Ilaina ve ny fanaovana fahagagana sy fanasitranana vao ho resy lahatra ny @ Fahamarinana

21. RBNIR ( 23/09/2011 08:29)
Maranatha:

Manahoana namana isany!
Amin'ny ankapobeany dia mitovy hevitra daholo ihany isika rehetra,
Fa izao, ity nisy nahalasa ny saiko . Amin'ny maha A/tra Azy dia nanao fahagagana tokoa i Jesosy namoky olona 5000 ny lehilahy fotsiny ohatra, nanasitrana marary betsaka, nanangana tamin'ny maty sns..(izay hinoako fa efa fantatsika), fa nahoana ary Izy no tsy nety naneho famantarana avy any an-danitra rehefa nangataka izany ny Fariseho sy ny Sadoseo? Matio 12:39 , nahoana ihany koa Izy no tsy nety namadika ny vato ho tonga mofo raha nangataka ny hanaovana izany i satana Mat 4:3
Ary maninona ireo izay tena mivavaka manaraka ny sitrapony mankato izay lazainy ankehitriny no tsy misy mahavita izany intsony?
Mahereza isika rehetra!


Faly miarahaba namana,
Voalohany aloha ny antony nanaovan'i Jesosy Tompo fahagagana dia ny mba hibebahan'ny olona (Mat.11:20-22).
Izao no voasoratra ao amin'ny Mat.12:39 « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; » (Matio 12:39). Vakio tsara (averimbereno mihitsy raha azo atao) angeh io teny io e! tsy tian'Andriamanitra ny olona fatra-pitady famantarana. Ary raha vakiantsika tsara ilay izy dia ny taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga no fatra-pitady an'izany. Masiaka ny teny eto an! Misy karazan'olona diso mankafy ny zavatry ny tany dia tsy te hiova mihitsy (hibebaka) raha tsy mahazo famantarana.
Enga anie mba tsy ho isika izany karazan'olona izany.

Samy ho tahin'ny Tompo indray.

22. Miharena ( 24/09/2011 06:06)
Ny itondrako anjara kely amin'ity resaka famantarana ity dia eo amin'ny fomba fisainanan'ny olona mitady azy mihitsy izay zary mitady zavatra ivelany fa tsy fiovana anaty. Ny Mazava nozaraina dia ho an'ny olon-drehetra ary mihatra ao anaty fa tsy ny fahaiza-manao misy mari-drefy akory hoe rehefa mahavita izatsy na izaroa vao zanak'Andriamanitra.
23. rijadolly ( 24/09/2011 06:25)
Raha ny fiandrasana ny fahagagana kosa aloha dia eo se no raisina e! ampy antsika marina ny amin' Jona. Ilaina ihany ilay nataon' Lioka. Andao hanaka Ahy. eo no eo dia navela ny entana dia lasa izao. Na izany na tsy izany dia samy hafa hoy aho ny Antso ho an' tsirairay ka dia ny famaliana ny Antso sisa no tena zava-dehibe andrasana amintsika.
24. Maranatha ( 26/09/2011 05:39)
salama namana!
Araka ny hitan-tsika ao @ Marka 16:17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
Kanefa ihany koa ny Tompo milaza izao "raha hoa avy ny Zanak'olona moa hahita Finoana ety ambonin'ny tany va izy"
raha ireo teny ireo ve sao dia lasa miha-kely finoana izany ireo zanak'A/tra ety an-tany ka tsy mahavita intsony ireo famantarana manaraka izay mino ? ka mahatonga ny Tompo hamerina ny teny nolazainy t@ mpianany fony izy ireo natopatopan'ny alondrano ary notahain'ny rivotra manao hoe "aiza ny finoanareo?"
Mahereza namana!!
25. Miharena ( 26/09/2011 07:06)
Maranatha:

salama namana!
Araka ny hitan-tsika ao @ Marka 16:17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
Kanefa ihany koa ny Tompo milaza izao "raha hoa avy ny Zanak'olona moa hahita Finoana ety ambonin'ny tany va izy"
raha ireo teny ireo ve sao dia lasa miha-kely finoana izany ireo zanak'A/tra ety an-tany ka tsy mahavita intsony ireo famantarana manaraka izay mino ? ka mahatonga ny Tompo hamerina ny teny nolazainy t@ mpianany fony izy ireo natopatopan'ny alondrano ary notahain'ny rivotra manao hoe "aiza ny finoanareo?"
Mahereza namana!!


Misy teny mifanohitra ao anatin'ny hafatra nomen'ny Tompo eto Maranatha ka ilaina ny mametraka hoe inona no tiana ambara marina ny amin'izany.

Eo amin'ny faharetana miasa dia mety halaim-panahy tokoa ny olona hijery na handrefy izay zava-bitany mba hahazona valim-pitia kanefa lavin'ny Tompo izany. Tsy ny habetsahan'ny asa izany no manan-danja fa ny fahamarinan'ny asa.
Ilay tsy manana fahamarinana eo amin'ny toe-po no azo lazaina ho tsy maharitra ka lavin'ny Tompo na dia manamarintena aza hoe nahavita izatsy sy izaroa. Fiheverana fitadiavana laza manko no manjary mipetraka ka io ilay toetra iray izay tsy an'ny Tompo velively. Izay no nananarany ny mpianatra hifanasa tongotra ary nilazany taminy hoe : izay te-ho lehibe aminareo no ho mpanompon'izy rehetra. Io no toetran'Anrdriamanitra izay tokony hananatsika ihany koa, ka tsy ny hoe mibaiko an'Andriamanitra no tokony hatao fa ny miasa amin-kitsim-po tsy mitady laza sy tsy mandrefy izay vita fa mandroso amim-pahatokiana rehefa manana ny fanahin'Andriamanitra ao anaty.
Eto no tanteraka ilay tso-drano hoe manandratra ny Tavany ao amintsika ny Tompo ka manome antsika fiadanana. Io no herin'ny Kristiana fa raha tsy mahafantatra izany isika ary mitondra izany isanandro eo amin'ny fiainantsika dia tsy misy varany izay atao rehetra.
26. JAONARILALA ( 13/10/2011 08:58)
Mba FANTATRAO VE FAHAGAGANA VOALOHANY nataon'i Tompo? Ny RANO tonga DIVAY! Misy heviny io fa tsy faly ampisotro divay ny olona fotsiny ny Tompo!
RANO = Tenin'Andriamanitra manome FINOANA. Tonga DIVAY = RA Famelankeloka = Batisa sns...

Tsara loatra ny FAHAGAGANA fa raha tsy mialoha ny fanaovana ny sitrapon'ny Tompo dia ZERO ary tsy vitan'ny ZERO fa fahaverezana mandrakizay

Matio 12 : 38 taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga no fatra-pitady famatanrana!

FARANY : Diniho tsara tompoko ny hafatrafatra napetraky ny Tompo ao amin'ny Matio 24 : 24 " Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka MARO hitsangana ka haneho FAHAGAGANA sy FAMANTARANA LEHIBE ka hamitaka ny maro ary raha azo atao na ny olom-boafidy aza dia ho fitahiny!

MIRARY NY FAHASOAVAN'NY TOMPO TSITOHA HO ANAREO!!!



zokieva:

c'est vrai!

27. niryna ( 21/10/2011 16:13)



rijadolly:

Fehiny: Samy manana ny fisehon' ny antsony ny olona tsirairay. Ary samy manana ny famaliany ny antsony.
Tefigasy:


Tena marina izany, fa ny hanampiako azy kely fotsiny dia hoy Jesoa hoe : "sambatra izay tsy nahita anefa mino" (Jao 20 : 29).
Ny manahirana kely @ le fahitana aloha vao mino mantsy dia raha tsy misy fahitana toy izany foana izany dia mety ho very ilay finoana, nefa io finoana io no zava-dehibe.
Tohiny: ahoana tokoa moa no ahafantaran'ny olona izay mbola tsy mahalala an'Atra raha tsy manome hevitra na manoro azy hiantso an'Atra isika? Dia iny tokoa fa nanao izany ilay olona ary nahita fahagagana satria tena nihaino ny vavaka sy ny fifonany Atra.
Arakaraky ny antso asehon'Atra ny tsirairay izy io aloha satria na maro tokoa aza ny manao fahagagana ,ny asan'ny satana koa anie ka mahavita fahagagana e.
eo koa ny finoana ilay teny nomena ary mampiseho fahagagana azy Atra.Misy anefa olona tsy mahafantatra an'Atra fa resy lahatra noho ny zavatra mitranga(efa fahagagana izay ka nahatonga azy hino sy hanatona an'Atra)
Ny fifandraisantsika amin'Atra angamba no tena zava-dehibe aloha satria Izy no niantso antsika ka na
28. fitiar ( 16/07/2015 06:37)
Faly mifandray sy miarahaba atsika rehetra amin ny anaran i jesosy kristy.lohahevitra
Efa elaela ihany ity nefa ilaina fona na ovina na ovina raha mbola miaina isika.araka ny hevitro d ts hiteny hoe eny ary ts maints eny ; na hoe tsia avy hatrany fa manana ny fotoany avy ny fahagagana araka ny tian izy tompo zan hoe raha amin ny alalan ny fahagagana no hampandresy lahatra ny olona iray na maro d maneho izany izy tahaka ireo tantara hita am n ireo fahagagananataony fahiny .fa misy koa toe javatra ts hilana izany.ny tsipihako kosa dia ts forcer na ny fahagagana fa manjary mandray anjara ny satana ary manjary ts hay intsony hoe avyamin Atra sa tsia ilay iz.ny zava dehibe aloha dia y mino na misy io na tsis fa ho an ny jentilisa no tenahanehoan Atra ireny matetika satria mila porofo mivaingana izy ireo .fa izay efa mpino d ts tokony hiandry lotra izany satria ilay Andriamanitsika dia efaMahagaga no anarany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2443