hay ve?????za nihevitra hoeeeee

1. fijo ( 28/10/2010 21:49)
Raharaha Philipe Verdon : Nokianin'ny minisitra Organès i Lalatiana Viva PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 28 Octobre 2010 00:00

Notsoahina tamin'ny asany ny komisera Brunel ary nahazo sazy araka ny fitsipika anatin'ny pôlisy. Mifanala-baraka ny Viva na ny marimarina kokoa ny mpanao gazety Lalatiana Rakotondrazafy sy ny Minisitry ny pôlisy Organès Rakotomihantarizaka. Izany rehetra izany dia niainga tamin'ny raharaha Philippe Verdon izay nolazaina fa mersenera ary noroahina faran'izay maika teto Madagasikara. Taorian'ny fanakianan'ny onjam-peo Viva ny minisitry ny pôlisy afakomaly dia namory ny mpanao gazety io tompon'andraikitra voalohan'ny pôlisy io ary naneho ny alahelony. « Fampiadiana fotsiny anay, araka izay efa mahazatra ihany, no nataon'i Lalatiana Rakotondrazafy. Ary izaho dia milaza fa fantatro ny naniraka azy hanao an'izany. Ny mahakasika an'i komisera Brunel indray dia fantatro fa mifandray amin'ny staff teto amin'ny minisiteran'ny pôlisy tamin'ny andron-dRavalomanana izy. Notsoahiko tato avokoa ireo olona ireo ary mino aho fa ireo no ao ambadik'ilay lainga izay nandoto ahy hoe naniraka io Komisera io hamafa ny anaran'i Philippe Verdon tao anatin'ny lisitry ny olona tsy afaka miditra eto Madagasikara » raha araka ny fanazavan'ny Minisitra Organès. Notohizany indray, tsy misy hilainy mersenera mihitsy ary efa mandeha rahateo ny fanadihadiana mahakasika ity fandotoana ny tenany ity. « Mahagaga ahy ny antony handotoana ahy toy izao, nefa rehefa misy ilaina dia maika ery ny miantso i Lalatiana. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fiangaviany ahy ny mba hampiditra ny olom-patany ho komisera tamin'ny fisokafan'ny fifaninanana momba izany » hoy hatrany ity tomponandraikitra voalohan'ny pôlisy ity. « Amiko ny olona toa an'i Lalatiana ireny dia toy ireo zazavavy izay 14 taona vao niala nanao tantara tamin'ny vato ka tsy misy hainy ankoatra ny mandrirotra sy manatavy resaka amin'ny fiainany », raha araka ny famaritan'ny minisitra ity mpanao gazety izay isan'ny toa lasa biby fatahoran'ny manam-pahefana noho izy tsy miahotra ny manala-baraka ao amin'ny onjam-peony. Handrasana ny valin-tenin'i Lalatiana ao amin'ny fandaharany anio. Tantara mitohy...
novalian'i jiolah ny 03/11/2010 12:15
2. fijo ( 28/10/2010 21:51)
"nefa rehefa misy ilaina dia maika ery ny miantso i Lalatiana. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fiangaviany ahy ny mba hampiditra ny olom-patany ho komisera tamin'ny fisokafan'ny fifaninanana momba izany "

izany hoe nibaradaka razoky fa misy ny ampidirina fotsiny satria akama????toa izay nefa ilay notsikerana tery ankianja ,raha tsy diso aho?????

ary toa foza anaty harona izy izany,ka tsy hay intsony hoe tongotr'iza ity,fa daka sy tipatipaka no hifanaovana.
alefa zalahy eee
3. RAR.DAGO ( 29/10/2010 06:50)
Ka izany rehefa ny fara-tampony no mampianatra ko!

Ny mpanao gazety filamatra izao dia ry Lalatiana Rakotondrazafy, Lola Rasoamaharo, Rolly Mercia... les langues de pute rois de l’extorsion quoi!

Ny mpanao politika indray dia ry Ratsiraka, R8, TGV no tena favy. Fa tsy mba misy intsony angaha ny toy ndry Ramanantsoa sy Razanamasy e?
4. locl ( 30/10/2010 13:41)
Aleo hiomezana fotsiny wa, fa tena sain-jaza e
5. ravatorano ( 01/11/2010 09:26)
za d tena gaga tokoa taminilay resaka tany anaty taxibe za no nahare io teny syfanentanana karazany mao izany nataon ilay mpanao gazety tao amin'ny viva io izay tsy iadian kevitra intsony ny fahaizany mitantara sy mitsikera ary mandoto olona ary ingahy Organes klouh zany d isan ny niharan izay ankoatran ny efa teo aloha .Izany tokoa v no fahalalahan ny mpanao gazety ao amin'io viva io satria toa mbola "midelire" ao foana io ramatoa i hatramin izao !
zay ataon dry zareo eo e za manokana d efa ela no niandrasako fifidianana ka any za mandatsaka izay reveko !
6. jiolah ( 03/11/2010 12:15)
Mba vendrana koa ne zany ministra mibanaka be zany e.Sa de c'est que j'aime ihany io fa ny afindrafindrao tsy azo avela.Le kala petsam-bava koa lo tena tsy matihanina mihitsy.
Aiza ry bianco amin'zany polisy kely tafiditra ao zany a.Sa matahotra an-drabevolombava???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695