Mitia ny fahavalo ?

1. bor2lais ( 06/06/2011 14:48)
YDIFAS:

... mianatra manetry tena, mianatra mandefitra amin'ny zavatra rehetra, mitory ny Fahamarinana amin'ny olona rehetra, mianatra mitia ny fahavalo, mianatra mivavaka ho an'ireo izay mbola tsy ao am-balan'i Kristy, mianatra maharitra ny fakam-panahy... Izany rehetra izany no toetran'i Kristy ...

Ahoana ny fandraisanao izany mitia ny fahavalo izany ? Marihina fa tenin'i Jesoa tokoa io "tiavo ny fahavalonareo" io : ahoana no hanatanterahana izany ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara ! :-)
novalian'i Miharena ny 08/06/2011 14:56
2. Miharena ( 07/06/2011 04:51)
Rehefa fantatra fa voary mitovy amin'ny tena dia tokony hotiavina satria izay mahalala ny fahamarinana dia hahalala tsara fa nisy fahalavoana izay niteraka toetra tsy tiana hataon'ny tena eo amin'ny hafa. Ny fototry ny famonoana ny hafa dia fantatra fa fialonana sy fitiavan-tena diso fipetraka avokoa satria mihevitra ilay mpamono fa manana tombony kokoa noho izy ilay hafa jereny ary tiany ho azy izany tombony izany.

Noho izany dia tiavina araka ny tokony ho izy aloha ny tenantsika dia hahay hitia ny fahavalo isika satria hahay hizara fitiavana ho an'ny fahavalontsika izay tenantsika ihany koa fa diso fisainana fotsiny ihany.

Jesoa ohatra dia tsy nanohitra velively ny fanombohana teo amin'ny hazo fijaliana noho io fitiavana izay miady Aminy io. Izay niady Taminy dia nahazo fahafaham-baraka lehibe ary io fahatsapana io no nitarika fibebahana ho azy. Izay no vokatry ny fitiavana, miteraka fibebahana eo amin'izay nanam-pahadisoam-pijery.
3. bor2lais ( 07/06/2011 12:47)
Misaotra an'i Miharena amin'ny fandraisana anjara !
Miharena:

Noho izany dia tiavina araka ny tokony ho izy aloha ny tenantsika dia hahay hitia ny fahavalo isika satria hahay hizara fitiavana ho an'ny fahavalontsika izay tenantsika ihany koa fa diso fisainana fotsiny ihany.

- Inona no tianao lazaina amin'ilay hoe "tiavina araka ny tokony ho izy" ?
- Ka ahoana ny atao ahazoana mitia na mizara fitiavana amin'ny fahavalo ?
Miharena:

Jesoa ohatra dia tsy nanohitra velively ny fanombohana teo amin'ny hazo fijaliana noho io fitiavana izay miady Aminy io.

Midika ve izany fa tokony hangina na hilefitra hatrany manoloana ny tsy mety sy tsi-rariny ny Kristiana ? Dia tia ny fahavalo ve isika amin'izany ? :-)
Miharena:

Izay niady Taminy dia nahazo fahafaham-baraka lehibe ary io fahatsapana io no nitarika fibebahana ho azy. Izay no vokatry ny fitiavana, miteraka fibebahana eo amin'izay nanam-pahadisoam-pijery.

Ary inona no atao raha tahiny ka tsy mahatsapa ny fahadisoany izy ?
4. Miharena ( 07/06/2011 13:26)
Valim-panontaniana

Bor2lais:

- Inona no tianao lazaina amin'ilay hoe "tiavina araka ny tokony ho izy" ?
- Ka ahoana ny atao ahazoana mitia na mizara fitiavana amin'ny fahavalo ?


Ny fitiavan-tena manangona ho an'ny tena no mampitsilopy ny fiainam-panahin'ny olona ka zary lasa mitodika any amin'ny zava-poana tsy manome aina be dia be azy izy. Ny fitiavana ny tena amin'ny maha-zanak'Andriamanitra na tempolin"Andriamanitra azy kosa dia miteraka fanajana sy fahaizana mampiasa azy araka ny hitsiny ka hahazoana fitahiana manana amby hizarana amin'ny hafa na talenta hanasoavana ny hafa.

Ny mizara fitia amin'ny fahavalo dia ny tsy fiolonolonana rehefa mifanerasera amin'izireo fa mizara izay fahendrena ananana. Fa ny fahavalo voalohany tsy maintsy jerena dia izay tahirizin'ny tena nefa mandratra ny tena tsy hamiratra araka ny maha-tempolin'Andriamanitra ny tena.


Bor2lais:

Midika ve izany fa tokony hangina na hilefitra hatrany manoloana ny tsy mety sy tsi-rariny ny Kristiana ? Dia tia ny fahavalo ve isika amin'izany ? Ary inona no atao raha tahiny ka tsy mahatsapa ny fahadisoany izy ?

Ny tsy rariny dia miverina amin'izay nanao izany ihany. Io no nilazan'ny Tompo hoe loza ho an'izay niavian'ny fanafintohinana. Ny anjarantsika dia maneho hazavana hatrany ary raha mahay mikolokolo izany dia tsy ho laitran'ny hetraketraka ataon'ny olona maizin-tsaina. Manitsy isika Kristiana fa tsy manery ary rehefa tsy azo izay manao ny tsy rariny dia avela hanarin'ny Tompo. Izany hoe mivavaka ho azy dia efa fanampiana azy be dia be.

Ny hany mila hananana mandrakariva dia ny fandresena ny tahotra ka harani-tsaina tsara amin'ny fandoharana ny soa ao anatin'ny olona tsirairay avy na dia hita fa maizina aza ny fijery azy. Mila savaina izany ka na ny fiteny sy ny fihetsika hataontsika aza dia efa manome vokatra lehibe eo amin'ny fiovan-toe-tsaina eo amin'ny manodidina antsika na inona na inona fomba fisainany.


5. soanja ( 08/06/2011 02:03)
bor2lais:

YDIFAS:

... mianatra manetry tena, mianatra mandefitra amin'ny zavatra rehetra, mitory ny Fahamarinana amin'ny olona rehetra, mianatra mitia ny fahavalo, mianatra mivavaka ho an'ireo izay mbola tsy ao am-balan'i Kristy, mianatra maharitra ny fakam-panahy... Izany rehetra izany no toetran'i Kristy ...

Ahoana ny fandraisanao izany mitia ny fahavalo izany ? Marihina fa tenin'i Jesoa tokoa io "tiavo ny fahavalonareo" io : ahoana no hanatanterahana izany ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara ! :-)


Voalohany aloha dia mila manontany tena hoe " manam-pahavalo ve aho? Fantatro ve ny fisiany?" Raha fantatro io dia ny antony nisian'io no tokony jerevako akaiky sao io no manala ilay fisian'ny olon-tsy tia. Miasa amiko mandrakariva ve Andriamanitra?

Tantaraiko zavatra ianareo. Taloha elabe dia nisy toetra ratsy tokoa nataoko , izay tsy noraharahaiko akory ny nanaovako izany satria fantatro fa tsy hisy hahakasika izay momba ahy momba izany. Indray andro anefa dia nisy nitsangako fahavalo tamiko noho io toetrako io ary tena niady mafy mihitsy satria tsy mendrika ny zavatra nataoko. Tsy nahalala anefa aho fa fahavaloko ilay olona raha tsy ilay olona no niteny ary nampilaza tamiko fa izay izy.

Nanomboka teo dia nalahelo ny foko satria hay manam-pahavalo aho. Tsy natahotra azy akory aho fa nalahelo hoe raha misy olona eto ambonin'ny tany hankahala ahy sy ho fahavaloko dia izay no fara fahoriako satria ny namafy fitiavana no tokony nalehako ety an-tany fa tsy hizara alahelo. Hadinoko fa misy zavatra atao tokoa mety hanangananao fahavalo. Io no mila jerena akaiky hoe inona ary ahoana ny hialana amin'izany.

Taty afara dia niezaka nanao izay mety aho hialana amin'izany toetra ratsiko izany. Nahatsapa aho fa tsy mendrika ny hanana an'Andriamanitra aho raha mbola manohy an'io toetra io. Nivavaka mafy ho an'ireo olona nankahala ahy aho mba hanome azy ireo famindram-po Andriamanitra. Tsy nitaloha tany amin'izy ireo aho fa niezaka kosa aho nampiseho fa tsy mitana alahelo n'iza n'iza aho eny fa na dia ireo izay mihevitra fa fahavaloko izy. Tsy manam-pahavalo aho. Izay no filamatro fa ny hafa kosa afaka manana ahy ho fahavalo raha izay no tiany , saingy kosa hivavaka lalanadava ho azy ireo aho raha mbola azoko atao mba hisokatra ny masom-panahiny. Fantatro fa tia ahy tsy misy ohatr'izany Andriamanitra ary io no ampingako. Io no finoako.

Nahagaga fa taty afara dia io olona nilaza azy ho fahavaloko no nanome ny tanany horaisiko. Nanolotra ny momba azy ho fiahiako. Nilaza tamiko fa sitrany izy tamin'ny alahelony. Io fotoana io indrindra koa no nahafahako nifona taminy izay nampalahelo azy vitako. Teo no nahatsapako fa miasa isanandro Andriamanitra ary izy irery ihany no mahalala izay hahasitrana ny fon'ny hafa. Izy irery ihany no hanokatra ny mason'ny fanahintsika hanana famindram-po sy famelana. Izy irery ihany no manome fahafahana antsika ho olon'afaka. Olon'afaka isika rehefa milamina ny fiainantsika sy ny fanahintsika.

Na izaho na izay olona izay dia nahatsapa ny ahalehiben'ny fitiavan'Andriamanitra. Ny toetra ratsiko sitrana noho izay fananganana fahavalo izay, izy koa nahiratra fa ny fiovako no nampalefaka ny fony. Soa fa nisy ireo toetra isan-karazany satria raha tsy nisy ireo dia tsy nifandray izahay sy ilay namako izao!
6. Miharena ( 08/06/2011 05:21)
Miarahaba an'i zoky Soanja! efa elaela ihany izay an!

Marina tokoa io tantara lazainao io ary io no nanaovan'ny Tompo hoe raha misy mamelaka ny takolakao ankavia, dia omeo azy koa ny an-kavanana. Midika izany fa tsy manohitra azy no mahafoana ny olana fa ny maneho izay tsy azony tohizana fotsiny ihany. Satria tokoa moa raha misy izany tranga izany ka tena miteny aminy ianao hoe ity koa ny ankavanana felaho, dia mety hihahotra tanteraka ilay fahavalo namely ka ho tonga saina tampoka hoe, hay olona tsy hanohitra ahy ity manoloana ahy ity fa be fitiavana. Miampita ho azy avy eo ilay fahazavanao ka ho lasa ho namanao indray izy.
7. bor2lais ( 08/06/2011 08:04)
Miarahaba an'i soanja miverina mandray anjara eto indray !
Misaotra amin'ny "témoignage".
Ny isan'ny azoko tsoahina amin'ny voalaza dia ny maha zava-dehibe ny fifanakalozana na "dialogue" : sady manamaivana ny ao am-po izany no mety hampiova ihany koa ny roa tonta !
miharena:

Marina tokoa io tantara lazainao io ary io no nanaovan'ny Tompo hoe raha misy mamelaka ny takolakao ankavia, dia omeo azy koa ny an-kavanana. Midika izany fa tsy manohitra azy no mahafoana ny olana fa ny maneho izay tsy azony tohizana fotsiny ihany. Satria tokoa moa raha misy izany tranga izany ka tena miteny aminy ianao hoe ity koa ny ankavanana felaho, dia mety hihahotra tanteraka ilay fahavalo namely ka ho tonga saina tampoka hoe, hay olona tsy hanohitra ahy ity manoloana ahy ity fa be fitiavana. Miampita ho azy avy eo ilay fahazavanao ka ho lasa ho namanao indray izy.

Notsipihako ilay hoe mety !
Tokony hitandrina ihany fa mety hisy "dérive" ny fanarahana ara-bakiteny azy io. Rehefa nahazo felaka ny ankavia dia mba anontanio ihany ny antony (io ilay dialogue) alohan'ny anomezana indray ny ankavanana (mariky ny fanekena fa diso). :-)
8. Miharena ( 08/06/2011 08:39)
Rehefa tena tsy matahotra anie Bor2lais miatrika izay heverina ho fahavalo dia hanaraka ho azy izay fahazavana atosakao eo izy e! Ankoatr'izay moa dia tsy misy ny fahavalo raha ny marina fa ny tsy fitovian-kevitra no misy. Ilaina tokoa amin'izay ilay dialogue lazainao. Fa ny mampalahelo fotsiny dia tsy mandeha ilay dialogue raha tsy efa mandeha aloha ilay fifampikasohana somary mafimafy avy any amin'ny ankilany.

Raha tena zohina ny marina dia ireo izay maizin-tsaina no manam-pahavalo fa tsy ny olona mazava fo.
Ka tokony hialana amin'izay ity resaka fahavalo ity izay tsy misy akory rehefa mifoha isika.
9. bor2lais ( 08/06/2011 14:14)
miharena:

Rehefa tena tsy matahotra anie Bor2lais miatrika izay heverina ho fahavalo dia hanaraka ho azy izay fahazavana atosakao eo izy e!

Miankina amin'ny fomba fanatosahanao ilay "fahazavana" (araka ny teninao) ihany kosa angamba ka ! :-)
miharena:

Ankoatr'izay moa dia tsy misy ny fahavalo raha ny marina fa ny tsy fitovian-kevitra no misy.

Izay tsy tiana angamba ange, raha ny fahazoako azy, no antsoin'ny Tompo hoe "fahavalo" eto. Tsy voatery ara-kevitra no mahatonga ilay izy a ! Ny "viol" na "vono olona" ohatra dia mety miteraka io fankahalana lasa fahavalo io : sa azo raisina ho hevitra tsy mitovy koa izay ?
miharena:

Ilaina tokoa amin'izay ilay dialogue lazainao. Fa ny mampalahelo fotsiny dia tsy mandeha ilay dialogue raha tsy efa mandeha aloha ilay fifampikasohana somary mafimafy avy any amin'ny ankilany.

Mety ao anatin'ny dialogue ihany ange ilay fifampikasohana somary mafimafy e ! :-)
Endrika fanehoana fa tsy nety ny nataon'ilay ankilany ary tsy mahatsiaro izany izy !
Ny Tompo ange mampianatra antsika fa : raha misy rahalahy manao ny tsy mety aminao dia antsoy mitokana mangingina izy "miresaka" ianareo roa lahy. :-)
miharena:

Raha tena zohina ny marina dia ireo izay maizin-tsaina no manam-pahavalo fa tsy ny olona mazava fo.

Miombon-kevitra aminao aho eto saingy indro kely fotsiny : amiko tsy dia resaka maizin-tsaina loatra ilay izy fa fahamaizinam-po : tsy ao Izy ! Ny "haine" sy "rancoeur" no mameno ny fo vao mahita na mieritreritra ilay fahavalo. Ny olana amin'izay dia ity : ilay heverina ho fahavalo ange mety efa manana ny fiadanaNY ao am-po fa ianao fotsiny no marary eo ! :-)

Fehiny : amiko ny fananana fahavalo dia fitadiavana aretina. Ary izay angamba no isan'ny nahatonga Azy niteny amintsika hoe : "tiavo ny fahavalonareo" ! Asa fa mba hevitro manokana iny ! :-)
10. Miharena ( 08/06/2011 14:56)
Bor2lais:

Miombon-kevitra aminao aho eto saingy indro kely fotsiny : amiko tsy dia resaka maizin-tsaina loatra ilay izy fa fahamaizinam-po : tsy ao Izy ! Ny "haine" sy "rancoeur" no mameno ny fo vao mahita na mieritreritra ilay fahavalo. Ny olana amin'izay dia ity : ilay heverina ho fahavalo ange mety efa manana ny fiadanaNY ao am-po fa ianao fotsiny no marary eo !

Fehiny : amiko ny fananana fahavalo dia fitadiavana aretina. Ary izay angamba no isan'ny nahatonga Azy niteny amintsika hoe : "tiavo ny fahavalonareo" ! Asa fa mba hevitro manokana iny !


Miombon-kevitra aminao amin'ireo voasoratra ireo.

Ny momba ireo fanamarihana eo aloha rehetra moa dia singantsingana izay bitibitika ihany fa ilay resaka tsy tiana na fanavakafahana miteraka fananganam-pahavalo moa dia zavatra tokony tsy ho teraka ao am-pon'ny olona mihitsy fa ny fiaraha-monina natsangan'ny teo aloha no mampitsiry izany. Eto no tonga amin'ny fitenenana hoe ny olona ihany no manangam-pahavalo ho azy fa tsy ny Tompo velively akory. Koa ny tenantsika izay mandray ny fombafomban'ny teo aloha izany no mila mahay manavaka tsara ny marina sy ny diso fa fahadisoana ny fijery manangam-pahavalo ka tsy tokony harahina am-bokony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3579