Trésor de mer

1. nilex ( 14/10/2011 08:59)
Miarahaba daholo.Mety misy olona afaka milazalaza momba ilay atao hoe trésor de mer ve ianareo.Biby ve izy io sa algue fa tena maro ny olona miompy azy ary misotro ny ranony.Tena mahasalama aloha ilay izy .Misy efa aman-taonany no nisotro azy misy indray milaza fa maniry ao an-kibo io.Raha misy olona afaka milazalaza ny momba azy io eto dia tena tsara fa zavatra avy any amin'y sinoa izy io ary tena miroborobo be any.Inona ny lafitsarany sy ny lafiratsiny.Fa izaho aloha vao tapabolana no nisotro azy fa ny tsapako dia tena milamina tanteraka ny aretin'atiko na mihinana zavatra tsy zakako taloha aza aho,mitsabo fery anaty koa hono izy io.
novalian'i shannie ny 09/10/2014 05:25
2. kamongo ( 15/10/2011 08:13)
Nilex,
Misy fianakaviana akaiky anay tena misotro an lé trésor de mer. Fa dia tena salama tsara aloha ry zareo hatr@ izao. no sady matanjaka avy koa. Ilay oe mitsiry any an-kibo tsy possible satria manana condition de vie koa ny Trésor ka noho izany dia tsy milieux favorable @ fitomboany ny ao anaty vatantsika.
nilex:

Miarahaba daholo.Mety misy olona afaka milazalaza momba ilay atao hoe trésor de mer ve ianareo.Biby ve izy io sa algue fa tena maro ny olona miompy azy ary misotro ny ranony.Tena mahasalama aloha ilay izy .Misy efa aman-taonany no nisotro azy misy indray milaza fa maniry ao an-kibo io.Raha misy olona afaka milazalaza ny momba azy io eto dia tena tsara fa zavatra avy any amin'y sinoa izy io ary tena miroborobo be any.Inona ny lafitsarany sy ny lafiratsiny.Fa izaho aloha vao tapabolana no nisotro azy fa ny tsapako dia tena milamina tanteraka ny aretin'atiko na mihinana zavatra tsy zakako taloha aza aho,mitsabo fery anaty koa hono izy io.
3. nilex ( 17/10/2011 05:45)
slt,izaho aloha vao tapabolana izay no nahazo fa efa mahita fihovana be mihintsy aho hatramin'izao.Narary aty mafy aho mantsy ka raha vao mihinana zavatra tsy zakako kely fotsiny aho dia mivalana foana(sakay,sakafo be menaka,labiera,...sns) fa ankehitriny kosa dia milamina tsara ka namihinana ireo aza aho dia tsy maninona mihintsy.Izay aloha no tsapako fa ny tena karazan'aretina sitrany tsy dia fantatro loatra.
Misy koa dadaben'ny vadiko efa nisotro an'io hatry ny ela be ka hatramin'izao fa mbola matanjaka be foana hatramin'izao sa tsy mbola mitana tsara daholo ny sainy sy ny fahasalamany rehetra an.Asa na noho ilay zavatra na ahoana fa tena tsara ilay izy.
4. arialy ( 25/10/2011 12:24)
aiza no ahitana izany trésor de mer izany raha tena tsara manasitrana tokoa?
5. nilex ( 26/10/2011 07:20)
slt,betsaka ny olona miompy azy dia raha mahalala ianao dia any no mangataka fa izaho aloha tany amin'ny havana no nangataka e.Fa kosa mila fandavantena kely ny fikarakarana azy raha tsy izany dia maty izy,Tsy vitan'ny olona tsy dia mivaky loha loatra.Misy fepetra tsy maintsy hajaina mantsy ny fikolokoloana azy.Ny ahy izao dia izaho mihintsy no mandray antanana ny fikarakarana azy rehetra satria izaho no tena mila azy.tsy ankiniko amin'ny olon'kafa mihintsy dia mitombo tsara nedala ao izao.fa ny tsy mba aiko hoe inona marina izy io,biby ve sa algue sa izy roa miaraka fa mitombo ilay izy dia misy zanany mivoaka.Ny olona sasany aza efa amin'ny koveta be mihintsy ny azy ko.Za afaka mizara aloha ho an'ny namana fa mbola kely ny ahy ka tsy mety aloha raha izao fa za manome raha mahasoa ny hafa.
Izay fa mahereza e.
6. AndriambyII ( 28/10/2011 22:33)
Tena mila maika an' izany aho ry namana , asa raha misy afaka hanampy .Izay aho vao nahare izany , Hambolena anaty aquarium ve sa anaty vazy ? Aiza ho aiza @ faritry ny gilaoby no mety hahazahoana azy haingana ? Raha misy afaka manome ilay ranony aza ka ho vidiana tsy maninona fa azo atao ny mifanaraka .
7. niryna ( 11/11/2011 21:29)

nilex:

slt,izaho aloha vao tapabolana izay no nahazo fa efa mahita fihovana be mihintsy aho hatramin'izao.Narary aty mafy aho mantsy ka raha vao mihinana zavatra tsy zakako kely fotsiny aho dia mivalana foana(sakay,sakafo be menaka,labiera,...sns) fa ankehitriny kosa dia milamina tsara ka namihinana ireo aza aho dia tsy maninona mihintsy.Izay aloha no tsapako fa ny tena karazan'aretina sitrany tsy dia fantatro loatra.
Misy koa dadaben'ny vadiko efa nisotro an'io hatry ny ela be ka hatramin'izao fa mbola matanjaka be foana hatramin'izao sa tsy mbola mitana tsara daholo ny sainy sy ny fahasalamany rehetra an.Asa na noho ilay zavatra na ahoana fa tena tsara ilay izy.
misaotra anao nizara.Tena mbola tsy fantatro na henoko aloha izany.
Mba azavao kely hoe azafady.Biby ompiana ve izany io dia rano avy aiza no sotroina? sa ahoana tsara ?
Maro mantsy ny zavatra tenenin'ny olona hoe ataovy ity na izao sy izao fa misy fiantraikany avokoa any aoriana.Ohatra izao hoe ireny olona mihositra menaka amin'ny tarehy ireny rehefa hadiva ho faty dia lasa mivalo-maity be na dia tahaka ny volokodi-jaza aza ny tarehiny fahiny.
Ny sokatra izay misy mihinana fa hoe maha-ela velona( alako aloha ny lainga fa sao misy manaonao foana eo an) dia avy eo indray ilay olona miteny hoe toa matahotra indray mihinana sokatra satria rehefa andrahoina ilay izy dia ela be vao maty ny fony ( izany tokoa ve tsy ampatahotra ..eritreritra ny ahy iny)
8. nilex ( 14/11/2011 05:32)
slt,izaho miopy efa ho telo volana angamba izay.Raha ny fahalalako azy dia algue izy io fa tsy biby.Mbola tena miezaka koa aho hahafantatra azy.Nijery tami'ny internet aho fa tena industrialisena mihintsy io any chine dia ataondry zareo amin'ny tavoahangy dia hamidy eny antsena.Fa raha ny fahalalako azy dia ny fery anaty no tena tsaboiny ary maha ela velona koa izy.
Thé noire de sambavy no ampiasaina dia asiana siramamy be fotsiny.Atao mamy tsara.Dia atao ao izy.après 4 jours eo hoe dia lasa miha marikivy io rano io fa tsy mamy be intsony.dia iny no sotroina.Rehefa afaka andro maromaro dia afindra amin'ny tavoahangy ilay rano dia soloina vaovao indray.Ny mahagaga ahy koa dia tsy mety masiso mihintsy ilay rano amin'ny tavoahangy na elaela aza vao lany.Atao rano fisotro io fa izaho koa mbola mandalina hoe inona marina moa izy io ary inona no mety ho fiantraikany.Fa maro tokoa ny fianakaviana mampiasa azy.
9. jesuisla ( 17/01/2012 19:20)
tena fanafody ny trésor de mer. manasitrana zavatra maro. opiana @ rano ao anaty seau d'eau na koveta izy. Miaina sy mivelona ao izy. manatody ao izy, ary manao ny malotony ao. tavanina tsara ilay rano nitoerany vao azo sotroina, fa tena mivelona ao ankibo izy. Ary mibontsina ny kibo tratrany. Tsy misy fanafody anefa mahafaty azy rehefa tonga ao ankibo izy.
10. nilex ( 18/01/2012 05:46)
Tsy afaka mivelona ao an-kibo izany kosa izy fa tsy misy ny condition favorable hahavelomany mihintsy ao.Na ao anaty seau aza iny ka misy zavatra tsy mety aminy kely fotsiny ataonao dia maty iny fa tsy velona indray.
11. jesuisla ( 19/01/2012 17:01)
Eny àry é. Misaotra anao àry é. Izay zany ry zareo a! tsy afaka mivelona ao ankibo izy. F izay no antony tsy nihinanay rehetra azy tao anaty ny ankohonanay.
12. shannie ( 09/10/2014 05:25)
bjr! zao za vao maeno zany tresor zany ary tena lina eh. mbola manana ve ianao? mba mitady mantsy za raha afaka mizara ianao. dia misaotra mialoha, miandry ny valiny. mirary soa.


Misy fepetra tsy maintsy hajaina mantsy ny fikolokoloana azy.Ny ahy izao dia izaho mihintsy no mandray antanana ny fikarakarana azy rehetra satria izaho no tena mila azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.17