Mitsangàna

1. ydifas ( 22/01/2011 09:14)
Ny fahasoavana omban'ny fiadanan'i Kristy anie hanenika antsika rehetra.

Hoy Izy amintsika: "Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny" Isaia 60/1 - 2


Iraka sy baiko ho antsika indray ity teny ity. Mino aho fa manana tanjona amintsika Andriamanitra matoa mandefa ny teniny Izy. Nahoana no asaina mitsangana isika?

Voalohany, ny olona mipetraka na matory no asaina mitsangana.

Rehefa mipetraka mantsy dia tsy mahatazana lavitra isika, tsy mandroso fa eo amin'iny toerana misy antsika iny ihany.

Matetika isika rehefa tonga amin'ny toerana iray dia tamàna eo, kamo hihetsika (satria efa mafana ohatra), efa zatra miaina eo amin'ilay toerana. (Lasa mahatratra antsika ary lasa fahazarana ho antsika rehefa mitoetra ela amina tanàna iray isika. Ohatra: fiteny, fomba fiaina...)

Voaantso isika hitsangana satria voalaza etsy ambony fa manarona ny firenena ny aizim-pito. Ilaina ny fijoroantsika mba hihoatra ny hahavon'ny (niveau) aizina. Nambaran'i Jesosy ny amin'izany: raha tsy avo noho ny aizina ny hazavàna dia ho maizina foana no manjàka: "Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava". Lioka 11/33 (Matio 5/15)

Miara-manaiky isika fa manjàka ny fahamaizinana amin'izao vanim-potoana misy antsika izao: herisetra, vono olona, halatra, fihatsaram-bele-tsihy, avonavona, sns... no re isan'andro sy hita eny amin'ny fiaraha-monina. Noho izany, mitsangàna haneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra (firenena).


"Mitsangana" ihany koa dia midika hoe natao ho hitan'ny olona manodidina. Asaina mitsangana isika mba ho hitany fa tena zanak'Andriamanitra marina. Mila asehontsika fa miavaka amin'ny fahatsaràna isika (amin'ny fiteny, amin'ny fihetsika, amin'ny toe-po, toe-tsaina, toe-panahy araka an'Andriamanitra tokoa). Tsy ho amin'ny fahamenarana no niantsoana antsika fa amin'ny fahasahiana hanambara ny fahamarinana amin'ny olona rehetra: "Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa" Romana 1/16


Manaraka izany, ny hoe "mihazavà" dia mihamahazo fahazavana, misy fandrosoana amin'ny fahatsarana hatrany. Izany hoe, mazava kokoa noho ny teo aloha.

Tsy azoazo foana nefa izany fa mila mirehitra bebe kokoa isika amin'ny hetahate hifandray misimisy kokoa amin'Ilay Andriamanitra Fahazavàna. Izay manana Azy eo amin'ny fiainana ihany no afaka hamiratra sy hizara ny fahazavàna amin'ny hafa.

Rehefa tonga ny fahazavàna dia mandositra ho azy ny aizina: "...miposaka amintsika ny voninahitr'i Jehovah..." araka ny teny ery ambony. Tsy misy aizina mahatanty na mahatohitra izany voninahitr'i Jehovah izany.

Efa tonga eo amintsika ny fahazavàn'i Jehovah: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao" Salamo 119/105. Izany hoe: izay mandeha amin'ny tenin'i Jehovah ihany koa dia azo lazaina fa manana fahazavàna.

Noho izany, ampitomboy ny hetaheta hahalala an'Andriamanitra, mirosoa amin'ny lalina fikatsahana ny Tavany, miaraha mandeha amin'Ilay Fahazavàna hanaisotra ny aizina eto amin'ity izao tontolo izao ity.


Fehiny: Ny hazavana ihany no afaka handroaka ny aizina. Aoka tsy hijanona amin'ny toerana misy antsika isika fa hitsangana ary handroso hifandray bebe kokoa amin'Ilay Andriamanitra Fahazavàna. Raiso fa efa nomena antsika amin'ny alalan'io teny io (Isaia 60 / 1 - 2) ny voninahitr'i Jehovah. Mifankazara amin'ny Tsitoha fa ho hitantsika fa hifindra amintsika ny Fahazavàny. Aza mety afa-po ary aza mionona amin'ny efa ananana fa mireheta amin'ny fanompoana Azy. Tapaho ny hevitra hanambara amin'ny olon-drehetra ny filazantsara, hilaza ny tena fahamarinana aminy ary hizara Ilay tena Fahazavana dia Kristy izany. Koa alao hery ary fa izany fitoriana ny fanjakan'Andriamanitra izany no andraikitra takiana amintsika zanany.


Ho an'Ilay Fahazavana mandrakizay anie ny voninahitra faratampony. Aleloia


Hafatra: "Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazon'i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy" Filipiana 3/ 12 - 14
novalian'i vonynive ny 25/01/2011 09:26
2. vonynive ( 25/01/2011 09:26)
miarahaba antsika,
isika zanak'Atra tokoa no jiro (sy fanasina) zay antsoin'Atra hitondra fahazavana ho an'izao tontolo izao tahaka an'i Jeso zay zanak'Atra fahazavan'izao tontolo izao; refefa tonga ny mazava dia miala ho azy ny maizina !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.387