hanan'ny tsirairay antoka fa ho azony ny FIAINANANA MANDRAK IZAY.

Samia ho tahin'ny Tompo namana.
16. Miharena ( 26/03/2012 05:33)
LazaDaddy:

Miharena,
Raha ny fampianaran'i Kristy dia betsaka ny ho very any amin'ny afobe.
Raha araka ny hevitrao kosa, misy olona ho very any amin'ny afobe ve? Eny sa tsia?
Misaotra

Tsia no valiny ny amin'ny ho very any amin'ny afobe.

Rehefa maheno io hafatra io ianao LD dia ahoana no fihevitrao ny tenanao? anisan'ilay hoe very sa anisan'ilay voavonjy?

Aleo aloha hazava tsara ny teny hoe ho maro no hibosesika hiditra ny fanjakan'ny lanitra fa vitsy ny ho tafiditra ao. tsy midika izany hoe ireo tsy tafiditra dia any amin'ny helo avokoa satria mazava ny teny hoe ; RAY o! mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony.

Inona no antony tsy hahatafidirany? tsy hita ilay lalana fafeno fahadisoam-piheverana. Ny an'ny sasany heveriny fa i Kristy nifantsika hotompoina dia hahavonjy azy, ny an'ny sasany rehefa manaraka ny didin'Andriamanitra dia heveriny fa mahavonjy azy. Ary ny tena marina aloha dia hoe vao teraka izy dia efa ampidirina ao anatiny ny hoe very ianao fa minoa an'i Kristy, fa tsy mizara an'i Krsity amim-pahatsorana mba hazava mandrakariva ny fitondrantenan'ny olona tsirairay avy dieny mbola zaza.

Misy vice de forme eo amin'ny fampianarana ara-panahy matoa tsy tafita.

17. LazaDaddy ( 26/03/2012 06:01)
LazaDaddy:

Miharena,
Raha ny fampianaran'i Kristy dia betsaka ny ho very any amin'ny afobe.
Raha araka ny hevitrao kosa, misy olona ho very any amin'ny afobe ve? Eny sa tsia?
Misaotra

Miharena:

Tsia no valiny ny amin'ny ho very any amin'ny afobe.

Misaotra anao fa fantatra mazava tsara izao fa manohitra ny Tenin'i Kristy ianao na dia "miseho" mitondra ny anaraNy aza.
18. Miharena ( 26/03/2012 12:48)
LazaDaddy:

Misaotra anao fa fantatra mazava tsara izao fa manohitra ny Tenin'i Kristy ianao na dia "miseho" mitondra ny anaraNy aza.

Tsia, tsy manohitra fa manaraka tsara izay lojikaNY nilaza taty aoriana fa ao anati'ny olombelona ihany ny devoly ary ny afobe dia tsy misy (tsy izaho no niteny izany an! vakio ny boky nolazaiko taminareo dia ho hitanareo ao ilay izy).

Aza manidy fo hoy aho fa mba misokafa ihany rehefa misy mampandre anareo ny asan'Andriamanitra. Ary aza malaky hitsara satria tsy izaho hoy aho anie no tsarainareo fa ireo teny naloaky ny Vavan'i Kristy e!
Manomboka eto dia tokony hahatsiaro tena tsara ianareo fa toa izaho no henjehinareo fa tsy mijery ny vontoatin'ny Loharano nanovozako akory ianareo, ary tsy izaho ihany no nahazo fa olona antapitrisany maro no efa manana fampianarana mazava momba ny lalam-pamonjena.

Izy ireo dia tsy tafalatsaka intsony ao anatin'ny adihevitra tsy hitovizana toy ny Kristianina ankehitriny izay milaza fa mahalala tsara ny Baiboly ary tsy mivoaka amin'ny Baiboly, nefa samy manana izay heveriny ho marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2625