ANATRA HO AN-TSIKA REHETRA

1. RBNIR ( 07/02/2012 07:54)
Faly miarahaba ry namana isany,

Ny tenako no asiako ho mangana voalohany saingy tsy adinoko koa ianao namana,

«Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, » (2 Timoty 2:14)
14 Rappelle ces choses, en conjurant devant Dieu qu'on évite les disputes de mots, qui ne servent qu'à la ruine de ceux qui écoutent. IITim2:4

Samy ho tahin'ny Tompo ry namana isany

novalian'i niryna ny 11/02/2012 21:18
2. didi10 ( 07/02/2012 09:53)
Efez 4 20-32

Fa hianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izao ao amin'i Jesosy, 22 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; 23 fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, 24 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika. 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly. 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana. 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
31 Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; 32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

3. Miharena ( 08/02/2012 12:36)
22 mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; 23 fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, 24 ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.

Misaotra an'i RBNIR sy Didi10 nampahatsiahy ary ataoko sora-mtavy koa ity fehezanteny FOTOTRA ity mba ahalanan'y olona fa iray ihany izy rehetra ka tsy tokony hifanipaka toy ny valala an-karona.

4. niryna ( 11/02/2012 21:18)

Miharena:

HI,HI!
Dia hoy koa ny Tompo hoe Izaho ao aminy ary izy ho ao amiKo .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3756