Vola madinika sy Vola vaventy
1. niryna
(
07/02/2012 17:41)
Sendra nifankahita hono ireto vola madinika sy ny vola vaventy ka dia manga ery ny resaka
Falifaly ery anie hianao izany hoy ity vola vaventy tamin'ilay vola madinika.
Ary avy taiza ary hianao izany hoy ilay vola madinika no tsy hita intsony tato ato?
Namaly ny iray: izaho dia mivezivezy teny rehetra teny
-Taiza avy ary ny dianao sy ny nisy anao?
- Teny an-tsena aho,teny amin'ny mpivarotra sakafo masaka,teny ambonin'ny fiara,ary teny amoron-dranomasina.Teny amin'ny toerana fandihizana aho,teny amin'ireny toerana mihaja malaza ambony ireny aho ,maro e. Ary hianao kosa mba taiza hoy izy mantsy ilay vola madinika
-Izaho indray ve? Tsy misy izay toerana ka tsy ahitanao ahy ,maro tokoa ny toerana izay itako
- Taiza avy izany?
-Tena lasa lavitra tokoa aho ka : na teny amin'ny arabe io ,na teny amin'ny tany io , na am-pelantanan'ireny mpangataka amoron-dalana , tsy misy izay tsy tongako raha mbola toerana
Fa ny tena ahitanao ahy betsaka indrindra dia any am-piangonana.
-An! Ngaha! hendratra be ity vola vaventy ary toa tsy mahalala izany fiangonana izany akory izy.
Inona izany fiangonana?
Toerana izay misy ireo mpiara-mivavaka,manara-dia an'i Kristy,mizara ny fiainany amin'ny hafa ary dia faly avokoa ireo mifanohana,mifanampy ary mizara ny olana izay samy mianjady azy.
Toy ny hopitaly ilay izy e toerana feno marary mitady fanafody ary na izany aza dia tonga midera sy mankalaza an'Atra avokoa izy ireo.
- Hay ve hoy ilay vola vaventsy.Angamba izy tsy mbola niditra tany mihitsy na nisy ihany fa fotoana fohy ka tsy tadidiny. hi,hi
Mafy ny fiainana ankehitriny ary mila ho very fanantenana ny olona
Maro ihany koa no tsy te andeha hidera sy ankalaza an'Atra intsony satria na dia ny rakitra hoentina aza dia tsy misy. Tsy izay anefa no tadiavin'Atra antsika fa ny fo izay mitady AZY.
Koa manainga antsika rehetra aho raha sendra misy fianakaviana na olona mizara izany aminareo mba hamporisika azy ireo fa ny fo izay mitady an'Atra no jerentsika fa tsy ny vola na hoe tsy misy atolotra.Ahoana hoy ny Tompo tamin'ilay vehivavy mahantra iray nandrotsaka rakitra? Izay kely nanany no natolony ho fanatitra ary lehibe tokoa izany teo anatrehan'Atra
Ho azy irery hatrany anie ny voninahitra. Amena!
Niryna

novalian'i niryna ny 11/02/2012 21:11
2. didi10
(
08/02/2012 10:00)
Tsara ny Tompo
Mampatsiahy ahy blagy kely tsy dia mahasosotra izay ity lohahevitr'i Niryna ity:
Rehefa tonga hono ny fitsarana ny vola rehetra tany an-danitra dia niroso aloha ny ny Ar 100, tehaka nirefodrefotra izay tsy izy no re nanakoako eraky ny lanitra ary tena nihorakoraka mafy ireo anjely satria faly, avy eo niroso ny Ar 200 dia toy izay ihany no nitranga, rehefa niroso hono ny Ar 1000 dia efa nihena atsasany ny mpitehaka. Rehefa ny Ar 10 000 hono no niroso dia sady tsy nisy nitehaka no vao mainka nakorain'ny anjely. Dia nanontany hono ny Ar 10 000 hoe fa ahoana kosa? dia namaly hono ny anjely hoe: Ianao tsy mba mpiditra am-piangonana.
Mampalahelo tokoa ry namana fa indraindray dia zary fahazarana ny manao rakitra vola majinika, misy lehilahy izay mpiasa ambony amin'ny banky; rehefa andavanandro izy dia manangona vola majinika Ar 200 ilay vaovao be sy mitsotra be iny fa atao rakitra hono, feno fihatsaram-belatsihy izany toetra izany satria fantany tsara fa tsy ny hadion'ny vola na ny fitsorany no ilaina va ny sandany.
Tsy mahafoy isika ry namana rehefa ho an'Andriamanitra amin'ny rakitra, io anie ry namana no entinao misaotra an'Andriamanitra tamin'ny soa nomeny anao tao anatin'ny herinandro e! de Ar 200 ve? nefa vao mirava eo ny fiangonana dia noana dia avy hatrany dia mividy goûter Ar 5000 na Ar 2 000, aiza ny fahatokisantsika an'Andriamanitra?
Tadidio fa:
7 Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
Dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy
Izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha;
Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
Sady ho maitso ny raviny,
Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
Fa tsy hitsahatra ny famoany.
(Jer 17 7-8)

3. bor2lais
(
09/02/2012 09:57)
Ka inona no lesona azo tsoahina amin'ilay tantara ry Niryna ?
- Tsy ny "quantité" no zava-dehibe fa ny "qualité".
- Misy anefa ny manararaotra be loatra io teny io, araka ny voalazan-dRadidi !
- Ilaina anefa ny vola (ho fampandehanan-draharaha) ao am-piangonana !
Inona ary no atao ? ;-)
Amiko dia ny fitaizana no mety alaolana fototra angamba ! :-)

4. niryna
(
11/02/2012 21:04)
didi10:hi,hi tsy ratsy kosa iny
Tsara ny Tompo
Mampatsiahy ahy blagy kely tsy dia mahasosotra izay ity lohahevitr'i Niryna ity:
Rehefa tonga hono ny fitsarana ny vola rehetra tany an-danitra dia niroso aloha ny ny Ar 100, tehaka nirefodrefotra izay tsy izy no re nanakoako eraky ny lanitra ary tena nihorakoraka mafy ireo anjely satria faly, avy eo niroso ny Ar 200 dia toy izay ihany no nitranga, rehefa niroso hono ny Ar 1000 dia efa nihena atsasany ny mpitehaka. Rehefa ny Ar 10 000 hono no niroso dia sady tsy nisy nitehaka no vao mainka nakorain'ny anjely. Dia nanontany hono ny Ar 10 000 hoe fa ahoana kosa? dia namaly hono ny anjely hoe: Ianao tsy mba mpiditra am-piangonana.
ka izany anie no hanomezana hery ny rehetra hidera Azy mandrakariva e,tsy ny vola no tadiaviny amintsika satria Azy avokoa ireny fa ny fo manolotra,izay kely nomena anao,tsy ny fiangonana ihany fa maro ireo fianakaviana sahirana mila vonjy.Mety mba manana hambiny kely hianao dia mizara izay kely ,mety tsy ho tototra ny lavaka fa rehefa manana fo mizara ireny madinika ireny fotsiny dia efa tena zava-dehibe izay.
Mampalahelo tokoa ry namana fa indraindray dia zary fahazarana ny manao rakitra vola majinika, misy lehilahy izay mpiasa ambony amin'ny banky; rehefa andavanandro izy dia manangona vola majinika Ar 200 ilay vaovao be sy mitsotra be iny fa atao rakitra hono, feno fihatsaram-belatsihy izany toetra izany satria fantany tsara fa tsy ny hadion'ny vola na ny fitsorany no ilaina na ny sandany.
ka samy mbola mianatra avokoa anie e,mianatra ny manokatra ny fo mba ho fo madio,tsy misy fihatsarambelatsihy no anomezana ny fiangonana,mba tsy hijery hoe ataony inona ary iny vola nomeny iny.Nomena aloha ilay izy mba anaovana asa ao amin'ny fiangonana dia anjaran'ireo izay mitantana izany no tena mampiasa azy amin'ny zavatra ilaina azy,mivavaka ho azy ireny koa isika mba tsy ho tratry ny fakam-panahy izy ireny ka angala-bola ao amin'ny fiangonana satria tena nisy izany ary saika novonoiny mihitsy ilay mpiara-mitantam-bola nahita azy nangalatra vola tao am-piangonana
Tsy mahafoy isika ry namana rehefa ho an'Andriamanitra amin'ny rakitra, io anie ry namana no entinao misaotra an'Andriamanitra tamin'ny soa nomeny anao tao anatin'ny herinandro e! de Ar 200 ve? nefa vao mirava eo ny fiangonana dia noana dia avy hatrany dia mividy goûter Ar 5000 na Ar 2 000, aiza ny fahatokisantsika an'Andriamanitra?
5. niryna
(
11/02/2012 21:11)
Ity indray dia tantara tena nisy:
Indray mandeha izay ,tao am-piangonana no niseho ny tantara.Rehefa tonga ny fotoana fitatazana rakitra dia tezitra be ity rangahy ity ka sady nangarona ny paosiny izy no namoriporitra ilay vola madinika tao anaty fitatazana rakitra.Niaraka ny fanomezany ny vola ny vavany ary niteny izy hoe :io indray fa hitaty rakitra ireto,iny! Niteny irery izy a.(Izany hoe nanome rakitra izy fa tsy vokatry ny fony.)
Rehefa nivoaka ny fiangonana izy dia sendra nisy tadio-drivotra teo amin'ny toerana nandehanany ary naheno feo izy hoe : Iny ny volanao! Kenda tsy nahateny izy fa teo imasony ilay vola nomeny ary dia tsy menatra tokoa izy nijoro vavolombelona ilay feo henony sy ilay latsa nataony tamin'ny fotoana nanomezany ilay vola