Hosamborin-dRavalomanana i ravalomanana

1. ronaldo09 ( 21/09/2011 06:19)
Araka ny vaovao mahafaly heno omaly dia re izao fa miaramila folo( zany hoe zandary sy polisy) no ho any afrika atsimo hisambotra ity filoha jadona nandripaka ny mpiray tanindrazana aminy teny Ambohitsorohitra ity!
Ny Jeneraly hajaina Ravalomanana Richard no namoaka io vaovao mahafaly ho antsika malagasy io, raha nitsoaka noho ny asa ratsy nataony ity filoha teo aloha izay nanongana ny amiraly tamin'ny tsy ara-dalana ity dia ny gasy rehetra no nalahelo satria tokony tsy ho tafatsoaka izy fa aleo hizaka ny saziny toa ireo olona tsy manantsiny nogadrainy toa an-dry Rolland Ratsiraka;pety,Voninahitsy,Andrianafidisoa sns!!!
Hafaliana tsy omby tratra moa no nanenika an'ny Madagasikara iray manontolo noho io vaovao mahafaly io !!!!
Kepoka indray ry herinirina eugene fa ho samborina i dada!!!
misaotra and-Ravalomanana hisambotra and-ravalomanana!!!
Allllleeeelooooooiiiaaaaaa!!!!!!!!
novalian'i Theophile ny 22/09/2011 11:02
2. Neal ( 21/09/2011 06:59)
Mety mihintsy ny hoe tokony hanefa ny saziny izy nefa maro ireo olona mbola manantena sy tambazany omena volabe ka tsy maintsy hiaro azy! ho raikitra ny gidra2. Za mahita hoe ratsy iny andininy faha-20 iny satria manome rarinany fodian'i Ravalomanana nefa manome fahefana ny mpitondra tetezamita hisambotra azy. Fahazon-dalana hiditra eny Tsiafahy no nomen'ny SADC izay hiteraka korotana be eto. Vao maika hiteraka ady mahatsiravina iny sori-dalana iny! Hitovitovy ny tany Côte d'ivoire sy somalie ny zavatra hitranga!
ronaldo09:

Araka ny vaovao mahafaly heno omaly dia re izao fa miaramila folo( zany hoe zandary sy polisy) no ho any afrika atsimo hisambotra ity filoha jadona nandripaka ny mpiray tanindrazana aminy teny Ambohitsorohitra ity!
Ny Jeneraly hajaina Ravalomanana Richard no namoaka io vaovao mahafaly ho antsika malagasy io, raha nitsoaka noho ny asa ratsy nataony ity filoha teo aloha izay nanongana ny amiraly tamin'ny tsy ara-dalana ity dia ny gasy rehetra no nalahelo satria tokony tsy ho tafatsoaka izy fa aleo hizaka ny saziny toa ireo olona tsy manantsiny nogadrainy toa an-dry Rolland Ratsiraka;pety,Voninahitsy,Andrianafidisoa sns!!!
Hafaliana tsy omby tratra moa no nanenika an'ny Madagasikara iray manontolo noho io vaovao mahafaly io !!!!
Kepoka indray ry herinirina eugene fa ho samborina i dada!!!
misaotra and-Ravalomanana hisambotra and-ravalomanana!!!
Allllleeeelooooooiiiaaaaaa!!!!!!!!
3. reeves ( 21/09/2011 07:46)
Zah koa mahita fa efa mandeha tsikelikely mankany @ lojikan'ny ady an-trano isika , ady an-trano izay tsy miankina @ fodian'ny Filoha Ravalomanana , fa na mody izy na tsia dia ahiana hisy foana io ady io satria tsy nisy andraikitra noraisin'ny Mpitondra sy ny entina mihitsy hatreto momba ny fampihavanam-pirenena tena izy fa na dia natao aza ny sonia FR hisian'ny apaisement dia hita fa mifanohitra @ izany ny zavatra hataon'ny FAT izay heverina fa matahotra fifidianana malalaka izay antoky ny famahana ny olana .
4. hery ( 21/09/2011 07:55)

Kepoka indray ry herinirina eugene fa ho samborina i dada!!!
misaotra and-Ravalomanana hisambotra and-ravalomanana!!!


:-) Tsy kepoka aho ka. Tsy fianakaviako Ravalo ary tsy nahazo tombony taminy aho na hovonoina ho faty ara izy... fa hoe hahavita an'izany ve ny HAT ? lolll

Foany indray ary izany aloha ny NOTAM izay nisakanana azy tsy hiditra an'i Madagasikara izay niara-nivoaka tamin'ilay mandat d'arret tamin'ny 17 septembre teo.

Hafahafa ange ilay izy e? Mandefa mandat d'arret dia nefa tsy avela hody hogadraina ilay olona. Izany ve tsy tahotra? Raha ny tokony ho izy dia asaina mody Ravalo mba hogadraina... kanefa tsy avela mitondra azy ny avions rehetra. Sa asaina milomano izy na mandeha sambo hody any Dago hogadraina eny tsiafahy? lolll

Mba matotra amin'izay fa tsss
5. andrywui ( 21/09/2011 07:55)
nanakory tsara kabary en ...ma ..!! naty eky laolo ty leroa ,atao akory ma ka olo nivonivoninareo ma anambela anao eo fa efa aminankitiny izy ty zany !!!!!!!
6. hery ( 21/09/2011 07:57)
Asaivo mody malaky dia sambory... fa aza sakanana amin'ny NOTAM.
7. andrywui ( 21/09/2011 08:21)
misy lalana ny fanjakana ry hery a raha tsy meloka izy tamzay vitany teto amn tanana de afahana madiodio afaka manao fifidianana tsara izy milatsaka prezida ndray ,,,fa raha nanao fika bombina teto amin tanana kosa de tsy maintsy aontsan'ny oul i dada ka !! tsisy tsy maty manota zany rah mbola eto antany ,,,mivavaha ho azy ara mba tsy ho ahanton'ny oul otran saddam ny tendany !!! maty ah dada malalako ....
8. hery ( 21/09/2011 08:23)
Ka hosamborina sa tsy hosamborina e? loll

Toa vava-n'ny matahotra fotsiny fa tsy sahy akory. Efa 4 andro aty aoriana mbola tsy nofoanana ihany ilay NOTAM.

Toa fampihorohoroana toy ny mahazatra fotsiny.
9. trondrogasy ( 21/09/2011 08:24)
i dada tsy mahazo mody izany efa ampy izay olona novonoiny izay,i dada tsy mahazo milatsaka izany efa leo azy ny mpokina
10. hery ( 21/09/2011 08:26)
Oudry fa angaha tsy hogadraina any Tsiafahy?

Olona namono olona bedabe izany ve dia tsy asainareo mody hotsaraina?

Sa mifezaka hoe sao dia tsy namono olona akory? :-)
11. Neal ( 21/09/2011 08:27)
Io le pitik'afo andrehitra ny ady! T@ 2002 iny anie efa saika ratsy be ra tsy nitsoaka Deba e!! i Ravalomanana oatran'ny tsy mihevitra afa tsy ny "carière politique"ny ihany na t@ 2002 na zao!
12. andrywui ( 21/09/2011 08:36)
tsotra be le izy e !! mody ravalo !!! na alaina any ,, na mody oazy !! de tsaraina izy na nanao folaitra bombina na ca va ny adiny teto de tsy miotsana izy fa mahazo miditra hofidina !!! rah nanao vinany ndray anefa izy de tsy maintsy Tsiafahy somatsara rah tsy ahanton'ny uol ny tendany satri be loatra le oul matiny
13. Massnatany ( 21/09/2011 08:50)

hery:

Asaivo mody malaky dia sambory... fa aza sakanana amin'ny NOTAM.


... ieeeuh! Dia hisambotra tokoa ilay FAT ? ( nefa matahotra ?) > hampisy korontana eto amin'ny tanàna io kle ...

Koa ny fanontaniana dia tsotra > Angaha moa efa hoe EKENA io didy "à la HATe" navoakan'ny fitsaràna io? (Fitsaràna izay napetraky ny FAT tetsy amin'ny 13 mai?)
Hisambotra? > korontana satria maro ihany ireo tsy mpiasan'ny MAGRO mandeha mankeny lava...
Tsy hisambotra? > dia hanaiky ho lavo lefona koa ve ny FAT? Olona efa nohitsikitsihany eraky ny vazantany fa mpamono olona, raha tsy samboriny lasa ho izy indray no ho voatonona eo...
Nazava be ny valintenin'ny SADC momba io didy fisamborana io > " souverainete nationale STRONG ..." > hoy ry zareo hoe " dia izay hataonareo samy malagasy eo e!...."
Amiko efa tsara raha misy fahatahorana ... Tsy mora anie izany hampisy korontana eto amin'ny tany sy firenena izany indray eee !!
Dia ilay dada aryy koa ve dia tsy hahita fa "à haut risque" hoan'ny firenena (fa tsy ho azy) io fodiany io ...? Fa dia aleo samy eto no mifanazava izany ve?

...Nefa kosa ny fodiany koa anie efa tafiditra anatin'ilay fampihavanam-pirenena e ... tsaay tsooon...

14. andrywui ( 21/09/2011 09:50)
de ahita zany isika kou !!!


ny maso no ahita de aza mipapapapa b eto refa tonga tokoa ny tokoa !!


asina miditra mitokona tsy mety mody , asaina mijannn any ndray hody ah eeee hody ahn eeee tsisy farany ... ho ,alain'ny miaramila any ndray malaky mipapapappa
15. locl ( 21/09/2011 09:51)
Ronaldo et andriwui : VENDRANA, aza dia miteniteny foana, sakanana, alaina, f'ngah izy iny voankazo ka hoe halaiko ho tangosako, aminy fomba manakory tsara no hangalana azy any Afrika Atsimo.

Aloe izy mody fa izay kou no tadiavin'ny maro an'isa, na ny fisiany fotsiny aza dia mampilamina ny sain'na be sy ny maro. Za tsy misy ady antrano izany, matoy misy ny ady antrano dia vokatry ny HAT
16. Vony501 ( 21/09/2011 13:12)
Point de vue : Un peu de sérieux svp !!!

Madagascar sortira-t-elle un jour de cette crise ? A l’allure où vont les choses, le doute est permis. Certes, la feuille de route a été signée et la reconnaissance internationale est en de très bonne voie, à entendre certaines déclarations… des tenants du pouvoir.
Mais nous sommes encore loin de la coupe aux lèvres. Jugez-en plutôt. Dès lundi, à la surprise générale, la ministre de la Justice annonce que Marc Ravalomanana, l’ancien Président, est encore sous le coup de plusieurs condamnations et sera arrété à sa descente d’avion à Ivato. Et d’un. Et de deux, un Notam a été lancé à son encontre. Et de trois, qu’une délégation officielle composée de militaires et d’huissiers de justice fera le déplacement à Johannesburg pour récupérer l’ancien Président.
Un peu de sérieux svp. La feuille de route vient d’étre signée. Elle l’a été sous la férule d’une haute personnalité sud-africaine, laquelle a recommandé aux signataires de réfréner leur orgueil et de penser enfin à mettre fin à la crise. Celle-ci, qu’on le veuille ou non, ne se concrétisera qu’après le retour de « Dada » dans son pays. Sous certaines conditions, mais libre. Ce sont ces conditions qui devraient étre confiées à l’appréciation des tenants du pouvoir actuel. Jacob Zuma l’a dit : il ne livrera pas Marc Ravalomanana à la HAT. Jamais, le consulat sud-africain à Antananarivo ne délivrera les visas qui autoriseront les membres de la délégation malgache à se rendre en Afrique du Sud. Et la HAT le sait. Pourquoi donc insister ?
Pour beaucoup, la HAT veut plonger dans la brèche laissée ouverte par la SADC qui a laissé entendre que l’institution panafricaine ne s’ingère pas dans les affaires judiciaires d’un pays souverain. Mais le régime de facto s’y prend mal et ne sait pas trop comment procéder. Il délivre un Notam alors qu’il serait plus facile de « cueillir » Marc Ravalomanana à Ivato. Il annonce se rendre à Johannesburg alors qu’il sait pertinemment qu’aucun traité d’extradition ne lie les deux pays et que les militaires malgaches seront « désarmés » à leur arrivée dans la capitale sud-africaine. A moins de se livrer à un kidnapping, il leur sera difficile de mettre la main sur l’ancien Président.
Toutes ces gesticulations, pour les observateurs, ne sont que de la poudre aux yeux qui ne font pas honneur aux dirigeants malgaches. La reconnaissance internationale ne s’obtiendra que dans le strict respect de la feuille de route et de la volonté des malgaches de sortir une fois pour toute de la crise. Manifestement, nous nous trompons de voie. Pour ne pas dérailler, mettons-y un peu de sérieux.
17. Hagg ( 22/09/2011 05:47)
Ka raha tsy hoe..."Lasa tatsy ambadika hono ny akohon-dRabe ka aleo halaina kely ao e!!!" -na izany aza ianao mbola mila miera amin'ny tompontrano sao hataony fa mangalatra ao....ka hoe tsy mila visa eeee! Mba menatra!!! Ary ny olona akory tsy mitovy amintsika ka hoe izay anaovan'ny Frantsay ny tanintsika dia mety daholo....fa marina ilay hoe tsy aleo ve esorina fotsiny ilay Notam dia eto izy samborina e! ka raha misy Notam anie ka na dia ny fiaramanidina hitondrandry zalahy manonofy ireo azy anie ka tsy hahazo miditra raha ny marina e!! izany hoe fanjakam-boalavo mo izao....ho an'ilay namana milaza fa ilaina ny fanjakana- Dia mahereza daholo e!!!
18. Theophile ( 22/09/2011 06:34)
100 Miliara Ariary isam-bolana raha kely indrindra ny sandan'ny halatra ataon'ny FATE

http://collectif-gtt.org/content/21092011-100-miliara-ariary-isam-bolana-raha-kely-indrindra-ny-sandanny-halatra-ataonny-fate

Fanodikodinana volam-bahoaka, fanambarana diso atao eny amin'ny Fadin-tseranana, fanadiovana vola maloto, fanondranana Andramena sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ireo no votoatin'ny fangoronan-karena nataon'ny FATE tao anatin'ny 30 volana nipetrahany teo amin'ny fitondrana. Ny ampamoaka nataon'ny Pr. Zafy Albert tao anatin'ny valan-dresaka an-kalamanjana no nahafanatarana ireo rehetra ireo. Nambaran'ity Filoham-pirenena teo aloha ity mantsy fa ilaina ny mifampizara vaovao sy ny mifanazava taorian'ny fitoriana an'i TGV izay napetrany teny amin'ny fampanoavana.

Nitondran'ny Pr. Zafy fanazavana ny mahakasika ireo vondron'olona manohana ny FATE ka tamin'izany no namoahany ireo mpandraharaha tera-tany sy vahiny izay miray tsikombakomba amin'ny FATE amin'ny fanodikodinana volam-bahoaka ka rehefa mahazo tolo-bidy izy ireo dia ifampizarana ny vola azo tokony hanaovana ny tetikasa. Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo mpandraharaha karana izay mamatsy vola ny asa ratin'ny mpanongam-panjakana. Fa ny tena zava-doza dia misy ny tambazotra mampiditra am-ponja ireo rehetra manakantsakana izany asa ratsy izany ka ny minisitry ny fitsarana FATE no mitarika izany. Nokianin'ny Pr. Zafy marindrano moa ny fanamabaran'i Chrisitine Razanamahasoa handefa "commandos" hisambotra ny Filoha RAVALOMANANA any Afrika Atsimo na hampiditra am-ponja azy rehefa tafaverina an-tanindrazana izy. "Izy no tsy maintsy haiditra am-ponja rehefa miziriziry satria misy porofo avokoa ny zavatra nataony teto amin'ny Firenena" hoy ihany Zafy Albert.

Vola be tsy hita pesipesenina

Vokatr'ireo asa ratsy ataon'ny FATE ireo dia efa manana ny fomba fitehirizana vola izy ireo araky ny nambaran'ny Pr. Zafy ihany. Raha fehezina kosa anefa ireo dia aman'arivo tapitrisa ny sandan'ny vola nahoroan'ny mpanongam-panjakana sy ny ekipany ka nahatonga azy ireo mpanefoefo tampoka nandritran'ny fotoana nibodoany toerana. Izay, arakin'ny fanazavana ihany, no nahasahian'i TGV nilaza fa manam-bola be isika ka afaka miatrika izay fanamby rehetra tsy maintsy lalovana. Tarehimarika vitsivitsy no nentin'ny Pr. Zafy nanampy ny fanazavany : 1.835.000.000 Ariary, 100 Miliara Ariary isam-bolana, 80 MIliara Ariary, 1.650 Tapitrisa Ariary, 10 Miliara Ariary ary ny tena goavana dia ny momba ny andramena izay mitetina 548 MIliara sy 664 Tapitrisa Ariary. Ity tarehimarika farany ity dia nambaran'ny Pr. Zafy fa tsy mbola ny antsasan'ny fanondranana nataon'i TGV sy ny ekipany akory.
19. ronaldo09 ( 22/09/2011 10:08)
Tsotra ny resaka modia fa efa no-leverna ny NOTAM dia ho hita eo fa aza be resaka any antanin'olona any!!!!
20. hery ( 22/09/2011 10:17)
ronaldo09> Aiza indray no misy an'io hoe nesorina ny NOTAM io? :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5628