Fananahana

1. Lemann ( 08/03/2012 11:50)
Fahotana ve nymanao masturbation?tsara ve sa ratsynymanao azy?misyfiatraika ve nyfanaovana masturbation matetika?
novalian'i didi10 ny 09/03/2012 06:31
2. RBNIR ( 09/03/2012 06:03)
Faly miarahaba namana,

Raha araka ity teny ity namana ……..
« ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Romana 1:27)

…..…dia fahotana ny manao zavatra mivoaka amin’ny efa nandaharan’Andriamanitra azy (lehilahy sy vehivavy) izay ihany no nandaharan’Andriamanitra azy.
Sady karazana «sodomita» sy fijangajangana ihany ange izany resahin’ny namana izany e! Nefa ny «sodomita» sy ny mpijangajanga tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra:
« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9)
« sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)

Filan’ny nofo no mahatonga ny olona anao toy izany namana, hoy ny tenin’Andriamanitra hoe:
« [Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; » (1 Petera 2:11).

Mibebaha namana raha toa ka nanao izany ianao a! Maneke fa diso teo anantrehan’Andriamanitra dia aza mamerina intsony.
Dia mba mianara ny sitrapon’Andriamanitra satria sao mety hosolafaka amin’ny zavatra hafa koa ianao ka sao sanatria izay no tsy handovana ilay Fiainana.

Samy ho tahin’ny Tompo indray namana
3. didi10 ( 09/03/2012 06:31)
Misaotra anao namana Lemann.

Raha ny expérience personnelle hitako dia manandevo(crée une dépendance) io resaka io, raha vao misy fotoana malalaka kely ka tsy misy mpahita dia efa eo, tahaka ny toaka sy sigara ihany io ry namana ka sarotra ny mijanona amin'io.
Sady mbola miteraka filana hafa ihany koa ny masturbation, tahaka ny tsy maintsy hikarohanao sary sy video porno matetika mba hotadidiana rehefa raikitra ny mast°, kanefa ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa tsy ny fanaovana firaisana amin'ny olona iray hafa tsy vadinao ihany no atao hoe mijangajanga fa raha mieritreritra miray amin'ny olona iray fotsiny aza ianao dia efa mijangajanga.

Mahereza namana, manapaha hevitra ary mivavaha mafy mba afaka amin'izany fanandevozana izany ianao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2215