misy tokoa ve le ody sa......?

21. andrywui ( 24/10/2010 13:26)
Efa vizana be zany zoky RAR raha oharina amin'ny sipa kely eran'ny tanana a hen hen hen hen
-- Ny adidy vita marina ny fahafinaretana azo hon hon hon hon ....

anareo ny anareo ry ramatoa be isany aaa mola loatra kouuuu aiza no tsy hifitra tanana ny farany hin hin hin
22. RAR.DAGO ( 24/10/2010 16:35)
Rehefa tonga @ izany ianao dia ahita fa tsy dia mifankaiza ny 25 sy ny 45 raha mahavanontena tsara.
Fa tsy izay moa no anton-dresaka ka aleo hivarina any iny.
23. niryna ( 27/10/2010 05:32)

fijo:

amiko tsy mino le ody aho,fa nahazo fafiny tao zandry kely de tamana
fijo a,tsy voatery hino kosa hianao raha tsy mino ka, izany akory tsy midika hoe tsy misy ny ody.Na aiza na aiza ny toerana dia misy foana ry dadarabe fa ny anarany no tsy mitovy.Tsy mbola itanao ary ireo latina ireo fa mitondra tapakazo kely amin'ny tendany sy fatotra toy ny bracelet kely amin'ny tanana izy ho fiarovana hono ary saika manao an'izany ry zareo rehefa miala any amin'ny taniny eny fa na kristiana aza ny sasany ary dia tsy misy anavahanao azy satria na ireo tafavaratra ireo koa aza dia manao ilay zavatra kely menamena toy ondana kely bitika e,izay ataony amin'ny vozona na tanana
24. RAR.DAGO ( 29/10/2010 10:02)
Hapetrao tsara aloha ny atao hoe ody e!
- Rehefa zavatra tsy fantatry ny tandrefany ve dia ody? Ny mandravasarotra, voanenina, ny menaboay zao vao aingana vao fantr'ireo no asany. Ka ody ve izany ireo taloha sa tsia? Dia ireo izay tsy fantany rehetra ahoana?
- Ka raha tapakazo mandefa "essence" @ fomba "homéopathique" dia mahasoa ny vatana na manova métabolisme, ody ve izany? Sa vetsy maintsy gélule vao tsy ody?
- Ny fahafahana mandresy lahatra olona @ resaka magnetisme sy petra-tanana fotsiny, ody ve izany? Dia ahoana izany ny hypnose?

Sa ve tsy maintsy misy asan-devoly vao ody? Dia ahoana moa ny fandehan'ilay asan'ny maizana? Sao dia hery mety mahasoa fa ny saina mampiasa azy no ratsy?
25. ravonjison ( 02/11/2010 17:41)
Ilay resaka ody io aloha efa nanaovana ady hevitra teto, ka nisy texte lavabe izay mihitsy nosoratako mikasika ny famosaviana. noho izany dia ho tsotsoriko ihany izay tiako ho lazaina.
Ny ody dia karazana fampiasana fanafody ihany, saingy afenimpenina ny fanaovana azy noho ny antony maro samihafa !!!Na izany anefa dia efa fantatra ihany ny fomba fiasany satria tsy ao Dago ihany no mampiasa izy irery fa eran'izao tontolo izao, ka efa betsaka ny fikarohana natao mikasika izany.
Ka raha tsoriko eto ny fomba fiasan' ny ody dia alozo lazaina toy izao : mifangaro ao dahlo ireto zavatra telo ireto : tahotra ( effet psychologique= nocebo effec), ny hafetsifetsena, ny fahalallana ireo karazana composant chimique izay misy akony tokoa raha tafiditra ao anaty tena ( famosaviana), ary farany dia ny tsy fahalalan' ny manodidina izay tena ataonïlay olona mpanao ody.
Ny hoe misy ny ody tsara sy ody ratsy dia azoko ampiana ny atao hoe : dualisme de la sorcellerie. Izany dia midika fa ireo izay milalao ody dia mpamosavy daholo, satria tsy ny ody no tsara na ratsy , fa ny tanjona nampiasana azy ( ny avantage n'ilay mpanaoody) no mamaritra ny hoe tsara sa ratsy. Noho izany tsy azo sarahina ny heo Rakoto tsara satria milalao ody tsara, manasitrana. Matoa izy milalao ody manasitrana, ary manafina izany, dia mpamosavy koa izy izany, saingy mbola tsy nampiasainy ilay famosaviana.Any aoriana any rehefa misy olona mampanantena azy vali-ntsitraka bebe kokoa dia ampiasainy ilay famosaviana.@ izao fotoana izao aloha ny fanasitranana no ahazoany vola bebe kokoa ka mody ataony.
Amiko aloha @ ireo zavatra telo mamaritra ny ody ireo dia ny famosaviana ihany no tena hitako dangereux sy olana , satria misy tokoa ny composant chimique azo hanatanterahana izany. Kanefa tsy maintsy mila tafiditra ao @ tenan'ilay hamosaviana ilay izy, raha tsy izany dia tsy mandaitra. Niho izany dia ilaina ny fifaneraserana.
Fa ny tahotra sy ny fahalalana ny manodidina kosa dia azo ahitsy.
26. RAR.DAGO ( 02/11/2010 19:02)
ravonjison:

Matoa izy milalao ody manasitrana, ary manafina izany, dia mpamosavy koa izy izany, saingy mbola tsy nampiasainy ilay famosaviana.Any aoriana any rehefa misy olona mampanantena azy vali-ntsitraka bebe kokoa dia ampiasainy ilay famosaviana.@ izao fotoana izao aloha ny fanasitranana no ahazoany vola bebe kokoa ka mody ataony.

Mila asiana fanitsiana ihany angamba ity resahinao eto ity ka! Aka ohatra aho izao. Ny ody kohaka (anti-tussif) ampiasaina malaza indrindra hatramin'izay dia ny codéine (néo-codion ohatra). Tsy ahita pharmacien anefa ianao andeha hitantara fa ny codéine dia lasa mivadika morphine rehefa ao anaty vatana satria sao dia misy mampiasa azy ho toy ny drogue satria fanafody en vente libre io.
Midika ve izany hoe ny pharmacien rehetra dia mpamosavy en puissance daholo satria manafina ny tena herin'io principe actif io? Mba tsy rariny kosa angamba ny filazana izany. Torak'izany koa ny fampiasana ny ody sy fanafody enti-paharazana.
Misy zany dimension éthique sy posture psychologique ohatran'ny tsy resahinao mihitsy nefa tena manasaraka ny mpimasy sy ny mpamosavy ohatra ary tsy mety ampitovy azy mihitsy. Tsy hoe satria mitovy ny hery eo am-pelatanana dia mitovy ny olona.
Toy ny tsy mety ampitovy olona tahakan'i Pety sy Razanamasy na i Alain Andriamiseza sy Imbiky Anaclet. Ny roa voalohany na samy efa maire aza ny iray dahalo ny iray homme d'Etat de carrure internationale. Torak'izany koa ireo roa manaraka, na samy efa ministra sy samy juriste aza, ny iray mpanao bizina ny iray référence internationale (Imbiky) @ maha juriste azy.
Ka tsy hafaka ny hanaiky mihitsy aho hoe na iza na iza dia mety hivadika biby avokoa ka hoe "Any aoriana any rehefa misy olona mampanantena azy vali-ntsitraka bebe kokoa dia ampiasainy ilay famosaviana" satria misy mihitsy karazan'olona samy hafa fa tsy hoe l'occasion fait le larron pour tout le monde.
Ary ny tsy fahaizantsika manavaka an'ireo karazan'olona ireo mihitsy noho ny fahajamban'ny maso @ zavatra mamiratra sy mihebohebo no mahatonga antsika mbola mifidy olona tahakan'i R8 na manohana gaigy toy ndry TGV.
Fa tsy isika gasy ihany anefa no "dondrona" jamban'ny marevaka io fa matoa I Sarkozy eo @ toerany ankehitriny tsy hoe satria izy no safidy tsara indrindra fa izy be lazao indrindra.
27. ravonjison ( 03/11/2010 09:29)

RAR.DAGO:

Tsy mazava aminao angamba ny tiako ho lazaina, ka hiverenako ilay atao hoe : dualisme sorcellerie- contre sorcellerie !!!!
En complexe mantsy izy io , ka izay mihitsy no mahatonga zay hoe: izay mahay manasitrana @ alalan' ny ody gasy dia mahay mamosavy koa. Hamafisiko anefa fa hafa ny mpivavaka izay miezaka manasitrana@ alalan' ny fivavahana, tsy mampiasa ody gasy izy, fa finoana no ampiasainy.
Raha mandeha any @ mpanao ody gasy ianao milaza fa marary ny vadinao fa nasian'olona ody ( sorcellerie= famosaviana) , dia miezaka izy hanasitrana ny vadinao @ alalan' ny ody dasy ( contre sorcellerie= fanalana mosavy). Mazava hoa azy "... fa tsy maintsy nianatra ny famosaviana izy mba hahaizany manala mosavy...." Io olona io izany dia , araka ny zava-misy eo antoerana, nanapa-kevitra fa ny manasitrana no hataony anton'asa. Raha sanatria anefa any aoriana misy ny hilana izany dia azony atao koa ny mamosavy.
Io dia ananako experience hitako teo antoerana : raha mbola nifankazatra tsara ireo olona roa dia ilay rangahy no nanasitrana ilay ramatoa.Taty aoriana rehefa tsy nifankahazo ireo dia namosaviany tsotra izao ilay ramatoa.

Mba ho fanampiana ilay fanazavana dia raisiko ilay ohtra nomenao : resaka codeine sy morphine, medecine scientifique.
Ny dokotera dia nianatra ny fampiasana ny fanafody , ny lafiratsy sy lafitsarany ( pharmacologie), nianatra koa izy ny mikasika ny poizina ( toxikologie). Rehefa mivoaka izy dia azony atao miasa ho inerniste ( manasitrana), na mitsabo izay nihinana poizina, na koa miasa @ firme mpanao deratisation ( mamono voalavo). T@ andron' ny nazie dia nisy ireo dokotera niasa t@ toerana niafina, ka namome poizina olona no asany. Io dia miankina @ hoe aiza izy no mahazo avantaze bebe kokoa, karama, voiture de fonction, trano hipetrahana , toerana eo @ fiarahamonina...
Midika izany fa ny dokotera dia mahay mampiasa poizina koa, ka rehefa misy fotoana manery azy, araka ny zava-misy, hanaovana izany dia ataony.
Toy izany koa ny firme pharmacutique, tsy fanafody fotsiny no amboariny fa manamboatra poizina isankarazany koa izy. Raha mahavelona azy anefa ny fanafody dia fanafody fotsiny no amboariny.
Misy tokoa ny aspect psychologique ( tahotra ) sy sociale izay tsy azo sarahina. Ny tahotra dia azo toerina @ alalan'ny finoana sy fivavahana.
Ny aspect social dia mbola resaka lavabe , ka hatreo aloha...

28. RAR.DAGO ( 04/11/2010 06:03)
azoko iny tianao lazaina iny ka!
Fa ny tiako ambara hoe tsy voatery ho toy izany foana.
Ohatra hafa :
1- Ny firaisana ara-nofo no ahafahan'ny zanakolobelona mampitombo taranaka. Tsara io raha ny fiheveran'ny fiarahamonina.
2. Ny firaisana ara-nofo koa no ahafahan'ny zanakolobelona manolana zaza tsy ampy taona. Ratsy indray io raha ny fiheveran'ny fiarahamonina.

Tsy midika anefa izany fa ny zanakolobelona rehetra afaka miray ara-nofo dia mety andeha anolana zaza tsy ampy taona daholo raha ampirisihina @ izany satria misy dimension hafa no izay fahafahana izay fotsiny : morale, éducation, croyance, culture sns.
29. ravonjison ( 15/11/2010 16:32)

Eny e mazava ange izany e, ny olona rehetra dia afaka manolana zaza daholo ( hamafisiko: tsy hoe mpanolana daholo, fa hoe afaka manolana daholo!!!), fa tsy ataony izany noho ny antony maro samihafa . Rehefa mivadika anefa ny lohany dia mety hataony izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0398