maninona kay ny christianisme no tsy mety afaka @ materialisme?

1. lagoon ( 12/11/2010 17:11)
maro dia maro manko ny kristianina no toa lasa diso tanjona ka lasa ny marche de consommation sy ny materialisme no tanjona eo @ fiainana?
nadika vilana ny fampianarana kristianina ve?sa tena izay no tanjona tao,fitaovana ho an'ny kapitalista mba hi-consommer-na?
novalian'i niryna ny 12/12/2010 03:05
2. RAR.DAGO ( 13/11/2010 05:39)
Tena dika vilana ka!
Fa io ialy nolazaiko tatsy ambadika hoe déviance izay taritin'ny mpitondra fiangonana no mahatonga izany.

Fa ny zanak'olombelona mihitsy lesy no toy izany a!

Izay homena na mahazo fitondrana ny lasa adala ;) indrindra moa fa raha vao kely ny bagage culturel sy intellectuel, na hoe ratsy taiza hoy isika gasy dia tsy manana référence hafa tsy ny vola fa tsy manome lanjany izay moralité sy spiritualité izany intsony. Ireo no hitovizan'i R8, Andry : samy zaza ratsy taiza !
3. infiny ( 15/11/2010 15:20)
Ny christianism dia anatin'ny vondron'ny religion izay baser amin'ny "finoana" izany. Tokony ho ideolojia ilay izy fa tsy zavatra materialy saingy tsapan'ny olombelona fa anisa'ny fitaovana matanjaka afaka hi-controller-na olona (physiquement sy mentallement). Ny gravy dia lasa izay no ao antsain-tsika sisa :) saingy raha fantatrao tsara ny inoanao dia tsy hafaka i-forcer anao mihitsy pasitera sy mopera sns satria zavatra subjective io fa tsy toa ny siansa ohatra.
4. bichette ( 16/11/2010 07:33)
efa voateny ao anatin'ny baiboly koa anie izany hoe ho tia vola ny olona e ! ;-) sy hiharatsy koa ! ;-)

ao amin'ny 2 timoty 3:1-5
Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.

2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,

3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,

4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,

5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro

5. RAR.DAGO ( 16/11/2010 07:53)

manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro

Dia tsy hifanantona @ hafa mihitsy izany ra-Kristianina?
6. bichette ( 16/11/2010 16:07)

RAR.DAGO:


manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro

Dia tsy hifanantona @ hafa mihitsy izany ra-Kristianina?


tsy ny rehetra ka !
7. rijadolly ( 20/11/2010 03:43)

maro dia maro manko ny kristianina no toa lasa diso tanjona ka lasa ny marche de consommation sy ny materialisme no tanjona eo @ fiainana?
nadika vilana ny fampianarana kristianina ve?sa tena izay no tanjona tao,fitaovana ho an'ny kapitalista mba hi-consommer-na?

Tsara be ilay lohahevitra.
Na tiana na tsy tiana dia marina tanteraka fa lava be amintsika olombelona ilay Fotoana Iray, (+ 2000 taona) Eo ilay izy no mipoitra, etsy an-danin' fanadroadroan' hafa, aiza ihany e!, efa maty wao zany, diso nareo fa tsy misy farany izany e!, Paradisa inona ary e!tssss, maninona zao zay tsy mino velona tahakanareo ihany, mampahantra wao io minomino foana io,....Mialatsiny an' izay efa nanao izany taminay mpino Kristianina fa ireny no làlana iray maha latsaka anay. Te-handresy izany izahay dia mampiseho fa resinay ianareo tsy mino. Tsy ratsy akory ilay hevitray mihezaka handresy ireo fa kosa hadinonay ilay tena fitaovana iray handresena ireo, dia ny FINOANA, latsaka am-pandehanana izy io ka ny fisehoana ivelany sisa no hany hita fa tsara ilay fiombonam-bavaka. Ny fisehoana ivelany sisa no entina hanamafisana sy mba hampaharitra am-po ilay Finoana ao @ mpino.
Tery am-piandohana aho dia nametra tsara fa tiako be ilay lohahevitra, misaotran' Lagoon

Ho Antsika Mpino: Ny fotoana dia fohy raha MINO isika, fa raha tsy mino na latsaka kosa isika, na ny ray andro aza sarotra amintsika ny manala azy. Dinio amin' fiainanao ny maha marina azy. Velomy ao anatinao ny FINOANA mba....
8. RAR.DAGO ( 20/11/2010 05:54)
rijadolly:
Na tiana na tsy tiana dia marina tanteraka fa lava be amintsika olombelona ilay Fotoana Iray, (+ 2000 taona) Eo ilay izy no mipoitra, etsy an-danin' fanadroadroan' hafa.....
....Te-handresy izany izahay dia mampiseho fa resinay ianareo tsy mino......

Rehefa manao safidy, na inona na inona resahina, dia midika izany fa manapa-kevitra tsy hitovy @ hafa izay manao safidy hafa.
Rehefa tsy hafaka misaina intsony fa tonga @ ilay fetra hafahana manao izany dia lasa mifandramantra toy ny biby (PSG#OM; Jiosy#Arabo, Ny mpino mahery fihetsika, sns).

rijadolly:
.... Tsy ratsy akory ilay hevitray mihezaka handresy ireo fa kosa hadinonay ilay tena fitaovana iray handresena ireo, dia ny FINOANA, latsaka am-pandehanana izy io .....

Ny finoana ihany ny an'ny tena zavatra iray lehibe, fa mbola misy zavatra roa hafa lehibe kokoa :
- Fanekena ny fisian'ny hafa izay manaja ny an'ny tena satria izay no fototra iorenan'ny safidy malalaka sy ny fiaraha-monina;
- Fananana saina misokatra izay manaiky fa mety ho diso ny tena satria izay irery ihany no ahafahana mandroso @ fahalalàna.

rijadolly:
......na ny ray andro aza sarotra amintsika ny manala azy. .....

Ka ny mahatonga izany dia ny finoana kristianina izay milaza fa "sambatra izay noana sy mangetaheta.... sy mahantra eto an-tany".... rehefa MINO. Raha moine exégète, na Dalaï lama ianao dia mety ho marina izany satria lasa lavitra be ambonin'ny filan'ny vatana ny herin'ny saina sy ny fanahy. Izany hoe TANJONA io!
Fa ny 99,99% ny zanak'olombelona dia tsy mitovy @ izany fa mahatsapa ngidin'ny fiainana rehefa mijaly ny nofo sy ny vatana.Ary satria lalana lava sady sarotra no tokony hodiavina, dia noho izany :
- dia tsy maintsy heritreretina ny mahasoa eto an-tany aloha, ary izany dia manomboka @ fitadiavana fiaraha-monina milamina ary raha azo atao mahafinaritra.
- Raha te hitombo fahendrena, dia tsy maintsy mandalina mba hitombo fahalalàna (raha tsy izany dia mijanona vendrana foana). Midika izany fa tsy maintsy manana toe-tsaina hafaka manao izany: tia mikarotra sy manaiky ny ho diso fa tsy mijanona @ posture dogmatique fotsiny ihany.

Rehefa tonga @ izay ny krisitianina, dia lasa mandresy ho azy io fiangonana io satria resy lahatra ho azy ny olona rehetra. Fa raha mbola hitsaratsara faha-tany sy tsy miheritreritra hafa tsy ny an'ny tenany, dia tsy aharesy lahatra velively satria MITOVY TSY MISY VALAKA @ ireo mahery fietsika ery anilany ny fomba fisainana, nefa ny olona mihabetsaka no te hitombo fahendrena sy fahalalàna fa tsy atao ondry atao sorona fotsiny.


9. niryna ( 20/11/2010 17:28)

lagoon:

maro dia maro manko ny kristianina no toa lasa diso tanjona ka lasa ny marche de consommation sy ny materialisme no tanjona eo @ fiainana?
ngaha?

nadika vilana ny fampianarana kristianina ve?sa tena izay no tanjona tao,fitaovana ho an'ny kapitalista mba hi-consommer-na?
dia nadika vilana izy izany araka ny eritreritrao ka aza vakiana loha rehefa tsy ahitanao tombotsoa e.
FA TOY IZAO NO NOTIAVAN'ATRA IZAO TONTOLO IZAO,NOMENY NY ZANANY LAHY TOKANA , HAMONJY IZAO TONTOLO IZAO MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY
nasehon'Atra tamintsika ny fitiavany,nomeny antsika ny zanany mba hanavotra antsika,hisolo ny fahotantsika ary hanavotra antsika mba tsy andeha amin'ny aizina intsony.Finoana anefa io ka izay rehetra mino an'izany dia tsy ho very
manana rafitra hafa ve izany hianao hitondrana ity fiainana ity raha nandika vilana ny baiboly ny olona ?
10. vonynive ( 22/11/2010 08:17)
salama daolo;
ka na ianao aza ange mahatsapa fa nadika vilana ilay izy e, ary marina izany fa nisy tokoa ny nandika vilana io réligion io; fa hatrany amboalohany dia tsy izany miitsy araka ny baiboly
fa finoana no andehanatsika, fa tsy fahitana;KORINTIANA FAHAROA 5 7 - 7
11. niryna ( 12/12/2010 03:05)

vonynive:

salama daolo;
ka na ianao aza ange mahatsapa fa nadika vilana ilay izy e, ary marina izany fa nisy tokoa ny nandika vilana io réligion io; fa hatrany amboalohany dia tsy izany miitsy araka ny baiboly
fa finoana no andehanatsika, fa tsy fahitana;KORINTIANA FAHAROA 5 7 - 7
izay indrindra ,misaotra an'i vony
ny finoana no mahavonjy antsika ary efa hatrany amboalohany tokoa izany(ny Hebreo 11 ) no manaza izany karazana finoana namonjena ireo olona maro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0458