misy tokoa ve le ody sa......?

1. fijo ( 20/10/2010 18:55)
Faratsiho : Zatovo 14 taona notazaonina ramatoa 45 taona tamin’ny ody PDF Imprimer Envoyer
Mercredi, 20 Octobre 2010 00:00
Voatery nosamborin'ny zandary sy natao famotorana ary natolotra ny fampanoavana ity vehivavy iray 45 taona avy ao Ambohiborona Antsapanimahazo, ao anatin'ny distrikan'i Faratsiho. Raha ny loharanom-baovao voaray dia nisy tovolahy kely vao 14 taona monja tao amin'ity tanàna, tsy hita izay nisy azy ary efa natao ny fitadiavana azy. Nisy nahita tao amin'ny tokantranon'ity vehivavy lehibe izay voalaza fa jamba ity ilay tovolahy. Rehefa natao ny fijerena ifotony dia hita tao tokoa izy. Nentina nody avy hatrany saingy rehefa tonga any an-trano dia lasa miverina any amin'ilay ramatoa indray ity tovolahy ity. Naharitra iray volana ny fisehon'ity tantara ity ka voatery nampiakatra teny amin'ny zandary ny fianakaviany. Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny zandary no nahafantarana fa nataon'ilay vehivavy mpiasa mpanampy azy ity tovolahy ity. Tsy vitan'izay anefa fa fantatra ihany koa fa miara-matory ity tovolahy kely ity sy ilay ramatoa isan-kalina ary nitantara ilay zazalahy fa teren-dramatoa manao firaisana aminy ilay tovolahy isan'andro.
Fandrebirebena sy fanolanana zaza tsy ampy taona, miampy famosaviana amin'ny alalan'ny fampiasana ody gasy no vesatry ny fitoriana mahazo ity ramatoa voalaza fa jamba avy ao Ambohiborona Faratsiho ity. Efa eo am-pelatanan'ny fitsarana ny raharaha ankehitriny ary dia antenaina ny hahazoana ny ho tohin'ny tantara.
LOVA
2. fijo ( 20/10/2010 18:55)
amiko tsy mino le ody aho,fa nahazo fafiny tao zandry kely de tamana
3. vonynive ( 21/10/2010 09:40)
tsy misy mahavaly izany fanontaniana izany afa tsy ny olona rehetra izany nifamatotra @ tantara ihany sy ny manodidina azy
ho ahy aloha, kristianaina dia misy ny ody satria ny baiboly dia milaza fa misy ny mpanao ody ratsy.
sao kosa ianao te hanontany oe misy marina ve ny ody? na oe iza no mino ny ody ? fa raha izay dia tsara miova lohahevitra ianao
4. RAR.DAGO ( 21/10/2010 09:42)

fijo:

amiko tsy mino le ody aho,fa nahazo fafiny tao zandry kely de tamana

LOL.

Sao dia tokony asaina mampianatra kosa ary bofy hoe ahoana no nataony fa raha mety anie izany tokony ampiasain'ny pasitera sy mopera @ anaran'ny tompo mba ampitomboana rakitr'e!
5. andrywui ( 21/10/2010 12:23)
diso koa le rabofy kle ... tokony i rafijo no nokarohany fa i zokibe tsy mampigadra zany na hitoto tany ao foana aza i bofy !
- ny tratra mangana ny hena lany !
6. fijo ( 21/10/2010 21:18)
izay mihitsy ry RAR.DAGO,raha nisy izany ,efa nanao izany daholo ny mpanoa politika sy ny mpitondra fiangonana ahazoana kila maro.=rakitra bobaka.

andrywix an,rafijo tsy mety azon'izany,fa lery anie virja e
7. dimo ( 22/10/2010 05:38)
misy tokoa ny ody tsara sy ny ody ratsy. Ny ody tsara dia ireny entina anasitranana marary ireny fa saingy ho an'ny kristiana dia tsy ny fanasitranana rehetra akory dia tsara satria ny kristiana tsy mandeha any @ dadarabe na ireny mpimasina ireny na dia manasitrana aza ireny ho an'izay mino azy. ny ody ratsy kosa dia ireny entina amosaviana ireny na famonoana na mampahalasa adala olona ireny sns...
8. Dan23 ( 22/10/2010 13:16)

tena misy ny ody eto madagasikara mba ts itenenana oe mahay ny malagasy saingy n fampiasana azy no mahatsara na maharatsy azy.Ho an'ny kristiana refa milalao ody enao d ratsy zay aminy.nentsika gasy tokoa mantsy ra vo am rats d mahay tsara fa ra vo amtsara d mihanahana(miala tsin fa otran oe ngénéraliséko oe "nentsika malagasy" a).
Tranga 1 tena marn tantaraiko anareo ito:tany Ambatondrazaka no nisehoany.
Nis bandy 1 zay efa manambady amanjanak io ranamana io affécté tampoka tan Ambatondrazaka.Refa nade ten ny andro s volana d natsiaro irer iz ka nitad sipasipa mba analana az,kinanjo nefa nasinle sipa ody izy reef ten tafalatsaka tamin ty sipa.
Tapitra ary ty mission tan Ambatondrazaka d inn oz nreo,te ande ody le bandy nefa to ts afaka fa tazoninle sipa otranren ts maafoy ren iz.Nidina tan ny fianakaviana naka anaz tao amle sipa d oz le sipa tam fianakaviana oe rehefa ts ana io d ts anareo koa(le bandy amn'io ts mis tenen fa ts manana decision zan nef te hody mafy).Nentina nitsiaka ary ty bandy taty tana d teo no naitana zavatra hafahafa.vo tonga tsis 5 min d nanomboka nivadika daôl ny tanany 1 manontolo,tsis 2min d lasa nivadika bibilava ny vatan'ilay bandy manontolo ka voatery nampiantso dokotera haingana ny fianakaviana.Indrisy anefa fa ze dokotera nalaina niala maina avokoa farany nangalana Pasitera d nanaovana fotoam-pivavahana sad nametrahan tanana vo afaka tsimoramora le iz.
Any iz zao ts maty akory fa velona soa amantsara any fa le sipa no ts fantatra tson sad ts enoeno.
9. 3188 ( 22/10/2010 14:06)

fijo:

amiko tsy mino le ody aho,fa nahazo fafiny tao zandry kely de tamana
zah mino kely ny fisian'ny ody ,fa mety ho marina ihany hoe nahazo fafiny tao kou zandry kely.
10. gratos ( 22/10/2010 14:44)
Mila mitandrina ihany koa izany isika mbola boaiboay kely amin'ireny "RAMATOA" efa lehibebe ireny fa misy dia miataky ampahibemaso zandry kely zao ireny , misy mihitsy aza mikaoty sy mampiseho vola na mandefa sary amin'ny tovolahy kely izy ireny nefa dia efa hita fa efa vehivavy lehibe izao ,ny fitandremantsika tovolahy kely aloha no vahaolana voalohany dia ny tsy fanekena ny fampandriana adrisa ataon'ireny ramama ireny ,indrindra ny fanekena ny hevitra izay alefany nefa hanjono anao no tetiny, mitandrema zalahy fa feno azy ireny ny tany , hatramin'ny ato amin'ny serasera aza dia efa nahenoako fa efa nisy endrinjavatra toy izay nandalo
11. arialy ( 22/10/2010 16:03)
gratos< raha tsy inona kosa dia oe mila mitandrina, tovolahy ve tsy ahalala ny mety sy ny tsy mety aminy? otry ny tovovavy miaraka am ny anti-dahy iany io koa, refa sahy de lasa ...
raha tsy oe kidnapping angaha
12. fijo ( 22/10/2010 19:13)
arialy an,ka vao mahita "lavaka"ny boaky kely,dia latsaka ko,malama anie hono io lalana io e.hihihi
13. RAR.DAGO ( 22/10/2010 19:23)

dimo:

.... fa saingy ho an'ny kristiana dia tsy ny fanasitranana rehetra akory dia tsara satria ny kristiana tsy mandeha any @ dadarabe na ireny mpimasina ireny na dia manasitrana aza ireny ho an'izay mino azy....

Mba azonao an-tsaina ve fa ny dikan'izany lazainao izany dia hoe ny fomba kristianina irery ihany no misy dikany fa ny sisa taim-bakona avokoa?
14. fijo ( 22/10/2010 19:27)
io fa miverina le fiheverantena ho tomponn'y marina.izay fisainana izay no mampisy ny ady lava eo aminn'y mpino.
15. RAR.DAGO ( 22/10/2010 19:59)
Eran-tany dia vohizina ny fitsaboana nenti-paharazana (accuponcture, herborisme, ayurveda...) ny antsika tsinotsinoavina toy ny valalan'aliaka satria tsy kristianina....

Izany no tena hoe intégrisme regressive fa miala tsiny.
16. fijo ( 23/10/2010 04:06)
ny anton'izay dia tsotra.finoana "nampidirina sy nalain atahaka"no misy ao amintsika,fa tsy ny tena finoan tsika
17. dimo ( 23/10/2010 06:21)
Fa ngah zany manao tsinotsinona ny fanafody vita gasy.Ratsimamanga anie tsy dadarabe e!fa ny fanafody entina hamasinina amin'ny zavatra tsy fantatra no tsy tian'ny kristiana.
18. RAR.DAGO ( 23/10/2010 09:58)
dimo:

Fa ngah zany manao tsinotsinona ny fanafody vita gasy.Ratsimamanga anie tsy dadarabe e!fa ny fanafody entina hamasinina amin'ny zavatra tsy fantatra no tsy tian'ny kristiana.

Ny herin'ny saina sy ny finoana dia mandray anjara lehibe @ fahasitranana. Ny fanadiadiana nataon'ny FDA t@ 1994 dia nanamporofo fa 50% mahery ny fanafody teo @ tsena amerikanina t@ izany dia mitovy na latsaka noho ny placebo (tsymisy principe actif fa modimody) ny heriny. Ka raha ny fanamasinina no ahazoana izany ka maninona moa?
19. andrywui ( 23/10/2010 20:12)
de nanao aoana alo razokibe fijo no niafaran'ilay boay kely a ! afaka tamindrafotsy ve lery sa notazonin'ilay ramama be hampirevy anazy isan'andro tao fona le? tena nofiahan'ilay ramatoa tao aloha i zandry kely io raha nijanona elaela tao ka !
20. RAR.DAGO ( 24/10/2010 04:48)
45 koa anie ka tsy hoe ramama be ;).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2949