Tojo RAVALOMANANA : « manahy aho fa tsy mbola izahay no farany … » (+vidéo) Nalaina tao amin'ny Gasy Tia Tanindrazana

1. rijadolly ( 10/02/2012 17:48)
10/02/2012 : Tojo RAVALOMANANA : « manahy aho fa tsy mbola izahay no farany … » (+vidéo)

Taorian’ny zava-nitranga tamin’ny fonenan’izy ireo tao Manjakatompo Andranomanelatra ny 06 febroary teo dia nanao fanambarana i Tojo RAVALOMANANA. Araka ny nambarany tao anatin’ny fanambarana nentiny dia mijoro amin’ny maha-Malagasy azy ny tenany ankehitriny ary maneho fa vizana tanteraka amin’ny krizy politika lavareny.Naseohony ny mpanao gazety sy ireo mpanatrika ny bala izay nitifirana ny alika niandry ny trano. Nambarany fa izay milaza fa mpitondra no tokony ho modely tsara ho an’ny vahoaka. Mampalahaelo anefa fa toa fampihorohoroana lalandava no iainan’ny Malagasy ary ireo manam-pahefana no tena manao izany.

« Tsy vao voalohany izao ary manahy aho fa tsy izahay no farany » hoy ihany ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA « noho izany dia manao antsoa avo amin’ny fianakviam-be iraisam-pirenena izahay amin’ny fampitsaharana ny krizy ». Notsoriny fa tratran’ny DST ny tanjony, ary nireharehany rahateo izany, satria nihorohoro izy ireo tamin’ny alin’ny 06 Febroary lasa teo ary mbola mandry tsy lavo loha. Tsy mitondra soa anefa izany fa vao maika mampiseho amin’izao tontolo izao ny tsy fisian’ny lalàna sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona.

JEREO ETO NY MISY VIDEO
novalian'i andrywui ny 18/02/2012 12:25
2. rijadolly ( 10/02/2012 19:29)
10/02/2012 : Fampihorohoroana : nandamoka ny tetiky ny DST (+vidéo)


« Tsy hiala eto Madagasikara izy mivady » hoy ny Me. Hanitra Razafimanantsoa raha niresaka momba an’i Tojo RAVALOMANANA mivady izy. Raha ny fahitany ny antsojay atao amin’ny Ankolafy sy ny fianakaviana RAVALOMANANA ankehitriny dia atosika handray fanapahan-kevitra tsy hitera-bokatsoa izy ireo mba hahafan’ny FATE higalabona irery eto amin’ny tany sy ny Firenena. Mieritreritra ny DST fa rehefa anaovana fampihorohoroana toy izao ny fianakaviana dia hivoaka ny Firenena indray i Tojo sy ny ankohonany nefa ny hampiditra ny mbola any ivelany aza no hatao. Miaraka amin’izany koa dia atao ny hevitra rehetra hialan’ny Ankolafy anatin’ny andrim-panjakana mba tsy hahatanteraka ny tondro zotra ka tsy hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA hoy ihany ny fanazavan’ny mpisolovava. Tsy hanao izany velivelya anefa ny Ankolafy satria ny tanjona fototra dia ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA sy ny fiverenan’ny ara-dalàna.

Fisavana Manjakatompo


« Mifono hevi-dratsy ny fisavana natao tao anaty haizina » hoy Me. Hanitra. Fantatra manko fa rehefa tsy navelan’ny mpiambina ny tanàna niditra ny DST tamin’ny voalohany dia nandeha nitady « groupe électrogène » sy fitaovana fanapahana vy. Rehefa niverina izy ireo dia novonoiny tany amin’ny fotony ny jiro rehetra tao anaty tanàna. Taorian’izay dia notsofaina avy hatrany ny varavaran’ny trano ka rehefa tapaka dia notifirina ny alika niandry tao anaty trano. Mbola any amin’ny ora nanaovana ny fisavana dia efa tsy manaja ny lalàna velona araka ny fanazavan’ny mpisolovava. Manginy fotsiny ny rodorodo nataon’ny DST izay tena mifanipaka amin’ny fomba fanatanterahana fisavana tranon’olona mihitsy. « Ahiana tena nisy hevi-dratsy tao ambadiky ny fanafihana » raha ny filazan’ny Me. Hanitra « ary porofon’izany ny nahasahian’izy ireo nitifitra ny alika tao an-trano ».

JEREO ETO, SADY MISY VIDEO
3. rijadolly ( 11/02/2012 02:30)

Izy no Donné, tovolahy iray manampy ny fianakaviana Tojo RAVALOMANANA ao Manjakatompo Andranomanelatra. Ny alin’ny 06 febroary, rehefa nandà tsy hamoha ny trano ny tenany, dia nodarohan’ny DST roalahy ka nitsirara tamin’ny tany vokatr’izany vono izany. Tsy mba niantra azy anefa ireto polisin’ny FATE ireto fa dia notaritarihina tamin’ny tany ny tovolahy ary tsy navela nanampy fitafiana na dia efa nahare hatsiaka aza. Raha nilaza i Charly Nankany fa tsy nisy daroka izany tao nandritra ny fisavana tsy ara-dalàna nataony dia indro ny lehilahy mijoro vavolombelona sy mitantara ny herisetra niaretany tamin’io Alatsinainy 06 Febroary 2012 io :

JEREO AMIN'ITY ROHY ITY MISY VIDEO
http://collectif-gtt.org/content/10022012-manjakatompo-06-febroary-tratra-ny-laingani-nankany-vid-o
NA JEREO ETO
4. rijadolly ( 11/02/2012 02:33)

Araka ny fahitana ny fahasimbana tao amin’ny tranon’i Tojo RAVALOMANANA dia tena saika ratsy ny fikasan’ireto polisy politika tarihin’ny Kaomisera Charly Nakany ireto. Notsofaina tamin’ny fitaovana hari-fomba ny varavaran’ny trano ary rehafa vita izany dia notifirin’ity kaomisera malaza ity ilay alika tao an-dakozia izay tena lafo vidy tokoa saingy tsy manaikitra fa manaitra ny tompony fotsiny raha misy tranga hafahafa. Araka ny tsilian-tsofina avy amin’ireo nanatrika ny zava-niseho anefa dia niova poleta in-telo i Nakany vao nipoaka ny basy ka lavo ny alikan’ny fianakaviana. Natahotra mafy mantsy ilay kaomisera mitam-basy rehefa nahita an’ity « labrador » nitandroka azy. Tsy nety nipoaka anefa izato basy raha tsy efa tany amin’ny fahatelo saingy tsy nanaiky i Nakany ka ilay alika no nampiharany izay kely mba hainy.Araka ny nampitain'ny fianakaviana dia mbola mitolona amin'ny fahafatesana ilay alika hatramin'izao ora anoratana izao.

JEREO AMIN'ITY ROHY ITY MISY VIDEO
http://collectif-gtt.org/content/10022012-dst-ny-alika-avy-no-anamparana-ny-aina-vid-o-d-gats
NA JEREO ETO
5. rebiryx ( 11/02/2012 05:52)
Misaotra namana (rijadolly) an, zany ka tena vaovao ! Aty amin'ny faritany anie dia ireny TVM sy RNM MPANDAINGA ireny ihany no terena tsy maintsy jerena sy henoin'ny vahoaka aty. Io zava-nanjo an'i Tojo io zao dia tena tsy arakanay mihitsy raha tsy vao izao fitantaranao azy izao. Mahonena tokoa namana ny nanjo an'i Tojo nefa atao ahoana moa fa ny mpanenjika tsy maintsy afara foana e.
Izao tokoa angamba namana ilay atao hoe mandrovi-tsy, na miady aina ny FATE. Mankahery ny ankolafy Ravalomanana, ny Tia Tanindrazana rehetra, indrindra fa i Tojo mivady mba tsy handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny tanjona tian'ireo FATE atao. Mijanona mandrakariva ao anatin'ny Gouvernemanta, aza mamaly ratsy ny ratsy fa aoka kosa ho mailo lalandava eo amin'ny fiambenana ny tanàna sy ny ankohonanao. Mahereza !
6. mirananirina ( 12/02/2012 15:31)
Amiko aloha tokony tsy atao mahagaga ity fisafana sy famonoana olona ataon'ny gasy ity fa na iza na iza nahazo fahefana dia manao io daholo!Ohatra fotsiny t@ andro ny Ratsiraka/ravalomanana,nosamborina ihany koa ny praiministra(Tantely)ary norongosina sy nogadraina mht!tafika Ravalomanana no nanao an'io!!naheno aho taty t@ izay hoe ho aty ny famille io satria norobaina sns...zvt tsy nety nataondravalo io?????Tokony tsy haverin'i Rajoelina intsony koa fa tena Ratsy!!ary tena PIRE mht ny an i Andry izao
7. andrywui ( 13/02/2012 00:22)
Merci mirana kely a misy Tiko be le kozinao sasany ee ....
8. bodel ( 13/02/2012 22:02)
Ampanajana no hamaliako anao:Tsy misy akory ny Fampihorohorona hataon'ny DST fa io lay tonga @fitenenana hoe MISY FARANY NY ZAVADREHETRA,ny zavatra rehetra dia tsy mitranga raha tsy misy ny antony,voaporofo zao fa mpifoka rongony ianao,raha ny bala nolazainao fa nitifirana alika dia mety izao no antony:mety namporisihinao ny alika hanaikitra ny dst dia niaro tena izy ireo ka mety notifiriny marina!na noho ny INTERVANTION nataonao na t@namanao,na ny olona marobe nantsoinao hiaro anao tao dia mety nanapoaka basy izy ireo ho fanairana sy ho fiarovantenany mba tsy hampirohitra ny olona hanao herisetra @zay mety ho fampirisihina nataonao @reo nantsoinao ireo,Rariny raha nisy vodinabala tavela tao ,ary dia nitarinao @hevitra ratsy izany,dia avy eo nantsoinao ilay avocat nareo mba hanitatra azy sy nitady hevitra ratsy mba hoe hiampangana ny DST!tsarovy ry zandry fa TSY VAHINY @ASAN'NY AVOCAT NY ATY fa aza dia mitopy teny fatratra ,fa ny azy anie io ny asany sy hitadiavany vola ka ny mainty azony ovana fotsy ary ny fotsy ovany mainty e!Hafatra mba homeko anao dia hoe:EFA IO NY HADALANA VITANDRAINAO KA MAHATONGA ANAREO TOY IZAO!Hataovy hanatra ho anareo izao,ary aleo manova toetra toy izay hanankarena nefa mijaly ka mety hatramin'ny taranaka faramandimbinao ve dia ho avelanao ho tsy ho vanona toy izao koa!INONA ARY NO TIANAO :HITONDRA NY ANARAMPIANAKAVIANAO HOE RAVALOMANANA TSY VANONA SA MBA HISY HITSETRA IHANY HOE /NY HELOKY NY RAINY TSY HELOKY NY ZANANY.Ka hoy aho hoe inona ary no holazainao @io rongony io e?Hamidy toa kely loatra,sa santionambarotra hampijerena ny client;sa hanampoizinana ny namana zay mba tonga dia asaina mba mandray kely;sa ho fohanao hitadiavana sentiment mba hanamaivamaivana ny probleme misy?Tsarovy RATOJO fa zavamahadomelina io ka ho vao maika IANAO HO DOMELINA EO A!Tsy ahita vahaolana sady lasa fahavalon'ny fiarahamonina no melohin'ny lalàna,ary tsarovy fa misy fetrany ihany koa anie ny fiarovan'ny maitre hianitra anareo e !TSY MISY ZANY MPANAO RATSY MIADANA IZANY!ARY IO DIA SAMY MIJINJA NY NAFAFINY DAHOLO E!NY FIAROVANTENA BE FAHATANY,NY FIALANTSINY,NY FAMALIANA FATY,ARY NY FITADIAVANA OLONA HIARO SY HAMPANDAINGANA...SNS dia porofo FA ANAO TANTERAKA NY FAHADISOANA RATOJO A!Fampieritreretana ny ahy io,raha mbola tsy domelina tsara ianao ,enga anie mba voasokajy ao anatin'ny olona mbola tsy domelina ianao ,toy izay ho ao anatin'ny olona efa potiky ny zavamahadomelina.
rijadolly:

10/02/2012 : Tojo RAVALOMANANA : « manahy aho fa tsy mbola izahay no farany … » (+vidéo)

Taorian’ny zava-nitranga tamin’ny fonenan’izy ireo tao Manjakatompo Andranomanelatra ny 06 febroary teo dia nanao fanambarana i Tojo RAVALOMANANA. Araka ny nambarany tao anatin’ny fanambarana nentiny dia mijoro amin’ny maha-Malagasy azy ny tenany ankehitriny ary maneho fa vizana tanteraka amin’ny krizy politika lavareny.Naseohony ny mpanao gazety sy ireo mpanatrika ny bala izay nitifirana ny alika niandry ny trano. Nambarany fa izay milaza fa mpitondra no tokony ho modely tsara ho an’ny vahoaka. Mampalahaelo anefa fa toa fampihorohoroana lalandava no iainan’ny Malagasy ary ireo manam-pahefana no tena manao izany.

« Tsy vao voalohany izao ary manahy aho fa tsy izahay no farany » hoy ihany ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA « noho izany dia manao antsoa avo amin’ny fianakviam-be iraisam-pirenena izahay amin’ny fampitsaharana ny krizy ». Notsoriny fa tratran’ny DST ny tanjony, ary nireharehany rahateo izany, satria nihorohoro izy ireo tamin’ny alin’ny 06 Febroary lasa teo ary mbola mandry tsy lavo loha. Tsy mitondra soa anefa izany fa vao maika mampiseho amin’izao tontolo izao ny tsy fisian’ny lalàna sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona.

JEREO ETO NY MISY VIDEO
9. andrywui ( 14/02/2012 09:55)
Efa asa fanaon'ny mpitandro filaminana hatramzay ny perkizaka ka tsy aiko mitsy oe maninnn refa ny fitondrana zao no manao toa kary ,,
10. rijadolly ( 14/02/2012 11:36)
Aiza koa misy olona tratra manao trafique rongony no avela miliba sy tsy samborina eo no eo?

Za tsy miteny hoe tsy nanao izany i Tojo na hoe nanao an!
Inona fotsiny izany no antony iny fisavana tampoka iny? Aleo manadiady ry namana isany fa aza manenjika olona, Tsy ny olona tsy tiana akory no vahaolana amin'ny Krizy fa ny toetsaina ananantsika izay manamaritena, eny manambony tena aza, izay tsy amin'ny analyse, ka manjary miseho be ilay fankahalana amina fahalalana ambony sy manampahaizana loatra.

Diovy ny fo entina hanatrika sy hanafaka ny antony mahatonga ny Krizy.
Mahereza!
11. rijadolly ( 14/02/2012 12:59)
Affaire Tojo Ravalomanana: La DST ne lâche pas prise


La Direction de la Sécurité du Territoire n’a pas tardé à riposter à la déclaration, de la semaine dernière, de Me Hanitra Rakotomavo, avocate de Tojo Ravalomanana. Le commissaire Charly Nakany, a réagi avec véhémence hier, aux affirmations de Me Hanitra Rakotomavo, allant méme jusqu’à la traiter de « fieffé menteur ».

Nouveau rebondissement dans le dossier de perquisition de la demeure de Tojo Ravalomanana. Le chef de la DST, le commissaire Charly Nakany, entend ne pas lâcher l’affaire et accuse Me Hanitra Rakotomavo de déclarations mensongères. Il maintient également la thèse de consommation de cannabis, étayée, d’après lui, par la découverte d’un important lot de cette drogue dans la demeure de Tojo Ravalomanana, à Manjakatompo. Il a ajouté qu’il envisage de convoquer le gardien des lieux, auprès de qui il a réussi à soutirer des informations selon lesquelles Tojo Ravalomanana ainsi que le frère d’un célèbre artiste auraient pour habitude de fumer du cannabis, dans une cabane érigée dans la cour de la villa.
Le commissaire Nakany Charly, de la DST, a réitéré avoir suivi la procédure légale dans cette perquisition, celle-ci s’était déroulée avec l’approbation des propriétaires des lieux. Il a d’ailleurs exhibé le mandat de perquisition établi en bonne et due forme, et comportant méme la signature de Claudia Ravalomanana, épouse de Tojo.
Interrogé au sujet des motifs de cette perquisition, le commissaire Charly Nakany de répliquer en ces termes : «d’après les renseignements qui nous sont parvenus, Tojo Ravalomanana et Guy Rivo Randrianarisoa auraient une part de responsabilité dans la recrudescence de l’insécurité qui prévaut dans la ville d’eaux».
Par ailleurs, en réaction aux propos de Me Hanitra Rakotomavo au sujet de la réquisition des véhicules des membres du CT du Vakinankaratra, le commissaire Charly Nakany d’expliquer qu’il s’agissait de se soumettre à un ordre de mission délivré par la Présidence. Par la méme occasion, il a fait savoir qu’un parlementaire d’Antsirabe sera convoqué incessamment pour avoir troqué son véhicule de service contre un fourgon de marque Iveco. Enfin, et non des moindres, Charly Nakany de noter, à propos du statut régissant son département, que la DST succède à la DGIDE, et qu’elle ne se soumet qu’aux directives du Secrétariat Général de la Présidence.

L.R
...........................................................................................................

Me Hanitra Rakotomavo: «Il est possible d’improviser des témoins»

« Il est très facile de trouver un témoin, surtout lorsque l’on connait les véritables motivations de nos accusateurs. Il y a encore quelques jours, Tojo Ravalomanana a été qualifié de trafiquant de drogue, maintenant c’est un consommateur… », a réagi Me Hanitra Rakotomavo, avocate de la famille Ravalomanana et non moins vice-présidente du Conseil Supérieur de la Transition sous les couleurs de la mouvance Ravalomanana.
La rédaction a pu la joindre au téléphone hier dans la soirée, pour lui demander son avis au sujet des affirmations du commissaire Charly Nakany.
Le chef de la DST a effectivement laissé entendre hier, à l’occasion d’une conférence de presse qu’il a donnée à son bureau d’Ambohitsorohitra, que Tojo Ravalomanana consommerait de la drogue. Le boss de la DST a méme évoqué l’existence d’un témoin, qui n’est autre qu’un employé de Tojo Ravalomanana à qui il aurait réussi à soutirer des aveux. « La DST envisage de convoquer ce témoin », a fait savoir le commissaire Charly Nakany.
Me Hanitra Rakotomavo s’est toutefois abstenue d’en dire davantage, évitant selon ses propos, de polémiquer sur le sujet. « Nous avons déjà fait part de notre position, la fin de la semaine dernière. Laissons à la DST le soin d’entamer sa propre démarche, et nous verrons la suite », a-t-elle conclu.

L.R
12. rijadolly ( 14/02/2012 13:31)
Tsy hijanona hatreo ny raharaha Ravalomanana Tojo, hoy ny kaomisera Nakany Charly, lehiben'ny DST. Nilaza ity kaomisera ity fa mandainga Me Razafimanantsoa Hanitra.

.................................................................................................................

13. andrywui ( 15/02/2012 00:23)
Nisy maina bobaka nge ono kobo tao amlery tao e ,,,
14. mirananirina ( 15/02/2012 10:38)
Inona koa ny maina bobaka be tao????Hita hoe lainga noforonina satria mbola ValiFAT ihany izao antaonareo izao
15. andrywui ( 18/02/2012 12:25)
ataoko aona mirana fa ry zareo no naita anzany a !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0998