Vato namelan-kafatra:mora ve ny mamela heloka?

1. niryna ( 13/07/2011 12:18)
Raha nandeha izy roa lahy teny amoron-drano dia tongatonga ho azy ilay adiady kely.Nanao sangy mahery tokoa mantsy ilay ranamana iray ary tena narary tamin'ilay iray ilay izy.Tsy niteny izy fa nosoratany teo amoron'ilay fasika fotsiny sisa no nataony" Tsy mamela anao aho".
Rehefa nandeha nizotra ihany ny diany ary nilalao rano ireto ranamana dia nibolisatra ilay iray ka novonjen'ilay namana nandaroka azy teo aloha. Tsy niteny izy ireo fa samy nangina,ilay novonjena tsy nisaotra,ilay namonjy niandry fisaorana.Nony nahita vato anefa ilay novonjena dia nanoratra teny ngezabe" MISAOTRA ANAO AHO TAMIN'NY NAMONJENAO AHY"
Dia gaga sy talanjona ilay iray fa maninona no nosoratana tamin'ny vato ary maninona no atao soratra lehibe tahaka an'io?

Inona re no mba tao anatin'ilay eritreritr'ilay namana nanoratra teo amin'ny fasika sy teo amin'ny vato e?


http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=18&andininy=21-35&dika=

Matio 18: 21,22-32,33,35

21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?

22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo

32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;

33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?
35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.



novalian'i bor2lais ny 04/08/2011 13:59
2. AndriambyII ( 13/07/2011 21:27)
Tsy mora tokoa ny mamela heloka , na dia tsy nahy aza izany .
Tantara niainan' olona tao @ fianankaviako mitovitovy @ tranga nasehonao ireto lazaiko ireto .

Raha nilalao teo amoron" ny reniranon' Ikopa izy roalahy , dia nifamaly sy nifandritaka noho ny hevitra tsy mifanjohy . Nibolistra tao anaty rano ny iray ary tsy afa-nanoatra ilay faharoa satria tsy nahay nilomano . Ny andro fahavaratra rahateo . Nindaosin' ny fahafatesana ary ity voalohany rehefa dibo-drano ny avokavony sy ny taova anatiny .Iza no hamela ny helony ? A/tra sa ny olombelona ?

Nanefa adidy miaramila tany andafin-dranomasina indray ary io havana io , efa voarara fa tsy azo atao ny mifoka sigara rehefa mpiambina @ andro alina ianao ,tsy voatsiahiny t@ ilay ranamana niaraka taminy anefa ny baiko , ny vokany dia potiky ny bala ny lohany iray manontolo( ity farany ) t@ fotoana tsy nampoizina nisehoan' izany,maty tsy tsa-drano teo noho eo ilay rangahy , tsy nisy nahalalàna azy intsony hoe iza moa io olona io .

Nampandraisina andraikitra t@ fiarovana aina akaiky indray aza izy taty aoriana elabe , tany @ tany miady sy misahotaka . Andro hariva no nitrangan' ny zavatra niseho . Fiarakodia telo mifono vy nisy olona dimy ambiny folo , Notafihana andian' olona t@ antoko politika mpanohitra ny fitondrana . Olona telo sisa niangana , ny sisa maty noho ny tifira RPG , sy grenady , ary basy marovava , mbola tafavoaka velona ihany ilay havana t@ ity tranga fahatelo ity .

>>>>>Vokany dia confession particuliere tamiko . IZA NO MELOKA ? Ireo tsy mahalàla ny hahafaty azy sa ireo mpanararaotra tsy te hahafantatra ny antony namonoana azy ?








3. maranatha ( 14/07/2011 11:10)
Miarahaba anareo.
Hoy ny santionany @ ny vavaka nampianarin'ny Tompo Matio 6:12"Mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay"
Misy dingana asain'Atra hataon-tsika izany mba hahafahany mamela ny helokan-tsika, ka raha tsy manao izay dingana izay isika dia ho sarotra ny hahazahoan-tsika ny famelan-keloka,
Tsarovy tsara io fanoharana ao @ Matio 18:24-35 io.

Ohatra iray ary hisarihako ny sainareo izay ohatra tena faratampony indrindra dia mba valio aho.
Nijangajanga tany ny vadinao, dia avy eo izy nitantara ny zava-nisy rehetra ary mifona sy mibebaka aminao, ahoana ny ataonao hamela azy ve ianao sa ahoana?

Angatahako valiny avy aminareo. Sady mahereza!
4. bichette ( 15/07/2011 08:27)
tsy mora tokoa ny mamela heloka anefa dia tokony hamela heloka isika na inona na inona araky ny tenin'Atra hita etsy ambony izay averiko eto :

Matio 18: 21,22-32,33,35

21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?

22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo

32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;

33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?
35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.



raisiko ilay ohatra omen'i Maranatha hoe : Ohatra iray ary hisarihako ny sainareo izay ohatra tena faratampony indrindra dia mba valio aho.
Nijangajanga tany ny vadinao, dia avy eo izy nitantara ny zava-nisy rehetra ary mifona sy mibebaka aminao, ahoana ny ataonao hamela azy ve ianao sa ahoana?


ho an'ilay nijangajanga :

1 - ilay nijangajanga dia mila mangataka famelankeloka avy amin'Atra aloha, miaiky fa nanota, meloka ka mifona ary mibebaka eo anatrehan'Andriamanitra tanteraka.satria nanao izay tsy mety teo anatrehan'Andriamanitra
1 jaona 1 : 9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
dia vakio koa ny salamo 51 izay vavaka nataon'i Davida izy io.

2 - ilay nijangajanga dia mifona eo anatrehan'Andriamanitra satria nampalahelo ny hafa.ary tena amin'ny fo marina sy mahatoky no anaovana izany.

3 - rehefa mahatsiaro fa tena efa voavela heloka dia mifona eo anatrehan'ilay vady, mifona tanteraka ary miaiky fa nanao ny tsy mety ka mangataka famelan-keloka tanteraka avy aminy. miaiky fa namparary fo tokoa ka mibebaka tanteraka. ary manome teny fa tsy hamerina intsony.

4- mitohy mivavaka amin'Andriamanitra ho an'ilay vady mba tena hositranin'Atra ny fony, ary mivavaka koa ilay nijangajanga taloha mba tena arovan'Atra ny fo ny vatana ny fanahy tsy mamerina intsony, hankahala ny ratsy. mba hovain'i Tompo ny fo

...

ho an'ilay vady izay voafitaka kosa, raha niaiky ilay vadiny dia :

1 - tokony hamela izy satria izay no baikon'i Tompo, araky ny soratra masina etsy ambony. marina fa sarotra fa na dia diso aza ilay vadiny dia tokony hamela izy, na dia marary aza ny fony sy tsy zakany dia tokony hamela izy satria izay no tokony hatao.
Tiako marihina eto koa fa ny famelana ny hafa dia mahasoa ny tena, tsy mahasoa ny mitahiry ratra anaty, ny rancoeur, ny rancune, ny amertume ao anaty. mety miteraka aretina sy olana ara-tsaina izany raha mitohy. Ary ny tena olana dia tsy avelan'Atra ny ota. matio 6 : 14-15 : 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo

marka 11 : 25-23 : 25 Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.26 [Fa raha hianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo.]

2- Tsy mora ny mamela ary mety mila fotoana elaela mihitsy aza izany arakaraky ny vesatra sy ny mahaela ny ratra ao anaty. tsara raha dieny vao manomboka dia efa mamela satria ny blessure tsy voatsabo dia lasa amertume rancoeur ka mety miteraka olana hafa araa-psikolojia ;-) izany.

3- mivavaka mangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra mba hahay hamela tokoa ary tena hamela tanterka marina. satria tsy vitan'ny tena manokana izay fa Jesosy no manampy amin'izany.

4 - marihana manokana fa baikon'i Jesosy ilay hoe mila mamela, mety hisy hiteny angamba hoe "tssss !!! otran'ny dia mora ery izy izany, tsy ianao marina, tsy vitako izany fa mafy loatra ary azon'i Tompo tsara izany, fa tsy hamela aho fa marary loatra". Aoka tsy ho adinontsika fa ny baiko sy ny lalàna omen'Andriamanitra antsika dia mahasoa antsika daholo, na ny olana kely mahazo antsika aza dia misy antony sy misy mahasoa antsika avokoa. matoa isika angatahin'Atra ny hamela dia ilaina izany, ary koa raha te ho voavela heloka eo anatrehan'Atra isika dia tokony hamela araky ny soratra etsy ambony.

;-)
5. bichette ( 15/07/2011 08:28)
Ny valiny omena an'i Maranatha izany dia hoe : ENY mamela. ;-) ;-)
6. bor2lais ( 15/07/2011 13:44)
Miombonkevitra amin'ny voalazan'i bichette ny tenako eto.
Fanampiny kely fotsiny ny ahy :

amiko dia zava-dehibe ny fifampiresahana. Mialoha ny tranga (fijangajangana) nambaran'i maranatha dia io fifampiresahan'ny mpivady io angamba no nisy lesoka : tsy ampy fanohanana rehefa mitady ho lavo ny iray !

Averiko eto ity torolàlana nomen'i Jesoa ao amin'ny Matio 18 : 15-17 ity :
"15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ( Deo.19.15).
17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy."

Ny fandraisako ireo dia izao : tsy ara-pilazantsara ny miaritra na manaiky ny tsy mety, fa ilaina ny ampahafantarina izany. Misy "étapes" arahina ny fanaovana izany : tsy maintsy tsinjovina ny "susceptibilité" ao amin'ny tsi11.

Io fifampiresahana io no tokony mitarika amin'ny fiaiken-keloka ary ny fiaiken-keloka no tokony mitarika amin'ny famelan-keloka !

Rehefa tsy misy ny fiaiken-keloka dia "atao tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy" : mivavaha ho azy, izany hoe apetrao eo am-pelantànan'Andriamanitra ny raharaha fa tsy tehirizina ao anaty araka ny voalazan'i bichette satria mety manimba (na dia ara-pahasalamàna ihany aza) ! :-)
7. diamondra27 ( 17/07/2011 15:18)
Ny famelankeloka dia mora atao saingy ny orgueil ny olona no mahatonga azy tsy hamela heloka noho izany dia Mila mivavaka ny olona te hamela heloka mba hanana hery hanao izany
8. Maranatha ( 18/07/2011 06:16)

bichette:

Ny valiny omena an'i Maranatha izany dia hoe : ENY mamela. ;-) ;-)


Dia hono hoaho ry Bichette ( sy ny namana rehetra) dia ahoana izany ilay tenin'ny Tompo ao @ Matio 5:32 " Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy;...." raha io Tenin'i Tompo io mantsy no dinihina dia azo atao izany ny misaraka amin'ny vady raha tratra mijangajanga izy.

Ary fanontaniana faharoa hoe: Ary raha efa samy mahafantatra ny sitrapon'Atra izy roa (fa tsy azo atao ny mijangajanga) nefa mbola tafalatsaka ihany ny iray . Tokony havela ve ny heloky ilay nanao sa ahoana?
Mahereza daholo!
9. bor2lais ( 18/07/2011 08:57)
maranatha:

Dia hono hoaho ry Bichette ( sy ny namana rehetra) dia ahoana izany ilay tenin'ny Tompo ao @ Matio 5:32 " Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy;...." raha io Tenin'i Tompo io mantsy no dinihina dia azo atao izany ny misaraka amin'ny vady raha tratra mijangajanga izy.

Ahatsiarovako ny tenin'ilay namana izay ity teninao ity. Hoy izy hoe, ny mpivady dia tsy mijery "code civil" raha tsy efa mieritreritra ny hisaraka ! Izany hoe ilay fisainana hisaraka no efa masaka ao an-tsaina ka ny fizaram-pananana sy ny momba ny ankizy no mahamay sisa ! :-)
Mikasika indrindra io andininy lazainao io toa misy koa ao izay raha tsy diso aho hoe "noho ny hamafin'ny fonareo no nahatonga an'i Mosesy nanaiky ny hanomezanareo taratasy fisaoram-bady" na mitovitovy amin'izay (ialako tsiny fa tsy tadidiko ny toko sy andininy) !
maranatha:

Ary fanontaniana faharoa hoe: Ary raha efa samy mahafantatra ny sitrapon'Atra izy roa (fa tsy azo atao ny mijangajanga) nefa mbola tafalatsaka ihany ny iray . Tokony havela ve ny heloky ilay nanao sa ahoana?

Amiko dia tompon'andraikitra ny roa tonta amin'ny tokantranony ary natao ifanohana ny mpivady : matoa misy latsaka ny iray dia samy tsy niambina ny roa tonta ! Izany hoe tsy ao ny Fitiavana !

Ny mampalahelo eto ry maranatha dia izao : raha tokony hijery miaraka ny hanarenana ny tokantranon' izy mivady ianao dia toa laozanao mijery ny "articles" ao amin'ny "code civil" miresaka ny fisarahana ! Araka ny voalazako etsy ambony hoe : efa ny fisarahana mihitsy no masaka ao an-tsaina sady lasa ambony noho ny Fitiavana ! :-)
10. bichette ( 18/07/2011 11:56)
Efa navalin'i Bor2lais tsara etsy ambony ny valim-panontaniana fa ny hanampiako azy fotsiny angamba dia hoe ny tena marina dia Jehovah Andriamanitra no ni instituer ny fanambadiana fa tsy isika olombelona, noho izany masina ny fanambadiana ka tsy araka an'Andriamanitra mihitsy ny fisarahana. hoy ny baiboly ao amin'ny Matio 18 : 18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo et? ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo et? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra
mampiseho izany fa ny fanambadiana sy ny alliance rehetra koa izany izay atao ety antany dia manandanja tokoa hatrany andanitra mihitsy aza. Asa raha nahatrikaritra ianareo fa rehefa manambady dia miteny ny mampanambady hoe : " ... JE VOUS DECLARE MARI ET FEMME ..." dia izay, mivady ilay olona roa. Dia io teny io koa no enregistrer any andanitra ; Ny mampihomehy dia rehefa mamambady ny olona roa dia mahay ery mankany ampiangonana fa rehefa hisaraka indray dia tsy misy mahatsiaro an'Andriamanitra intsony fa "code civil" hihihi tokoa no mahamay. tsy araka an'Andriamanitra mihitsy ny fisarahana fa araky ny soratry Bor2lais io ambony io dia nekena fotsiny ny fisarahana nohon'ny hamafisan'ny fo.

Raha mijangajana ny iray vao afaka misaraka.ENY. izay ihany. ao anatin'izany anefa dia omena chance ilay nijagajanga, eto no miditra ny famelankeloka ;-) dia jerena raha nibebaka marina teo anatrehan'Atra. raha olona tsy mbola manana an'Atra ilay nijangajanga dia ampianarina izy hahalala an'Atra misimisy kokoa, ary haseho azy fa tena tsy mety ny nataony eo anatrehan'Atra, dia entanina izy hibebaka ka tsy hanao intsony, ampiana izy sns, ao anatin'izany anefa dia TSY HELOINA mihitsy izy fa tenenina tsara fotsiny hoe tsy mety ny nataony ka tarihina izy hibebaka eo anatrehan'Atra sy mangataka mba homen'Atra hery tsy hilatsahany intsony, homen'Atra hery hisarahana amin'ilay "birao". ao anatin'ny Cheminement izay, mety mbola tafalatsaka izy - tonga amin'ilay hoe hamala heloka foana ve ? - fa ilaina ny entretien amin'ny olona "azo antoka tsara sy tena ao amin'Atra" tanteraka. dia ampiana foana izy mandritry ny andro maromaro, fantarina ny antony nanaovany izany raha "fatotra" ho azy ilay izy ka sarotra aminy ny miala aminy, na raha misy zavatra tsy ampy azy omen'ny vadiny na olana ao antokatrano na manana olana manokana izy ka amin'iny fijangajangana iny no hanadinoany ny olany, na koa efa nanao izany ny rainy, ny raibe-ny sns, misy koa mantsy toetra nolovaina ka ny lehilahy ao amin'ny fianakaviana iray ohatra dia mijangajanga daholo ka mila tapahina izany fatotra izany (sujet hafa indray io aloha ;-) ) ohatran'ny hoe fianakaviana mpijangajanga, fianakivana misotro toaka, sns.

raha samy efa mahafantatra an'Atra ny mpivady ka latsaka tao anatin'ny fijangajangana ny iray dia ilaina foana ny manantona olona tena matotra ara-pinoana sy azo antoka, ka jerena hoe inona no antony. mila mifameloka, raha toa kosa efa mahalala TSARA ny marina anefa mbola mijangajanga mandritry ny taona maro, raha efa nanao daholo ny rehetra rehetra anefa mbola midiridiry mijangajanga ny iray, eto vao afaka mieritreritra fisarahana. satria ilay iray efa TSY VONONA NY HIOVA MIHITSY. VOLONTE ilay izy.

marihiko eto fa rehefa miteny aho hoe manantona olona, tsy ny psy mihitsy akory no lazaiko eto fa olon'Atra azo antoka sy matahoatra an'Atra tokoa, manana fiainana ara-panahy sy fiainam-bavaka satria ilaina ny mivavaka, ary na ny hanome torohevitra avy amin'Atra fotsiny aza dia mila vavaka izany manontany an'Atra.

Asa na voavaly ny fanontaniana ;-)

11. bichette ( 18/07/2011 12:03)
jereo ihany hoe Andriamanitra IZA no tena hivavahan'ilay olona hovadiana alohan'ny hiroso amin'ny fanambadiana. satria rehefa hivady ny olona roa, dia eo daholo ny fianakaviana ary eo daholo koa ny RAD, ny RAY na Jehovah na satana ihany koa na dia tsy hita maso aza. Raha manana an'Andriamanitra Jehovah ho RAy isika dia eo koa IZy, ka raha manambady olona manana Andriamanitra hafa ankoatry ny Jehovah nahary ny lanitra sy ny tany na koa olona mpanao fanafody gasy be dia fantaro fa rehefa hivady dia eo koa ilay satana manatrika ny fanambadiana satria rain'ilay anankiray izy.

ka tanjemo ihany o ooooo
12. rijadolly ( 18/07/2011 16:50)
Bichette:

Raha mijangajana ny iray vao afaka misaraka.ENY. izay ihany. ao anatin'izany anefa dia omena chance ilay nijagajanga, eto no miditra ny famelankeloka dia jerena raha nibebaka marina teo anatrehan'Atra. raha olona tsy mbola manana an'Atra ilay nijangajanga dia ampianarina izy hahalala an'Atra misimisy kokoa, ary haseho azy fa tena tsy mety ny nataony eo anatrehan'Atra, dia entanina izy hibebaka ka tsy hanao intsony, ampiana izy sns, ao anatin'izany anefa dia TSY HELOINA mihitsy izy fa tenenina tsara fotsiny hoe tsy mety ny nataony ka tarihina izy hibebaka eo anatrehan'Atra sy mangataka mba homen'Atra hery tsy hilatsahany intsony, homen'Atra hery hisarahana amin'ilay "birao". ao anatin'ny Cheminement izay, mety mbola tafalatsaka izy - tonga amin'ilay hoe hamala heloka foana ve ? - fa ilaina ny entretien amin'ny olona "azo antoka tsara sy tena ao amin'Atra" tanteraka. dia ampiana foana izy mandritry ny andro maromaro, fantarina ny antony nanaovany izany raha "fatotra" ho azy ilay izy ka sarotra aminy ny miala aminy,

Misy iraisako hevitra betsaka. Efa nomena safidy ny Mpivady hisafidy ny tiany. Na ratsy io na tsy mety ny toetrany, dia adidinao ny manitsy azy hatramin' farany. Fa raha ohatra kosa ka izy no miala, izany hoe misaotra anao dia tsy zoanao ny mitazona azy amboletra, fa ny anjaranao dia manoro sy manome famelana azy hatrany.

Nahatsiaro izay tenin'namako izay aho, izay tena ohatry ny marina hoe: "Mamela azy aho fa izaho tsy hanambady azy intsony" :-) Andriamanitra ve nanao izany tamintsika? Tsia ny valiny. Raha nampirafy an' Andriamanitra isika moa tsy faharatsiana goavana noho izay ataon'olotinao anao izany? Ary noraisiNy ve isika rehefa niverina Taminy na dia tsy in-draimandeha monja aza ny namadiantsika azy?
MATIO 18 : 21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.23 Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.24 Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.27 Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.28 Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denariazato taminy, dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-trano maizina mandra-pandoany ny trosa.31 Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.32 Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.35 Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.

Ho an' iza izany teny izany? Ho an 'izay tsy mahay mamela heloka, nefa ny helony aza mavesatra noho izany mbola navelan' Andriamanitra.

Ahoana ny mission an' Hosea? Tsy inona fa fievitr' Andriamanitra avy amin' alalan' tady fisarihana olona dia ny Fitiavana, izay mampirisika ny mpihodina hitodika Aminy ,
HOSEA 2 : 16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra
ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]18 Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko,
*

Mamy be ô! Vadiko. Avereno anie raha tsy misy hery mitsofoka any aminao any e! Vadiko.
Mahafinaritra Andriamanitra.
13. Maranatha ( 19/07/2011 05:22)
Misaotra t@ ireo valim-panontaniana.
Ny tsy azo hialana raha tena Kristiana ilay olona dia tsy mahazo mampakatra vehivavy hafa intsony( raha lehilahy ilay olona) raha tsy hoe maty ilay vehivavy (toy izay koa ny vehivavy). Midika izany fa raha hisaraka tokoa izay roa dia mijanona tsy hanam-bady intsony mandram-paha fatin'ny iray, ka hiatrika ireo fakam-panahy ambany indrindra dia ny filan'ny nofo.
Noho izany dia ALEO MAMELA HELOKA MBA HAMELAN' A\TRA ihany koa ny helokao. Eny na dia mafy aza izany .Miharitra ny fahoriana satria ho amin'izany koa no niantsoana an-tsika. Marihina anefa fa rehefa mibebaka izy ka mivalo ny tsy hanao intsony vao MAMELA HELOKA

Dia MAHEREZA DAHOLO ARY MAMELA HELOKA E!
14. bichette ( 19/07/2011 10:48)
Na inona na inona dia mila mamela heloka isika, io dia tsy misy hifandirana mihitsy. avy eo raha raha eo amin'ny lafiny fijangajangana dia mipetraka ny fanontaniana hoe mamela fa mijanona amin'ilay olona ve ? ENY ny valiny raha tsy hoe tena tsy mety miova ilay olona - efa resako etsy ambony - dia hafa indray izay. io raha eo amin'ny fanambadiana.
raha mpanompo sampy na manana andriamanitra hafa indray ilay olona dia aleo tsy vadiana akory satria eo amin'ny lafiny ara-panahy hisy ady ara-panahy hatrany ary hisavoritaka ny tokatrano.

na inona na inona dia ilaina foana ny mi consulter an'i Tompo amin'ny toe-javatra rehetra. Ny ny amin'ny fanapahan-kevitra tokony horaisina ao anatin'ny vavaka. avy eo ny Fanahy Masina no mitarika ny olona amin'ny hevitra raisina. Fa na inona na inona dia MILA mivavaka hatrany manontany anAndriamanitra satria "chaque cas est unique" ary ny Tompo ihany no mahalala ny tena marina, ny momba ny tsirairay.



15. bor2lais ( 19/07/2011 13:47)
Amiko manokana aloha dia tsy misy ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka. Nefa tsy misy ny fiaiken-keloka raha tsy misy ny fifanatonana sy/na fifampiresahana ! Mazava ho azy fa tsy maintsy eo ambany fanatrehan'Andriamanitra daholo izany (indrindra raha Kristiana ny roa tonta) ! :-)
16. niryna ( 19/07/2011 16:02)
AndriambyII:

Tsy mora tokoa ny mamela heloka , na dia tsy nahy aza izany .
Tantara niainan' olona tao @ fianankaviako mitovitovy @ tranga nasehonao ireto lazaiko ireto .

Raha nilalao teo amoron" ny reniranon' Ikopa izy roalahy , dia nifamaly sy nifandritaka noho ny hevitra tsy mifanjohy . Nibolistra tao anaty rano ny iray ary tsy afa-nanoatra ilay faharoa satria tsy nahay nilomano . Ny andro fahavaratra rahateo . Nindaosin' ny fahafatesana ary ity voalohany rehefa dibo-drano ny avokavony sy ny taova anatiny .Iza no hamela ny helony ? A/tra sa ny olombelona ?

Eny na fahotana tsy nahy aza dia hifonantsika aminy ka,isika anie tsy mahalala indraindray e,na mitsiriritra zavatra kely eny am-pelantanan'olona aza dia efa fahotana k'nou.
dia tokony nangataka famelankelo tamin'Atra izy na tsy nahy aza
Eny Atra irery no afaka hamela ny helontsika saingy anjarantsika sy adidintsika kosa ny mifona sy miaika fa diso na tsy nanao fanahiniana aza sa diso ve izany?

Nanefa adidy miaramila tany andafin-dranomasina indray ary io havana io , efa voarara fa tsy azo atao ny mifoka sigara rehefa mpiambina @ andro alina ianao ,tsy voatsiahiny t@ ilay ranamana niaraka taminy anefa ny baiko , ny vokany dia potiky ny bala ny lohany iray manontolo( ity farany ) t@ fotoana tsy nampoizina nisehoan' izany,maty tsy tsa-drano teo noho eo ilay rangahy , tsy nisy nahalalàna azy intsony hoe iza moa io olona io .

isika tsirairay dia samy manana ny fomba ahataperan'ny androntsika ety an-tany ka sarotra amintsika kosa ny hiteny hoe izay no anjarany na izay ilay lahatra satria raha nisy nisakana ilay loza dia tsy nisy io ary tsy nisy tantara azo lazaintsika eto.Izay angamba ilay hoe rehefa ho avy ny loza sy ny hoe rehefa mety ny atao na ny saobakaka aza dia mampididranon-ketsa fa rehefa tsy mety kosa ny tain'omby mivadika aza mampianjera.

Io dia ahatsiarovako ilay rangahy be nitondra ny vorony teny amoron'ny tanimbary: ny olona nahita fa matory eo amin'ny tanimbary ilay rangahy efa antitra miaraka ny vorony saingy tsy nisy nanatona ny olona raha tsy efa ela kanjo dia faty no nobataina.

Nampandraisina andraikitra t@ fiarovana aina akaiky indray aza izy taty aoriana elabe , tany @ tany miady sy misahotaka . Andro hariva no nitrangan' ny zavatra niseho . Fiarakodia telo mifono vy nisy olona dimy ambiny folo , Notafihana andian' olona t@ antoko politika mpanohitra ny fitondrana . Olona telo sisa niangana , ny sisa maty noho ny tifira RPG , sy grenady , ary basy marovava , mbola tafavoaka velona ihany ilay havana t@ ity tranga fahatelo ity .
dia hoy aho hoe mbola tsy tonga ny anjarany ary izy koa no asehon'ATra ny voninahiny mba hiderany Azy ka asa izy na nanao ny mission nampanaovina azy taty aoriana na tsia( fijoroana vavolombelona ny fitiavan'ilay ATRA )

>>>>>Vokany dia confession particuliere tamiko . IZA NO MELOKA ? Ireo tsy mahalàla ny hahafaty azy sa ireo mpanararaotra tsy te hahafantatra ny antony namonoana azy ?

misokatra aza ny forum ho antsika
17. niryna ( 19/07/2011 16:27)
maranatha:

Miarahaba anareo.
Hoy ny santionany @ ny vavaka nampianarin'ny Tompo Matio 6:12"Mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay"


Izay indrindra ilay izy: raha tsy mamela ny heloky ny hafa isika dia aza manantena ny famelankeloka avy amin'ATRA.Ohatran'ny hoe teny mivantana ilay izy,manindrona saingy tsy mora hoy aho ny mamela heloka saingy tsy mandeha amin'ny herin'ny tenantsika isika fa mangataka amin'ATRA mba omeny fanahy hendry,fanahy ahay hamela ny heloky ny hafa fa tsy vitantsika irery io zavatra io
Misy dingana asain'Atra hataon-tsika izany mba hahafahany mamela ny helokan-tsika, ka raha tsy manao izay dingana izay isika dia ho sarotra ny hahazahoan-tsika ny famelan-keloka
io efa voalazako eo ambony io ny ahy.Mety manadino ny zanany manaiky nono ve ny reny? eny mety manadino izy na dia narary azy aza ilay kaikitra saingy mbola tadidiny foana ilay izy rehefa tonga ny fotoana ampahatsiahivina azy na mahatonga azy ahatsiaro an'iny indray saingy izao kosa no atao ao an-tsaina: ATRA efa namela ny fahotako koa mianatra aho,mianatra ary mangataka aminy mba ahay hamela heloka ny hafa


Ohatra iray ary hisarihako ny sainareo izay ohatra tena faratampony indrindra dia mba valio aho.
Nijangajanga tany ny vadinao,

Toy ny fahotana rehetra ny fijangajangana saingy teny maro no mampianatra antsika ao anatin'ny baiboly fa Tempolin'ATRA ny tenantsika ka tsy azo simbana na ny nanimba na ny nanaiky nanimba dia samy mpijangajanga avokoa eo anatrehan'Atra satria roa no miaraka eo fa tsy iray.
dia avy eo izy nitantara ny zava-nisy rehetra ary mifona sy mibebaka aminao,

Tsy mora hoy aho indrindra raha tsy teo amin'ny toeran'izy mivady isika fa mihaino sy mandray ara tantara fotsiny ,saingy izao kosa dia hoe ny heloka hibaboana mody rariny
Raha miaky ny fahotantsika isika ka matoky marina fa mamela antsika ATRA ary anafaka antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra izy dia ho afaka sy hadio tokoa izany fahotantsika izany ary ny lasa rehetra tsy ho tsarovany intsony fa fiainana vaovao no omeny antsika
ka raha isika tsy misy marina na iray aza nomeny izany famonjena izany,moa ve isika tsy afaka ny hamela ny helony koa? Tsy mora hoy aho ary averiko foana fa tsy maintsy miaraka amin'ATRA isika vao mahavita izany.

ahoana ny ataonao hamela azy ve ianao sa ahoana?

Dia miverina ny fanontaniana hoe : nangataka famelankeloka tamin'ATRA tamin'ny ratsy rehetra nataontsika ve isika? nino azy sy mino azy tokoa ve isika fa voavela ny helontsika?
Raha eny ny valiny dia eny koa no amaliako azy aminao.

Avia hifandahitra amiko hoy ny Tompo(lazao ahy avokoa ny zavatra fantatrao fa tsy nety nataonao tamin'ny fiainana ka angatahinao fifonana sy famelankeloka ary fanasitranana aty Amiko : ara-panahy ) fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala
Ny vaovao mahafaly zaraiko ho antsika androany dia hoe:
[b] Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana FA IZAHO NO ANOME ANAREO FITSAHARANA [b]
Omeo Azy avokoa ny entana mavesatra ao amin'ny fiainanao( na ara-bola,ara-pitiavana,tokantrano,fanambadiana,tsy finoana ,na inona na inona izany) fa any amiNy irery ihany no fanalahidin'ny fiainantsika
Amena
18. niryna ( 19/07/2011 16:33)
niryna:


Nijangajanga tany ny vadinao,dia avy eo izy nitantara ny zava-nisy rehetra ary mifona sy mibebaka aminao,

Eto amin'izay no manomboka ny fizaranao ny tenin''ATRa ho azy
Moa ve izy mahafantatra an'ATRA?
Moa ve izy nivavaka nangataka famelankeloka tamin'ATRA ary niaiky tokoa fa mpanota tsy mendry izy ?
Dia anjaranao no mandray ny fifonany sy mampianatra azy ny fifandraisany amin'ATra, ny famonjena nomeny antsika avy amin'ny Zanany ka hampianatra azy fa omeny ho tantanan'ATra amin'izay ny fiainany fa tsy avy amin'ny tenany irery ihany ary eo no manomboka ny fianakaviana mifampitrotro ambavaka ny tokantrano ka mametraka an'i kristy ho mpitondra ny tokantranony .Tsy mora hoy aho indray fa mila vavaka tora-po( fa tsy tsianjery )


19. Maranatha ( 20/07/2011 05:54)

Namana rehetra:


Misaotra anareo rehetra ny @ fanomezana torohevitra ny amin'ny famelan-keloka. Lalana iray ao anatin'ny fidirana ho amin'ny FAHATANTERAHANA tokoa mantsy izy io.
Maro no voalaza t@ torin-teny teo an-tendrombohitra fa santionany ihany iny ka hoy ny Tompo ao @ Jaona 15:2 "Ny sampany rehetra izay tsy mamoa dia hesoriny, fa izay mamoa kosa dia hamboariny mba hamoa bebekokoa"
Koa dia mahereza ary isika rehetra mab hamoa bebekokoa!

[/quote]
[/quote]
20. RBNIR ( 22/07/2011 12:52)

Bichette:

Raha mijangajana ny iray vao afaka misaraka.ENY. izay ihany. ao anatin'izany anefa dia omena chance ilay nijagajanga, eto no miditra ny famelankeloka dia jerena raha nibebaka marina teo anatrehan'Atra. raha olona tsy mbola manana an'Atra ilay nijangajanga dia ampianarina izy hahalala an'Atra misimisy kokoa, ary haseho azy fa tena tsy mety ny nataony eo anatrehan'Atra, dia entanina izy hibebaka ka tsy hanao intsony, ampiana izy sns, ao anatin'izany anefa dia TSY HELOINA mihitsy izy fa tenenina tsara fotsiny hoe tsy mety ny nataony ka tarihina izy hibebaka eo anatrehan'Atra sy mangataka mba homen'Atra hery tsy hilatsahany intsony, homen'Atra hery hisarahana amin'ilay "birao". ao anatin'ny Cheminement izay, mety mbola tafalatsaka izy - tonga amin'ilay hoe hamala heloka foana ve ? - fa ilaina ny entretien amin'ny olona "azo antoka tsara sy tena ao amin'Atra" tanteraka. dia ampiana foana izy mandritry ny andro maromaro, fantarina ny antony nanaovany izany raha "fatotra" ho azy ilay izy ka sarotra aminy ny miala aminy,

Faly miarahaba namana,
Ary bichette v nijery ilay fandaharana sa ahoana marina e! sa nampianarin'i Jesosy mivantana koa????

Samy tahin'i Jesosy indray namana a!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1272