VAVAO MA-TV 06 JANOARY 2011 FA NY EO AMBANY 05/01/12

1. rijadolly ( 07/01/2012 06:09)
Manoloana ny raharaha baomba izay nitranga tetsy Antsakaviro omaly, dia nitondra ny fijeriny amin'ny maha tompon'andraikitry ny filaminana eto Analamanga azy ny jeneraly Ravalomanana Richard.
novalian'i rijadolly ny 07/01/2012 06:17
2. rijadolly ( 07/01/2012 06:10)
Ho tohin'ny fanambarana nataon'ny Praiministra lehiben'ny governemanta ny 21 desambra lasa teo, dia notanterahana androany maraina teny Mahazoarivo ny fivoriana fanomanana ny fanatsarana ny asam-panjakana.
3. rijadolly ( 07/01/2012 06:11)
Tsy nisy ny fihaonana teo amin'ny sendikan'ny mpiasam-panjakana ambony sy ny Praiministra androany maraina. Mitondra fanazavana ny filohan'izany sendika izany.
4. rijadolly ( 07/01/2012 06:12)
Hanomboka ny alatsinainy 09 janoary ho avy izao ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoanan'ireo parlemanta roa araka ny voafaritry ny didim-panjakana laharana 2012-010.


5. rijadolly ( 07/01/2012 06:12)
Niantso amin'ny fahendrena sy ny fitoniana ny jeneraly Ramakavelo, taorian'ireo disadisa nisy tao anivon'ny foloalindahy. Nanome ny heviny ihany koa ity mpikambana ao amin'ny filankevitra ambonin'ny tetezamita ity mikasika ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny parlemanta.
6. rijadolly ( 07/01/2012 06:13)
Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ny Dr Vonjisoa Rafaralahimalala, ben'ny tananan'ny kaominina Ibity teo aloha ary filohan'ny antoko ZIVA.
7. rijadolly ( 07/01/2012 06:15)
Tofokin'ny olana ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Tsikaritra hoy izy ireo fa maro loatra ny lesoka, ny tandrevaka ary ny tsy fijerena ny mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony.


Nanome fe-potoana 10 ora ny fikambanana Jeunes Etudiants Regroupés de Madagascar (JERM), izay tarihan'ny CT Mamy Jo, hitadiavan'ny fitondram-panjakana vahaolana amin'ny fitohanan'ny fampianarana eny amin'ny oniversite.
8. rijadolly ( 07/01/2012 06:16)
Entina hanalefahana ny fahatapatapahan-jiro dia nisy fitaovana famatsiana herinaratra vaovao tonga teny amin'ny serantsambon'i Toamasina, omaly alakamisy.


9. rijadolly ( 07/01/2012 06:17)
Nampiseho ny fahavononany hanatanteraka ireo fanamby maro miandry amin'ity taona vaovao ity ny minisitry ny Fambolena, Rolland Ravatomanga.
10. rijadolly ( 07/01/2012 06:17)
Maro amin'ireo sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana no efa niditra amin'ny telovolana faharoa, tamin'ity herinandro ity. Ho azy ireo dia nifarana ny fialan-tsasatry ny Noely.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6286