INONA KAY NY ATAO HOE WORDPRESS?

1. RBNIR ( 27/04/2011 14:42)
Dia mbola faly miarahaba an-tsika hatrany,
Inona no atao hoe "Wordpress"? Ahoana ny fiasany sy ny fomba fampiasana azy? voalaza fa ahazoana tombontsoa ny fampiasana azy?
Inona no atao?

Dia manantena valiny amin-tsika namana rehetra indray o!
2. hery ( 27/04/2011 17:48)
Ny wordpress dia fitaovana tahaka ny fitaovana rehetra fanamboarana blaogy. Ny blaogy moa dia karazana tahirin-dahatsoratra apetraka amin'ny internet. Ity ohatra dia blaogy http://hery.blaogy.com

Fitaovana manampy anao hamoaka lahatsoratra tahaka ireny izany ny Wordpress.

Misy fomba roa hahafahanao mampiasa Wordpress. Wordpress anao manokana sy Wordpress ampiantranoin'ny olona hafa.

Raha te hanana Wordpress anao manokana ianao. Dia mila manana mpampiantrano (hebergeur) na loha-milina (serveur) izay hametrahana azy. Misy ny mpampiantrano afaka manolotra toerana maimaim-poana, mety misy dokam-barotra sy ny sisa, fa misy koa ny toerana izay vidina. Raha ao Madagasikara dia azo jerena ny http://dot-mg
Alainao ao amin'ny wordpress.org ilay Wordpress dia apetrakao ao amin'io toerana azonao tamin'ny mpampiantrano io. Misy ny fanoroana momba izany ny takelaky ny Wordpress.org

Ny fomba faharoa izay tsotra kokoa dia ny mampiasa ny Wordpress izay efa ampiantranoin'ny hafa. Isika namna eto amin'ny serasera ohatra dia samy afaka manana ny Wordpress-ny ao amin'ny http://blaogy.org
Rehefa mandeha ao ianao ka manokatra blaogy dia manana ny Wordpredd-nao amin'ny adiresy http://solonanarana.blaogy.org dia afaka mampiasa izany toy ny wordpress rehetra.

hitohy...
3. RBNIR ( 28/04/2011 08:42)
hery:

Rehefa mandeha ao ianao ka manokatra blaogy dia manana ny Wordpredd-nao amin'ny adiresy http://solonanarana.blaogy.org dia afaka mampiasa izany toy ny wordpress rehetra.
hitohy...


Misaotra b dia b amin'ny fanazavana rehetra, izany hoe raha azoko tsara afaka manokatra blaogy eto amin'ny serasera aho dia wordpredd no ampiasaiko (mitovy fiasa amin'ny wordpress ihany).


4. hery ( 28/04/2011 08:51)
Wordpress no tiako tenenina fa tsy wordpredd diso tsipelina

5. librepenseur ( 22/06/2011 11:35)
Afaka manokatra blaogy mahaleotena ianao avy amin'ilay wordpress fa tsy hoe eto amin'ny serasera akory no hanokafana azy kah! sa izaho no tsy mahazo ny voalazanao ?

CMS:Content Manager System (na gestion de contenu) no fomba filàza ny wordpress.

Inty ohatra misy blaogy namboarina tamin'ny Weebly:
http://volagasy.weebly.com

Inty indray kosa misy tranonkala namboarina tamin'ny Joomla:
http://www.guide-volavita.com
6. lehilahytsyresy ( 04/10/2017 11:32)
- Nanomboka tao amin'ny tapatapaky ny volana septambra 2017 dia hita fa tsy nandeha mihitsy ny blaogy.org .
- Isaky ny mankao ny tena dia izao no soratra vaventy mitsena ao : " Error establishing a database connection ".
- Fanontaniana: ahoana no tokony atao raha toa ka te-haka an'ireo données napetraka sy tavela tao amin'ny blaogy.org ? Mety mbola misy fanantenana ihany ve ?
hery:
Isika namana eto amin'ny serasera ohatra dia samy afaka manana http://blaogy.org
Rehefa mandeha ao ianao ka manokatra blaogy toy ny wordpress rehetra....
7. lehilahytsyresy ( 07/10/2017 19:03)



Fanontaniana:
Mbola handeha ve ny blaogy.org sa maty tanteraka mandrakizay ?

Anton'ny fanontaniana:
Misy données mba tiako récupérena kely, ka izay no mahatonga ahy manontany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1119