Ilaina ve ny fanaovana fahagagana sy fanasitranana vao ho resy lahatra ny @ Fahamarinana

1. Maranatha ( 20/09/2011 05:40)
Miarahaba ny namana rehetra indray!
Betsaka ny fiangonana no manao fahagagana, manasitrana sns... Ilaina ve izany vao haharesy lahatra olona ny fahamarinana ???
Ahoana ny hevitrareo!
novalian'i fitiar ny 16/07/2015 06:37
2. indraimijery ( 20/09/2011 07:17)
miarahaba anao ry maranatha, tsarabe ny sujet natolotrao.
Ny valiny azoko omena dia miainga amin'ny filazantsaran'i Matio
1/ toko 7 and 21/22/23 izay manambara hoe: " tsy izay rehetra manao tompoko, tompoko no ihiditra ny fanjakan'ny lanitra.......maro no niteny hoe tompo o, tsy naminany tamin'ny anaranao va izahay? Tsy nanala demonia tamin'ny anaranao va izahay? Tsy nanao fahagagana maro tamin'ny anaranao va izahay? .... Ary ho lazaiko ianareo hoe: tsy mahalala anareo aho, mialà ianareo"
2/ toko 23/24/25/26 kamo aho hanoratra azy rehetra fa ity no tiako avoitra: "...maro ny ho avy amin'ny anarako ... betsaka ny kristy sandoka, mpaminany sandoka, hanao fahagagana izireo....." (dika teny malalaka io fa ny baiboly nangalako azy amin'ny teny frantsay ka ialana tsiny)

Ka raha izany no dinihina dia efa nampitandrina i kristy fa ho betsaka ny ho avy amin'ny anarany, hanao fahagagana sns ..., Izy tsy niteny mihitsy hoe i Petera na i jaona ihany no hisolo ahy hanohy ny asa rehefa lasa aho. Ka asa lahy ...

3. RBNIR ( 20/09/2011 14:29)
Faly miarahaba namana isany,

« Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: » (Matio 11:20)
« Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:21)
« Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:22).

Ny anton'ireo asa lehibe araka ireo teny ireo dia ny mba hitarika ny olona amin'ny fibebahana.

Tsy tokony ho ireny anefa no laharam-pahamehana raha mandinika tsara ireo teny ireo isika satria ireo olona ireo aza anie ka ny fahagagana nataon'i Jesosy Tompo mihitsy no hitany nefa dia tsy tonga tamin'ny tanjona nantanain'ny Tompo izy e.

Ny fampianarana ny olona hahafantatra sy hanantanteraka ny Sitrapon'Andriamanitra no tokony lohalaharana. (vakio Mat.7:21 ) sy Mat.6:33 ary Lio.12:31.

Hafatra ho an-tsika : « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:22).

Raha nanaovan'ny Tompo asa lehibe ianao na ny fiangonanao dia MIBEBA FAINGANA KA MATAHORA AN'ANDRIAMANITRA IANARO ARY ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika




4. rijadolly ( 20/09/2011 15:25)
MATIO 9: 9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.

Teo dia vita ny antso.

LIOKA 5: 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.

Nahita fahagagana izay vao niankohoka.

Fehiny: Samy manana ny fisehon' ny antsony ny olona tsirairay. Ary samy manana ny famaliany ny antsony.
5. Tefigasy ( 21/09/2011 04:36)

rijadolly:

Fehiny: Samy manana ny fisehon' ny antsony ny olona tsirairay. Ary samy manana ny famaliany ny antsony.


Tena marina izany, fa ny hanampiako azy kely fotsiny dia hoy Jesoa hoe : "sambatra izay tsy nahita anefa mino" (Jao 20 : 29).
Ny manahirana kely @ le fahitana aloha vao mino mantsy dia raha tsy misy fahitana toy izany foana izany dia mety ho very ilay finoana, nefa io finoana io no zava-dehibe.
6. RBNIR ( 21/09/2011 06:36)

Tefigasy:

Ny manahirana kely @ le fahitana aloha vao mino mantsy dia raha tsy misy fahitana toy izany foana izany dia mety ho very ilay finoana, nefa io finoana io no zava-dehibe.


Marina dia marina izany, ary izay mihitsy no tsy tokony hivoizana resaka fitahiana amin'ny fitoriana ny fahamarinana.

LOKA TOKANA IHANY SADY LEHIBE INDRINDRA no tokony ampanantenaina ny olona dia ilay FIAINANA MANDRAK'IZAY,

Izay irery no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany.
Ny hitaona ny olona hikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra. Fanampiny (na koa hoe cadeau) fotsiny ihany ny ankoatran'izay ary tsy mila angatahina akory aza.

« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

Samy hotahin'ny Tompo anie isika rehetra
7. zokieva ( 21/09/2011 08:04)
Mba saino kely izao:Ny finoana no miteraka fahagagana,fa tsy ny fahagagana no miteraka finoana!
8. Tefigasy ( 21/09/2011 08:33)

zokieva:

Mba saino kely izao:Ny finoana no miteraka fahagagana,fa tsy ny fahagagana no miteraka finoana!


Ho an'ny olona efa mino izay, fa raha mbola tsy mino le olona dia eo ny sasany no miandry fahagagana avy @ le mino vao mety hino "hono" izy !
9. indraimijery ( 21/09/2011 08:54)
manahoana daholo
raha ny momba io fahagagana io aloha dia efa nampitandrina i Kristy hoe maro ny ho avy amin'ny anarako, hiteny hoe ary i Kristy nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka ireny, ary mety ahavita fahagagana koa izy ireny. Ny fahagagana akory tsy midika arak'izany fa avy amin'i kristy foana raha ny teniny no dinihana. Ny olana anie i satana koa anie ka mahavita fahagagana e.
Ny vaha olana dia tokony hifanaraka ny fiangonana rehetra amin'ny fitondrana ny fampianaran'i Kristy ho tokana raha mbola te antsoina hoe Kristianina fa matoa misarasaraka tsy mitovy hevitra sy tsy mitovy tanjona no dikany ary rehefa tsy mitovy dia mifanaratsy ankolaka sns... Ny mitambatra hono vato fa izay misaraka fasika,
Na inona no fahagagana vita, raha tsy mifanaraka isika, ho mendrika an'Andriamanitra ve isika sy ny fahagagana vitantsika.
Dia samy ho tahian'Andriamanitr'e
10. hery ( 21/09/2011 09:00)

zokieva:

Mba saino kely izao:Ny finoana no miteraka fahagagana,fa tsy ny fahagagana no miteraka finoana!


Marina mihitsy
11. rijadolly ( 21/09/2011 19:43)

hery:


zokieva:

Mba saino kely izao:Ny finoana no miteraka fahagagana,fa tsy ny fahagagana no miteraka finoana!


Marina mihitsy


LIOKA 7: 17 Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.18 Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika?20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankaty aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana hianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

Tamin'izany raha nasaina niteny Jaona dia nino fa ho avy ao aoriany Kristy. Nahagaga anefa fa very hevitra ny tsy finoany izy ary naka toky avy any amin'Jesosy. Ary nasain' Jesoa nambara azy ny marika maha Kristy an'Jesoa(ireo fahagagana maro).Inona no antony? Hametraka na hanamafy ilay Finoana, avy eo izay vao mipetra ilay action hanao fahagagana satria mafy tsara ilay Finoana. Izany hoe tsy mahita fahagagana fa manao fahagagana.
Araka ilay tenin'Zokieva hoe:

Ny finoana no miteraka fahagagana

12. rijadolly ( 21/09/2011 19:44)
Zokieva:

Mba saino kely izao:Ny finoana no miteraka fahagagana,fa tsy ny fahagagana no miteraka finoana!

Tefigasy:

Ho an'ny olona efa mino izay, fa raha mbola tsy mino le olona dia eo ny sasany no miandry fahagagana avy @ le mino vao mety hino "hono" izy !

Za koa miray hevitra amin'io
13. rijadolly ( 21/09/2011 19:49)

indraimijery:

manahoana daholo
raha ny momba io fahagagana io aloha dia efa nampitandrina i Kristy hoe maro ny ho avy amin'ny anarako, hiteny hoe ary i Kristy nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka ireny, ary mety ahavita fahagagana koa izy ireny. Ny fahagagana akory tsy midika arak'izany fa avy amin'i kristy foana raha ny teniny no dinihana. Ny olana anie i satana koa anie ka mahavita fahagagana e.
Ny vaha olana dia tokony hifanaraka ny fiangonana rehetra amin'ny fitondrana ny fampianaran'i Kristy ho tokana raha mbola te antsoina hoe Kristianina fa matoa misarasaraka tsy mitovy hevitra sy tsy mitovy tanjona no dikany ary rehefa tsy mitovy dia mifanaratsy ankolaka sns... Ny mitambatra hono vato fa izay misaraka fasika,
Na inona no fahagagana vita, raha tsy mifanaraka isika, ho mendrika an'Andriamanitra ve isika sy ny fahagagana vitantsika.
Dia samy ho tahian'Andriamanitr'e

Tsy any ilay ady hevitra Indraimijery a! Raha izay mantsy dia miray hevitra daholo isika Kristianina, fa ilay izy Fahagagana araka an'Andriamanitra, izany hoe avy any amin'Andrimanitra. Ary izay no nahatonga ilay fanotanian'ny Maranatha hoe : " Ilaina ve ny fanaovana fahagagana sy fanasitranana vao ho resy lahatra ny @ Fahamarinana " Dia mipetra amin'ise izany io hoe ilaina sa tsy ilana sa ahaoana ny hevitr' se
14. indraimijery ( 22/09/2011 07:12)
Ny tena fahagagana izay niseho teto ambonin'ny tany dia ny niforonan'izao tontolo izao noho ny fahasoavabna avy amin'Andriamanitra. Izay ihany no marina ary izany no fahamarinana, nomen' Andriamanitra tany ahafahantsika mivelona isika fa isika no nanimba ny fiainantsika satria:
- tsy nohajaintsika ny tontolo iainana sy ny zava-boahary hany ka mikorotana ny eco système (réchauffement de la terre, désertification, mihamarefo ny fahasalamana sns...)
- tsy nohajaintsika ny mpiara-belona amintsika (ady nohon'ny tombotsoa manokana, nohon'ny fitiavan-tena na eo amin'ny samy firenena izany na eo amin'ny samy mpiara-belona. sns....
- Andriamanitra tsy nanamboatra Jiosy, arabo, frantsay sns fa nanamboatra olombelona Izy.
- tsy namorona katôlika izy na protestanta na adventista sns tsy namorona silamo boudhista sns fa isika olombelona ihany no namorona izany.
Ka raha fahagagana no andrasantsika dia tokana ihany: aoka isika ho tonga saina ka hifankatia araky ny nandidian'i Kristy hoe didy vaovao no omeko anareo dia ny ifankatiavanareo... amin'izay fotoana izay ho foana ny fanavakavahana, ho foana vono olona sy ny fanararaotana, ho haintsika ny mifanaja sy manaja ny voahary sns... satria iray ihany isika ary samy noharian'Andriamanitra.
Mazava ny didy nataon'i Kristy amin'ny fitiavana, mazava koa ny fampitandremana nataony momban'ny olona ho avy hanao fahagagana ka asa lahy fa mety rediredy ihany ahy ary dia miala tsiny aminareo mialoha aho raha tsy mifanandrify amin'ny eritreritrareo ny fijeriko
15. Maranatha ( 22/09/2011 11:05)
Manahoana namana isany!
Amin'ny ankapobeany dia mitovy hevitra daholo ihany isika rehetra,
Fa izao, ity nisy nahalasa ny saiko . Amin'ny maha A/tra Azy dia nanao fahagagana tokoa i Jesosy namoky olona 5000 ny lehilahy fotsiny ohatra, nanasitrana marary betsaka, nanangana tamin'ny maty sns..(izay hinoako fa efa fantatsika), fa nahoana ary Izy no tsy nety naneho famantarana avy any an-danitra rehefa nangataka izany ny Fariseho sy ny Sadoseo? Matio 12:39 , nahoana ihany koa Izy no tsy nety namadika ny vato ho tonga mofo raha nangataka ny hanaovana izany i satana Mat 4:3
Ary maninona ireo izay tena mivavaka manaraka ny sitrapony mankato izay lazainy ankehitriny no tsy misy mahavita izany intsony?
Mahereza isika rehetra!
16. zokieva ( 22/09/2011 12:00)
Maranatha - 22/09/2011 13:05
nahoana ary Izy no tsy nety naneho famantarana avy any an-danitra rehefa nangataka izany ny Fariseho sy ny Sadoseo? Matio 12:39 , nahoana ihany koa Izy no tsy nety namadika ny vato ho tonga mofo raha nangataka ny hanaovana izany i satana Mat 4:3

Satria fisehosehoana no tadiavin' ireo voalaza ireo no koa sady tsy mino;ny finoana no tanana andraisana fahagagana ka takiana mihitsy ny MINOA aloha v ao...
17. Tefigasy ( 22/09/2011 12:07)
Maranatha:

fa nahoana ary Izy no tsy nety naneho famantarana avy any an-danitra rehefa nangataka izany ny Fariseho sy ny Sadoseo? Matio 12:39 , nahoana ihany koa Izy no tsy nety namadika ny vato ho tonga mofo raha nangataka ny hanaovana izany i satana Mat 4:3

Inona moa no tena antony nanarahan'ny fariseo an'i Jesoa ?
Ny mba hakany fanahy azy, ny hitadiavany ny fomba rehetra hamandrihany azy, fa tsy noho ny fitadiavana an'Andriamanitra akory.
Koa misy antony tokony hanomezana azy ireo famantarana ary ve raha izany !
Tsia angamba.
Jereo tsara ny teny navalin'i Jesoa azy ireo (Io tantara io aloha dia hita ao @ Mark 8: 1 - 13):"tsy homena famantarana akory ity taranaka ity" ny fariseo no tiana lazaina amin'ilay taranaka eto satria izy ireo no sujet.

Mitovy amin'izay tsisy valaka ilay fakam-panahy nataon'i satana tamin'i Jesoa. Jereo tsara fa tsy ny fitadiavana famonjena no nilain'i satana fa ny fomba hamandrihana an'i Jesoa mba hiankohofany eo anatrehany sy hanantanterahany ny baikony.
Tsy dia te hivalapatra loatra aho fa raha mbola misy manitikitika dia mbola afaka ampiako ilay fanazavana

Maranatha:

Ary maninona ireo izay tena mivavaka manaraka ny sitrapony mankato izay lazainy ankehitriny no tsy misy mahavita izany intsony?

Tena sur ve ianao fa tsy misy mahavita izany intsony ny mpivavaka tena mino ? Sao de ianao kosa no tsy mahita, na tsy mahalala, na tsy mahavita e !
izao no voalaza, i Jesoa no niteny an'ity ary ekenao fa tsy mandainga angamba izy : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray ." (Jao 14 : 12)
18. rijadolly ( 22/09/2011 15:41)
Miray hevitra an' Tefigasy aho amin'io fanotaniana napetraky Maranatha ireo.
Maranatha:

Ary maninona ireo izay tena mivavaka manaraka ny sitrapony mankato izay lazainy ankehitriny no tsy misy mahavita izany intsony?

Tefigasy:

Tena sur ve ianao fa tsy misy mahavita izany intsony ny mpivavaka tena mino ? Sao de ianao kosa no tsy mahita, na tsy mahalala, na tsy mahavita e !
izao no voalaza, i Jesoa no niteny an'ity ary ekenao fa tsy mandainga angamba izy : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray ." (Jao 14 : 12)

Entiko hanamafisana ny hevitry Tefigasy ihany dia miverina amin'ilay voalazan' Indraimijery aho. Eketsika rehetra hoy aho fa mahay fahagaga koa ny fahavalo, eo anefa no miteraka fizaran-kevitra sy manamarina io fanontanian' Maranatha io satria voalaza ombieniombieny fa avy amin' devoly ny fahagagana vitan'ny atoko iray. Misy aza moa mahasahy milaza fa tsy misy intsony izany fahagaga izany amin'izao vaninandro iainantsika izao. Ary izay no mahatonga antsika tsy mahita ilay fahagagana avy amin'Andriamanitra noho izay fitsarana ilay izy ho avy amin' devoly foana na miheritreritra fa logiquen-javatra fotsiny ihany.
19. indraimijery ( 23/09/2011 07:36)
R'efa nandinika aho am'izay voalaza rehetra izay dia izao no fijeriko azy: Dieu est omniprésent, Dieu est omnipotent, Dieu est omniscient, zava-misy izany ary izany no MARINA. TSY ILAINA NY FAHAGAGANA VAO HANAIKY ISIKA FA MISY NY FAHAMARINANA. FA NA MISY FAHAGAGANA NA TSY MISY, NY FAHAMARINANA MISY FOANA, ANDRIAMANITRA MISY FOANA.
20. zokieva ( 23/09/2011 07:57)
c'est vrai!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1309