Vato namelan-kafatra:mora ve ny mamela heloka?
23. bichette
(
26/07/2011 09:42)
RBNIR:
Faly miarahaba namana,
Ary bichette v nijery ilay fandaharana sa ahoana marina e! sa nampianarin'i Jesosy mivantana koa????
Samy tahin'i Jesosy indray namana a!
fandaharana inona izany ? nampianarin'i jesosy mivantana ka !
24. bichette
(
26/07/2011 09:43)
RBNIR:
bichette mantsy tsy eto mada raha tsy diso aho e??
Samy ho tahin'ny Tompo e,
ie, tsy ao mada aho ;-) fa aona ?
25. RBNIR
(
26/07/2011 09:51)
bichette:
fandaharana inona izany ? nampianarin'i jesosy mivantana ka !
Faly miarahaba bichette,
Fandaharana aty mada izany bichette a! gaga aho fa betsaka tamin'ny fahamarinana nampianarina tao no fantatrao sy hainao tsara ny nanazava azy (anisany ilay resaka maha olona : vatana, aina ary fanahy).
Mahafinaritra e,
Samy ho tahin'i Jesosy indray
26. niryna
(
01/08/2011 04:42)
bichette:mitovy hevitra aminao koa aho
na inona na inona dia ilaina foana ny mi consulter an'i Tompo amin'ny toe-javatra rehetra. Ny ny amin'ny fanapahan-kevitra tokony horaisina ao anatin'ny vavaka. avy eo ny Fanahy Masina no mitarika ny olona amin'ny hevitra raisina. Fa na inona na inona dia MILA mivavaka hatrany manontany anAndriamanitra satria "chaque cas est unique" ary ny Tompo ihany no mahalala ny tena marina, ny momba ny tsirairay.
27. bichette
(
03/08/2011 06:52)
RBNIR:
bichette:
fandaharana inona izany ? nampianarin'i jesosy mivantana ka !
Faly miarahaba bichette,
Fandaharana aty mada izany bichette a! gaga aho fa betsaka tamin'ny fahamarinana nampianarina tao no fantatrao sy hainao tsara ny nanazava azy (anisany ilay resaka maha olona : vatana, aina ary fanahy).
Mahafinaritra e,
Samy ho tahin'i Jesosy indray
hihihi !!!! izany no maha Fanahy Masina iray ihany no miasa ;-) mahafinaritra izany !
28. bor2lais
(
03/08/2011 11:00)
Mahatsikaiky koa ange RBNIR ity e ! :-)
H.S
Ary sao dia naka sopapa any @ bichette kosa ary ilay mpampianatrao ry RBNIR a !!! :-)
H.S tapitra

29. RBNIR
(
03/08/2011 11:26)
bor2lais:
Mahatsikaiky koa ange RBNIR ity e ! :-)
H.S
Ary sao dia naka sopapa any @ bichette kosa ary ilay mpampianatrao ry RBNIR a !!! :-)
H.S tapitra
Faly miarahaba namana,
H.S tapitra (tsy mahaso miteny intsony v no dikany namana???:-)
Mbola betsaka ny marina tsara ho fantantsika namana isany,
Ary tsarovy ihany koa hoe tsy ny mahafantatra fotsiny no takian'ny Tompontsika fa rehefa fantatsika ny marina dia mila mandray fanapahakevitra avy hatrany hanao ny marina isika. Ohatra iray ilay nozarain'i bichette e! ny maha olona dia vatana aina ary fanahy dia tsy tokony hanohitra intsony rehefa mahafantatra fa mandray amin'ny fo madio. Izay ihany anie no takian'Andriamanitra e! ny fanekenao ny marina sy ny andraisanao azy.
Indraindray mila manao dingana satria mety ho mafimafy ny miala amin'ny tsy marina nitaizana an-tsika, nefa raha izay ve no fiainana mandrak'izay maninona moa???
Samy ho tahin'ny Tompo namana isany
30. bor2lais
(
03/08/2011 13:03)
RBNIR:
H.S tapitra (tsy mahaso miteny intsony v no dikany namana???
Ny H.S nosokafako no nofaranako teo ka ! :-)

Somary mifanjevo amiko ihany ny fanazavanao izany RBNIR a !
Angaha moa tsy tokana ihany Ilay marina arahin'ny Kristiana ? Ary ny antsoina hoe Kristiana ve tsy efa manaiky sy mandray Azy ho Tompo ka Izy no anankinana ny fiainana ! Izany hoe olona manana ny fiadanaNY ao aminy ka tokony hizara izany fiadanana izany koa amin'ny hafa fa tsy hampitebiteby azy indray sanatria ! :-)
Sa inona ireo marina be dia be teneninao eo ambony io !
Fomba fandraisako sy fijeriko izay lazainao io a ! Mety ho diso aho angamba ka ialako tsiny mialoha ! :-)
31. RBNIR
(
03/08/2011 13:50)
bor2lais:
Angaha moa tsy tokana ihany Ilay marina arahin'ny Kristiana ?
Tokana ihany tokoa ny marina namana, fa saingy ilay marina tokana no tokony iharahan'ny kristianina manaiky, ohatra eto izao ilay hoe mamela heloka. Raha ara-baiboly dia izao no voasoratra :« * [*Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo] » (Marka 11:26)
« Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. » (Lioka 11:4)
Mazava B ireo raha tian-tsika ny ho voavela heloka dia tokana ihany no atao: mila mamela ny heloky ny hafa isika.
Ny kristianina rehetra araka izany dia tokony hiaraka hiaiky fa ny famelana ny heloky ny hafa ihany no ahazoana famelan-keloka amin'Andriamanitra. Izay ilay hoe fanekena ny "marina tokana".
Ohatra faharoa koa ny hoe maha olona dia vatana aina ary fanahy, dia tokony ho izay no eken'ny kristianiana rehetra satria izay no voasoratra ao anaty Soratra Masina. Nefa misy mampianatra hoe vatana sy aina fotsiny ihany (toy ny biby), misy koa aza hafa mihitsy no lazainy.
Ilay "betsaka" voalazako tery ambony dia satria mbola misy marina hafa voasoratra ao anaty Soratra Masina tokony ho fantarin'ny kristianina rehetra satria mbola mampizarazara ny olona nefa tokony ilay voasoratra ihany iarahana manaiky mba tsy hanaovana diso.
Hoy tokoa mantsy ny Soratra Masina namana hoe « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)
Araka izany dia raha te ho marina eo anatrehan'Andriamanitra isika mila manao ilay marina tokana dia tsy inona fa ilay voasoratra ao anaty Soratra Masina ihany e.
Izay voasoratra ihany anie no tena avy amin'Andriamanitra e!
Ireto no porofo manamarina izany :
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
Izay ilay izy namana, manantena aho mba hazava aminao amin'izay.
Samy ho tahin'i Jesosy namana
32. bichette
(
03/08/2011 14:35)
bor2lais:
RBNIR:
H.S tapitra (tsy mahaso miteny intsony v no dikany namana???
Ny H.S nosokafako no nofaranako teo ka ! :-)
RBNIR:
Mbola betsaka ny marina tsara ho fantantsika namana isany,
Ary tsarovy ihany koa hoe tsy ny mahafantatra fotsiny no takian'ny Tompontsika fa rehefa fantatsika ny marina dia mila mandray fanapahakevitra avy hatrany hanao ny marina isika. Ohatra iray ilay nozarain'i bichette e! ny maha olona dia vatana aina ary fanahy dia tsy tokony hanohitra intsony rehefa mahafantatra fa mandray amin'ny fo madio. Izay ihany anie no takian'Andriamanitra e! ny fanekenao ny marina sy ny andraisanao azy.
Indraindray mila manao dingana satria mety ho mafimafy ny miala amin'ny tsy marina nitaizana an-tsika, nefa raha izay ve no fiainana mandrak'izay maninona moa???
Somary mifanjevo amiko ihany ny fanazavanao izany RBNIR a !
Angaha moa tsy tokana ihany Ilay marina arahin'ny Kristiana ? Ary ny antsoina hoe Kristiana ve tsy efa manaiky sy mandray Azy ho Tompo ka Izy no anankinana ny fiainana ! Izany hoe olona manana ny fiadanaNY ao aminy ka tokony hizara izany fiadanana izany koa amin'ny hafa fa tsy hampitebiteby azy indray sanatria ! :-)
Sa inona ireo marina be dia be teneninao eo ambony io !
Fomba fandraisako sy fijeriko izay lazainao io a ! Mety ho diso aho angamba ka ialako tsiny mialoha ! :-)
mdrrrrrr !!! sao dia naka sopapa taty marina reto a ! mmddddrrrrr !!!!
ié, tsy tokony hifaly amin'ny fahafantarana ny fahamarinana fotsiny isika fa mihetry amin'izay fahamarinana izany.
OHATRA : tena resy lahatra rehefa avy nivavaka fa mila manaja ny andro sabata ... oupssss !!!! andraso ovaiko ny ohatra fa sao lasa discussion be eto indray ity resaka ity (hihihihi) ; ohatra hoe noresen'i Fanahy Masina lahatra fa tena ratsy dia ratsy sy tena tsy ankasitrahan'Andriamanitra mihitsy ny mijangajanga, tena misokatra ny masom-panahy fa tena meloka eo anatrehan'Atra. Dia tena tohina ny fo, tena bouleversé tanteraka fa tena mibabo tanteraka fa tena tsy sitrak'Atra mihitsy. Eo amin'izay ilay ady ; Anefa ny fo sy ny vatana amin'ny maha-olombelona tia ilay olona iray foana. AVY HATRANY TOKONY HANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA HENTITRA NY "AME" eo amin'ny lafin'ny "volonté" ; hazavaiko :
Nibitsika tao am-po ny Fanahin'Atra fa tena meloka ny fijangajangana. marina fa isika noharian'Atra mitovy endrika aminy, misy fahendrena voajanahary ao anatintsika mahalala fa misy mety tsy mety eto antany, misy zavatra azo atao sy tsy azo atao, ohatra hoe na dia olona tsy manana sy tsy mahalala an'Atra aza dia manana notion hoe tsy tsara ny mangalatra, ny tsara ny mandainga. Ny degré-ny no tsy takany fa misy "fond" mahalala ihany ny tsara sy ny ratsy.
ka ilay olona nobitsihin'ny Fanahy masina io, fantany fa tsy tsara ny mijangajanga fa sendra tamin'ny fotoana iray tena nosokafan'i Fanahy masina ny masom-panahiny ary tena nahita fa tena ratsy dia ratsy ny mijangajanga. tena tohina ny fony, tena mi decouvrir izy ny maha horera izany, indrindra koa moa raha namaky izy ny ohabolana 5 sy ny 6 ao anaty baiboly ka nisy DECLIC tao aminy.
Dia mibitsika ny fanahy Masina, miteny ny fanahin'ilay olona. dia toa izao no miseho :
- Fanahy Masina : miteny ny fanahy fa tsy mety ny mijangajanga, ary koa mandresy lahatra fa mila hialana haingana dia haingana
- Eo amin'ny ame : ny intelligence mahita fa ny fahendrena tokoa dia miala , ny sentiment anefa mandà, tsy te hiala amin'ilay olona iray hafa satria tia, malahelo ny emotion mieritreritra hoe mila hialana ve izany ity olona iray ity, misalasala be ny volonté, sarotra ny manao choix
- eo amin'ny nofo : mitaky ilay janga ny nofo satria efa zatra sy nahazo fahafinaretana tao anatin'izany. tsy te hahalala fa mitaky ny sakafony izy.
===> miady mafy ny tena hoe inona no atao, mahalala ny tokony atao anefa toa mafy izy izany. dia sahirana amin'izay ilay olona hoe ahoana ity !!!!
Eto no mitranga ilay hoe manao CHOIX ! iza no harahina ? iza no manan-danja ? safidin'ilay olona amin'izay sisa. izany no mahatonga ilay hoe Atra mampiseho, manoro fa anjaran'ilay olona no misafidy ny lalany avy eo.
raha olona mahavatra mivavaka izy mangataka hery avy amin'Atra, sy tena maniry ny hiala, sy misafidy fa hanatombo ny ara-panahy ao aminy dia voatsindry ny ara-nofo, mandresy lahatra ny "ame" (intelligence, emotion, volonté) ny fanahy haka ny SAFIDY TSARA.
ao anatin'izany anefa, ilay emotion marary satria malahelo, ny sentiment malahelo. ny nofo koa etsy andaniny mitaky ihany.
Dia miverina amin'ilay tenin'ny RBNIR etsy ambony manao hoe "fa rehefa fantatsika ny marina dia mila mandray fanapahakevitra avy hatrany hanao ny marina isika" : rehefa tena mibitsika ny Fanahy masina dia TOKONY HANARAKA ISIKA. Hijaly ny "ame" sy ny "nofo", harary izy, misy ny ady, fa tokony hanaraka ny tenin'Atra isika. izay ny vokatry ny fahotana.
Maro ny olona otran'izany, mahare marary dia mihaotra hoe "marary izy izany fa tohizako kely aloha ny jangajanga fa toa tena mijaly loatra aho, rehefa tena tokony hialako ve tsy hanome hery ahy Atra ? " ENY manome hery Andriamanitra, fa ilay olona tokony tena haka DECISION SY HISAFIDY MANAO CHOIX NY HANARAKA NY TENIN'ANDRIAMANITRA na dia marary dia marary aza. Matoa marary misy ady ao. normal tsara mihitsy. fa ilay olona maka decision iny, marary fa omen'Atra hery hahazaka sy tsy ho lavo mihitsy. Fa tsy hoe miandry hoe omen'Atra hery dia tena tsy marary mihitsy dia amin'iny no miala ho azy satria izay no sitrak'Atra : TSIA.
ny zavatra hongotana marary, rehefa misy ny ady dia marary, rehefa misy zavatra mifanandrina dia marary. marary ny sevrage (hihihi)
Mila tena mijoro ny "ame" mandray fanapahankevitra ny VOLONTE hoe : na dia mikonaina sy marary aza ny sentiment dia ny Fanahy no henoko.
dia averiko , eto no mila mifady hanina sy mivavaka.
33. bichette
(
03/08/2011 14:51)
sarotra ny mandray fanapahan-kevitra , ohatra hoe olona zatra mihinana 1kg-nà vary isan'andro, raha hahena iny dia mijaly kely aloha ny vatana mandritra ny andro vitsivitsy ; ny olona tena accro ny tv, dia sarotra aminy mihitsy ny manena izany, mijaly tena mila volonté ferme mihitsy ; ny olona mifoka sigara, sarotra sy mijaly ny vatany fa ny volonté mahery tsara dia vitany.
izay no mahatonga hoe aleo tsy manao na manandrana akory (toaka, rongony sns) satria ny miala avy eo mafy be. "izay hafafin'ny olona no jinjainy" ary valable io na amin'inona na amin'inona. Efa lalàna napetrak'Atra mihitsy io.
Ny vokatry ny fahotana koa dia marary an ! ka aoka isika tena hendry tsara e !
Araraotiko koa, fa ny momba ny famelan-keloka koa toa izany, maro ny tsy mamela satria hono tena mbola tohina ny fo. DECISION ny famelan-keloka fa tsy EMOTION akory. diso mihitsy isika raha miteny hoe "andrasako tena vonona sy afaka ny foko vao mamela aho" TSIA. misafidy isika ny hamela ary Andriamanitra manome antsika ilay Hery sy mitantana antsika hatramin'ny farany mba ho tena TOTAL ny famelan-keloka. Marary, eny, mandalo amin'izany fa fanamboarana daholo izany.
Miresaka fanamboarana, rehefa mangataka koa hoe "amboary aho Jesosy" misy marary kely eo satria manefy ny Tompo, manongotra, manala ny maloto, mikosoka fa kosa raha tena te hiova isika ka mangataka ny herin'Andriamanitra dia homeny. Mampahatsiaro ahy ilay soratra masina manao hoe "ny zavatra rehetra miara miasa hahasoa izay rehetra tia an'Atra" Romana 8 : 28.
izay indray aloha fa sao tsy mety tapitra ny soratra eto an ! lollll

34. RBNIR
(
03/08/2011 15:01)
bichette:
mdrrrrrr !!! sao dia naka sopapa taty marina reto a ! mmddddrrrrr !!!!
izy kosa aloha efa ela no nitory e (efa aman-taonany), ilay lohahevitra mahaolona nosokafan'i rijadolly (raha tsy diso aho) namelabelaran'i bichette an'ilay vatana aina fanahy iny ngeh vao haingana kosa e,
Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray aloha e!
35. bor2lais
(
04/08/2011 11:11)
RBNIR:
Tokana ihany tokoa ny marina namana, fa saingy ilay marina tokana no tokony iharahan'ny kristianina manaiky, ohatra eto izao ilay hoe mamela heloka. Raha ara-baiboly dia izao no voasoratra :« * [*Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo] » (Marka 11:26)
« Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. » (Lioka 11:4)
Mazava B ireo raha tian-tsika ny ho voavela heloka dia tokana ihany no atao: mila mamela ny heloky ny hafa isika.
Ny kristianina rehetra araka izany dia tokony hiaraka hiaiky fa ny famelana ny heloky ny hafa ihany no ahazoana famelan-keloka amin'Andriamanitra. Izay ilay hoe fanekena ny "marina tokana".
Ohatra faharoa koa ny hoe maha olona dia vatana aina ary fanahy, dia tokony ho izay no eken'ny kristianiana rehetra satria izay no voasoratra ao anaty Soratra Masina. Nefa misy mampianatra hoe vatana sy aina fotsiny ihany (toy ny biby), misy koa aza hafa mihitsy no lazainy.
Ilay "betsaka" voalazako tery ambony dia satria mbola misy marina hafa voasoratra ao anaty Soratra Masina tokony ho fantarin'ny kristianina rehetra satria mbola mampizarazara ny olona nefa tokony ilay voasoratra ihany iarahana manaiky mba tsy hanaovana diso.
Hoy tokoa mantsy ny Soratra Masina namana hoe « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)
Araka izany dia raha te ho marina eo anatrehan'Andriamanitra isika mila manao ilay marina tokana dia tsy inona fa ilay voasoratra ao anaty Soratra Masina ihany e.
Izay voasoratra ihany anie no tena avy amin'Andriamanitra e!
Ireto no porofo manamarina izany :
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
Izay ilay izy namana, manantena aho mba hazava aminao amin'izay.
Misaotra anao niezaka nanazava ! Izaho mihitsy angamba no sarotra mahazo resaka satria ny fahitako azy dia samihafa ny "famaritantsika" ny hoe "marina" ! :-)
bichette:
... Mila tena mijoro ny "ame" mandray fanapahankevitra ny VOLONTE hoe : na dia mikonaina sy marary aza ny sentiment dia ny Fanahy no henoko...
... Ny vokatry ny fahotana koa dia marary an ! ka aoka isika tena hendry tsara e ! ...
... rehefa mangataka koa hoe "amboary aho Jesosy" misy marary kely eo satria manefy ny Tompo, manongotra, manala ny maloto, mikosoka fa kosa raha tena te hiova isika ka mangataka ny herin'Andriamanitra dia homeny. Mampahatsiaro ahy ilay soratra masina manao hoe "ny zavatra rehetra miara miasa hahasoa izay rehetra tia an'Atra" Romana 8 : 28.
Misaotra anao nanome sopapa "lalina dia lalina" ! :-)
36. Bichette
(
04/08/2011 13:30)
ny hoe "marina" anie dia misy fahamarinana maro e !
misy ny "marina" sy ny "Marina". "marina" tsotra sy ny "Marina" izay fahamarinana avy amin'Atra. Ka io Marina ilay fahamarinan'Atra ny ahy no lazaiko fa izay "marina" araky ny fijerin'ny olona tsy rarahiko loatra

37. bor2lais
(
04/08/2011 13:59)
bichette:
ny hoe "marina" anie dia misy fahamarinana maro e !
Vao maika tafiditra any "Tsiafajavona" isika izany ! :-)
bichette:
misy ny "marina" sy ny "Marina". "marina" tsotra sy ny "Marina" izay fahamarinana avy amin'Atra. Ka io Marina ilay fahamarinan'Atra ny ahy no lazaiko fa izay "marina" araky ny fijerin'ny olona tsy rarahiko loatra
Ka io "Marina" io indrindra no resahiko, misy maro ve ?