ny Malagasy ny psychologue

1. vonynive ( 24/11/2010 06:10)
miarahaba antsika,
toa tsy dia voateny loatra eto Mkara ny fikarakarana sy fitsaboana (soin-traitement) saina; fa izaho mahita hoe ilain'ny Malagasy izy io satria tsy vitsy ireo tsy salama saina (tsy le oe adala); tsy salama saina amiko ny olona kivy lava; tsy te hivoatra; tsy manana risipo; malahelo sy manjonitra foana; mamoy fo sns...ka mila fitsaboana sy fisorohana
ankehitriny dia efa misy ihany ny psychologue Mgasy mampianatra ary isaorana azy ireny izany fa izaho maniry raha atao vahaolana maharitra izany
novalian'i vonynive ny 16/02/2011 06:51
2. hana ( 03/02/2011 11:55)
Ka any M/kara any efa psychologues kely daholo ny mpiara-monina e. Ny mpitsabo, mpampianatra, fianakaviana, mpiara-miasa ets. azonao ifanakalozan-kevitra daholo. Raha tena henjana ny raharaha dia ny Mpiandry na mpitondra fivavahana koa afaka miara-mitady vahaolana aminao. Izany no mahatonga ny Malagasy mbola mitsiky na ao anatin'ny sarotra aza. Ny aty ivelan'i Madagasikara, ireny psychologue ireno no tena lasa adala sy reraky ny fiainana rehefa miasa kelikely satria mizaka izao fahoriana sy hadalan'ny hafa rehetra izao.
3. vale ( 09/02/2011 16:07)
Tena zavatra marina tokoa io tenin'i Hana io a, ary izany no mahatonga ny tany mandroso ho be olona mila psy satria lasa isolé ny fiainan'ny tsirairay, mbola hafa ihany ny any m/car hoe: afaka manana namana bediabe ianao, fa jereo fotsiny anie izao amin'izao fotoana izao saika lasa avy amin'ny alalan'ny internet dol ny fifandraisana, sarotra be na ny mahita "namana" (ilay mahatoky sy ifampizarana io an) fa mifampi-salut dia rava ny asa dia samy mody, dia toy izay foana, na mba hoe miaraka manao pot kely dia izay fa ny fifampizaràna ny manjo na fifalina na fahoriana tsy misy, ka lasa marobe ny olona no mamonjy Psy.
4. vonynive ( 16/02/2011 06:06)

vale:

5. vonynive ( 16/02/2011 06:51)
miarahaba anareo sady misaotra anareo namaly,
marina ny tenin'i hana sy vale teo,
raha ny eto Mkara dia mihavitsy tahaka ny any ampita any koa ny tena namana eto Mkara noho ny Mgasy zay saika miady @ fiainana ny ankamaroany, (miady @ kapoakam-bary); tsy dia hita intsony ny soa toavina "fihavanana" fa toa samy maka ho azy avokoa! hany ka maro ireo mahatsiaro tena ho irery... dia miafara @ famoizampo, indrisy !
sarotra noho izany ny mitady namana hanampy fa ny azy aza hono tsy voavahany...

ny @ oe psychologue any andafy lasa adala dia tsy any ihany no misy ireo psychologue lasa adala fa na ny eto Mkara koa aza, angamba efa lasa tsianjery sy lesona be loatra ny fitsaboany nefa tsy mahita fahombiazana izy dia mitapy...

ny hoe mpitondra fivavahana afaka atao namana dia tsara tokoa ka !ary iriako ho tena mpitsabo fanahy sy saina fa tsy ho fanahy be fotsiny (?)... izay saika lasa olana eto Mkara ankehitriny.

fa na ny psychologue na ny mpitsabo ny nofo na ny mpitsabo fanahy dia tsy tokony hanao tsianjery be fahatany ny zavatra efa hainy fa mila mivoatra e! tokony hahany HIHALEHIBE sy hahay HANABE ny hafa!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3862