1. mpive ( 28/05/2011 17:26)
fa maninona no betsaka be toy izao ny karazam-piangonana e? dia tena misy foto-kevitra tena mafonja sy samy hafa ve izy ireny? Dia maninona no mitangorona fotsiny aeny amin'ny tanan-dehibe ny maro ?
novalian'i Miharena ny 01/06/2011 05:42
2. Miharena ( 01/06/2011 05:42)
Ny tantaran'ny tiikambon'i Babela no mahatonga ny karazam-piangonana betsaka. Izany hoe samy mandray izay fahazoany ny Tenin'Andriamanitra izy dia rehefa tsy metimety aminy ny ao amin'ny niandohany dia manao hafa indray izy. Izany ilay Babela, samy te-hahafantatra an'Andriamanitra lavitra be any ambony lanitra any dia nony nandeha ny asa dia tafasaraka satria ny sasany avy eny ambony efa manomboka mahita tsikelikely, moa ny aty ambany tsy mahalala na inona na inona dia tsy mitovy intsony ny fomba firesaka dia tsy mifankahazo intsony dia teraka amin'izay ny fanaovana fitsitokotokoana araka ny heviny avy. Dia tsy vita ilay Babela.
Fa ny tena izy dia mandini-tena tsara dia mifampiresaka amin'Andriamanitra ao amin'ny mangingina dia ho fantatrao fa ao am-po IZY ary izay no maha-zanaNY antsika toa an'i Kristy, ka izay fiangonana mampianatra izany no marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0403