ANDAO MBA HANAO TOY ILAY LAHIMATOA DAHOLO RY NAMANA

1. RBNIR ( 13/10/2011 08:29)
« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Matio 21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Matio 21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Matio 21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 21:31)

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Tadidio fa ny tanjona dia tokana ihany : hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mba tsy ho VERY.

Apetraho ny fanontaniana: Raha mba naniraka an-tsika Izy, novitain-tsika marina v izay nolazainy?
Firy no vita? Firy no tsy vita? Izy nefa mitaky mba ho tanteraka tahaka Azy isika. Mba nanenina marina tokoa v isika? Ny hamonjy an-tsika no nanirahana ny zanak'ondrin'Andriamanitra tety an-tany.
Aza atao tsinotsinona izany namana isany.

Miandry an-tsika ny fitsarana namana isany.
Afaka ny misafidy malalaka anefa isika fa tsy terena akory. Nefa tadidio fa ireo ray aman-drenintsika raha nisafidy ny ratsy dia nandray ny valiny tamin'izany. Toy izany koa Noa valomianaka ihany no navotan'Andriamanitra tamin'ny safo-drano, ary koa ry Lota mianakavy irery ihany no navotana tao Sodoma sy Gomora.

Ka hoy aho hoe mbola tsy tara isika namana isany fa miverena toy ny nataon'ilay lahimatoa.
MIVERENA DAHOLO RY ZAKAIOSY MALALA ISANY. MIVERENA FA MIANDRY ANAO NY TOMPONAO. EFA EO AMBARAVARANA IZY ANKEHITRINY ARY EFA ELA NO NIANDRASANY ANAO. AMPY IZAY MIVERENA AMIN IZAY.
MATAHORA ILAY AVO INDRINDRA OMEO VONINAHITRA IZY. TADIDIO FA IZA NO NAHAVITA NANAO IZAO REHETRA IZAO AFA-TSY JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY AVO INDRINDRA??? MOA TSY MENDRIKA FANAJANA LEHIBE TOKOA V IZY RY NAMANA MALALA ISANY??



Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra
novalian'i RBNIR ny 14/10/2011 06:45
2. lala9 ( 13/10/2011 11:26)
Marina dia marina ny teninao ry namana mbola vitsy amintsika tokoa no tsy mahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ankehitriny na dia ireo milaza azy ho tena mpivavaka azy dia mbola misy ihany ny indro kely,ka mbola mila ezaka be mitsy isika mba tena hifantoka tanteraka amin'ilay Ray.Amen
3. didi10 ( 13/10/2011 12:44)
Ka ny sasany anie mino ny Fitsarana fa tsy mino ny afobe e! efa voavonjy daholo hono ny olona sa ahona ry Miharena?
4. Miharena ( 14/10/2011 04:32)
Raha izaho no anontanianao momba io fitsarana io dia isika tsirairay ihany no mahafaka ny ratsy nitaizantsika ny fanahintsika. Hoy Kristy: esory aloha ny andry be eo anoloan'ny masonao vao manala ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao ianao.
Ny afobe indray dia mazava fa ireo karazan-korontan-kevitra nateraky ny fifampitaizana taorian'ny nitenenan'i Satana fa mitovy amin'Andriamanitra ny olona rehefa afaka mahafantatra ny ratsy sy ny tsara ka niteraka korontana sy fifampitsarana samy olombelona izany noho ny tsy fahaiza-manavaka maro io atao hoe ratsy sy tsara io. Satria ny hafa mahita fa tsara nefa amin'ny sasany ratsy.

Ireo korontan-kevitra ireo dia miantraika amin'ny fahatspana ara-nofo ka mampijaly.

Mila mahay manavaka ny fanahy sy ny nofo ny olona hoy aho.

Fa raha hiverina amin'ny lohahevitr'i RBNIR dia ny fiverenana amin'Andriamanitra dia tsy amin'ny fomba amam-panao fa amin'ny fampiainana AZY ao anaty.
5. RBNIR ( 14/10/2011 05:32)
Faly miarahaba namana isany,
Mahafinaritra ny valitenin-tsika rehetra namana fa fampatsiahivana kely fotsiny (mba tsy hivoana B e! sa ts'izany?) : FITAOMANA NY OLONA MBA HANAO TOY ILAY LAHIMATOA NY LOHAHEVITRA ETO NAMANA ISANY (hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra, hanenina amin'ny faniratsirana natao rehetra teo aloha) ka hanantanteraka izay nanirahany an-tsika.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra namana isany
6. Miharena ( 14/10/2011 05:49)
RBNIR:

(hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra, hanenina amin'ny faniratsirana natao ...)


Miarahaa anao indray namana ary mirary ny fiandanan'ny Tompo hanjaka ao amponao.

Raha nanaraka kely ny fandaharana maminao indrindra vitao ny asan'ny fahamarinana aho dia mahita fa manana hitsin-teny mazava tsara ny mpitory. Dia mba tokony ho isan'izany koa ianao mazoto manaraka ilay fandaharana.

Ka mba azo hazavaina bebe kokoa ve ilay hatao hoe faniratsirana?
7. RBNIR ( 14/10/2011 06:21)
Miharena:

RBNIR:

(hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra, hanenina amin'ny faniratsirana natao ...)


Miarahaa anao indray namana ary mirary ny fiandanan'ny Tompo hanjaka ao amponao.

Raha nanaraka kely ny fandaharana maminao indrindra vitao ny asan'ny fahamarinana aho dia mahita fa manana hitsin-teny mazava tsara ny mpitory. Dia mba tokony ho isan'izany koa ianao mazoto manaraka ilay fandaharana.

Ka mba azo hazavaina bebe kokoa ve ilay hatao hoe faniratsirana?

Faly miarahaba namana,

Mahafinaritra B ny mandray ity namana an! Mahafinaritra ny maharay hafatra fa misy namana nijery ilay fandaharana.
Tsy haiko aloha i miharena na mpitovo na efa manambady aman-janaka fa izaho aloha efa manambady amanjanaka e: raha maniraka an'ny zanako aho namana ka milaza hoe : mba ataovy kely ity nefa tsy manao izy dia izay ilay hoe faniratsirana.Izay efa ray aman-dreny angamba samy mahatsapa izany fa indraindray mandreraka B rehefa manao toy izany ny ankizy.
Marina dia marina ilay fanamarihanao mikasika ny fitorian'i pasteur (tsy miteny olona mivantana na ankolaka mihitsy nefa dia tafitany tsara ny hafatra)
Miala tsiny namana fa izaho moa hoy aho tsy pasteur fa mba nahita ny marina aho dia mba mizara fotsiny ihany fa dia ialana tsiny betsaka raha sanatria ka nisy nivoana ny fomba fitoriana azy e.

Samy ho tahin'ny Tompo namana dia mahereza foana mijery e, (
8. Miharena ( 14/10/2011 06:43)
Raha io resaka fifandraisana ataonao io namana dia atao hoe conflit relationnel fa mety tsy azo adika avy hatrany hoe faniratsirana.

Ka raha io no resaka dia mazava fa misy mandefa teny (A) ary misy mandray ny teny (B). Ilay (A) dia ataontsika hoe zokiny ary B dia zandriny na zanaka. Mihevitra i A fa manana be dia be resahana amin'i B. Nefa i B dia manana izay mahasomokotra azy noho ny toerana misy azy amin'ny maha-B azy dia tsy mifanaraka ny tadin-dokangan'ny roa tonta amin'ny fanatanterahana izay noheverin'i A fa rindran-damina matipaika.

Tsy midika io fa tsy naheno na nahatahiry ny hafatra i B fa tsy nanatanteraka fotsiny izy.

Ny fitondrana olombelona taorian'ny nahalavo azy namana dia hita taratra amin'ny fanomezana didy sy fitsipi-pifehezana maro mandra-pahatongan'i Kristy nanatsotra ny fifandraisana ka nampahiratra ny mason'ny olona hanana FITIAVANA hifantoka amin'Andriamanitra Ray Tsitoha hanjaka ao am-po.

Ny fiverenana dia ny fanariana ny entana rehetra novingitina tao an-tsaina tao sy namesarana ny fo ka andraisana ny fiadanana dieny anio. Toy ny midika hoe fanadiovana ny tranon'ny tenantsika. Izay no fivovam-po matotra.

Dia rehefa mandeha ao anatin'ny MAZAVA dia afaka hilaza toa an'i Krsity hoe : avelao ny maty handevina ny maty ao aminy fa ianao manaraha AHY. Tsy mila mierikerika intsony fa mibanjina ny hazavana ary mandroso amim-pahatokiana.

9. RBNIR ( 14/10/2011 06:45)
Miharena:


Raha nanaraka kely ny fandaharana maminao indrindra vitao ny asan'ny fahamarinana aho dia mahita fa manana hitsin-teny mazava tsara ny mpitory. Dia mba tokony ho isan'izany koa ianao mazoto manaraka ilay fandaharana.


Misaotra betsaka namana amin'ny fanamarihana izay marina dia marina tokoa. Azonao tsara amin'izay koa angamba ny antony mahatonga ahy hitaona ny olona mba hijery ilay fandaharana fa tsy hiezaka ny hamelabelatra b loatra eto e!
Ny tanjona tiako atao mantsy dia tokana ihany : hizara ny marina mba ho famonjena ho an'ny hafa.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6506