Fomba fiteny ve ny hoe ?

1. jlhn ( 02/03/2011 20:37)

Mitovy tsisy sahala
2. hasiniony ( 03/03/2011 12:22)

jlhn:


Mitovy tsisy sahala



"Mitovy tsisy valaka" no fiteny; na
"Mitovy fa tsy sahala"
3. mirananirina ( 03/03/2011 18:24)
mbola tsy naheno olona niteny izany hoe mitovy tsisy sahala aho.fa io lazain i hasiniony io no reko
4. bazylou ( 03/03/2011 19:47)

amboary aloha ilay teny gasy e.

Mitovy fa tsy sahala.

mitovy tsisy sahala izany tsy gasy e
5. maholisoa ( 04/03/2011 09:46)
Ka mifanohitra anie ny hoe "mitovy" sy ny "tsisy sahala" e!!!
sahala midika hoe mitovy.
lasa hoe "mitovy tsisy mitovy"
Tena tsy fiteny k'ah !!!!!
Maholisoa
6. ndenn ( 20/03/2011 02:14)
Mitovitovy fa tsy sahala .Samihafa @ in' ny hoe mitovy tsy misy sahala .
7. ledala ( 17/05/2011 23:02)
"mitovy tsisy sahala."
mitovy fa tsy sahala, mitovy tsy misy hafa, ... izany no fiteny
tsy fanoratra ny hoe tsisy fa tsy misy no mety.
8. jesuisla ( 17/01/2012 17:08)
nataon'mpahary manana endrika maro karazany sy samy hafa ny zava-boary. Ary hita eo @ fomba fiteny, foto-pisainana, fomba-fijerin'ny olon izany. Ny antony d tsotra, satria antony marob no nanaovan'mpahary ny zavatra rehetra. Noho ny fitiavany, noho ny heriny, noho ny fahendreny, nho ny fahlalany, noh ny sitrapony, noho ny ady tsy maintsy natrehiny, noho ireo tantara taloha marob nandalovany talohan'ny famoronana, sns....
Ary d misy ny mitovy, mitovitovy, saha, kambana, symetrique,...Misy zavatra hitoviana fona ny rehetra. inona no mampitovy ny alika @ lehilahy tia miady, mahery setra, tsy manaja olona, manartsy olon? Manao ahoana ny alika rehefa mifankahita?
9. 201007jacky ( 02/03/2012 14:46)

mitovy sy sahala (angamba) no tena fiteny

Mitovy tsisy sahala

[/quote]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4721