Aretina Mampidi-doza

1. niryna ( 22/10/2010 19:19)
Tantara notsongoina tao anatin'ny boky iray miresaka ny androbe sy ny kalanoro
Narary voan'ny aretina "kasoa" izay lazaina ihany koe hoe ambalavelona ity ramatoa iray
Nampidirina hopitaly ity ramatoa satria moa mpiasam-panjakana ny vadiny ka mba nahazo nitondra azy tany.Tsy vitan'ny dokotera anefa ilay aretina na dia natao daholo aza ny fitsaboana rehetra,anisan'izany koa ny tao amin'ny Befelatanana.
Notenenin'ny dokotera ilay rangahy fa tokony hoentina any Morondava ilay marary satria resaka famosaviana ilay izy ka tsy sitram-panafody.
Izany hoe hoentina any amin'ny ombiasy sy ny mpanao sikidy.Ary tonga tany Malaimbandy izay
Toerana iray hipetrahan'ity rangahy iray izay lazain'ny olona fa malaza be mahay manasitrana ny olona voan'ny aretina toy izany.

Alohan'ny anohizako ny tantara dia mametraka fanontaniana amin'ireo izay mahalala ny andrombe sy ny kalanoro aho.
Ny andrombe araka ny fahafantarako azy dia aretina tonga ao anatin'ilay olona ary sitranina amin'ny asan'ny tampakazo.
Ny kalanoro indray dia olona taloha ary mipetraka any anaty ala any izy saingy dia tonga tao antranon'ilay olona kosa izy ary dia nanamboarana seza kely sy latabatra kely
Ho tohizako tsy ho ela ny tantara fa dia miandry ny fanazavana avy amin'ny olona izay mahay ny tantaran'ny andrombe sy kalanoro aho
niryna
novalian'i niryna ny 27/10/2010 05:17
2. lavasanga ( 25/10/2010 06:31)
tsy tonga moa dia lay tantara no tohizana fa be resaka fotsiny

3. niryna ( 27/10/2010 04:50)

lavasanga:

tsy tonga moa dia lay tantara no tohizana fa be resaka fotsiny


lavasanga koa ah
4. niryna ( 27/10/2010 05:17)
Ny Sikidy: misy tromba ilay ramatoa

Nanao sikidy ilay rangahy fa tena "kasoa " mihitsy no nahazo ity ramatoa ity hoy izy.
Izany hoe hipetrahan'ny tromba izy
Dia nanomboka tamin'izay ary ny teny izay arahina: toy ny hoe mividy toaka iray litatra,mitondra vola tsangan'olona volafotsy ,ny divay ka hatolotra an'ilay tromba mipetraka aminy.

Rehefa niresaka tamin'ilay ombiasy izany ilay tromba dia nilaza izy fa hipetraka iray volana ao anatin'ilay ramatoa ary dia ho sitrana amin'izay izy.
Nanomboka teto izany ny fanomezan'ilay ombiasy ny tapakazo hosotroina ,ny vovokazo nokikisana natao teo ambon'ny lohan'ilay ramatoa.Ary niaraka tamin'izay dia niala tany amin'ilay ombiasy ilay tromba ka niditra tamin'ilay ramatoa ary dia torana nianjere izy.
Teo ihany koa no nilazany ny fady rehetra ( ny tsy azo atao sy ny tsy azo ohanina ) toy ny fihinana henankisoa,sakay,voanjombory,hena vonoina amin'ny maty.
Tsy azo atao ny mijery fitaratra,ny tsy fahazoana mivoaka ny trano rehefa madiva ho mena-masoandro.
Ny nahagaga dia nahalany toaka iray litatra ilay ramatoa nandritra ny fotoana nipetrahan'ny tromba io.
Inona indray no fahalalanareo izany tromba izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3655