Ahoana no hamalianao ny olona raha manontany anao izy ireo?

1. niryna ( 07/07/2011 16:27)
Tato ato dia lasa toa mivoana tsikelikely ny fampianarana soratra masina,manjary lasa mahamonamonaina indray aza e.Ny antony : lasa ilay fiangonana sy ny rafitra ao aminy no lazaina ka rehefa tsy manaraka izany ny olona dia tsy izy izay e.

Izany hoe na kristiana na tsy kristiana fa tsy misy ny eo afovoany.Rehefa tonga any an-danitra dia tsy misy hoe ity ny sezan'ny pentekotista na ny batista na ny fjkm na ny loteriana
Ny tokony ho valiny izany raha misy olona manontany antsika dia hoe kristiana aho fa tsy hoe kato aho,pente na lote.
Lasa ilay anaram-piangonana no mibahana sy anavahana ny maha kristiana dia lasa pejy lavabe omena ny rafitry ny maha fiangonana misy anao no zaraina eto fa tsy ilay hoe mino an'i kristy maty teo ambonin'ny hazo fijaliana aho,mino azy aho fa izy no nisolo ny fahotako ary ny diakampony no nanasitranana ahy,mino azy fa mpamonjiko sy mpanavotra ahy izy ary mino azy ihany koa fa nitsangana tamin'ny maty izy ary mino ny fiverenana sy ny fitsarany aho.
Misy teny ve manambara fa raha mihinana izao isika dia tsy mahazo famonjena ?
Misy teny ve manambara fa raha tsy manao izao sy izao isika dia tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra?( tandremo aza sao ampifangaroana ny hoe ny fisotroana mahamamo,ny fijangajangana,ny fo maloto sns raha tsy mibebaka,raha tsy mibebaka hoy aho ) ....na inona zavatra ataontsika ka tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra no tiako lazaina eto.
Kanefa Atra be fitiavana izy ka raha mibebaka sy miaiky ny fahotantsika isika dia tsy ho tsaroany intsony izany
Derao Atra amin'ny hira sy valihy,amin'ny andronao rehetra:raha tsy afaka miangona hianao afaka midera aza,raha tsy afaka ny sabotsy hianao derao izy ny alahady

Noho izany aoka re tsy ampitahorana ny afobe ,ny tsy fandehanana miangona ny sabotsy ny olona e.Mitondra antsika ho aiza re ny fampidirana ny zavatra noratovintsika kanefa tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra sy tsy anova ny fon'ny olona fa ampandositra azy ireo?

Ataoko fa Izy Irery no mahalala ny ao ampon'ny tsirairay raha resaka famonjena satria izay rehetra mino ny Anarany no ho vonjena
Ho azy irery ihany any ny voninahitra. Ny fahasoavan'ilay Tompo mahery anie ho ao amintsika tsirairay avy.Amena!
2. bor2lais ( 08/07/2011 15:11)
Izany hoe :
"Ahoana no hamalianao ny olona raha manontany anao izy ireo?"
Valiny : Torio ny Vaovao Mahafaly izy fa tsy vaovao mampitahotra ! :-)
3. bichette ( 12/07/2011 11:43)
Ao Madagasikara dia tena efa maro ny fiangonana manao zava-mahagaga. maro ny mihazakazaka mankany satria te ho sitrana, te hanambola sns. tandremo ihany ry havako
4. RBNIR ( 12/07/2011 14:02)
Faly miarahaba namana isany,
Ny hamaliana azy dia hoe : « Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16).
Io vaovao io no tokony hahafaly satria manaporofo fa tena tian-tsika Andriamanitra.
Saingy tokony tsy hoadinoina ihany koa ny manambara aminy hoe raha tsy mandrosy izy dia mampalahelo satria miandry azy indray kosa ny "helo" na koa ny afo maharitra mandrak'izay.

Apetraka mazava aminy ny safidy fa tsy tokony hisy hafenina ny marina na dia iray aza . Anjarany indray kosa, no misafidy na handray izy na tsia. Tsy terena ny fandraisana ny famonjena fa tena safidy malalaka io saingy adidin'ny mahafantatra ny mampahalala ny marina rehetra mba ahafahan'ny tsirairay mandinika tsara na handray izy na tsia.

Tsarovy fa i Jesosy Tompo anie no nitory ny atao hoe "helo" sy ny hoe "afo maharitra mandrak'izay e". Ka raha Izy aza nitory izany, inona no mahasakana an-tsika tsy hanao torak'izany koa??? moa mahay noho i Jesosy v isika ka hilaza indray aty aoriana hoe tsy tokony hotoriana izany????

Samy ho tahin'Andriamanitra indray namana isany




5. rekinbelo ( 13/07/2011 11:39)
Salama daholo, tsotra no avaliko namana,
Efa akaiky ny farany fa mila miova isika rehetra miorina tsara @ tenin'Atra fa efa atomotra sady tsy mitaredretra izy ity, efa tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra, ka aza variana miadi-hevitra sy ny anganonagao eo fotsiny.
tsy ny antoko misy anao no hanavotra anao fa ny fianoana anananao ihany sy ny toeranao eo anatrehan'ny Tompo
6. maranatha ( 14/07/2011 10:33)
Ho an'ny Namana rehetra:

Aza hadino anefa ny Tenin'ny Tompo ao @ Mat 7:21 hoe "tsy izay manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny SITRAPON'NY RAIKO IZAY ANY ANDANITRA"
Ka raha manontany ahy ny olona dia valiako tsotra hoe Ataovy ny sitrapon'Atra.
Ary raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy Mat 19:17 "Nahoana aho no anontanianao ny @ izay tsara iray ny tsara; fa raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy" dia manaraha an'i Jesosy Mat 19:21 ".....ary avia hanaraka ahy"
7. RBNIR ( 15/07/2011 08:00)

maranatha:

[quote= Ho an'ny Namana rehetra]
Aza hadino anefa ny Tenin'ny Tompo ao @ Mat 7:21 hoe "tsy izay manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny SITRAPON'NY RAIKO IZAY ANY ANDANITRA"
Ka raha manontany ahy ny olona dia valiako tsotra hoe Ataovy ny sitrapon'Atra.
Ary raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy Mat 19:17 "Nahoana aho no anontanianao ny @ izay tsara iray ny tsara; fa raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy" dia manaraha an'i Jesosy Mat 19:21 ".....ary avia hanaraka ahy"

Faly miarahaba namana isany,
Tena marina izany namana,
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany,

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra
8. niryna ( 19/07/2011 15:26)
bor2lais:

Izany hoe :
"Ahoana no hamalianao ny olona raha manontany anao izy ireo?"
Valiny : Torio ny Vaovao Mahafaly izy fa tsy vaovao mampitahotra ! :-)
Marina tokoa izany teninao izany: tsy ny fiangonana na ny izao sy izao no tokony atao(enidrika ivelany mifehy ny fiangonana fotsiny ireny satria samy manana ny fetra arahiny ny fiangonana ka izay no tsy mampitovy azy) satria tsy misy soratra mihitsy ao anatin'ny baiboly hoe tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra isika raha tsy mihinana izao na tsy mandeha amin'ny andro izay nofidian'ny fiangonana iray ho noheverina fa andro sabata,sombitsombiny alain'ny anarana fiangonana hanavahana ny maha izao sy izao azy ireny Satria Kristy no Sabata dia tokony ny hafatra nomen'i kristy no amenoana ny finoana
9. niryna ( 19/07/2011 15:31)
bichette:

Ao Madagasikara dia tena efa maro ny fiangonana manao zava-mahagaga.

mila mitandrina tokoa isika fa tsy fanasitranana ara-nofo no tena tadiavina fa ny fanasitranana ara-panahy ka izay miaraka amin'ny Fanahin'ATRA dia ahazo fanasitranana ara-panahy aloha vao mandeha ny ara-nofo(famonjena fanahy izany no tena zava-dehibe) satria satana koa dia afaka manasitrana saingy misy tambiny ny azy(fankana ny menaky ny aina any aoriana any rehefa mivavaka aminy ) maro ny mihazakazaka mankany satria te ho sitrana, te hanambola sns. tandremo ihany ry havako

ka raha sitrany ahay no hitadiavantsika an'ATRA dia hijaly noho ny tsy mpino isika satria ny tenin'ATRA no manambara fa [b] katsaho aloha ny fanjakan'ATRA dia hanampy anao izao rehetra izao.Mifantoka amin'ny fifandraisantsika aminy izany ny finoana fa tsy miankina amin'ny fombafomba( relationship fa tsy religious)
10. niryna ( 19/07/2011 15:41)
RBNIR:

Faly miarahaba namana isany,
Ny hamaliana azy dia hoe : « Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16).
Io vaovao io no tokony hahafaly satria manaporofo fa tena tian-tsika Andriamanitra.


Dia izay fitiavana nomeny antsika izay no aseo amin'ny asa ataontsika( ny fiainantsika,ny fiarahana amin'ny mpiara-monina,ny mpiara miasa.Satria fitiavana maimaim-poana io ka afaka mandray izany daholo isika rehetra .

Saingy tokony tsy hoadinoina ihany koa ny manambara aminy hoe raha tsy mandroso izy dia mampalahelo satria miandry azy indray kosa ny "helo" na koa ny afo maharitra mandrak'izay.
dia vao maika ho maizina azy ny tany aman-danitra raha resaka helo no ampitahorina azy ,amiko manokana aloha izany.Raha manazava azy ny fanjakan'ny lanitra isika,manambara ny fiarahana miaraka amin'i kristy mandrakizay rehefa miala ety noho ny finoana azy sy manaiky azy ho mpamonjy azy(eo vao afaka manazava isika hoe vonjena: vonjena amin'ny inona,inona moa izany afobe). Raha toa kosa ka hoe izay tsy manaraka ahy dia lasa any amin'ny afobe satria izaho kristiana ,miaraka amin'i kristy dia e,e, na haniry nify eo aza ny akoho dia tsy ahatarika olona hino an'i kristy isika .Fomba fijerika anefa io

Apetraka mazava aminy ny safidy fa tsy tokony hisy hafenina ny marina na dia iray aza . Anjarany indray kosa, no misafidy na handray izy na tsia. Tsy terena ny fandraisana ny famonjena fa tena safidy malalaka io saingy adidin'ny mahafantatra ny mampahalala ny marina rehetra mba ahafahan'ny tsirairay mandinika tsara na handray izy na tsia.
Raha izay dia afaka manazava ny lalana tokony alahantsika avy isika dia tsy atahotra an-dra afobe izany ny olona fa hisaintsaina ary miandry ny famindrampon'ATRA izy satria Izy no nifidy ny tsirairay izay lalana tokony alehany na nomeny fitiavana mitovy izao aza dia mbola nomeny safidy ihany
11. niryna ( 19/07/2011 15:45)
rekinbelo:

Salama daholo, tsotra no avaliko namana,
Efa akaiky ny farany fa mila miova isika rehetra miorina tsara @ tenin'Atra fa efa atomotra sady tsy mitaredretra izy ity, efa tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra, ka aza variana miadi-hevitra sy ny anganonagao eo fotsiny.
[U]tsy ny antoko misy anao no hanavotra anao fa ny fianoana[/U] anananao ihany sy ny toeranao eo anatrehan'ny Tompo

AMENA ! Dia ny finoana an' i Kristy Tompo IRERY IHANY izany
12. niryna ( 19/07/2011 15:49)
maranatha:


Aza hadino anefa ny Tenin'ny Tompo ao @ Mat 7:21 hoe "tsy izay manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny SITRAPON'NY RAIKO IZAY ANY ANDANITRA"
Ka raha manontany ahy ny olona dia valiako tsotra hoe Ataovy ny sitrapon'Atra.
Ary raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy Mat 19:17 "Nahoana aho no anontanianao ny @ izay tsara iray ny tsara; fa raha te hiiditra any @ fiainana ianao dia tandremo ny didy" dia manaraha an'i Jesosy Mat 19:21 ".....ary avia hanaraka ahy"
Angaha izy manao hoe tompoko tompoko,mampatahotra ny afobe izy,milaza fa ny fiangonana ihany no marina fa ny an'ny hafa tsy izy kanefa tsy voasoratra ao anatin'ny baiboly hoe raha tsy miangona ary hianao na ary dia tsy ho tonga any an-danitra na tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra : NY FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY NO AHAZOANA FAMONJENA FA TSY NY ANARAN'NY FIANGONANA
Mila mitandrina izany isika ka mila mamaky ny baiboly tsara satria ao anatiny ao ny fahamarinana sy ny valiny rehetra izay tadiavintsika.Ataovy izany ny fikarohana,mivavaha mba ny fanahy masina no anazava ny saintsika
13. Maranatha ( 20/07/2011 06:32)

niryna:

Angaha izy manao hoe tompoko tompoko,mampatahotra ny afobe izy,

Tsy mampitahotra anao ny afobe izy ka, fa tahaka ny "panneau" mitsatoka amoron-dalana tsy mihazona anao tsy handeha fa mampisain-tsaina anao izay lalana tokony hizoranao.
niryna:

milaza fa ny fiangonana ihany no marina fa ny an'ny hafa tsy izy kanefa tsy voasoratra ao anatin'ny baiboly hoe raha tsy miangona ary hianao na ary dia tsy ho tonga any an-danitra na tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra : NY FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY NO AHAZOANA FAMONJENA FA TSY NY ANARAN'NY FIANGONANA

Tsy diso izay teninao hoe: NY FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY NO AHAZOANA FAMONJENA FA TSY NY ANARAN'NY FIANGONANA.
Fa izao atao ahoana ny fahay raha tsy misy mampianatra? atao ahoana ny hino raha tsy avy amin'ny torin-tenin'ny Kristy? Ny jamba va hahatarika ny jamba ka tsy hiaraka hivarina any an-kady izy roaroa?
niryna:

Mila mitandrina izany isika ka mila mamaky ny baiboly tsara satria ao anatiny ao ny fahamarinana sy ny valiny rehetra izay tadiavintsika.Ataovy izany ny fikarohana,mivavaha mba ny fanahy masina no anazava ny saintsika

Io teny io mitodika amin-tsika tsirairay, amiko dia aminao koa, " Ny maso no jiron'ny tena ka raha tsara ny masonao dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. fa raha ratsy ny masonao dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny fahalehibiazan'izany fahamaizinana izany"

Mahereza ise!
14. niryna ( 20/07/2011 16:39)

niryna:

Angaha izy manao hoe tompoko tompoko,mampatahotra ny afobe izy,
Maranatha:

Tsy mampitahotra anao ny afobe izy ka, fa tahaka ny "panneau" mitsatoka amoron-dalana tsy mihazona anao tsy handeha fa mampisain-tsaina anao izay lalana tokony hizoranao.

Satria io resaka afobe io foana no hisarihana ny olona ka,raha tsy mino hianao dia mandeha any amin'ny afobe.Moa ve ireo olona rehetra miantso tompoko tompoko ireo tokoa manantanteraka izay teny nampitondraina azy? ny sakafo na mihinana na tsy mihinana dia tsy ahavery,ny finoana raha terena dia vao maika mandositra ny olona ka,ny fihetsika ,ny fiteny,ny fitiavana aseho azy ireo ombieny ombieny no iray hitarafana fa mpianatry ny Tompo isika.

niryna:

milaza fa ny fiangonana ihany no marina fa ny an'ny hafa tsy izy kanefa tsy voasoratra ao anatin'ny baiboly hoe raha tsy miangona ary hianao na ary dia tsy ho tonga any an-danitra na tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra : NY FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY NO AHAZOANA FAMONJENA FA TSY NY ANARAN'NY FIANGONANA

Tsy diso izay teninao hoe: NY FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY NO AHAZOANA FAMONJENA FA TSY NY ANARAN'NY FIANGONANA.
Fa izao atao ahoana ny fahay raha tsy misy mampianatra? atao ahoana ny hino raha tsy avy amin'ny torin-tenin'ny Kristy? Ny jamba va hahatarika ny jamba ka tsy hiaraka hivarina any an-kady izy roaroa?
ka averiko indray fa ny Finoana an'i kristy irery ihany no ahazoana ny fanjakan'ny lanitra fa tsy ny hoe tsy maintsy manao izao,misy aza ny mamorona hoe tsy mahazo manao akanjo mena,mainty ,baoty sns.Iza no niteny an''izany? satria hoe mena an'i satana ,ny mainty ao anaty maizina.Kely ny finoana an,mila ariana daholo izany ireny akanjo ireny.Eny e,tsy mahafantatra ny tenin'ATra isika raha tsy misy mampianatra,saingy mila mitandrina koa ny fampianaran-diso.Vakio foana,foana ny baiboly dia ampitovio ny teny lazaina ao fa raha mivoana dia anjarantsika no mampiseho izany azy ireny.
niryna:

Mila mitandrina izany isika ka mila mamaky ny baiboly tsara satria ao anatiny ao ny fahamarinana sy ny valiny rehetra izay tadiavintsika.Ataovy izany ny fikarohana,mivavaha mba ny fanahy masina no anazava ny saintsika

Io teny io mitodika amin-tsika tsirairay, amiko dia aminao koa, " Ny maso no jiron'ny tena ka raha tsara ny masonao dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. fa raha ratsy ny masonao dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny fahalehibiazan'izany fahamaizinana izany"

Mahereza ise!

misaotra anao koa nizara
15. RBNIR ( 26/07/2011 06:11)
niryna:

dia vao maika ho maizina azy ny tany aman-danitra raha resaka helo no ampitahorina azy ,amiko manokana aloha izany.Raha manazava azy ny fanjakan'ny lanitra isika,manambara ny fiarahana miaraka amin'i kristy mandrakizay rehefa miala ety noho ny finoana azy sy manaiky azy ho mpamonjy azy(eo vao afaka manazava isika hoe vonjena: vonjena amin'ny inona,inona moa izany afobe). Raha toa kosa ka hoe izay tsy manaraka ahy dia lasa any amin'ny afobe satria izaho kristiana ,miaraka amin'i kristy dia e,e, na haniry nify eo aza ny akoho dia tsy ahatarika olona hino an'i kristy isika .Fomba fijerika anefa io
[quote]
Faly miarahaba namana isany,
Raha tsy ambaran-tsika mazava amin'ny olona ny momba ny helo sy ny Afo-be dia mety hitranga ny zavatra toy ity tantarain'ny hiran'i Fara Andriamamonjy ity ry namana isany:
http://www.youtube.com/watch?v=PoETuUe04wM&NR=1
Ny feo marobe ho heno etsy sy eroa dia hoe : fa dia nahoana kosa no dia tsy nambara anay ny fisian'ny helo sy ny Afo be, raha nampoiziko hoe nisy an'izany anie, naleoko ihany niaritra ny mafy teny an-tany e, naleoko ihany niaritra nanao ny sitrapon'Andriamanitra ary ireny miakatra ireny kosa mba ratsy fanahy e, izy nahafantatra nefa tsy niteny???
Ry namana malala isany, tianao v ny hisehoan'izany toe-javatra izany any am-parany any???? ho zakanao v ny hahita ireo olona marobe hitomany mafy satria nihemotra noho ny fizahan-toetra izay tsy maintsy andalovana????
Tsy fantan-tr'izireo tokoa mantsy fa raha mihemotra izy dia zava-doza no miandry azireo???
Isika dia miara-mahita fa marobe ireo kristianina izay mihemotra nohon'ny fizahan-toetra izay tsy maintsy andalovana.
Raha fantatr'izireo mazava v ry namana isany fa zava-doza anie ny mihemotra amin'ny finoana dia ho sahy hanao izany marina izy???
Izay anie no antony nampianaran'ny Tompo ny helo sy ny Afo-be ry namana isany e! tsy tiany hisy hanenina indray andro any.
Aoka re tsy ampianarin-tsika handray an-kafaliana ny olona namana fa kosa ampianarin-tsika handatsaka lalina ao am-pon'izireo e!

Samy ho tahin'ny Tompo indray isika rehetra.
16. RBNIR ( 26/07/2011 06:20)

« Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; » (Matio 13:20)
« nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy. » (Matio 13:21)
« Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. » (Matio 13:23)
17. diamondra27 ( 27/07/2011 08:25)
normalement aloha an sy ny fomba fanaoko hatr@izay dia tsy mba mamaly fahatany olona aho fa dia mangataka amin'Atra aho ny maraina mba ho Izy no hiteny sy hamaly fa tsy miankina @ fahalalako na izay tiako lazaina aman'olona no lazaiko.

Ny fomba famaly ny olona manontany anao dia tsotra:
rehefa vao hifoha dia mivavaha, apetraho @ Tompo ny andronao, Izy no hiasa ho anao, hanoro lalana ho anao, hanome teny aloakan'ny vavanao.



18. niryna ( 01/08/2011 00:37)
diamondra27:

normalement aloha an sy ny fomba fanaoko hatr@izay dia tsy mba mamaly fahatany olona aho fa dia mangataka amin'Atra aho ny maraina mba ho Izy no hiteny sy hamaly fa tsy miankina @ fahalalako na izay tiako lazaina aman'olona no lazaiko.
toro hevitra iray tokony ataontsika io,indrindra moa raha misy olana na misy teny tsy fantatrao na zavatra manalasala anao.Izy no hanoro anao sy hibitsika aminao mangina dia araho ny fahazavantsaina omeny anao.

Ny fomba famaly ny olona manontany anao dia tsotra:
rehefa vao hifoha dia mivavaha, apetraho @ Tompo ny andronao, Izy no hiasa ho anao, hanoro lalana ho anao, hanome teny aloakan'ny vavanao.

Eny ,fomba iray tokoa izany ary ny misaotra sy midera ary mankalaza ny anaraNy aza adino raha vao mifoha isika.
Mandritra ny andro iny na inona na inona manahirana anao dia hivavaho foana,aoka izay sitrapoNy no ho tanteraka ary ny fanahy masina no hanoro sy hitarika ny dianao fa mahomby foana ilay izy rehefa miankina amiNy amin'ny fiainanao rehetra hianao.Na misy hevitra manalasala anao dia apetraho eo am-pelantanany foana fa Izy no hanoro hevitra anao.
Ataovy anie ny fanandramana e

19. diamondra27 ( 03/08/2011 21:41)
niryna: efa nanadrana akia za fa mety a! merci
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1317